EFA AKAIKY HIRODANA IO FITONDRANA IO

IMG_6623

IMG_6623Izahay avy any Atsimo hoy ny Ct Julienne avy any Androy androany teny amin’ny Magro Behoririka dia mahatsiaro mangirifiry amin’izao fotoana izao. Efa matory any anaty ala ny vahoaka noho ny fisian-dRemenabila, mbola vao maika indray nisy Remenabila voanjanahary indray dia ny rivodoza. Matory eny am-bodihazo ny vehivavy.  Andriamatoa Fidisonsolontenan’ny Ankolafy Zafy kosa dia nanambara fa ny Ankolafy Zafy dia mitsipaka fa tsy miray tsikombakomba amin’ny olona mamadika tanindrazana, raha niresaka momba ny baolina kitra karakarain’ny mpanokatra sarimihetsika iray ny tenany. Ny olona milalao baolina hoy izy dia olona mahay miaraka. Tsy fanambatambazana amin’ny fanaovana baolina no hisian’ny fampihavanana. Ny Cst Rakotonandrasana Samuel dia nanambara fa ny tondrozotra dia tsara hazava amintsika fa nisy hevitra nanaovana azy.N »inon’inona hoy izy resahianao na ampiharina dia lalàna iny. Tsy azo atao ny zavatra rehetra raha tsy vita ny zavatra eo aloha. Tafiditra ao anatin’izany hoy izy ny fisian’ny fitoniana dia ny fodian’ny filoha Ravalomanana Marc, ny fanokafana ny radio nakatona, ny famoahana gadra politika. Hatramin’izao anefa tsy mbola tanteraka ireo. Efa vita ny 90% ary efa akaiky hirodana io fitondrana io. Noho izany hoy Samuel dia ilaina ny firaisankina. Mahareta isika hoy izy fa vitantsika io.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *