FFKM : HITARIKA NY FANELANELANANA AMIN’NY KRIZY INDRAY

IMG_8432

IMG_8432Na dia efa nitsangana aza ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy (FFM) ary ho fantara atsy ho atsy izay ho filoha hitarika izany dia mbola maro ireo tsy mankasitraka azy. Ireo manohitra izany dia milaza fa ny FFKM ihany no tokony hitarika ny fampihavanana. Araka ny hafatra avy amin’ny FFKM izay novakiana nandritra ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fangataham-pitahiana ho an’ireo maty tamin’ny 47 io maraina io dia hisy ny dinika savaranonando hamoriana ireo antoko politika eto amin’ny firenena, hanaovana ny fampihavanam-pirenena. Ny 18 Aprily izao no hanatontosana izany saingy mbola tsy fantatra ny toerana hanaovana izany hoyizy fa mbola holazaina amin’ny fotoana mahamety azy. Noho izay adidy mavesatra hiatsorohan’ny FFKM dia miantso ny fandrasain’anjaran’ny vondron-kery samihafa izy ireo. Na dia teo aza hoy izy ny anjara biriky nentin’ireo rehetra tamin’ny famahana ny olana teto amintsika na tany ivelany na teto an-toerana dia tsy nahitana vahaolana izany. Efa nandrasana moa tamin’ny faramparan’ny volana Janoary iny ny fanelanelanana ataon’ny FFKM, kanefa dia mbola nangingina izany. Ny fivoriam-ben’ny FFKM faha 35 natao tamin’ny volana Novambra, no namaritra ny dinika savaranonando ity ka izao vao ho tanteraka. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa hamafisina ny fanentanana ny ambaratonga rehetra eo anivon’ny FFKM amin’ny fanaovana hetsika amin’ny fanampiana ireo traboina any Atsimo. Midika ve izany fa tsy nahomby ny fanelanelanana nataon’ny Sadc ka hiditra an-tsehatra indray izy ireo?

9 pensées sur “FFKM : HITARIKA NY FANELANELANANA AMIN’NY KRIZY INDRAY”

  1. fanapahankevitra hanao na tsy anao fampiavanana novambra ka atr@ mars izao izanyhoe 5 volana ,
    dia rehefa hita izay dia @ 18 Avril ,izany 20 andro ,
    dia ho tadiavina ny toerana fivoriana .

    dia efa hitombo valo volana indray ny asa ratsiny ny fat Rajoelina.

    A BAS RAJOELINA —– A BAS RAJOELINA ——HATSOGOLOHY RAJOELINA.

  2. Mba hanontany kely aho ;dia mbola hatoky any Odon Razanakolona ihany ve isika? Tsy efa be ve ny vitany?.raha izaho aloha dia eh eh!.Tsy anjarako ny mitsara fa saingy kosa miandry ny famaliana Nadriamanitra aho Izy Ratsirahonana Famille Rajoelina moa dia tsy lazaina intsony; Ahy ny Famaliana hoy Jehovah

  3. Aoka isika tsy ho faty hena maso;Fa rehefa vandana dia kary
    Tsy tokony handray ny ankanjo masina intsonyiOdon Razanakolona;Aza mamazivazy Andriamanitra Tompokoà Andriamanitra tsy azo andangaina

  4. Tsy mbola tara akory misy ny fotoana azo hanarenana;Araraoty @izao andro paka izao!Tsy hampianatra anao aho Odon fa mampatsiahy anao;Ratsy ny asanao Ianjady aminao ny fahateranAndriamanitra; Toy izany koa ianao Pasteur Peri67ha io

  5. Ny mahavariana sy mampalahelo eto dia tsy mba misy fialan-tsiny
    na mba fanazavana farafaha- alika matiny ( olona matiny) fa avy dia,
    avy etsy dia miverina etsy ohatry ny tsy tiafin-dalitra izany? nefa ilay FAHAVOAZANA TENA LOZA !LOZA!
    amiko dia toa ohatry ny AFA-PO t@ nataony ireto olona izay VOAHOSITRA nandray anjara mavitrika t@’
    izao FIJALIANA HIAINAN’NY VAHOAKA IZAO.MAHONENA!!!!!aiza moa no tsy vao maika hitombo ny
    fanenjeana mahazo ny mpitarika.

  6. Ces fameux membres du FFKM n’ont vraiment, et alors là, plus rien à faire dans la résolution de cette crise malgache !
    Ils ont tellement bien bossé, que 4 ans après le coup d’Etat avec toutes ses conséquences, rien n’a changé au Vatican !

    Pour le nouveau Roi des catholiques, tout baigne dans l’huile à Madagascar et non dans le sang !

    « Paix pour l’Afrique, thêatre encore de conflits sanglants.
    Au Mali, afin qu’il retrouve unité et stabilité ; et au Nigeria, où malheureusement ne cessent les attentats qui menacent la vie de tant d’innocents, et où de nombreuses personnes, même des enfants, sont retenues en otage par des groupes terroristes.
    paix dans l’est de la République démocratique du Congo et en République centrafricaine, où nombreux sont aussi qui sont contraints à laisser leurs maisons et vivent encore dans la peur ».
    Message Urbi et Orbi du souverain pontifical François, pour Pâques.

    Il n’y a pas de massacre en lémurie, où la population vit dans l’opulence et une quiétude sans pareille. Il n’y a jamais eu autant de liberté…dans beaucoup de domaine ( de tuer, voler, violer, priver les citoyens de leurs droits fondamentaux, etc….)!

    Je vais quand même profiter de ce post, pour présenter mes toutes sincères condoléances à Monsieur le Président Ravalomanana, pour cette épreuve douloureuse que sa proche famille vient de subir.
    Mamangy amin’ny fahoriana Tompoko na dia lavitra aza noy misy anao !! Mahereza Tompokolahy hajaina, ary miaraka ory aminao sy ny fianakaviana manontolo !

  7. Fa fahoriana inona ry Kintana fa tsy harako????
    Fa nisy inona???nahazo ny fianakavian’i Dada a???

  8. HoAiza,
    Il faut savoir positiver dans la vie ! 16-09-12 à 8h12mn
    Mais pour gagner, il faut savoir appréhender et solutionner tous les blèmes !
    Une femme avertie en vaut deux, n’est-ce pas ?
    ranavalona,
    Niaran’ny fahoriana ny fianakaviany ê, lalànam-piainana ! Mankahery azy any lavitra any fotsiny no azo atao !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *