CIRGN : MANAIKY NY ARTIKLA 20, TSY MIRAHARAHA NY ANDININY 45

IMG_7577

IMG_7577Tonga teny Faravohitra nisy an-dRamatoa Lalao Ravalomanana ny tolakandro teo ireo tomponandraikitra avy  amin’ny CIRGN, notarihin’ny lehiben’ny faripiadidiana ny zandary eto amin’ny faritra Analamanga ny Kolonely Andry Rakotondrazaka sy ny lehiben’ny faripiadidian’ny zandary faritra Antananarivo Renivohitra ny lietnà kolonely Rakotomahanina. Nandray azy ireo teny an-toerana Ramatoa Lalao Ravalomanana niaraka tamin’ireo delegasiona avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Nambaran’ireto tomponandraikitry ny filaminana ireto fa tonga eto izahay hoy izy ireo araka ny tondrozotra ao amin’ny andininy fa 20 izao voalaza ao fa ny fanjakana amin’izao fotoana izao no miantoka ny fiarovana ny fianakavian’ny filoha Ravalomanana Marc ka ao anatin’izany Ramatoa Lalao Ravalomanana. Izahay hoy izy ireo dia manatanteraka ny tondrozotra fa tsy misy zavatrahafa ny fahatongavanay eto. Na dia fantatra azahoy izy ireo fa manana mpiambina manokana ianao dia tsy afaka izahay amin’ny fiarovana anao fa manana adidy izahay. Betsaka ny zavatra mifamahofaho eto amin’ny firenena. Mipetraka amin’ny maha teknisiana izahay eto.Malalaka amin’izay tiany aleha izy,   fa raha midina eny amin’ny Magro dia tsy handraikitray. Momba ny andininy faha 45 dia nambaran’izy ireo fa tsy raharahanay izay fa ny andininy faha 20 ihany.
Ramatoa Lalao Ravalomanana kosa dia nanambara fa faly ny tenako mahita hoe isika Malagasy mifankatia. Misaotra sy mankasitra anareo ny tenako ary ataoko tonga any amin’ny filoha Ravalomanana Marc izany.

6 pensées sur “CIRGN : MANAIKY NY ARTIKLA 20, TSY MIRAHARAHA NY ANDININY 45”

  1. Hihiii
    Fa misy inona ry tonaka e????
    Inona no tetika ambadika???hay ve hiambina an’i Neny tsy ho eny @ Magro e!!!
    Fa anandahin-dreninareo angaha io olona io ka ho feperana toy izany ry GIDRO a!!
    Dia mivoaha tao fa aza hitangoronana ao Neninay fa MANTSINA ry FOZA a!!avelao
    izy mba ho hilamina fa aza tohofanareo alika ireo.MANKALEO!!!!!!

  2. Raha hanatanteraka ny artikla 20 nareo dia  » MODY TSISY FEPETRA DAHOLO….. »
    DADA KOA ISANY ! RAHA MAHASAHY ??fa aza miatsaraivelatsia manetsikeloka,
    fa rehefa tsy izay dia TSORY NY MARINA ? INONA NO HATAONAREO AO NEFA
    EFA MISY MIAMBINA IZY????Dia ho harahana @’izay alehany rehetra izany io olona io??
    I Mialy arahana fa ireny no MPANGALATRA FANETRY BEN’NY FIRENENA FA AZA NY NENINAY
    MADIO TSISY PENTINA io.

  3. Tano hatramin’ny farany ny hevitrareo.
    Fa ny politika FAMOTEHANA ny Tia Tanindrazana tsy antenaina hitsahatra rahoviana

    ____

    C’EST LA DESOLATION: voici exactement la même constatation que je venais d’émettre hier pas plus tard qu’hier

    ==> « rattraper, non seulement un retard de développement, mais un retour 25 ans en arrière depuis le début de la Transition. »

    (Le Collectif des sociétés civiles et des citoyens regroupent plusieurs personnalités … le sociologue Serge Zafimahova)

  4. Misaotra anare ry zalahy ah fantatrareo fa malagasy toa antsika izy de mendrika ny hody sy itoetra eto antanindrazana marina any anareo raha mankany ainny magro izy saidy olitika iny ka tsy andraikitrareo mankasitra e d tohizo toizany koa rehegfa toga i dada filoha ravalomanana
    Gona Moramanga

  5. tokoa ho maiko i neny, ary hitazona hatrany ny mpibina . ireo zandarma kosa dia aleo mihataka kely ary ho hita eo ihany ny tohiny satria anie i Neny tokony tsy hiverina intsony e. Tokony hipetraka eto foana @ izay izy. ka mbola hiaro ve ny CIRGN sa hiaro ?

  6. AOka mba àfo madio tsy misy ambadika ; Ny zavatra rehetra ange ka misy farany e!Araraotyt ny andro azo hanaovantsoa;Ratsy izao fiananana izao ;ampy izay vitanareo izay ;sendra tsy hozakanareo foza ;nyfahatezerana Driamanitra

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *