TIM ANTSIRABE : Nanatanteraka fambolenkazo

SONY DSC

SONY DSCNotontosaina ny Sabotsy 2 febroary 2013 tao Andraikiba Antsirabe ny fambolen-kazo izay nataon’ny Tiako Madagasikara Distrika Antsirabe voalohany. Anisany mpikarakara izao hetsika izao ny Fikambanana RENY MIAVOTRA sy ny TANORA TIM ANTSIRABE ary ny DISTIM izay notarihan’Andriamatoa RAKOTOMIANDRISOA Jean Ernest Filohan’ny DISTIM, Ramatoa RAMAHERISON
Hanta Hortence Filohan’ny Fikambanana RENY MIAVOTRA ary Andriamatoa RADERT Didier Filohan’ny TANORA TIM ANTSIRABE .
Tsy nanavahana izao hetsika izao fa dia Nansen’s ireo mpitarika avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana sy ny zanak’i Dada. Efa fanao isan-taona izao hetsika izao ary mbola ho tohizana satria anatin’ny vinan’ny antoko Tiako i Madagasikara ny fikajiana ny tontolo iainana.
Zana-kazo miisa arivo no novolena teto ary ny Orinasa COTONA no namatsy izany, tsy hijanona eto amin’ny fambolena fotsiny izao hetsika izao fa hisy ny fanaraha-maso izay ho ataon’ny Tanora TIM Antsirabe Nisy ny fiaraha-misakafo teto niarahana tamin’ny vahoaka ho mariky ny firaisankina sy fiarahan’ny zanak’i dada .Tonga nanome voninahitra ity hetsika ity Ramatoa Olga RAMALASON
Minisitry ny varotra sy ireo mambra ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita TIM eto amin’ny faritra Vakinankaratra . Nanararaotra nanao tatitra mahakasika ny raharaha politika eto Madagasikara moa teto ramatoa Minisitra ka tokana ny an’i znak’i dada eto amin’ny Faritra Vakinankaratra tsy misy fifidianana vanona eto raha tsy mody i Dada.

5 pensées sur “TIM ANTSIRABE : Nanatanteraka fambolenkazo”

  1. Tsy mahavita zavatra ve raha tsy mangataka any amin’ny karàna ????????????????????????
    Tsara ho fantatrareo rahatoa ka ilaina ny mampatsiahy an’izany eto, fa ny vola be azon’ireo olona nangatahanareo zana-kazo ireo, izay vola azon-dry zareo tamin’ny hatsembohan’ny malagasy sy ny harenany, dia any Môrisy daholo no mitontona ; tsy mba miverina entina hampandrosoana an’i Madagasikara DAHOLO !
    Tsy voaronareo ny orinasa TIKO dia any amin’ny karàna indray izany no tsy maintsy mandondòna varavarana !
    Nampirimin’aiza izato ambom-po ry zareo â ?

  2. Fa an’i Karana angaha ny COTONA ry zareo???tsy harako!
    raha izay dia efa mipararetra e!!!ny dikany dia hoe:  » misabaka aloha
    fa toa mitady ho tonga ihany dada izany ».ny an’i Karana koa anie izay mitondra eo ihany no
    totofany e!!ny azy bizzina no hilainy .
    RAHA MBOLA MISY TSY MAHALALA DIA KARANA IRAY AO @ TANANA AO MAMOAKA
    VOLAMENA 50kg ISAN-KERINANDRO RAHA KELY.Dia vinanio @’izany izay vidina hazo ..
    Mba ahirato ny maso ry zareo fa aza jamban’ny taolana kely a!!sao dia mba fanapenana maso fotsiny io????

  3. Ny volamena tsy mahazo mivoaka raha tsy efa « nampandalovana teny amin’ny Banky santraly izay miandraikitra ny fanondrànana » !
    Dadatoan-dramatoa « kely » no natao « tale vonji-maika » ! Asa misy vonjivonjena maika toy ny tsinai-kena angamba any ho any ?

    Tara be koa ianao izany ranavalona ! Sa mody paiso ?
    « Aterin’eto » : COTONA – UNIMA – SOCOTA ! Mba miasà kely aloha fa voky i Dà, dia hanao siesta kely, dia izay vao hikatroka !

  4. Indrisy ry Taniko, indrisy ry Vahoaka Malagasy, … Ianareo ao anatin’io rafitra io dia mieritreritra fa dia dondrona ny Vahoaka malagasy? mody miresaka fodian’i DADA ianareo nefa ao ambadika mandaka Azy. Tandremo fa ny tody tsy misy fa ny atao no miverina. ANDRIAMANITRA tsy andrin’ny hafa andrin’ny Vahoaka.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *