TSY MAINTSY MIJORO NY ANKOLAFY RAVALOMANANA

IMG_5395

IMG_5395Nitohy tetsy amin’ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana. Ny Ct Ralaimampisainarinony Manoela dia nisaotra ny vahoakan’Antananarivo noho ny famaliana ny antso tamin’ny fahatongavana teny Amboanjobe ny Sabotsy teo. Iny ny 300 Rajoelina hoy izy fa rehefa tsy mahay manisa dia midira eto amin’ny Magro. Aiza hoy izy izay fiandrianam-pirenena lazainareo. Atao inona eto ireo miaramila frantsay ireo.  N’inon’inona ataon’ny fat hoy Manoela dia ny Ankolafy Ravalomanana dia tsy maintsy mijoro.

IMG_5409Ny Cst Randrianjatovo Henri dia nanambara fa noporofointsika rehetra fa vahoaka miray hina ny Ankolafy Ravalomanana tamin’ny Sabotsy teo. Teny Anosikely izahay hoy izy omaly sy androany nanatrika ny fivoriana tsy ara-potoana. Nisy tamin’ireo Cst sasany hoy Henri no nilaza hoe maninona izahay no tsy nantsoina. Ny tiana hambara amintsika hoy izy dia efa betsaka no manatona antsika izy ireo. Noho izany dia aza taitaitra fa ny firaisankina no hamafiso. Ny filoha Ravalomanana Marc hoy izy dia efa nilaza izany. Tsy adala akory ny Cenit sy ny fikambanana iraisam-pirenena hoy ity olomboantendry ity nanapaka ireny daty ireny fa efa noraisiny an-tanana. Ny karampanondro dia maro ireo olona no tsy manana izany ka anisan’ny antony nanemorana ny adtim-pifidianana izany. Ny tondrozotra  hoy Henri dia efa lalàna eto fa tsy misy izany lalàm-panorenana izany. Misy zavatra tokony amboarina hoy izy ao amin’io tondrozotra io ka atao izay hampatanjaka ny fahefan’ny Pariministra. Izay no antony nangatahanay fivoriana tsy ara-potoana. Raha misy miteny fa azo esorina ny Praiministra dia azo esorina ihany koa izany Rajoelina. Ny Ct Horace dia nilaza fa hitondra fitoniana ve ny fisian’ny miaramila vazaha eto. Hazavao hoy izy ny antony nahatongavan’ireny eto. Amin’izao fotoana izao aza dia alefa any amin’ny faritra indray ireo miaramila vazaha ireo. Hampitony ny any amin’ny faritrave izany hoy ny fanontaniana napetrany. Noho izany hoy Horace dia tsy mandeha amin’ny laoniny ny fifdiianana ho atao eto.

7 pensées sur “TSY MAINTSY MIJORO NY ANKOLAFY RAVALOMANANA”

  1. mafimafy ny mandingana ny volana janoary ka ilaina ny mitady indemnités;ny tena koa moa mampirafy….antoko;hisolo ny emoregarega reo vazaha reo!hanafay ny zankidada hendry be ireo

  2. HASEHOY AMIN’IZAY NY HERY IZAY NOFEHEZINTSIKA ATRIZAY !

    (IL ARRIVE LE TEMPS DE LIBERER LES FORCES QUE NOUS AVONS BIEN MAITRISEES ET CONTROLEES JUSQU’A PRESENT , IL ARRIVE LE TEMPS DE NE PLUS THEORISER ,DE NE PLUS METTRE LA CHARRUE DEVANT LES BOEUFS..ALLONS DANS LE BON SENS ! !)

    Hoy ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC raha na MALY Ny Filohan’ny Firenena Tanzaniana izy tamin’ny conférence de presse tany Dar ès Salam ny 11 janvier teo :
    Tsy hilatsaka ho fidiana amin’ny ffidianana amin’ny volana mai 2013 RAHA TOA KA IZANY NO HAMPILAMINA NY KIRIZY HO AN’NY MALAGASY ! FA ATERO AHO HODY ! »
    Tsy mbola nanambara izany teniny izany mivantana tamin’ny Malagasy..
    Fa handao dinihina tsara io tenin’ny Filohan’ny Firenena io !
    RAHA NY TSY FANDRAISAKO ANJARA AMIN’NY FIFIDIANANA.. »RAHA » hoy izy !
    Fa RAHA toa moa mlatsaka ho fidiana izy , dia INONA NY SEHO-JAVATRA ?
    –tsy hisy filaminana ve eo amin’ny Firenena ary hisy korontana , fikomiana , vono olona ve ?
    Inona no fambara hahazoana manambara izany ? Mba harosoy ny fihetsiketsehana manomana izany..! Ary aiza ny porofo azo tsapain-tanana fa ireto vondron’olona ireto no mihombo manamasaka izany korontana izany..?
    Raha misy izany dia tonga ny fotoana hanehoan’ny Vahoaka ny heriny manda sy manohitra izany hetsika izany..,!
    KOA rehefa hisy ny fihaonan’ ny Malagasy , mankasitraka izany fihaonana , amin’ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC izany dia eo imaso imaso no miaraka manampan-kevitra io filatsahan’ny Filohan’ny Firenena io..
    — ary moa ve RAHA tsy milatsaka MARINA ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANAMARC dia hisy korontana ve ?
    ny tsy maintsy miseho , miteny sy manazava ny votoatin’iny resaka tamin’ny asabotsy to nentin’ny Filoha ! Aza mitady tandroka moka a mazava ny làlana atoron’ny Filoha RAVALOMANANA MARC Antsika mpanohana azy…Tandremo sao mody tsy naheno na mody tsy mahazo ny ANTSON ‘NY FILOHA TAMIN’NY ASABOTSY 09 FEVRIER 2013TEO !
    Maro ireo hihombon-kevitra amiko ary tsy hihambahamba hiakiaka mafy sy avo hoe : » ENY  » !
    Satria tsy ao an-tsain’ny Malagasy , tsy ao amin’ny fijerin’ny Malagasy manohana ny politique ankapobeany nampiasain’ny Filohan’ny Firenenena RAVALOMANANA MARC ho izany ny vokatry ny tolona nimatimatesana sy niafihany nataony nandritry ny efa-taona izao !
    TSY MBOLA NANDRAY FITENENANA NY VAHOAKA MALAGASY NANDRITRY IZAY EFA-TAONA IZAY..ARY RAHA TOA KA TSY MIFANARAKA AMIN’IO VOTOATIN ‘NY TOLONA NIMATIMATESAN’NY MALAGASY IO NY SEHO-JAVATRA , DIA HO HAIN’NY MALAGASY MANOHANA NY FILOHAN’NY FIRENENA RAVALOMANANA MARC NY HANEHO NY HERINY REHETRA ….!
     » TAOM-PANDRESENA ITY TAONA ITY ! » HOY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC
    MITOHY NY TOLONA ARY MIHAMZANA KOA AOKA TSY HIRAVIRAVY TANANA

  3. Ireo miaramila frantsay ireo no haniraka ny miaramila gasy hamono ny malagsy mitaky ny zony. tahaka ny efa niseho tany afrika tany e!

    Ireo fiomanana raha mody i Dada, dia raiketina ny korontana dia ,ho raikitra ny famonoana afo ,dia faizina ny malagsy mitaky ny ara-dalana sy famerenana an´i Dada amin´ny Toerana.

    io rajoelina io mihitsy no tokony vitaina aloha, fa io no tena fositra ,manaiky ny miaramila frantsaya hampamono ny Malagasy.

    Rajoelina mpamono ny Mlagasy no mpangalatra ny haren´ny Mlagasy, no mandroba ny volam-bahoaka Mlagasay, ary Mpivarotra tanindrazana gaigilahy.

    vola, Vola , vola, ihany izay fna ny ao antsain-Drajoelina fa ts mpanao politika izany izy sy mamay ravatomanga.

    Fa ho ela notoratorahana anefa izy ka ahavoa voamason´angatra. namono biby tsy nahafaty, ifoteran´ny rambony.

  4. Ka mibanaka koh!!kitapo latsaka!!
    Toa nofy ny hanala an’i domelina @’ity KISONIA efa vita.
    reniakoho notsipazana kalalao ???MANONOFY zalah izany an!

  5. « aza taitaitra fa ny firaisankina no hamafiso. Ny filoha Ravalomanana Marc hoy izy dia efa nilaza izany »

    Ekena fa tsy maintsy lasa io. Marihiko fotsiny fa ireo CST manatonkatona dia ilaina mba handresena nefa, hitany koa fa aty ny hery dia mety ho lasantsika ny fifidianana dia mody manantona koa ry zareo. Raha tena manohana ry zareo maninona no tsy terana ny ao @ CST na CT hanantateraka 100% ny tondro zotra na koa hanakana an’i Rajoelina @ izay ataony. fa raha hitaty ra-kena kosa dia aleo tsy misy toy izay…CST foza

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *