NAIKA ELIANE : MANITSAKITSAKA NY TONDROZOTRA I GOLDBLATT

IMG_7645

IMG_7645Anisan’ny fepetra napetraky ny fat ho an-dRamatoa Lalao Ravalomanana hoy ny Cst Naika Eliane ny hoe tsy mahazo miresaka politika. Rehefa navadibadika hoy izy ny lalàna teto Madagasikara hoe aiza no misy izany Malagasy ray sy reny dia tsy mahazo miresaka politika. Tsy nisy izany lalàna izany. Izany hoy Naika no atao hoe « abus de pouvoir » sy didy jadona. Momba ny tenin’ny ambasadaoro frantsay tamin’ny gazety mpiseho isan’andro androany dia nambarany fa manitsakitsaka ny lalàna velona eto Madagasikara izy ary manitsakitsaka ny tondrozotra. Manao antso ho an’ny fikambanana iraisam-pirenena hoy Naika hoe ataovy izay hampiharana ny andininy faha 43 ao amin’ny tondrozotra milaza fa izay manitsakitsaka ny tondrozotra ary izay manao sakantsakana dia saziana. Angamba hoy izy dia ampiharina aminy ny andininy faha 43 io. Tsy vitan’ny manitsakitsaka ny lalàna velona eto izy fa manerana izao tontolo izao, izay ao amin’ny satan’ny zon’olombelona andininy faha 13.  Tokony hosaziana  io ambasadaoro io. Miantso ny fikambanana iraisam-pirenena hoy Naika mba sazio iny rangahy iny. Tsy hilamina sy tsy hisy fitoniana  hoy izy ny eto raha tsy miverina ny filoha Ravalomanana Marc. Hanao fifidianana an-tery ianareo fa hisy krizy hafa indray eto. Raha tsy miverina alohan’ny fametrahana ny an-tontaratasy filatsahana hoy Naika ny filoha Ravalomanana Marc dia midika izany fa tsy demokratika. Miangavy ny nanao sonia ny tondrozotra.

13 pensées sur “NAIKA ELIANE : MANITSAKITSAKA NY TONDROZOTRA I GOLDBLATT”

  1. pour l’honneur,

    POUR la liberté d’expression,

    Pour le retoue de la respectabilité de nation,

    Pour la patrie

    Pour LA Justice ,

    pour le respect des valeurs ancestrales ,

    Pour le respect des valeurs universelles .

    Pour l’indépendance ,

    A BAS RAJOELINA – AMBANY RAJOELINA – A BAS RAJOELINA -RAJOELINA AMBANY.

  2. CASSE TOI POV C,

    Des éléments à ne pas oublier :

    FRAISE : responsable de location d’aeronef pour Rajoelina et ses besoins.
    Rajoelina propagandiste contre des aeronefs présidentiels ,réalisateurs des basses oeuvres.

    FRAISE :UN DES INSTIGATEURS OU BAILLEURS DE FONDS DU COUP D’état 2009.

    Fraise :MËME GROUPE QUE STAR producteur de boisson gazeuse (qui DETIENT LE MONOPOLE DEPUIS LA DESTRUCTION DE LA SOCIETE MALGACHE par son excellence Rajoelina )

    CODAL;société amie de FRaise crée en 1949 detenant le monopole de l’agroalimentaire depuis la destruction PAR L HOMME FORT DE MADAGASCAR DE LA SOCIETE TIKO :

    ALORS A BAS RAJOELINA —-HATSONGOLOHY RAJOELINA —-AMBANY RAJOELINA —

  3. Rtoa Naika Eliane ihany ve no masahy miteny toa izao?
    Ary nankaiza ry botabe isany sasany hono?
    Sa mbola vizana t@ jet privé sy fizazahoana teny Faravohitra?
    Dia mahonena ary mahory ny zava-miseho ka sao fitarihana ankolaka ny filoha ho @ lalana tsy mazava ny hiafaran’izao fisolelafana faladian-dradomelina sy frantsay izao an!!!!
    Ry zareo CT,CST,toa somary dongadongan’ny karama frantsay dia mampiasa ny « naiveté »-n’ireo tena manohana ny filoha M.Ravalomanana.
    « Quelle salade indigeste »!!!miala tsiny mampiasa fitenin-dry zareo fotsy fa tena mankalohiloy be loatra sady mampatahotra ny fisehoany tranga ankehitriny!

  4. TEREO MIHINTSY RAMATOA NAIKA a!!
    TEREO KOTOVELO fa mitady HIBILILA .
    Tena tsy matahotra izay hatahorana mihintsy iny mangidy iny, sady tsy henatra sy tahotra fa
    dia efa miariary izao ny FISOLELAHANY an’i domelina .DAKAO ANY INY FA FANETRY BE.
    TSY IZY INTSONY I KOTOVELO ZALAH A!! hialao alohan’ny tsy HIFOTERANY sao lahy…
    hanahirana rangahy io an! hay tena misy dikany ireny BISOUS BISOUS- an’izy sy VAKITAMPONA
    ( raharinaivo ) ireny. MAILO ZALAH A!!!HIALAO KOTOVELO FA FOZA E!!!FOZA NOHO NY FOZA.

  5. Lalana avy aiza no NISEHO FA « TSY MAHAZO TSENAINA » aloha???
    Dia avy koa Mangidy efa BOLOKY LAHY mbola loza noho i domelina
    manamafy fa » TSYMISY MPITSENA » ???????io fika io mody atao tonga soamatsara Neny dia
    i Dada hajedaka , nefa adalana ny an’i dada raha hilingitra hitaingina izay avion-na JIOLAHY ARY.
    Tsy haiko inona no mahasamihafa ny miaraka @ olona sy iny????dia efa mandry fa kotovelo no
    hisolo azy dia izy io efa misolelaka dia ny izao io, mbola tsy fay ilay nampiesonin’i domelina ho atao
    HO PM ihany rangahy iny an!Avy eo nodakan’i domelina tsara vao azony izay nilainy  » Filoha ».
    Dia izao fahavoazana mahazo antsika izao no vokatry ny TSY FIHEVERANA KELY AKORY.
    Avelao aho hilaza fa efa tsy mety intsony ity e!!tsy izy intsony i kotovelo fa MPAMOSAVY MALEMY.

  6. Ramatoa Naika Eliana irery iohany no tena mitolona miaraka @ vahoaka fa ny mpitarika toa an’i Mamy Rakotoarivelo dia sady matahotra no manafosafo an-dRajoelina.

  7. Mankasitraka, ary mankahery anao lalan-dava Ramatoa Naika !
    Tohizo arak’izay tokony ho izy ny tolona, fa ho hitan’ny vahoaka miandalana eny ihany ny tena mpitolona, ary ireo mpamadika sy mpitaty rà-kena !

  8. Misaotra anao aho Naike Eliane fa sahy mijoro ianao; Ary mampahery anao;Aza miala@àAndriamanitra tompoko; tsy maintsy hiseho ny marina

  9. Araka ny fihevitra io Ambasadaoro vazaha io dia ny fahatongavany i RAVALOMANANA lalao eto an-tanindrazana noho ny tsy fahasalamany ny reniny dia avy aminy Rajoelina andry nirina, mbola averiko ihany woe araka ny heviny fa araka ny hevitry Ankolafy Ravalomanana dia

  10. Misaotra anao ry Michel a
    ny tiako ho tenenina fotsiny aza miasa saiana @ frantsay zany fa tsy mahagaga ireny refa tonga ny fotoana haverina hapetraka aminy ny fanontaniana
    fa ialahy indray na goldblatt na goldblack .you’ll lose don’t worry. . .fucking guys
    tsy mba be kozy aho fa ho avy ny hitadiavan’ialahy ny very dia ho tsapan’ialahy tsara ny jiro lasan’ny saka. . .

  11. Ary inn hono no mba lazain ingahy Guy Maxime tao?izaho dia mba miteny anareo ihany fa misy farany io fiheverana ny gasy ho vendrana io an:ny habotanareo tahaka ny foza io ange no henon’ny olona alohan’ny kabary fampiesonanareo e!ataovy foana e!Mba lazao ny malagasy eo an kianja hoe ny karamanareo,sy ny avantages rehetra miaraka amin’izany!dia lazao koa avy eo izay zavatra mba nataonareo hampiverina ny ara-dalana ?am izay hitan’ny ao an kianja tsara fa tsy i domelina irery no fahavalom pirenena!!!!!

  12. Avelao izy hitzniteny foana eo fa raha tsy izany mantsy tsy hita ny fihatsarambelatsihin’ireo frantsay ratsy toetra – Feno oatran’izany ny tontolo rehetra – tia mampiady – mahamenatra aloha é ! tsy misy valerany hoy ny fitenenana.

  13. Mankasitraka indrindra sy misaotra anao ramatoa Naika Eliane!

    Tsy adala na jamba ny malagasy, ary mahay manavaka tsara n:y « vary sy ny tsiparifary!! »

    Misaotra ary mahereza hatrany!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *