MILA ROAHINA ETO NY AMBASADAORO FRANTSAY

IMG_7887

IMG_7887Nitondra fanazavana misimisy kokoa tamin’ny vahoaka teny amin’ny Magro Behoririka androany momba ilay taratasy atao sonia ny Ct Ravelonanosy Mamy Tiana. Rahampitso no atomboka izany koa hanaovana antso avo ho an’ny Malagasy rehetra handray anjara. Asehontsika hoy izy fa fitiavan-tanindrazana no anaovana azy io. Tokony ho vita hatramin’ny Sabotsy izao izany hoy izy . Asehontsika fa misy lalàna velona eto dia ny tondrozotra izany ary ao anatin’io dia misy hoe mody tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana Marc. Tsy izay anefa hoy Mamy Tiana no zavamisy ka tsy maintsy miaro ny tanindrazana isika.

Ny Cst Leriva Manahirana kosa dia nanambara fa ianao Ankolafy Zafy sy Ratsiraka ray sy reny Malagasy dia tongava saina fa misy vazaha mena sofina mampanjaka ny france afrika eto. Noho izany hoy izy dia miantso ny Malagasy rehetra. Mila roahina eto ny ambasadaoro frantsay fa tsy misy liana azy eto. Tsy vitan’ny olona iray na roa hoy Leriva ny fanaterana ny taratasy fa mila hanaovana “sit in” mihitsy. Tsy tokony ho izy no hibaiko ny firenena sy hitantana eto. Hanontaniana azy hoy ity olomboantendry ity ny hoe f’angaha tsy mahavita azy ny miaraila gasy. Mila manao banderole isika hoy izy amin’izany hetsika izany. RRehefa tsy mahay miara miasa mintsika dia miala eto.

 

13 pensées sur “MILA ROAHINA ETO NY AMBASADAORO FRANTSAY”

  1. Tairo ary fa aza be safara e!
    Ny olona ao ihany anie no mandraoka sy manao
    toetra tsy zaka ao e!!ny ao aza roahanareo koa hiantso an’i Dadabe Zafy sy Deba indray???
    Isika ao aloha no tokony HIFANARAKA TSARA vao miantso ny any ivelany raha hialina fa
    ataoko fa tsy mila antsoina akory ireo fa tonga ho azy raha TENA VONONA NY HITOLONA
    TOKOA HANAFAKA an’i MADAGASIKARA ianareo ao fa tsy HISOLELAKA TOY IZAO MBA
    HIPARITAHAN’NY OLONA. ASIVO FANDAMINANA TSARA ALOHA AO dia hanantona ho
    azy ny hafa fa raha mbola izao no fandehany ataoko fa vao maika FAHAFAHAMBARAKA no
    azo, ary tsy misy handeha @’izay fandehany ny TOLONA IZAY NIMATIMATESANA NANDRITRA
    izay 4 taona mahery izay.

  2. Efa ho avy rahateo ny 29 Mars ka aleo ampahafantarina tsara an’io Ambasadaoro io fa mbola vonona hiady amin’ny Frantsay Mpanjanaka ny Malagasy !

  3. Tsy hanova zavatra firy ny fandroahana olona iray, na masoivoho aza io; ity no hoe miala an’Ankatso dia Ambohidempona. Azo atao ny manao hetsika hanehoana ny fitsipahana ny tsy fahaiza-miaina asehony, ny fidirany amin’ny raharaha anatin’ny firenena, nefa aza adino fa olona mandray baiko sy manatanteraka izany io, ary ho tahaka azy daholo izay rehetra ho avy ao aoriany. Ny politika ampiharin’i Lafrantsa eto amintsika sy any Afrika no mila tondroina sy tsipahana mazava fa tena paikady entina hamotika sy hanjanaka mandrakizay, ka anipazana « potipotiny » ho an’ireo teratany tsy tia tanindrazana hanaronana ny sain-dratsiny!

  4. Ny fandroahan’azy dia entina hampieritreritra an’ireo izay nandefa azy eo amin’io toerany io !

    Efa tamin’ny andron’i satanie izany zavatra izany no tokony nataonareo !
    Dia ataovy aza ilay izy mba ho hitanay, ary izahay koa vonona ny hanao sonia. Ary ny ahy, dia ho ateriko an-tànana mihintsy ny kôpian’ilay izy ; entiko any amin’ireo tena tompon’andraikitra !

    Tsy maintsy takiana koa ny fanajàna sy ny fanatanterahina an’ilay tondrozotra izay nosoniavinareo (tsy ny andininy 20 irery ihany), fa rehefa tsy hanao izany, dia tokony milala daholo ianareo !

    Aza manao izay mahatezitra an-dranavalona ….sy ny TENAKO !

  5. Fa iza moa isika no afaka HANDROAKA an’i Blatte ???
    Ny marina angamba dia hoe : Manao angaredona eo anoloan’ny Maso-Ivoho ?

  6. Latsaka koa aho ( Mdr)
    Tsy voatery hoe tsy maintsy roahana fa kosa
    na dia FIHETSIKA kely FANEHOANA FA TSY MANKASITRAKA azy dia efa misy hisainany,
    ary ho hitan’ireo hafa firenena mipetrana ao koa fa TSY MANKASITRAKA ny zavatra hataon’
    io Ambasadaoro io isika, ataoko fa efa be dia be izay, mba tsy hatao hoe: « manaiky matoa tsy
    miteny ».

  7. ROASY FA HARIVA
    Allez ouste Dehors – mila manapoaka basy @ VAVA (à défaut du vrai) kosa alou Lui rendre la monnaie … mendrika azy

    Sao atao oe: aza omena tsiny fa … vahiny!!! … ADALA???

    De misaotra nanolotra ny sarin’i km hihihi mitondra sac-ô-dos beige
    De mitovy @ fisakelehako ny ahy … isaky ny mande miasa: ny pôketra ajanona fa tsy amin’ny androny izao, puisque notre train de vie actuel est devenu presque accoutré tel de sportif faut être combatif enfin… mila miandahy ny vavy raha tsy izany tonga de … gdou ==> HAHONGAN’NY HAT amin’ny fomba nanonganan-dry zareo ny ETAT-De-DROIT

    Etat sauvage hoy R. Ranjeva

  8. SALAMA e za zao de manangona signature be de be mihintsy ary tonga ny namako de manaiky fa tena tsy mety io vazaha mpanjanaka io ary manao antsika Malagasy ho dondrona be tsy mahalala n’ inon’inona mihintsy sady tsy nisy filoham- pirenena ara- dalana nandray an’ io koa anie eto e ka hoe ambasadaoro hiasa eto e tokony hody tsy misy atak’ andro fa miditra @ tsy tokony hidirana mandra- panoratra indray ary e

  9. Pourquoi le renvoyer? Qu’est-ce donc cette attitude qui n’est pas si productive que ça? Le renvoyer et après? Parce que ses idées, ses déclarations, ses agissements vous gênent?
    Si cette personne arrive à vous insulter chez vous c’est parce qu’il sait que vous ne lui ferez rien! Et que vous avez besoin de lui.
    Il ne perpétue que les actes de ces prédécesseurs et ne transmet que les considérations de ces congénaires ont pour vous. Déjà, en 1818, le général laffite, alors gouverneur de la réunion, disat à Thomas Bevan et David Jones : « Pourquoi ne commencez-vous pas par prêcher à mon chien? Les malgaches n’ont pas davantage d’esprit qui leur permette de répondre à votre propre message que mon chien ».
    Vociférer ne résout pas le problème!
    Des solutions, et pacifiques, il y en a! Mais qu’est-ce que vous êtes prêts à donner?
    Éjecter des gens à chaque fois qu’il parle ne solutionne rien!!!! surtout, tant qu’il ne sape pas votre travail…

  10. SALAMA e zao alou no fantatro e mampaneno lakolosy ho hitan’ izao tontolo zao alou sady aza adino fa misy ireo diplomates rehetra reo anie eto amintsika e sika tsy mihetsika dia naman’ ny manaiky fa rehefa ho avy ny siting eo @ ambassadeny dia tongava manotrona fa tsy an’ olona tokana ny ady fa antsika rehetra mankasitraka de veloma daholo

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *