Me Razafimanatsoa Hanitra : « sarintsarina fahaleovantena no iainantsika eto »

DSC00237

DSC00237Nankalaza ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 Martsa 1947 ny Ankolafy Ravalomanana.Niatomboka tamin’ny fametrahana fehezamboninkazo tetsy amin’ny tsangambaton’ny Maherifo Ambohijatovo.Nihazo ny araben’ny fahaleovan-tena, ary dia nijanona tao amin’ny Magro Behoririka.Vory lanona toy ny mahazatra ny zanaky Dada androany.Ny fotoampivavahana no nanombohana ny hetsika ary dia narahina kabary isany.

Fitiavan-tanindrazana hoy ny Me Razafimanantsoa Hanitra  teny amin’ny Magro Behoririka no ahatongavantsika eto.Nisy olona nitolona tamin’ny 47 hoy izy tamin’izany ka nahafatesana olona marobe. Hatramin’izao dia sarintsarina fahaleovantena no iainantsika. Misy olona mihevitra hoy ity olomboantendry ity fa zanatany i Madagasikara. Nambarany ihany koa fa tsy misy Neny miverina izany fa mbola manana zo izy hijanona eto. Matoa isika hoy izy mbola mijoro ny Ankolafy Ravalomanana dia mitaky ny fodian’ny filoha Ravalomanana Marc. Noho izany dia mila mifamela ary mivavaka isika satria mbola ao anaty haizim-pito Madagasikara.






 

43 pensées sur “Me Razafimanatsoa Hanitra : « sarintsarina fahaleovantena no iainantsika eto »”

  1. Misy kabarin’i Mamy Rakotoarivelo teny @ Magro taorian’io an’i Me Hanitra io tena tsara be. Mamaritra ny toeran’ny Filoha Ravalomanana eo @ ankolafy Ravalomanana. Miangavy ny mpandrindra eto Mydago mba alefa raha azo atao.
    Fa ity kiraro Ramatoa! Iny ve nentina nandeha tongotra nitety Anlakely-Behoririka. Koa tsy potraka teny ve @ity lalana feno kiloadoaka. Hafa anie ny lalana t@ andron’i Filoha Ravalomanana e!
    Hafa ihany ilay ekipan’i Filoha : miramiran’endrika foana! Jereo anie ireto izy aoriana e!

  2. Niala tamin’ny maitson’ny Fanantenàna ve izy izany, sa hiova amin’ny hoe :
    Izahay jerena dia ho manga ny lanitra ????? Mbola manjombona dia manjombona mantsy ilay izy izao !!
    Manantena ny Filoha Ravalomanana hihiditra an-tsehatra androany, amin’izao asabotsy mialohan’ny Paka izao !
    Ary mbola mirary Paka sambatra ho an’ny mpiaro ny ara-dalàna rehetra !

  3. Tsara bé daholo ireo sary rehetra ireo nefa kosa nanome daty ny sadec, OUA, sy ny sisa fa woe Tsy maintsy tonga alohany 1er 2013 izao ny PREZIDA LANY BAHOAKA RAVALOMANANA MARC;KA MISY FANONTANIANA KELY APETRAKO ity, mba ahoana ny hevitry i zanaky i DADA satria dia toa mbola tsy tanteraka foana ilay FIFANARAHANA

    Ity misy hira kely hanalàna hamohamo, sami aza miara miaino daholo;

    http://www.dailymotion.com/video/xxb650_youssoupha-ft-ayna-on-se-connait-clip-officiel-2013_music&start=27

  4. Midera sy mankalaza re Maitre RAZAFIMANANTSOA – SY Atoa MAMY RAKOTOARIVELO o !
    Raha tsy teo ianareo efa nirefarefa amin’ny Tany ny herin’ny Tolona.
    Mendrika sy deraina ihany koa ny fomba entinareo manome hasina sy Haja ny Vahoaka. 😉

    Ary isika tsy ho kivy tsy ho ketraka fa mitohy ny Tolona.

    Mba misy fiangaviana kely ity raha azo atao : Aza atao an’izany hoe « MIJORO » izany ny Ankolafy Ravalomanana , fa miangavy re, mba ataovy hoe : Mbola MIATRIKA SY MIKAJY ny Ankolafy Ravalomanana, ny antony mantsy dia ampiasain’ny sasany ilay teny hoe MIJORO, entina …..hanakorontanana ny FIRAISAN-KINA E ! Mba eritreritra ny ahy iny fa tsy dia zavatra ilaina loatra 🙂

    Antenaina ho nitondra ventiny ny fitsiham-paritany NOTARIHIN’ATOA MAMY RAKOTOARIVELO.
    TOHIZO SY LAZAO TSARA NY VAHOAKA MALAGASY, fa ny Ankolafy RAVALOMANANA, izay Tarihinareo : dia mahavita azy, ary afaka ny hanatanteraka ilay hoe : 1er tour dia vita 😉 .
    Miandry an’i Dada mihitsy iska, ary araka izay azo atao , mba faran’izay haingana, fa izay no tena hampilamina ireo « Mpanakorontana » ireto.Ny asa any amin’ny Privé koa mbola betsaka ! ;).
    Ahoana moa hoy y malagasy ? Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy e !

    Fa izany rehetra izany dia fehezina amin’ny hoe : »IZAY MITAMBATRA : VATO, izay MISARAKA…FASIKA », koa tandremo fa ny fasika, manditsoka be ihany, manao izay mahajamba ny mpitolona… MDR!!! 🙂
    O ry ZAZANAKDADA A ! Tena mitovy fijery isika sy ianao : HAFA IHANY ny….EKIPAN’i Dada DADA—-MIRAMIRAN’ENDRIKA !!! ARY HITA HO MIRAY HINA TANTERAKA AN !

  5. misaoyra re fa marina zany tsy zao ny fahaleovatena mbola ao anatiny fanjanahana ny erany africa @zao misaotra kompoko

  6. Izaho eto foana hatry ny omaly hariva, rahatoa ka izaho indray no antonianao ê !

    Maraina tamin’ny 7h30 aza aho, dia efa mba nandondona sy nanandrana nihiditra, fa mbola nihidy be ny varavarana !

    Izahay indray efa zatr’ady, ka tsy misorona rehefa mahita ny tsy mety ! Izahay indray dia tsy anisan’ireo mandoka amin’apa, fa izany no mahavery ny firenena !
    Tsy dia fombanay ny mijery arina an-tava, ary mbola ho avy hilaza ny zavatra tsikaritra !!

    Raha mbola tianao ho fantatra ihany koa, mbola tsy nandray ANJARA, na tao amin’ny TIM, na TNN na Tribune na aiza na aiza ny akama !

    Izaho dia anisan’ireo tsy dia tia misolosolo pseudo toy ny sasany !! Noho ny akamoana ?? Tsia !! Je ne sais pas faire hoy ny fiten’ny sasany, na tsy dia fombanay hoy i Ramalagasy !!

    Mirary Paska sambatra sy mampamangy, fa ny Tiana mitombo tarehy foana rehefa atao ho tsara ê ! Tandremo ihany hoy aho ny akanga tsara soratra !!

    MDR !!

    MDR !!!!

  7. Misy adino kely !
    Mba anontanio ry Njara fa ianareo efa ao anatin’ny Secret de Dieu ihany â ! Iza izany niteny hoe :  » Mandehana tsena any ny renin’ialahisany  » ???

    Madama Ravalomanana ve dia atao an’izany, kanefa MITADY FIRAISAN-KINA ????

  8. Efa mby eo aminy ny ady koa tsy maintsy miandry azy isika;Koa aza miherikerika fa izaho no Andriamanitrareo;Indro aho momba anareo mandrampahatonga ny fahatampera izao Tontolo izao

  9. O ry Kintanamanandrambo a !
    Raha tsikaritrao mahalana aho no manonona ny anaran’ilay Filohan’ny HAT !
    Fa izay niteny izany kosa aloha na dans les secrets de Dieux aza aho, dia tsy haiko loatra, FA AZY NY AZY !!! Sao dia i Naika Eliane kosa ary ???
    Ny anay ny manohana an’i Dtoa Rakotoarivelo ihany no ady eo !!! Hitanay mantsy fa tsy adala mihitsy ireo vahoaka manotrona an’izy mianadahy ireo ! Sa????
    Tsy mba mihevitra ny malagasy ho domelina mihitsy ny aty ka ! Ary i Madame Ravalomanana dia reninay na iza faly na iza tsy tia…. 😉
    Oadray ! Zo ho an’ny rehetra ny mitsidika atsy sy eroa raha mbola misy koa ny Tranonkala. Ny tsy mandeha any koa mbola zo ho an’ny rehetra e ! Malalaka isika eto fa tsy mba misy Jeneraly « Bepanda » izay tsy sahy niseho masoandro raha vao nihetsika ny Kung Fu. Nistrika tany an-davaka ilay lery e !
    Ny « sasany miovaova pseudo koa anie mbola zo ho an’izay te hanao izany e !!!Angamba manoratra eto koa ilay misolosolo pseudo hoe MIJORO iny ! Sa ???? 😉 MdRRR. Samy manao daholo fa aokoa re e! Daholo daholo ! Misaotra an’i MyDago ihany ary indrindra i Solo RAZAFY : mbola MdRRR ihany aho marina an !
    Nahazo Grade kosa ny « sasany » antsoina hoe : Akanga tsara soratra kooo ! Tsara soratra mihitsy aloha e : tsy vazivazy ! MdRRRRRR !!!
    Na izany aza
    Joyeuses fetes de Paques daholo e ! Indrindra ireto MPITARI-TOLONA MENDRI-PIDERANA NALAIN’I SOLO RAZAFY SARY IRETO .

  10. TANTARA TSOTRA NEFA MITAHIRY HAFATRA SY TARIGETRA MAFONJA TSY AZO LALOVANA FOTSINY FA TSY MAINTSY TANTERAHAN ‘NY TARANAKA MIFANDIMBY VORY SAINA SY TSARA TAIZA…MBA HAMELO MASO NY FIRENENA MALAGASY

    27 FEVRIER 1897 – 29 MARS 1947
    Ny tsiaro mitondra Antsika iatrika io fotoana maizin’ny Tantaran’ny Firenena :100 000 olona novoin’ny frantsay nandritry ny fifanondonan’ny Malagasy sy ny frantsay noho ny fiantsihana, noman’ny frantsay tao aorian’ny fialan’ny général de gaulle tsy ho Président du Conseil ny 26 janvier 1946..Io général io no nanagana ny Union française .
    Ny lalam-panorenana vaovao io dia namela ny fifidianana députés telo amin’ny anaran’ny Madagasikara…
    Fantantsika izy telo lahy voafidy dia Dr RASETA ,RAVOAHANGY , RABEMANJARA Jacques..
    Tsy nahafaly ny colons teto Madagasikara izany !
    Koa nony niala tamin’ny maha (Président du vonseil azy dia nibitaka ireto colons ary nifanaraka tamin’ireo mpanohitra ny politique-n’i de gaulle izy reo..Nanomana tetika
    entina hanakorontanana ny Malagasy izay nanantena fahafahana tamin’io lalam-panorenanan’ny Union française io .Tsy naharitra izany fanantenana izany..
    Ny colons diia namorona fikambanana
    koa ho an’ireo Malagasy tsy Merina ny 06 août 1948 , izay nomeny ny anarana hoe padesm ( parti des désrhités de madagascar )..
    ny zvatra no kendrna dia hasolo ireo Meina miasa ao amin’ny Fankan ireo lna avy ao amin’ny padesm..
    Iarahantsika mahalala ny tohin’ny Tantara ary mola mithohy ankehitriny izany.
    100000 ny Malagasy novonin’ny frantsay izay nirongo fiadiana..
    Io vono lona i dia tokony ho toriana eo amin’nyrribonaly Irasam-pirenena satria tena « génocide « tafiditra ao anatin’ny crime contre l’humanité
    Aoka tsyho adinontsika koa fa io 29 mars 1947 io dia mifanojo tmin’ny faha dimam-polo taonan’ny andro niondranan’ny Mpanjaka RANAVALONAMANJAKA FAHA III nandeha sesintany tany ALGER..ny 27 FEVRIER 1897, andro faran’ny FANJAKAN’ NY MPANJAKA TETO MADAGASIKARA..
    Tsy andro na fotoam-pahatsiarovana izany fotoan -tsarotra ho any Malagasy fotsiny izany fa koa tokony araraontintsika foana mandalina sy amakafana ny nety sy ny tsy nety vitan’ireo fitondrana nifanesy teto amin’ny Firenena nandrirty ny 116 taona izay !
    Inona no vokatra azon’ny Malagasy teo amin’ny fiainany ? Inona no tsy maintsy hiezahana
    mba tomombana sy finaritra ny Malagasy ?
    Tsy ampy ary tsy ilaina ny mitoreo fa tsy maintsy miady sy mivonona ary miatrika sy miaritra ny mafy izay hosahanintsika sy hiezahantska hatao sy ho tanterahina eo amin’ny sahan’ny fampianarana , ny ahasalamana , ny tazvatra ( mécanique , ..artisanat ..) eo amin’ny fizahana (recherche) ,eo amin’ny informatie , électronique , génétique , agriculture biologique , eo amin’n’ny fiompiana (fanarsarana ny taranaka -croisement – médecine vétérinaire)..sns,sbns..
    Noraisiko ity fotoana ity mba hanairana Antsika ,mba hanehoanaAmintsika fa maro ireo ezaka miandry Antsika ary satria ananantsiky fahendrena sy ny fahaizana , hananasika ny finoana sy ny kiry ary hannatsika ny fanantenanadia hahazo hery sy hanana fahavonona Isika handresy ny ratsy ,izay vokisan’ireo mpanjanaka nandritry izao taon-jato mahery izay ny fianarana nomen’ny Tolona Antsika..ary ny  » fito-taona
    nitondran’ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANA MARC niaraka tamin’ny MALAGASY NIRAY HINA TAMINY dia tombo-kase manaporofo ny kaitrefantsika
    Ampy izay ny mitoreo…Fotoana izao ijerintsika izay soa sy tsara ho ANTSIKA SY NY TARANARAKA ANTSIKA !KOA
    Raiso ny ampinga , hiantsorohy ny angady..reseo ny akamohana ary sikino ny fahazotoana !
    NY TOMPO IZAY NANAFAKA ANTSKA TAMIN’ NY FANOMEZAN’NY ZANANY HISOLO ANTSIKA
    AMIN’NY FANADIOVANA NY HELONTSIKA ANIE HOMBA NTSIKA LALANDAVA !
    TOHINY
    29 MARS 1947 – 26 JUIN 1960
    Niverina teo amin’ny fitondrana de gaulle ary lasa Président du Conseil indray..Ary dia nanapa-kevitra izy nanao fitsapana ny hevi-bahoaka tamin’ireo firenena afirikanina sy malagasy..Izao no fanontaniana  » manaiky hiaraka amin’ny frantsa ve sa tsia ianareo ! Izay manaiky izany mahazo ny fahaleovantenany malalaka « .
    ny Firenena iray no nanda io tolotra nataon’i de gaulle io.Ary dia nisaraka tamin’ny frantsa iny GUINEE CONAKRY..
     » Nomena Antsika ny fahaleovantena lamokana atody ny 26 juin 1960 miaraka amin’ireo maika ivelanizany fahaleovantena izany :
    –ny filamatry ny Firenena : tanindrazana fandrosoana fahafahana
    –ny hiram-irenena :Ny Tanindrazanay Malala ô !
    –ny sainam-pirenena :fotsy mena maitso..
    -ny Tafika..
    …Ny 27 juin 1960 ,ny ampitso, dia nosoniavina ny fifanampiana malasy – frantsay (accord de coopération franco-malgache )..
    Io ny tady mazaka namatoran’ny frantsay ny Malagasy Io no vidin’ilay fahaleovantena lamokana atody., izany hoe raha manome 100 ariary ny frantsay dia onerantsika 300 ariary ohatra izany…Dia aza gaga Isika na atramn’izao aza dia mihevitra ny frantsay fa manam-pahefana eto Madagasikara izy satria mbola hanany trosa Isika !
    Ny banky eto Madagasikara dia banky an’ny frantsay daholo..Ary nikasa hanangana banque d’investissement iaraka tamin’ny Allemagne ny Filoha RAVALOMANANA MARC dia mety anisan’ny anton’ny coup d’état nampanaovina an-drajoelina izany..
    …Tsy vitan’io accord de coopération io ny fatotra fa nisy ny françafrique izay de gaulle no namorona azy io ary dia nankininy tamin’i Jacque Foccard io herim-panjahana io..
    26 JUIN 1960 – 16 DECEMBRE 2001
    Nanjaka tokoa ny frantsay satria nandeha ho azy ny tetika nampiasainy..
    Nefa moa ,na tady mazaka aza , raha enjanina foana dia miha malemy dia taka :
    –13 MAI i 1972-tsy fantatra intsony na Isika Malagasy no nihetsika nanohitra io fitondrana nobaikon’ny frantsay tamin’ny alalan’ny accord de coopération ,na ny frantsay no nanosika olona vovidiny nitarika ny korontana..Na teo aza ny mpanolo-tsaina ny Président Tsiaranana ,izay avy narary(avc) ,dia tsy niantso ny frantsay izy nanampy azy ( feno miaramila frantsay teto Madagasikara tamin’izany ) fa mbola nisy kiry nanentana azy nanome ny fahEfana feno an’i GENERAL RAMANANTSOA GABRIEL ,izay nanangana Gouvernement Militaire.
    Tao aorian’ny fitsapana ny hevi-bahoaka ,izay nanontaniana raha mankasitra ny fahefana feno nomena ny GENERAL..ny GENERAL no nampanao io référendum io ,izay novaliAn’ny Vahoka tamin’ny ENY..
    Ny GENERAL RAMANANTSOA dia nanome toky an’ny Malagasy fa haveriny amin’ny sivily ny Fitondra aloha ny dimy taona !
    …decembre 1974 DIA ISY FIHETSIKETSAHANA TAO ANATIN4NY gOUVE mIL..dIA TSAPA FA TSIMANDRAVA NO NANDREHITRA NY AFO SATRIA NITORY NY dIRECTEUR general6n4ny gouvernement izAY TSY IZA FA NY COLONEL RABETAFIKA ! ARY NAMPISEHO KOA ITY ZANDARY FA mety ny fandeha ny fitondrana..
    Ratsiraka koa nanao fihetsika tsy dia mifanaraka amin’ny firaisan-kina tokony nisy teo amin’ny Fitondrana
    Nananao fivoriana niaraka tamin’ireo manamboninahitra telo ny Général RAMANANTSOA GABRIEL..
    Naroson’ny fitondrana iarahany amin’i tsimandrava sy Ratsiraka..Tsy nanaiky izany i Ratsiraka fa tsy te iaraka amin’i tsimandrava ary tsimandrava tsy nanaiky ny iaraha niasa tamin-dratsiraka..
    Amin’ny fandihiko dia teo no niditra ny tetiky ny frantsay..Omena ny olony ny Fitondrana..
    …05 FEVRIER 1975 dia « nametra-pialana  » ny GENERAL RAMANTSOA GABRIEL ary nafindrany tamin’i tsimandrava ny fahefana feno..!
    Iza no nanosika an’i tsimandrava nanao  » ny coup d’état ny 05 février vao maraina ?
    …11 FEVRIER 1975 : nisy namono teo Ambohijatovo i tsimandrava tamin’ny valo ora alina eoeo..
    RAHA FANTATRA IO OLONA NA FIKAMBANANA NANOSIKA AZY HANA NY COUP D’ETA DIA IO OLONA IO NA NY FIKAMBANANA NO NAMONO AN’I TSIMANDRAVA…!
    ….16 DECEMBRE 2001 :NOFIDIAN’NY MALAGASY HO FILOHAN’NY FIRENENA ATOA RAVALOMANANA MARC..
    IARAHANTSIKA MAHALALA NY TOHINY..IZAY LAFATRA TOKOA..DIA NISY NY MPISOMPATRA , TSY MAHATANTY NY FANDROSOANA VITAN’NY MALAGASY..
    17 MARS 2009 : NOMEN’NY FILOHAN’NY FiRENENA AN’NY GENERAUX TELO NY FITONDRANA NY FIRENENA ,NEFA IRETO DIA NANAO NY HETSIK’I JODASY ,DIA « NIVAROTRA  » NY FILOHA N’ NY FIRENENA RAVALMANANA MARC TAMIN’IREO OLON-DRATSY NOSOLON-DRAJOELINA TENA TENY AMIN’NY ECAR -ANTANIMENA.
    FANONTANIANA MITOVY : IZA NO NAMPANAO NY COUP D’ETAT AN-DRAJOELINA TAMIN’NY 17 MARS 2009..
    AMIKO DIA OLONA IRAY SY FIKAMBANAN’OLON-DRATSY IZAY BAIKON’NY MPANJANAKA IREO OLONA NANONGANA NY GENERAL RAMANANTSOA GABRIEL IZAY NIVONONA HAMERINA NY FITONDRANA AMIN’NY SIVILY.., ARY NIKENDRY NY FANALANA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC ,MBA TSY HAMELANA AZY HANANTANTERAKA SOA AMAN-TSARA NY FAMPANDROSOANA NY MALAGASY EO AMIN’NY LAFIM-PIAINANA REHETRA MAHA OLOMBELONA
    TSY MIFANARAKA AMIN’NY KAJIN’NY FRANçAFRIQUE IZANY..
    NIDITRA HO MEMBREN’NY SADC MADAGASIKARA SATRIA NOHEVERIN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC FA RAHA MIVERINA NY TETI-DRATSY NATAON-DRATSIRAKA TAO AORIAN’NY FANAMBARANA FA TSY LANY IZY , DIA TSARA MAKA FIAROVANA :
    NIDITRA NY SADC MIARO NY FIANDRIANAM-PIRENENTSIKA.
    ARY IZANY SADC IZANY NO NANANKINAN’NY COMMUNAUTE INTERNATIONALE HANAMPY AN ‘NY MADAGASIKARA HIVERINA AO ANATIN’NY FIKAMBANAM-BE NY TANY TAN-DALANA..TAMIN’NY 09 AOUT 2009…, IZAY NOHAMAFISINA TAMIN’NY FANASONIAVANA NY TRAITE DE GABORONE TAMIN’NY 17 NOVEMBRE 2001 , IZAY MITAKY NY FANANTANTERAHANA NY TONDRO ZOTRA ARY NY FAMETRAHANA NY TETEZAMITA VAOVAO ,MBA HAFAHANA MIROSO HO AMIN’NY FIFIDIANANA ..

    AZA ADINO NY TANINDRAZANAO ARY AMPITATAO NY TANTARANY !

  11. Nankaiza daholo ? Mba nandeha nivavaka sy nibebaka androany, sa nisitrika fa menatra daholo ???

    Inona no azo tenenina ? Hatao mahakivy ve ny zava-mitranga amin’izao fotoana ? Ho an’ny mazava sy madio saina sy tena tia tanindrazana dia TSIA !!!

    Ny voalohan-teny aloha, dia Paska NY ANDRO anio ; andro izay tena lehibe indrindra angamba, eo amin’ny fiainan’ny kristiana eran-tany.

    Raha oharina amin’izay voasoratra ao anaty Baiboly, dia toa misy hitovizana amin’izao ataon’ny Filoha Ravalomanana izao ihany, ny nataon’ilay olona iray, nantsoina hoe Jesoa Kristy, izay tsy niambahamba nizaka izany hoe hazo-fijaliana noho ny adalan’ny zanak’olombelona, mba hanavotana an’izy ireo !
    Vokatry ny fitiavana daholo izany ; fitiavan-tanindrazana, fitsinjovana ny hoavin’ny vahoaka malagasy, ary fanetrehan-tena satria mbola betsaka ny adidy miandry ny rehetra !

    Manarak’izany, sanatria tsy hamendrofendro fa amin’izao vanin’andro izao, na dia mafy aminao aza ny mankalaza IRERY an’izany hoe Paska izany, ary voalohany angamba tsy eo akaikin’ireo vady aman-janakao noho ny antony samy hafa, dia mba faly ihany ny tenako miarahaba anao Andriamatoa Filoha tratrin’izany vanin’andro lehibe izany. Mino aho fa amin’ny maha kristiana anao, dia ho fantatrao foana ny antony ary indrindra ny tokony ho atao !

    Andron’ny fieritreretana hoy aho ny androany, ary enga anie mba ho tonga saina daholo ny rehetra !
    Tsy lahatra na sitraky ny Tompo ny zavatra mianjady amin’ny firenena, fa vokatry ny tsy fieritreretana na fisainana fohy dia fohy, ary indrindra fitiavan-tenan’ireo tia kely !

    Maniry dia maniry mba ho tonga saina daholo ny rehetra, indrindra fa ireo izay mitonon-tena ho solotenan’ny Fiangonana kristiana ireo aza !

    Manohana anao hatrany hatrany !! Masina ny Tanindrazana ary ho tonga anie ny TENA FAHAFAHANA ARY INDRINDRA ; HO ELA VELONA I MADAGASIKARA !!!

  12. Mankasitraka Kintana a!
    Dia miarahaba an’i dada malala manirery any , atao ahoana fa sendra izay
    ZANA-BARATRA, mahay mandahatra , mpitari-bato vilam-bava dia izao no izy dada a!
    MAHATOKY anao lalandava izahay TENA ZANAKY DADA TSY MPISOLELAKA, ary miandry sy manantena anao
    FOANA NY VAHOAKANAO DADA.
    AM-BAVA BLA BLA fa tsy hita izay mba ezaka hatao eo fa vao maika aza MANDETIA LALINA tssssssssss
    MPIATSARAIVELATSIA , soa fa mbola eo ireo TENA MITOLONA SY MANOHITRA toa ireo VEHIVAVY ireo.

  13. …..ho ela velona na dia mitsipozopozo aza ve Kintana???
    Ny rehetra anie tonga saina fa ilay rivotra hiainana mihintsy no tsy
    hita hoe: avy aiza no mitsoka ilay RIVOTRA TENA IZY????TSY MISY INTSONY fa samy mandeha samy
    mitady dia mifamoro raha vao mifandona , satria efa izay ilay fiainana misy dia harahana @’izay,tsy afaka ny
    mba hifanarina intsony fa HIFAMONO sao manembatsembana ny sezan’ny sasany ilay FIOVANA .

  14. Amin’izao andro sarotra ary fotoana be mpanararaotra hanaovana ronono an-tavy sy fitelomana rehoka ,dia misy tokoa ny mody maty sy mahamihatsaraivelanitsihy maneho ny alahelony momba ireo ray aman-dreny namoy ny ainy tamin’ny 47..
    Tsikaritra ihany na afenin’izy ireo ny ranomaso tsy miaraka amam-paty ,ny fanesoesoana ireo manao ny adidiny..
    Efa nafenin’izy ireo atrin’ny ela ny tsy fitiavan’izy ny filoha RAVALOMANANA MARC sy ny mpanohana azy..Miha mazava io rresake eto sy eroa..Akaiky ve ny fifidianana ? Sao mba lasa solombavabahoaka tokoa an ?
    Ita mitsimoka tsikelikely ny fitombony ireo ahi-dratsy tena handrokotra ny tolona..
    mitandrema Isika miaraka amin’ny Filoha fa ny fandoto iray tadroka mety handoto ny fandio iray siny….
    Sokafy ny maso sy ny sofina..
    Be kile ireo ary manaratsy ny frantsay nefa tena ia fa mihnana ny sisany iampy vola kely..araka ny filamatr’izy ireo : » Sitran’ny ay , zara aza misy manome ! »
    Eny e , diavolan-ko lava ary ny kilaolao tsy ho ela intsony !

  15. Lavitra loatra ny Eau de Seine ê !! MDR !!!!

    Izany ve atao mahataitra intsony ??

    Ny malagasy tia tanindrazana aza miantso « ny rehetra » hanao hetsika, tsy misy taitra !!
    Inona marina tokoa moa izay sônagaly any ?? Tsy efa hoe manana ny fiandrianany manarapenitra ve i Madagasikara ???

    Malagasy tena mahaleo tena, any ka nankihinina amin’ny sônagaly ny hoavin’ny Tanindrazana !!

    Malagasy mahaleo tena, sa tena mankaleo ?

  16. Aaaza mba manao an’iizany na dia manao izany aza ny hafa!!!
    Raha vao voafari-paritra ilay hetsika dia efa misy ny fisalasalana
    avy dia tairo fa ho a n’i Tanindrazana dia rehefa any vao milza na zatsy na zaroa, ilay olona mihintsy anie
    no efa misy rivotra indraindray e!
    Sady tsy mankaleo no tsy mahaleo tena kosa angamba, inona ary ity maka « l  » vao masila ity???mandamina
    ihany lesy fa tssss

  17. « L » comme « leo » io ê ! Tsy vao io ny hetsika tokony natao niaraka tamin’ny afrikana, fa tsy misy taitra foana !!
    Tsy marina aza ve io voalazako io ?? RNS sy bal ihany no tena mahafinaritra an-dramalagasy !!
    Ary andro antoandro be izao ve mbola « vao masila » ihany ???
    Izao no mahatonga ny olona hiteny hoe « matory andro » ny malagasy ! Voky dia manao lasiesta indray avy eo !!! MDR !!!!!

  18. Ehhhhhhh samy miaro ny rambony tsy ho tapaka e!
    sahhh ganagana misasa loha ka samy may @’izay mahamay azy???
    Izay hataonao hatao tsara dia izay , toa ny foza mpitsikilo sisa betsaka rehefa misy hetsika ao ,
    asa sao mba tokony hovana ilay toerana ohatra?????ohatra ny ahy an!!
    mba hatao any @ sisiny indray fa ny olona matahotra ny voaarakaraka raha vao ao @ ville .

  19. Mitady vahoaka angaha izato ranavalona ?
    Aza manahy fa ho avy any an-tsinànana any izao ny mpanao RNS ê ! Ny bebexa sy gevortsa amin’izany mety hanasàna tongotra sisa !!!

    Ny ahy izao, itony no zavatra tiako mba azavain’Ingahy Solo Razafy ! Tsongotsongoina moa ny maty mba tsy hanaovana inona izy izay ?

    Fangatahana fanazavàna ny ahy fa tsy inona akory ; misavorovoro loatra ny saina, ny tolona ity tsy mandeha amin’izay laoniny ary ny Firenena ataon’ny sasany ampihi-mamba !!

    http://www.tim-madagascar/forum/read.php?1,778160

  20. Tsy hain’i Solo RAZAFY io fa izy angaha mba mankany amin’ny TIM na TNN izany ?
    Mitovy ianareo e : samy tsy mba mpandeha mankany 😉 hi hi hi MdRRRRRR
    Rama aza moa dia tsy mba matoky ny TNN izany mihitsy ! sady tsy tiany ! 😉

  21. Ny « manoratra sy mampiasa pseudo » anie io ry akama, raha tsy azonao â !

    Rehefa site milaza fa mpanohana ny ara-dalàna, tsy manaiky ny zava-misy ao an-tanàna amin’izao fotoana dia hidirako daholo (ampitapitao, TIM, Gazety,…, atramin’ny bilaogin’i Jentilisa) !!
    Tsy voatery mandray anjara, rehefa misy « manao ny asany » any ! Na dia misy tsy dia mety amiko aza ny voasoratra ao amin’ny TNN ohatra, mba ahitàna zavatra ihany ao, entin’ny mpisera !

    Hoy ranavalona : Tokony mba atao any amin’ny sisintsisiny ny hetsika !
    Atao ao amin’ny toerana « tokony ho be olona » aza tsy sahy mipoitra ramalagasy, ka izy indray ve handany vola, handeha any amin’izay toerana tsy hay any ??

    RNS hoy aho, dia vonona izy na hitrosàny mihintsy aza izany !!

    MyDago no anisan’ny efa fantatry ny maro, dia ato ny akama aloha manao izay mba azony atao, na dia somary betsaka ihany aza no tsy hita intsony.

    Izaho tsy hanontany hoe fa nahoana ianareo no tsy hita intsony ? Ireo izay fahita matetika, no mba anontaniako tsindraindray !

  22. Hay tonga dia harakao tsara fa « Dada no atao Pasipaoro? » hihiiiii
    Dia hoe: » efa nanonona ny anaran’i dada aho fa izaho fidina an!! »
    ( ilay karana tava ao @ Gagety « Valosoa vao2  » ) .Ny ahy indray ny mampalahelo ahy eto dia
    ilay tsy nasiana VIDEO intsony tsy haiko ny antony????nefa tsy dia tsara loatra ny mifandrafy be toy izao,
    mbola i Solozafy aloha izao no manome vao2 eto an!!raha ny momba an’i Mamy R indray efa FANTATRA
    TSARA @ HAZO NY VOANY, dia faly koa aho fa misy manana fijery mitovy amiko raha ny momba an’i
    Mamy.R.
    N mba hafatro kely @ Solo Razafy dia izao hoe tohizo ny asa efa nataonao fa tsara,ka raha sanatria ka marina
    ny fanenjeana anao eto dia soa lavo ahay hamindra ,raha misy moa ny faneriterena hafahafa dia izay indray zavatra
    hafa, dia mankahery anao hatrany ary maniry anao TSY HIVADIKA.

  23. hihiiiiii io indray fa niara-nitontona e! dia gaga ialah??
    misaotra aloha fa nahazo vao2 mahavelom-bolo aho t@’ilay Gagety io,
    ary tena feno toky ,tsy namitaka ahy ny heritreritro, dia tiako be koa ilay SAHONA KELY NILINGILINGY
    ERY tapi-dalan-kaleha fa vao mietsika eo dia ity bibilava be no handrapaka azy. FALY AHO!!tsy maintsy
    mandresy ny tolona eeeeeetsy misy mahakivy eeeeee homba antsika Andriamanitra!!!

  24. Inona ity hoe miara-mitotona foana ity ê ? Tsssssss !!!! MDR !!

    Efa lazaina foana fa na mpamosavy mandeha alina aza hoy ny ntaolo, misy mahita !!
    Inona foana ity adalaàna manarapenitra ity ê ? Ny sefa hoe no nibaiko sy naniraka ?? Iza ilay sefo ?

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,778202

    Manohana anao atrany r’Ingahy Manoela â ! Aza mifendro fa tsy very namana, rehefa manao an’izay mety sy miaro ny fahamarinana sy ara-dalàna !!

  25. MAIMBO KOTOVELO e!!!tsy azo ahatokisana intsony iny oah!!
    efa ela aho no MAHANA t@’iny fa ny MARINA TSY MBA MATY !!!
    VAO HITA ANIE NY FAMINDRANAO DIA EFA FANTATRA e!!!izany no mahamaika azy haka iretsy efa
    miosi-poataka ohatra azy( ireo mpamadika) fa ato @ tena ankolafy ato mbola SAROTSAROTRA .
    Misy antony koa i Dada matoa mailo ohatra ireny e! misy dikany koa Ramatoa Naika matoa MANIZINGIZINA
    toy ireny fa » DADA TOKANA « sns….avelao ho ratsy famindra eo fa ho hitan’ny havany eo , izay vao sady tsy
    an’i Koto no tsy an’i Vazaha. POV KOTOVELO e!!!mitetika inona ity izy hono ????tsy lasa lavitra ianao e!!!
    efa voafitakao t@ ‘ iny FR iny ny vahoaka fa tsy ahita intsony ianao?
    DADA a!!tsy izy intsony i Mamy Rakotoarivelo dada fa mpamadika ary FAHAVALOM-BAHOAKA a!!ianareo any
    @ faritra rehetra any ampitapitao, Itony kotovelo itony no tena fanetribe.
    I Guy Ralaiseheno : efa henon’ Andriamanitra sy ny RAZAM-BENAO ny ozona nataonao teo @ Magro fa  » FADIN-
    DRAZANAO ny mamadika tanin-DRAZANA  » koa asakasakao ny anao RALAISEHENO Guy, na dia nisy kitapo
    LATSAKA aza tAO DIA MBÁ MISAINA IHANY.Kotovelo efa hody hiaraka @ diabetiny fa ianao vao tanora vao
    HEROTRERONY, dia ny mbola misy ny fotoana MIVERENA!!’!!

  26. Mety ny nao ry KM ! Aleo mijery tsara sy mandinika vao mitsara !
    Raha tsy maty ny marina, dia ny ao aorina no hahitantsika azy !
    Izany rama a !!!

  27. Asakasakao izay mbola miaro an’ireto Mamy sy Hanitra ireto:inn ihany no handanian ‘ireto jiro milaza fa sarintsarim pahaleovan tena no eto:ianareo niditra ao amin’io rafitra io no tompon’antoka am izao:tsy mahavita n’in’inn manohitra foza fa manaraka azy ohatran’ny toutou kely no ataonareo;tsy hitako izay fahaizana politika am zao fiaraha misaosy izao,fa olona sans qualité ohatran’ny foza koa ireo,tsy misy valeur,dia mivaro tena au plus offrant;dia tsy menatra ve ianareo mandatsa ny olona mpitolona am zao hatavinareo izao nefa ny olona miha sahirana?Ary fanamarihana farany:tsy i Mamy sy Hanitra velively no hotronin’ny olona be dia be ohatran’ireny fa ny Prm Ravalomanana,ary satria ny olona efa te hitraotra dia raha vao misy hetsika kely ahafahana midina an dalam be dia iny ny olona!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *