Fodian’ny Lalao RAVALOMANANA : nosakanan’i DG ACM RAZAFY ROBERT Jean amin’ny Notam

IMG_6641

IMG_6641Sakanana amin’ny Notam

Nanao valandresaka hoan’ny mpanao gazery io takariva io ny Ankolafy Ravalomanana, nahitana an’i VPM Botozaza, ny VP CST RAZAFIMANANTSOA Hanitra, ny minisitra isany  Olga RAMALASON sy Ihanta RANDRIAMANDRANTO. Resabe fotsiny sady fampandriana adrisa ny filazana fa mahazo mody malalaka hitsabo ny reniny bebe Razay izay marary mafy eny amin’ny hopitaly efa telo herinandro izao i ramatoa Ravalomanana Lalao. Misy ny fanakanana amin’ny fomba ankolaka tsy ahafahany mikarakara an’ilay nahitany masoandro izay mbola ratsy dia ratsy ny toe-pahasalamanany araka ny tatitra nataon’i Olga Ramalason, ministry ny varotra avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana . Namoaka naoty indroa miantaona mandrara ny fiondranan- dRamatoa Ravalomanana Lalao anaty fiaramanidina Airlink ny tale jeneralin’ny “Aviation Civile de Madagascar”. Araka ny nambaran’ny maitre Razafimanantsoa Hanitra dia tamin’ny alarobia lasa teo no nividy ny tapakilany ny vadin’ny filoha teo aloha saingy nosakanana tsy mahazo miditra ny faritry ny seranana tao Johanesbourg. Mbola niverina teny amin’ny seranana indray izy ny alakamisy hariva sy zoma marina fa nosakanana tsy hiditra anaty fiaramanidina noho ny fisian’ilay karazana Notam avy amin’ny ACM izay nosoniavin’ny tale jeneraliny Razafy Robert Jean.
Tsy mena mivadika
Mivadibadi-dela i Razafy Robert Jean raha ny filazan’ny ankolafy Ravalomanana satria nanontaniana ny fisian’ireo naoty navoakany izy dia nanda hatrany.Niaiky ho namoaka ireo ihany anefa ny tenany rehefa nampanantsoina omaly tolakandro.Tamin’ny teny feno fahasahiana no nilazany tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ankolafy Ravalomanana nihaona taminy fa “ izy no tompon’ny teny farany amin’ny resaka filaminana sy fandriampahalemana amin’ny fifamoivoizana an’habakabaka mahazo an’i Madagasikara ka na misy aza ny toromarika avy amin’ny praiministra manome alalana malalaka ny fodian’I Ravalomanana Lalao dia tsy miova ny heviny” araka ny tatitra nataon’ny praiministra lefitra Botozaza Pierrot. Voamarina amin’ilay naoty nalefany amin’ny lehiben’ny Airlink omaly tamin’ny 8:09 maraina io sakana ataony io . Toy izao ny ampahany amin’ilay taratasy “your flight number SA8252 on march 1st 2013 is not cleared due to the appearance Ravalomanana’s name on passenger manifest”. Azo adika io fa tsy afaka mandeha ilay fiaramanidina SA8252 noho ny fisian’ny anarana Ravalomanana ao anatiny. Noho io naoty io dia nifandefa naoty iray hafa ny tomponandraikitry ny Airnlink aty amin’ny faritra sy ny rogers aviation mba tsy hanaiky ny fiondranan’ny vadin’ny filoha Ravalomanana. Toa izay indray ny ampahany amin’ny votoatiny:“Despite of the letter of the office of the PM, The director of the Civil Aviation has requested not to accept Mrs Ravalomanana”.
Fiaramanidina manokana
Ho an’ny Ankolafy Ravalomanana dia tsy azo ekena ny fandefasana ny vadin’ny filoha teo amin’ny fiaramanidina manokana.Na ny tenany ihany koa aza dia tsy manaiky izany hoy Ihanta Randriamandranto satria tsy azo antoka ny ainy amin’izany. “ iza no mahalala sao any amin’ny seranana any an-toeran-kafa any no ametrahana io fiaramanidina io . Dia azo antoka ve ny fiarovana ny ainy amin’izany? Tsy misy afa-tsy ny fiarahany amin’ny besinimaro anaty fiaramanadina Airlink ihany no azo antoka ho azy” araka ny hevitry ny ministra Ihanta Randriamanandrato. Ambon’izay dia lafo dia lafo koa ny vola lany amin’izany fanofanana fiaramanidina manokana izany.
Fifamelana
 Na eo aza ny antsojay atao amin’ny fianakaviana Ravalomanana ary amin’ny Ravalomanana Lalao manokana amin’izao raharaha izao dia miantso amin’ny fitoniana hatrany ny ankolafy. Aoka isika hifamela mba hisian’ny fitoniana ary koa hivavaka ho an’ny firenena  hoy Ramalason Olga .

16 pensées sur “Fodian’ny Lalao RAVALOMANANA : nosakanan’i DG ACM RAZAFY ROBERT Jean amin’ny Notam”

  1. Il est certain que les ordres de d ‘infliger un nptam à l’embarquement de Madame RAVALOMANANA Lalao vient directement de rajoelina.
    mais l’exécution de cet ordre ,que n’importe quel fonctionnaire peut comprendre sa signification et son but.
    Ce dg acm n’est ni un idiotni un ignare ,ni un insensibleaux difficultés , aux douleurs , aux peines qu’endurent et que subissent les Malgaches en cénéral et la famille RAVALOMANANA LALAO en particulier.
    ce robert razafy est-il obligé d’accepter de notifier ce notam à Madame RAVALOMANANA LALAO ,
    Cet homme est -il en accord avec sa conscience ou se contente-t-il de répondre qu’il ne fait que son travail !
    Sait-il que des Malgaches savent où il travaille et connaissent où il habite ,
    Ou se fout-il de l’explosion des colères des Malgaches ,
    qui était-il avant ce pouvoir des putschistes et qui sera-t-il après..?
    Etre dg ,responsable de la bonne marche de son service est une chose honorable mais exécuter bêtement et méchanment un ordre inique permet de qualifier de voyou sans foi ni loi celui qui a exécuter l’oprdre ,qui il soit !

  2. MISITAHA IANAREO ,ARY ITY NO ADY EO :./.

    pour l honneur ,

    pour l indépendance ,

    pour la respectabilité de la nation,

    pour la patrie ,

    pour la liberté et la liberté d’expression,

    pour la justice ,

    pour l’indépendance ,

    pour les valeurs ancestrales,

    A BAS RAJOELINA – A BAS RAJOELINA – A BAS RAJOELINA

    traduction libre :

    AMBANY RAJOELINA – RAJOELINA AMBANY – AMBANY RAJOELINA.

  3. Ary atao ity fa hoe:Solo Razafy ….kay Jean Robert Razafy.

    Aza omena tsiny izy fa Bizzina ny azy , » V  » io ry zareo a!!maromaroa ny fisehoan-javatra toy izao.
    ny fitaterana Sudaf koa tsy ferana, ry zareo ve hiasa talata eo e?misy raha ao!!dia rahoviana indray
    ny manaraka????dia mbola nahasaky NANDAINGA INDRAY ILAY BITRO SARIN-DIKY INY an???
    Efa lany henatra ny anareo ray olona, efa tsy hatsiaka intsony no hitafiany lamba fa henatra, POV CON!!!
    Misy tsy metimety ny lohany .
    Anontanio anie Beriziky raha tsy lazainy fa tsy fantany indray e!tsy izaho aloha e sns….DĖ SAMY MIALA BASsss

  4. K’iza koa moa no hampiakatra an’iny ambony eo koa raha tsy ry
    zareo MAHAY SONIA ry Michel a!!!
    Aoka hazava fa tsy ny vahoaka velively no nametraka olona maty heritreritra toa io
    eo ka hiantso alika hanaikitra toy izao fa ry zareo mpanao KISONIA.

  5. tena mivadika ati-doha ilay bitro voalavo. dia tsy menatra ve izay mbola manaraka izay didim-poza efa mifototra ny lelany ? tsy tranon-dainga intsony fa efa tena olon-doza tsy mahatsiaro saina very fanahy mbola velona.

  6. Maro aloha no efa mahafantatra fa tsy ho tanteraka ilay fodiana satria raha mbola hiatehatra @ andry Rajoelina foana ny ankolafy Ravalomanana dia sady tsy hisy fifidianana eo @ volana jolay no tsy ho tantraka mandrakizay ny tondrozotra. Tokony mba hiova famindra @ izay ary hampisy hery kokoa ny tolona tena tolona fanoherana. Tokony hajanona any koa io « fiaraha-miasa io » .Maninona moa tsy tohanana ny fikambanana pro-Ravalomanana izay avy hatrany dia nanohitra hitamaso ny fitarazoan’ny raharaha ?
    Mila maka fepetra hentitra ny ankolafy Ra8.

  7.  » Na eo aza ny antsojay atao amin’ny fianakaviana Ravalomanana ary amin’ny Ravalomanana Lalao manokana amin’izao raharaha izao dia miantso amin’ny fitoniana hatrany ny ankolafy. Aoka isika hifamela mba hisian’ny fitoniana ary koa hivavaka ho an’ny firenena hoy Ramalason Olga . »

    tohizo foana izao toe-tsaina izao, ary aleo koa tonga dia lazaina ny mpitolona rehetra hangina, ary tsy hijery ny krizy..inona anefa ny olana ? Ny toerana efa azo.Tsy maintsy hampiasaina ihany anefa ny anaran’ny filoha sao tsy lany eo @ fifidianana…..dia mahereza daholo ary fa tsy ho rahampitso no tanteraka izany tondrozotra izany, toa ny torovohana no tanteraka fa tsy ny tondrozotra.

  8. Ny ahy woa dia tsotra ihany ny teniko.Ampy izay.Tsisy afa tsy isika vahoaka sisa no afaka manala any i Rajoelina andry nirina eo aminio toeranio.Io dia tsy hiala mihitsy satria efa tsara fiarovana aminy ireto frantsay mena sofina ireto izay mitsiriritra mafy an’i Madagasikara ka mitady hamerina indray ny néo colonialisme.Sanatria anie izany.Ka ndao hadoboka ary ny mita bé tsy laniny ny mamba.Mbola averiko ihany, ireto frantsay ireto mihitsy no manakana any i fianakaviany i RAVALOMANANA.Mbola hitohy.

  9. Miala tsiny aminao rasamy, fa ny « tena » tompon’andraikitra amin’izao fahoriana goavana izao dia tsy iza fa ny vahoaka malagasy irery ihany ! Ao anatiny izaho sy ianao, ary indrindra indrindra fa ireo milaza fa hoe solotenan’ny movansa ary mpitarika ireo !
    Tsy afaka hanao na inona na inona ny frantsay rehefa mihetsika ny vahoaka !
    Ny mampalahelo dia mbola fahanan-dalitra aloha izy atramin’izao !

    Isika dia miezaka manao an’izay vita sy azo atao any amin’izay misy antsika rehetra any, fa ireto hoe mpitarika ireo dia hita amin’izao fotoana FA TENA TSY MAHAVITA NA INONA NA INONA !
    Ny fiarahana misaosy amin’ny mpanongana ihany aloha, no tena tsikaritry ny vahoaka !

    Fifidianana izany dia tsy hisy ! Izao ve no ataon’ny mpanongana, izay hitantana an’ilay izy dia inona no fifidianana ho vanona ary lazaina fa hangarahara eo ? Ny Filoha Ravalomnana tsy ho tafaverina eo satria ny sasany variana manao zavatra hafa ! Ka misy fanontaniana ity ho azy ireo :

    TSY TANTERAKA NY TONDROZOTRA, ARY TSY HO TANTERAKA ARY DISO FANTATRAREO TSARA IZANY. NOHO IZANY ANTONY IZANY, DIA MANONTANY NY REHETRA : RAHOVIANA NO HO TANTERAHANAREO ILAY TENIN’NY FILOHA RAVALOMANANA, RAHA NAMOAKA FEO IZY HOE HITANAREO NY VARAVARANA « HIDIRANA DIA TOKONY HO HITANAREO KOA NY FOTOANA SY NY VARAVARANA HIVOAHANA » ?

    Aza be resaka intsony ianareo fa lasa fiatsarambelatsia sisa ny zavatra ataonareo ; ary aza miseho ho malahelo sy mitsetra an’i Bebe Razay fa mananfitohan’olona ! Ny fitsidianareo azy any indray no tena mety hahafohy ny androny, raha toa izao foana no ataonareo ! Misy fetrany ny zavatra azo leferina !!

    Ny fahavalo dia raisina amin’ny maha fahavalo azy rehefa fantatra, fa ny mpamadika dia tena loza lavitra ho an’ny Firenena, noho ny fahavalo !!!!

  10. Le malheur des uns fait le bonheur des autres / one’s man meat is an other man’s poison

    Des einen Freud, des anderen Leid

    « la joie de l’un, le malheur de l’autre »: our joy your nigthmare

    _____

    All Zhat is the philosophy behind « FITIAVANA »

    Where is (are) key factor(s) to help us GET RID OF THIS SLOGAN ??!!!

  11. Foza ve no hitokianareo? Tsy aleo mahatoky vatakazo boboka? Izany no atao hoe ANDEVO saina. Makarakara be. Mifahana maloton’olombelona isan’ando io zan robera fitombenana io.
    Ary ireo mitingitingina miara migoka sy miloka ary mifoka sy miletra amin’ny foza ireo manao refraim sisa no fialany sirika.
    Zoridira lavitra nohon’ny foza ireo.

    A VOMIR.

    Ireo no tena mampitombo ny olana eo amin’ny firenena izao.
    Izay tsy faly mibontsina dia akarapohy ny loha.

  12. Mbola averiko ihany ry zareo an! Tsy misy afa- tsy isika vahoaka malagasy ihany no afaka hanala any i Rajoelina andry nirina, fa raha io tsy hiala eo mihitsy .ka ndao hiaraka hanadoboka anio boaikely io, haotrany nanaovany any i prezidà ravalomanana marc.Tsy misy afa tsy izay sisa.Ireo miaramila ireo ange efa voakarama anireto mena sofina ireto indrindra fa i Rajoelina, ka anjarantsika sisa no mieritreritra na hanao, na tsy hanao, fa raha tsy izany eto foana isika na aminy erin-taona aza.Mba é!!!

  13. Ary toa misy ministra roa, tsy hita tabilao ?
    Ary iza izany mpitsikilon’ny Revin’ny Dondrona sy ny Songomby ao izany ?

  14. Efa fantatra mialoha f ts ho tanteraka ndray io é!Mampmé lé DG ACM é!Attitude an Pilote vé zan!Ndao f mbola ho avy ny anjaranareo ry boaikely a!Zay nanao rehetra ngé ef nijinja ny nafafiny é!Mahandrasa f hoavy à ora tsy ampoizina ny an la é!

  15. AIZA e???tairo fa tsy mamely !!
    Ilay nanao ilay sonia moa dia tsy hita TABILAO!!
    MIANDRY NY VAHOAKA e!!HO AN’IZA MARINA NO ANAOVANA INY SONIA HANDETEHANA
    NY VAHOAKA @ MAIZINA TOY IZAO INY AZAFADY ?????efa tena mampiteny ny moana ity.
    AIZA IZAY FANDRAISANA andraikitra sa izay VOASONIA DIA VOASONIA??????

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *