TSY HIJANONANA ISIKA RAHA TSY TRATRA NY TANJONA

IMG_5974

IMG_5974Ny lehilahy indray no hikarakara ny hetsika etsy amin’ny Magro Behoririka. Sambany vao hisy nyhetsika toy izany eny an-toerana. Araka ny nambaran-dRaGuy dia hanao akanjo fitondra manao fanatanjahantena ny lehilahy rehetra rahampitso na ireo Ct sy Cst aza izany. Hampiseho ny heriny ihany koa izy ireo amin’ny fanohizana ny tolona. Tsy ireo vehivavy ihany mantsy no afaka mandray anjara mavitrika amin’ny hetsika. Ny Ct Ranaivorazo Fenomanjato dia nilaza fa tena mafy isika ary tsy mahaongana antsika ny mpanongam-panjakana. Isika hoy izysahy mihambo fa manana vahoaka maro  ary isaorana isika fa zavatra tokana an-tany izany. Malagasy amin’izao fotoana izao hoy Feno dia hihafenan’ny frantsay. Mitady hamerina ny fanjanahan-tany izy ireo. Tsy avelantsika hisy basy hipoaka eto. Isika hoy izy tsy hijanona hatramin’ny farany raha ireny ireny nahazo antsika tamin’ny 2009 ireny satria voaroba daholo ny fananantsika.Ny Cst Randrianjatovo Henri kosa dia nanambara fa tsy mivoaka eto an-kianja isika raha tsy tonga ny lera. Vao mitsangantsangana aza isika hoy izy dia efa ireny no niseho fa aza maika isika. Tsy maintsy atambatra ny hery. Momba ny zavamisy eo anivon’ny Cst dia nilaza izy fa soketaina indray ny parlemantera mpanao fandihadiana fa hoe tokony hanaovana fanadihadiana ihany koa. Tsy tokony hanaratsy ny namana tahaka izany hoy izy ny sasany fa izany ve no atao hoe mpanabe.Misy hoy Henri tsy mahavit any adidiny ireo Cst sasany ka aza gaga isika raha mitranga ny fandihadiana. Matoa izahay hoyizy niditra tao dia misy dikany fa tsy moramora ny miady amin’ireo.

10 pensées sur “TSY HIJANONANA ISIKA RAHA TSY TRATRA NY TANJONA”

  1. Mampatahotra ny ka ary toy izao.

    – tsy mivoaka eto an-kianja isika raha tsy tonga ny lera.
    – Matoa izahay hoyizy niditra tao dia misy dikany fa tsy moramora ny miady amin’ireo.

    Ny mpanogam-mpanjakana Nefa etsy andininy Sady mameno paosy no,misakana ny tolona …dia mbola mandresy foana izy hat@ izao.

  2. Tena marina izany ry LAZALAZAO !

    Hahita zavatra izany ny vahoaka rahampitso ! Tena asehoy marina ny maha lehilahy anareo, amin’izay mba misy zava-baovao, fa toa somary efa resaka tsy manjary sisa no andaniana andro ! Kôzy ê !

    Ho fanampin’ny napetrak’i LAZALAZAO :
    « tena mafy isika ary tsy mahongana antsika ny mpanongam-panjakàna »
    « Isika sahy mihambo fa manana vahoaka maro, ary isaorana isika fa zavatra tokana an-tany izany »
    ……
    Rediredy manara-penitra ve izao sa fampiesonana marina araky ny voalazan’ny sasany ê ?
    Alohan’ny hiakaranareo eo amin’ny tribinona, mba jereo daholo aloha ny vaovao tsara ampitaina amin’ny vahoaka, fa manjary resaka misavilivaola sisa !
    Vahoaka efa mifafa ny kihoana, efa mandady amin’ny tany ve ho ahongana aiza indray ê ?

    Mba resaho ary diniho miaraka amin’ny vahoaka ny fandanian’ny mpanongam-panjakàna ny volany ! Zavatra toy izany no tokony azavaina amin’ireo olona tonga mihaino anareo ireo !
    Ohatra ny Colyseum manara-penitra lasa filomanosan’ny sahoana, ny hôpitaly manara-penitra tsy azo ampiasaina, ny zavatra mitranga ao amin’ny Air Mad, sns…..!

    Mandeha koa ny resaka fa hoe tsy tamin’ny anaran’ny SADC akory ilay tanzaniana no nanao ilay fanambaràna nampikorontana iny, fa « eritreritry ry zareo tanzaniana samy irery iny » !

    Betsaka ny zavatra tokony resahina sy dinihina, fa tsy resaka fampatoriana tahak’izao no aroso isan’andro !

    « tsy moramora ny miady amin’ireo » !!! Angaha ?????????????????

    « tsy mivoaka eto amin’ny kianja isika raha tsy tonga ny lera » ?? Mazava izany fa tsy mba hanohana ny hetsika izay ho ataon’ny malagasy amin’ny 16 mars ianareo !

    Izany ve fanambarana ny hery ???

    Tssssssssssssss !!!!

  3. Ho hitanay eo ary ireto lehilahim-bomanga!!
    Kanosa lahy daholo , laingako izany e!!mahereza dia
    aza dia ampiseho dahilo ny tena mahalehilahy sao lasa mitsaoka eo daholo indray
    ny mpiara-mitolona vehivavy fa ireo ihany mantsy no mba mafana fo @ tolona eo.

  4. HILATSAKA HOFIDIANA HO FILOHAM-PIRENENA AHO KA IZA NO HIFIDY AHY MAMY RAKOTOARIVELO FA TSY MAINTSY LANY PREMIER TOUR ZA NA DIA TSY MAHAZO FANKATOAVANA AMIN’NY DADA AZA,SATRIA ELA LOATRA ILAY CRISE

  5. raha lany izaho Mamy Rakotoarivelo dia ataoko filoha lefitra i meme sy raharinaivo dia hodakakako ireo mfm sy teza sy ny sasany ireo

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *