ANKOLAFY RAVALOMANANA : HANAO TOLO-TANANA HO ANY VAHOAKA TRA-PAHAVOAZANA ANY ATSIMO

« Vonjeo ny any Atsimo, avia hamonjy ireo namana tra-pahavoazana any Atsimo » Io no lohahevitra horaisina mandritra ny hetsika tolo-tanana ho any any Atsimo hotanterahin’ny Ankolafy Ravalomanana. Araka ny fanazavana nentin’ny Ct Ravelonanosy Mamitiana tamin’ny vahoaka teny amin’ny Magro Behoririka androany dia ny Alakamisy 07 martsa 2013 izao no hanatontosana izany etsy amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha manomboka amin’ny 90ora maraina mandram-pahavitany.Tsy hisy hoy izy ny hetsika toy ny mahazatra etsy amin’ny Magro Behoririka amin’io fotoana io. Hanasana ny malagasy rehetra tsara sitra-po hoy Mamitiana  izany hanehoana ny fiaraha mizaka ,ny fahoriana ho an’ireo olona niharan’ny rivodoza any Atsimo. Tsy misy kabary politika hoy izy izany hetsika izany na dia marobe aza no hotonga eny. Ny tsara indrindra dia vary na vola no atolotra hoy izy kanefa dia tsy ferana ihany koa raha misy hafa. Ny Ct Horace kosa dia nanambara fa hankalaza ny datin’ny 08 Martsa ny vehivavy avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana ny Zoma izao. Hisy ny hetsika hanamarihana izany ka ny maraina dia fanolorana rà maimaim-poana ho an’ireo namana mila izany no atao manomboka amin’ny 7ora maraina. Ny tolakandro dia hisy ny tranoheva tanterahina etsy amin’ny Magro Behoririka hanehoana ny asa tanana vitan’ireo vehivavy. Atambaro ny hery hoy Horace fa isika vehivavy mendrika hiresaka politika.

Affiche traboina copie

 

 

 

13 réflexions sur « ANKOLAFY RAVALOMANANA : HANAO TOLO-TANANA HO ANY VAHOAKA TRA-PAHAVOAZANA ANY ATSIMO »

  1. Ho avy i neny dia hanao hetsika ny ankolafy Ravalomanana.
    Misy tsy mazava???efa oviana io fahavoazana io dia tsy maintsy @’
    fotoana ahatongavan’i neny no atao ilay hetsika ???FANAINIANA SA…………..??????

  2. Sao mba fitadiavana adi-poko koa hoe: tsy norarahiana ny any atsimo
    fa nilaozana namonjy an’i neny ireto vahoaka????mino aho fa misy
    tetika ratsy indray io fotoana atao in-1 mitontona io?????misy raha ao!!!

  3. aza mirediredy re ranavalona faha iv sa faha v
    zany an de isaino tsara izay lazaina sy soratana an
    misaotra agona an
    kilonga

  4. Misy tokoa ireo mihevitra fa izy ireo irery no misaina ,ka raha manao na tsy manao hetsika ny Ankolafy RAVLOMANANA MARC , dia tsy maintsy miteny izy ireo fa tsy hainy ny mangina.
    ny téléthon atao hoan’ny trabona any Atsimo dia efa novinavinaina hatao ny alarobia ozao !
    Anjaran’ny Ankolafy ny mandahatra ny fotoanany raha toa tonga Madame RAVALOMANANA LALAO..
    Manan-tsaina izy ireo ary fantany izay maika ho tanterahana..
    Fa aza manao ankohalahy mahita rehoka dia mihazakazaka mitroka izany..
    Mba misaina ,fa ny olona anie tsy miandry izay toromarika avy aminareo maivam-bava e!be

  5. Aza mapme fa tsy vao izao no nisy zavtra toy izao,dia mba ahitsihitsio
    kely ilay fitenenana fa sao dia tsy mety, tsy msy tompony eto fa ady ho an’ny
    tanindrazana no HIADIVANA ETO.TSY IZA AKORY IANAO fa mbola samy miandry ny sitrapon’ny
    FOZA daholo izao fa raha nahavita ianareo dia MBA ATAOVY fa samy tsy MAHAVITA koa aoka mba
    samy HIFANAJA fa manalabaraka an’i dada fotsiny.
    Aza odiana tsy hita ny zavamisy fa MISY VOAKARAMA TSARA HANARA-DRENIRANO AO @ ANKOLAFY
    DADA AO ARY POROFO MITOHAKA @ TENDANY IZAO TSY FAHOMBIAZANA IZAO,raha musy diso ny
    teniko avereno amiko fa ny VAVA TSY AMBINA MBA AMBOAMBOARY FA TSY AINAO NY MOMBA AHY.
    MAZAVA VE RADOKO?????

  6. Tsy teny tsy ambina fa teny tenin’ny tezitra..satria tsy mazava amiko nahoana ianao no sahy mampiseho hevitra sy tsikera tsy mitombona..?
    Misy fotoana tsy mamela sangisangy na haitraiotra na eso !
    Ny Ankolafy ve dia heverinao fa tsy mahay manamboatra ny fotoam-pihetsehany ? Ary iza no tsy mahalala fa ny Ankolafy dia nampahafantatra fa hanaja ny fihaonan’ny fianaaviana manana ny marary izy ireo,ka HAMPANGINA ny feon’ny Tolona izy ireo..
    TAPITRA !

  7. Mangingina ny fitsenàna an’i Mme Ravalomanana,
    ARY TSY AZO TSENAINA ! 🙁

    Izany no vaovao voary izao maraina izao .

  8. Avelao aho tsy hiteny betsaka!!!fenoy hetsika ny tanana e!!
    @’izay afa-po kokoa ny foza, izay mahafalifaly ny foza mantsy izao no atao.
    mivoaka ihany ilay hoe: » TSY AZO TSENAINA » efa hay daholo izany fa tsy azo tonga dia hatao
    vaky batsilana fa somary aahodina @ FANDREBIREBENA ANNNNN eeeny oah eeeeeeeeeee
    Zana-baratra sisa tavela ao @ ankolafy fa tsy zanak’i dada intsony. AMIKO IO AN!sao indray….

  9. Ry havana sy namana any atsimo
    sendran’ny tadio mirimorimo
    Voatohina ny fo ary tena ory
    Tsy manadino anareo tsy akory

    Miala fondro anefa fa mahantra
    Miala tsiny betsaka no mihantra
    Fa ny fo no solo’ny tanam-polo
    Raha nisy dia efa nahakolokolo

    Mino anefa aho fa ho avy ilay andro
    hahitantsika rehetra ilay masoandro
    Ho tondraka ronono iny faritra iny
    Hifalifaly indray ireo tsy manan-tsiny

    Aza kivy ary ry zanak’i Toliary
    Malagasy eran’ny nosy tsy manary
    Tazony hatrany ilay herimponao
    Ampiasao hatrany ny herintsainao

    Tsaroanay foana ireo menalamba
    Ireo nitolona tsy nihambahamba
    Izay namoy ny ainy ho antsika
    Nirombo mafy tsy misy tomika

    Miangavy anao ary aho hitraka
    Mivavaka ho anao tsy hizaka
    ireo fahoriana rehetra mandalo
    sy ireo izay mitady ho fahavalo.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *