VOT : HANAOVANA DIDY JADONA NY TRANON’ANDRIAMANITRA

IMG_6398
IMG_6398Nofoanana ny hetsika fotoam-pivavahana saika ataon’ny Vondron’Olon-Tsotra Vot  rahampitso  tetsy amin’ny Chapelle militaire Betongolo. Nambaran-dRamatoa Zoé Sarah mpitarika ny Vot fa saika hanatontosa fotoam-pivavahana fangataham-pitahiana ho an’ny firenena sy ho an’ny Bebe Razay izy ireo. Nisy ny fangatahana natao tamin’ny tomponandraikitra ary efa vita sonia ny fifanarahana mikasika izany. Tamin’ny tolankandro teo anefa hoy izy dia niantso indray ny tomponandraikitry ny fiangonana fa tsy azo hanaovana fotoam-pivavahana ny toerana. Manoloana izany hoy Sarah dia tiana ny mampahafantatra  antsika rehetra ary mametraka ny fialatsiny. Miseho lany ary mibaribary hoy izy fa tranon’ndriamanitra aza dia anaovana didy kofehy lehibe sy didy jadona. Hentitra ny teniny fa natao ho an’ny be kravato sy manambola ny trano fiangonana. Tsy teo amin’ny mpitandrina no sakana hoy Sarah fa ny Mompera no fototry ny olana izay nandray baiko avy any amin’ny ministry ny fiarovam-pirenena. Fanontaniana no napetrany hoe atao an’iza ny fitahiana, ho an’ny be kravato sy manambola ve? Mila mandray andraikitra sika ary tsyhanaiky lembenana izahay Vot.  Noho izany dia tokony hisaina ny vahoaka ary satria ve tsy misy mpitondra nasaina amin’izany dia sakanana. Mbola hidinika izahahy hoy izy ka hotanterahina amin’ny fotoana mahamety azy indray.

1 pensée sur “VOT : HANAOVANA DIDY JADONA NY TRANON’ANDRIAMANITRA”

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *