ANKOLAFY RAVALOMANANA : HANATITRA VONINKAZO ENY AMBOHIJATOVO

IMG_8267

IMG_8267Hanatitra fehezam-boninkazo etsy Ambohijatovo rahampitso ny Ankolafy Ravalomanana.Nisy ny toromarika nomen’ny mpitarika ny vahoaka teny amin’ny Magro Behoririka androany mikasika izany. Hanomboka amin’ny 2ora tolakandro no hanaovana izany eny an-toerana. Rehefa avy eny dia mirodorodo mamonjy ny kianja toy ny mahazatra. Ao anatin’ny filaminana tanteraka no hanatontosana izany rehetra izany. Ramatoa Nenifara raha nandray fitenenana teny amin’ny Magro dia nilaza ny 28 martsa 2009 hoy izy dia tamin’io no andro voalohany nanositosehana sy nitondrantsika fangirifiriana satria ny 29 martsa 2009 no nanenjehana ny vahoaka teny Ambohijatovo. Nampiseho ny mpanongam-panjakana fa tsy azon’ny vahoaka atao ny manatitra voninkazo. Tsy mahazo mahatsiaro ny famonoan’ny frantsay ny malagasy isika satria atahorany hitroatra. Ny Ct Mamisoa kosa dia nanambara talohan’ny 47 no efa nisy olona tia tanindrazana teto fa ny tamin’io no nisy olona leo fanandevozana nataon’ny frantsay. Noho izany hoy izy dia ndao toherina ireo. Fomban’ny frantsay dia ny mampizarazara ny mpitolona zanak’i dada kanefa isika mitolona am-pilaminana. Misy hoy Mamisoa no novonoina ary izay tsy maty dia natao sesi-tany.Namafisiny fa mila ny filoha Ravalomanana Marc miverina eto isika alohan’ny fifidianana. Lavareny hoy izy ny fanaovana antsonjay ny vahoaka manao ny fahamarinana.Nambarany ihany koa fa mitady hanao fifidianana amboletra ny ministeran’ny atitany. Ny tapaky ny governemanta hoy izy dia lazaina fa manakery,ary koa hita fa tsy manaran-dalàna sahady ireo kandida hilatsaka. satria mitety faritra mizara zavatra etsy sy eroa. Hatramin’izao hoy Mamisoa dia mbola tsy tanteraka 100% ny tondrozotra. Mbola tsy mapy hoy izy ny fepetra hanatontosana ny fifidianana.

27 pensées sur “ANKOLAFY RAVALOMANANA : HANATITRA VONINKAZO ENY AMBOHIJATOVO”

  1. Efa fantatra daholo izany tompoko ô!!
    Mba asio bainga mivadika @’izay e!!
    Tsy i Domelina mihintsy no hanetry tena hanatanteraka io tondrozotra io koa
    inona no no PAIKA ????ny azy efa azony daholo ary miohatra lavitra @
    voasonia aza no hataony ka tsy msy hiasany loha @’izay tondrozotra mihintsy,
    fa ny ANTSIKA ????mboal any an-kibon’i foza, mitady hisy HIFITRA aza fa toa
    manembatsembana ilay TOMBONTSOAN’NY SASANY ANGAMBA.

  2. Ho hita eo izay tena alnjan’ny mpanohitra. Raha tonga maro ny olona ka mijanona elaela eny Ambohijatovo. ary milanja soara-baventy mihitsy aza no mampiseho ny tsy fankasitrahana an’i Rajoelina, ary indrindra manamafy ny fanohanana ny filoha Ravalomanana.. raha izay no mitranga dia fandresena lehibe……

  3. tsy mora ny ady hetrehiniMalagasy;Miady @firenena matanjaka isika;Ka aoka hifampahery;ary hivavaka mandrakariva;hangataka saina mantsilo @Andriamanitra;hamaly haingagana izy .Ary indrindra hangataka famelakeloka @Andriamanitra

  4. Saina matsilo ? Diso matsilo ny an’ny sasany, any ka lasa « tsilo..malemy » !!

    Tsy hoe miady amin’ny firenena matanjaka izany isika, fa miady amin’ny « ny tsy fahaizana mieritreritra » !
    Ny malagasy ihany hoy aho no fahavalony voalohany, satria avela manao an’izay tiany atao ny firenena hafa, noho ny fitiavan-tena ! Diso « tia kely » ny malagasy, satria mahantra na diso mahantra fisainana sy fanahy !

    Ry Mamy Rakotoarivelo sy ilay Lanto Rakotomavo hono dia samy niaiky fa ilaina izany hoe « éducation citoyenne » izany ! Tsy hiresaka firy momban’Ingahy Rakotoarivelo aho, fa ity kala mpanongam-panjakàna ity no tiako asiana resaka kely. Vahoaka efa dia inona loatra ny vahoaka malagasy, no dia « jio-vavy mpanongam-panjakàna sy tsy mpanara-dalàna » indray, no tokony ampianatr’azy an’izany fahaizana amam-pahendrena izany ???

    Vahoaka tena domelina marina ve ???

    Nanao valan-dresaka tamin’ny vahoaka frantsay i Hollande omaly hariva ary nanao fanambaràna mazava fa efa « nilaozan’ny toetr’andro hono izany hoe Lafrantsa mametraka an’izay olona tiany any Afrika izany » !
    Tiako ny manamarika fa raha niresaka momban’i Mali, Syrie sy ny olana izay mety mitranga any Afrika izy, DIA MBOLA TSY NASIANA RESAKA NY MOMBA AN’I MADAGASIKARA SATRIA I MADAGASIKARA DIA EFA « FANÀNAN’NY FRANTSAY ( Teritoara na departemanta) ANGAMBA » !

    29 mars 1947 ? Ankalazaina ny fitsigerenan’io daty io androany, satria nisy inona ?
    Nisy tera-tany malagasy be dia be maty niady ho an’ny fahafahana sy fahaleovantena hoe ? Ary ny ataon’ny malagasy amin’izao fotoana mba inona, indrindra fa ireo lazaina hoe mpitari-tolona ? Indrisy mantsy, 66 taona aty aoriana mbola tsy mahaleo-tena foana ny vahoaka malagasy, ary tsy mbola vita izany ny tolona na ady !

    Hametraka fehim-boninkazo mba hanomezam-boninahitra an’ireo rehetra izay namoy ny ainy ; 66 taona aty aoriana anefa, toa mbola ekena daholo izay tadiavin’ireo izay lazaina fa namono ny vahoaka malagasy ??

    Misy zavatra tsy azoko !!!

    Naneo ny fifonan’ny frantsay tamin’ny vahoaka malagasy ny filohany J. Chirac tamin’ny fandalovany ; ary ny Filoha Ravalomanana tsy dia nanisy resaka firy momban’ilay izy, raha nametraka fanontaniana momban’ny raharaha 1947 ny mpanao gazety.
    Ny tadidin-tsika dia ny valiteny nataony, izay angamba azo fintinina hoe : Tantara sisa izany, ary ny hoavy no tokony ho banjinina ; izaho koa aza mbola tsy teraka tamin’izany andro !!

    Tsy te hiresaka be loatra Ingahy Filoha, fa raha azony natao angamba dia hoy izy : « Tsy mahatoky « s(hir)aka aho, fa trondro ny loaka, ary acta non verba » !! MDR !!!!

    Andron’ny fieritreretana androany, fa tsy andron’ny fiatsaram-belatsia !

  5. hoy i km ery ambony:

    « Misy zavatra tsy azoko !!!
    … izaho koa aza mbola tsy teraka tamin’izany andro !! »

    ==> anontanio i Dolin GENU VALGUM

    sinon GoogleR

  6. Tsy marina ary ve ry se ilay izy â ?

    Ny ao an-dohan’ny sasany aza angamba any ho any, dia ny hoe : « Ialahy isany izao, matimaty foana toy ny valala nosamborim-boka, ny famarotana tanindrazana ity mbola mitohy, ary…(ataonay) manarapenitra » !!!

    Mody manjonitra sy mitalaho ; ranomason-toaka tsy misy tahak’izany !!!

  7. Tairo ‘ty izy, tonga dia omeo,
    Aza miala pà ; ataovy ‘zay mety
    Mitrakàha, aza miantso vonjeo
    Mba faly, dia ‘ndao ary hifety !

    TANA M’FETY !! Oubliez crise politique, difficultés quotidiennes et autres insécurités !! Le président et la CUA vous promettent 60 heures de jouissance et d’ivresse manarapenitra !! La BC est pleine à craquer, que les billets de banque débordent par la fenêtre !! Mais à défaut d’oeufs de Pâques dans les nids de poule, on se contentera de chevaux et gueules de bois ! Et bois de rose, merci !!

  8. ALEO ALOHA AHITSY KELY ILAY hoe: « 66 taona aty aoriana mbola…… »
    mba alao tao ilay 2002 – 2008 lesy a!!t@’io fotoana io kosa isika dia nahaleo-tena e!

    Ny atodin’ialahy aza ity mbola hifanjevona ao anaty  » la Neige » fa tsy anaty bozaka ohatra ny mahazatra ( MDR)
    sady manintsy ity andro @’io an!!!tsy mba misy hitsangatsanganana akory (ery Ambatomirahavavy) nga tsy loza!
    tena nitarazoka be loatra ity ririnina ity kah!!!Mankaleo!!!

    Mba handefaso vao2 androany eny Mabohijatovo izay mba mahalala zalah a! dia misaotra mialoha!!

  9. Misy eritreritro tiako ampitaina! aleo alefako eto rahampitso fa ny anio aleo aho aloha hangina satria na inona na inona lazaina sy atao anio dia fanompàna sy fanitsakitsahana ny zava-nisy tamin’ny 29/03/1947 daholo izany. Tahaka izay rehetra efa natao hatramin’izay!

    EKEKO BE ILAY ZAVATRA NOLAZAIN’I K.M

  10. manintsy aôn ranavalona an, swimming anaty rano aza mbola ataonay

    Fa maninona ise ry km no sarotiny raha mankany @ lafy8 ny sasany?

    de: J’ai vociféré
    ne vocifère pas
    IL vociféra

  11. ranavalona,
    ‘Zany bandy izany tsy nilaza mihintsy hoe « nandritry » ny 66 taona an ! Miala tsiny kely amin’ny fihavanana ! Atody any anaty lanezy izany, handamokany (même si le froid conserve) !!! MDR !!!
    Alidera A.R.
    Namaky tsara ny voalazanao, tao amin’ny TNN koa ny tenako ( Sujet : 5 raisons de…) !! Marina dia marina !! Momban’ilay fangatahanao, dia mila miandry kely fotsiny ianao ê !

  12. manao similitude angamba ranavalon’ê

    araky ny voalazan’ny mpanohana, nde oe hitopy maso kel any @ tnn?

  13. Azafady fa tsy nahazo resaka indray Bavy izany!
    eny ary e!!!tdiso mailo loatra koh za zany hihiiiii

  14. @ Solo Razafy !!!
    Be ny mpanenjika sy mpanakorontana e !
    Rehefa vizana nanenjika an’i Mamy Rakotoarivelo sy Me Razafimanatsoa indray ny sasany dia ianao(Solo Razafy) indray ity no tanjona 🙂
    Izahay ao @ lafy8 dia misaotra anao miasa mafy sy manao izay azonao atao e!
    Ianao koa anie, nampiseho ilay sarinn’i MeHanitra tany anaty avion e! Tsy mati-lolon’ny sasany ireny ! hi hi hi
    Mahereza e ! ny ataonao ihany no mandina !!!

  15. Matin’ny hatsiaka ry se a! tsy mbola nisy Paka toy ity .
    -10* sady mbola mirotsaka ny neige izao ity , aiza no hitsangatsanganana @’izao ??
    aty angah misy tendrombohitra izany ??izahay azy 5 mn miala ny ville koh!!faaaa dia manintsy ksa kah!!!

    Mba omeo vao2 moa zalah fa tena liana a!!nanahoana ilay fanaterana voninkazo e????

  16. Tsy sarotiny mihintsy aho r’ise, rahatoa ka izay no tian’ise ho fantatra ! Izay toerana rehetra azo hitoloman’ny mpiaro ny ara-dalàna dia hitolomana ! Tsinjaraina ny « asa » rehefa azo antoka ilay toerana !!

    Somary nangingina mantsy tato, any ka lasa ny eritreritro ! Eo koa moa ireo izay manenjika an’i MyDago amin’izao fotoana ! Izaho aza mba tratry ny « attente de modération », ary enga anie ka « noho ny antony tekinika » !!

    Tsy fiarovana an’i MyDago akory izany na inona, satria anjaran-dry zareo no mieritreritra sy miaro-tena, raha misy fanakianana ataon’ny sasany !!

    Maniry fotsiny mba tsy ho lasa toan’i Sobika i MyDago !! Misy site iray izay moa, dia efa hita ihany koa izao ny fandehany !!!

  17. Tsy mila manisy pestisida intsony izany, fa maty daholo ny bibikely ! Ho tsara ny vokatra !

    Tsy nandaitra izany ny :
    Noël aux balcons, Pâques aux tisons – Noël aux tisons, Pâques aux balcons !!

  18. 27 FEVRIER 1897 – 29 MARS 1947

    Ny tsiaro mitondra Antsika iatrika io fotoana maizin’ny Tantaran’ny Firenena :100 000 olona novoin’ny frantsay nandritry ny fifanondonan’ny Malagasy sy ny frantsay noho ny fiantsihana, noman’ny frantsay tao aorian’ny fialan’ny général de gaulle tsy ho Président du Conseil ny 26 janvier 1946..Io général io no nanagana ny Union française .
    Ny lalam-panorenana vaovao io dia namela ny fifidianana députés telo amin’ny anaran’ny Madagasikara…
    Fantantsika izy telo lahy voafidy dia Dr RASETA ,RAVOAHANGY , RABEMANJARA Jacques..
    Tsy nahafaly ny colons teto Madagasikara izany !
    Koa nony niala tamin’ny maha (Président du vonseil azy dia nibitaka ireto colons ary nifanaraka tamin’ireo mpanohitra ny politique-n’i de gaulle izyreo..Nanomana tetika
    entina hanakorontanana ny Malagasy izay nanantena fahafahana tamin’io lalam-panorenanan’ny Union française io .Tsy naharitra izany fanantenana izany..
    Ny colons diia namorona fikambanana
    koa ho an’ireo Malagasy tsy Merina ny 06 août 1948 , izay nomeny ny anarana hoe padesm ( parti des désrhités de madagascar )..
    ny zvatra no kendrna dia hasolo ireo Meina miasa ao amin’ny Fankan ireo lna avy ao amin’ny padesm..
    Iarahantsika mahalala ny tohin’ny Tantara ary mola mithohy ankehitriny izany.
    100000 ny Malagasy novonin’ny frantsay izay nirongo fiadiana..
    Io vono lona i dia tokony ho toriana eo amin’nyrribonaly Irasam-pirenena satria tena « génocide « tafiditra ao anatin’ny crime contre l’humanité
    Aoka tsyho adinontsika koa fa io 29 mars 1947 io dia mifanojo tmin’ny faha dimam-polo taonan’ny andro niondranan’ny Mpanjaka RANAVALONAMANJAKA FAHA III nandeha sesintany tany ALGER..ny 27 FEVRIER 1897, andro faran’ny FANJAKAN’ NY MPANJAKA TETO MADAGASIKARA..
    Tsy andro na fotoam-pahatsiarovana izany fotoan -tsarotra ho any Malagasy fotsiny izany fa koa tokony araraontintsika foana mandalina sy amakafana ny nety sy ny tsy nety vitan’ireo fitondrana nifanesy teto amin’ny Firenena nandrirty ny 116 taona izay !
    Inona no vokatra azon’ny Malagasy teo amin’ny fiainany ? Inona no tsy maintsy hiezahana
    mba tomombana sy finaritra ny Malagasy ?
    Tsy ampy ary tsy ilaina ny mitoreo fa tsy maintsy miady sy mivonona ary miatrika sy miaritra ny mafy izay hosahanintsika sy hiezahantska hatao sy ho tanterahina eo amin’ny sahan’ny fampianarana , ny ahasalamana , ny tazvatra ( mécanique , ..artisanat ..) eo amin’ny fizahana (recherche) ,eo amin’ny informatie , électronique , génétique , agriculture biologique , eo amin’n’ny fiompiana (fanarsarana ny taranaka -croisement – médecine vétérinaire)..sns,sbns..
    Noraisiko ity fotoana ity mba hanairana Antsika ,mba hanehoanaAmintsika fa maro ireo ezaka miandry Antsika ary satria ananantsiky fahendrena sy ny fahaizana , hananasika ny finoana sy ny kiry ary hannatsika ny fanantenanadia hahazo hery sy hanana fahavonona Isika handresy ny ratsy ,izay vokisan’ireo mpanjanaka nandritry izao taon-jato mahery izay ny fianarana nomen’ny Tolona Antsika..ary ny  » fito-taona
    nitondran’ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANA MARC niaraka tamin’ny MALAGASY NIRAY HINA TAMINY dia tombo-kase manaporofo ny kaitrefantsika
    Ampy izay ny mitoreo…Fotoana izao ijerintsika izay soa sy tsara ho ANTSIKA SY NY TARANARAKA ANTSIKA !KOA
    Raiso ny ampinga , hiantsorohy ny angady..reseo ny akamohana ary sikino ny fahazotoana !
    NY TOMPO IZAY NANAFAKA ANTSKA TAMIN’ NY FANOMEZAN’NY ZANANY HISOLO ANTSIKA
    AMIN’NY FANADIOVANA NY HELONTSIKA ANIE HOMBA NTSIKA LALANDAVA !

  19. i TNN aloha dia lasa gravy,

    fa na aiza na aiza, tadidiko ny tenin’i Solofo Mya: dénoncer

    fa ianareo ireo dia anisany nahaizako mijery ny lafiny « politika »

    maro ny leaders pro-dada notohanako teto, ny tena oa novice rahateo raha resaka politika!

    fa saingy ni-tic ny saiko hoe: alors là, chère Me Hanitra why linking the coming-back of first lady Lalao to roadmap?

    io ve r’ise (sy ny maro hafa, toa ny hypocrisie diplomatique) ilay oe: stratégie kept secret an!!

    Raha i TNN indray: sao de mba oe « démocratie »??

    I Madagascar Tribune no tena loza: FOZA VIRULENTS mahamenatra raha ny any ivelany no mamaky

  20. En ces temps de crises profondes, le lèche – bottisme de même que toutes formes d’hypocrisie sont plus qu’intolérables !!

    HoAiza, Alidera A.R. avait dit : « On ne vote ni pour une personne ni pour une idée. On avalise un projet ou pas. C’est tout. Et avaliser un projet demande des PREALABLES SOLIDES….. » !

    Là où le bât blesse, c’est que la plupart des malgaches ainsi que leurs pseudo-dirigeants, sont loin d’appréhender lesdits préalables requis ; préalables nécessaires pour l’organisation d’une élection reconnue par la CI, et par voie de conséquence pour le rétablissement d’un véritable Etat de droit ; et le plus important et non des moindres, pour la mise en application d’une politique ou du projet avalisé par la majorité des électeurs.

    A méditer, car de la connaissance ou compréhension de ces préalables viendra un jour notre salut !! Il se peut qu’Alidera A.R. n’ait pas du tout envie de s’étendre là-dessus, en ce jour de Vendredi saint !

    Questions à deux ariary :

    – Un bruit circule comme quoi, une autre version du Journal « Valosoa » ( légaliste et pro Ravalomanana ) vient de paraître !! Par qui, et dans quel intérêt ???
    – Affaire TIKO ! Certaines personnes « bien intentionnées » empêcheraient une usine du Groupe de redémarrer !! Qui sont-elles et dans quel but ?? Des explications de leur part s’imposent !!

    A tous les « sachants » économiques et politiques, ne soyez pas avares de vos analyses ainsi que de vos points de vue !

  21. Rehefa manohana lalan-dava ny ara-dalàna, ny rariny sy ny hitsiny ianao ry HoAiza dia tsy ho menatra na oviana na oviana, ny hijery ny endrikao ( zoli ou pas) amin’ny fitaratra â !! Adidy masina ny fiarovana an’io Tanindrazana iombonana io !!
    Tsy mora ny manao zavatra ary indrindra ny mitondra firenena ; raha mihinam-bary aza hono misy latsaka !
    Izay tsy manao ihany no tsy diso ; fa raha manao kanefa tsy arak’izay tokony ho izy, dia tsy ilaina satria tsy mamokatra ! Sa…?

  22. Ry madagasikara tany mamiko
    Ry madagasikara lova taniko
    Tsy haiko ny tsy hahatsiaro
    Ity andro izay an’ny mpiaro

    Nanjaka tokoa ity hoe mpanjanaka
    Nizaka avokoa ireto natao zanaka
    Satria tsy mba nitia izato reny kely
    Ilay nampahafantatra Dadabe Noely

    Nilaza fa hitondra ny fandrosoana
    Maha-malagasy indray no nosoloana
    Nampidirina ary ity fomba vahiny
    Novonoina koa ireo tsy manantsiny

    Tsy manaratsy ny hafa akory izahay
    Misy malagasy koa izay tena mahay
    Fifampiraharahana no zava-kendrena
    Fifanajana no voaloham-pahendrena

    Iza no manaiky ny tsindry hazo lena
    Indrindra ireo izay nandia fanekena
    Tsy hainareo ve ny manaja ny olona
    Sa Rabeharena tsy maintsy mitolona

  23. ……mihinam-bary aza misy laoka moa rehefa sady tsy hiira no tsy…………
    tsy aleo ve mikisaka fa manimba maso, indrindra raha hikotrika teti-dratsy?????

    Dia midika enjika sy fanakorontanana koa ve izay fanitsiana ZAVATRA DISO TOY ITONY e???aza dia
    miantsy ady moa fa ny andro fety e! izaho Njara mbola tsy nanenjika n’i M Hanitra na dia in-1 aza ary anisan’ny
    nankasitraka azy , mbola manaraka akiky ny fandehany fotsiny aho raha miray lalana izy sy Mamy. R na tsia?
    efa mba nanontany an’i Mamy. R ve ianao sy io iraikalahy ambony io hoe: inona no anton’ireny FOMBA FITENY
    FISOLELAHANA AMPAHIBEMASO IRENY ( t@ fahatongavan’i neny) mihintsy @’izay ilay izy toa fanehoana tsy
    fankasitrahana HAFAHAFA IZANY MANTSY AMIKO ALOHA an???????dia mba omeo anay eo ny valiny RAHA
    MBA NISY FA TSY FALY MILOMANO @ RANOM-POTA-POZA fotsiny dia manao fitaovana an’i DADANAY.
    Mba tsarao @ Fo tsy miangatra ilay zavatra fa aza dia miantsy ady lava fa tsy hitondra inona izany ary IZA NO TENA
    MANAKORONTANA ETO ALOHA???efa miezaka ny tsy hamaly foana aho eto fa aleo valiana ihany mba hazava KOKOA.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *