NAIKE ELIANE : RAHA TSY TAFAVERINA ETO NY FILOHA RAVALOMANANA MARC SY NY FIANAKAVIANY DIA TSY HIHAVANA IZAHAY

IMG_7012

IMG_7012Miarahaba ny vehivavy eto amin’ny Magro, ny vehivavy mpiray tanindrazana ary ny vehivavy  eran’izao tontolo izao hoy ny Cst Naike Eliane androany teny an-kianja fa andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ity androany 08martsa  ity. Mitondra ny fialatsiny ihany koa ny tenako ho an’ny Me Hanitra hoy izy satria dia reraka dia reraka tamin’ny herinandro iny  fa mavesatra be ho azy ary   ohatry  ny tsy salama izy ka miala tsiny amianreo ka tsy afaka izy androany. Feno dia feno ny fo, malahelo hoy izy, fa raha miteny izahay any amin’ny gazety satria manontany ny mpanao gazety hoe ahoana ny fodian’ny Ramatoa Lalao Ravalomanana dia miteny ihany izahay. Ireny teny ataonay ireny hoy Naike no hisakanana azy tsy hody aty. Raha vehivavy izay niteraka ireo olona misakana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana hiverina eto an-tanindrazany eto. Vehivavy nefa ny olombelona rehetra nahita masoandro amin’ny vehivavy dia aoka Andriamanitra no hanao ny tohiny. Voatery mangina izahay hoy izy fa tsy izayteny kely avoakanay no voizina hisakana.
Momba ny FFM dia tsotra ny hafatra napetrany. Ny anay hoy ity olomboantendry ity dia miverina aty filoha Ravalomanana Marc sy ny fianakaviany. Ny ampisto iny ihany izahay dia vononahihavana. Raha tsy miverina aty izy dia tsy hisy izany fampihavanana izany. Olona tsy te hihavana ireo hoy Naike, fa raha te hihavana ireo tsy nosakanany Ramatoa Lalao Ravalomanana.

11 pensées sur “NAIKE ELIANE : RAHA TSY TAFAVERINA ETO NY FILOHA RAVALOMANANA MARC SY NY FIANAKAVIANY DIA TSY HIHAVANA IZAHAY”

  1. Ny fampihavanana tian-Dra-Nestor be hatao dia ny oe tsy miverina eto ny Filoha Ravalomanana ka iza marina mou no hihavana aminy eto????

  2. dia tena mahagaga fa ity mpitolo iray ity irery no mba hitako hoe tena manao tolona , ary mampiseho fa tena mpanohitra, fa ilay iray be tarehy be iry toa vao maika aza mampitombo tarehy fotsiny. Tsy fanakianana ny tarehy no ataoko fa milaza fotsiny aho hoe raha mitombo lava ny haben’io tarehy io dia midika izany fa be ny sakafo ho hanina.. @ izao fotanan’ny krizy izao… @ izay tsy mba manohatra mafy fa toa miara-misaosy. Indrindray anefa toa mba manao ihany. fa ny ahy dia i Naika Eliane aloha no hitako hoe azo hitokisana hatreto…

  3. Mankasitraka era-po sy era-tsaina anao Ramatoa Naika.
    Manamafy ny akama ato koa aho fa Ramatoa Naika SISA mbola
    azo lazaina fa tena mandray andraikitra, sady ny tena loza dia tsy mba misy mba
    manamafy na manohana azy akory ny sasany.

  4. MARINA MIHITSY FA REHEFA MISY NY FISAKANANA OLONA TSY HODY AN-TANINDRAZANA NA IZA NA IZA DIA TSY HITAKO TOKOA IZAY FAMPIHAVANANA ATAO ETO – TOA SARITSARIN-JAVATRA FOTSINY IHANY NO TINA ATAO – HOE : EFA IREO NY OLONA HANAO FAMPIHAVANANA E ! TE-HOE HO HITAN’NY MPAMATSY VOLA FOTSINY – AIZA RE IZANY E ! ZERO ALOHA IZANY AMIKO ARY TSY MISY FAHAMATORANA NA KELY AZA.

  5. De zao zany ny fandehany:
    « Jeudi 07 mars 2013*8h00->La Police de l’air et des frontières (PAF) qui n’exécuterait que les ordres émanant d’Ambohitsirohitra serait l’une des entraves au retour de Mme Lalao Ravalomanana. »

    Aiza i Km izay ê?

    Ahoana aiza ho aiza
    no solution hi-mater an’ireo
    fa tena
    tssssss

    Teteza-mita famontsanana an’i Madagasikara sy izay rehetra ao aminy!!

  6. Coucous Hoaiza!!
    Niady t@ vehivavy tany indray angaha Kintana ka tsy
    nahalala niarahaba ny Bavy rehetra ato, isika koa moa toa mihena an-
    dalana be ihany.Baby aza toa manao tsidi-pahitra fotsiny dia manjavona sisa.

  7. Eto foana ihany ny tena ê!

    Ny fiainana tsy vitan’ny oe mihemotra be
    (na dia tsy hilaharana toa ny taloha az ny menaka fa eo vatsy be ny magazay karana isany – OHATRA iray fotsn)

    fa mampiantrano aretina raha vao tsy maka décision dieny izao oe: aok’izay ny vestimentaire exetra sinoa, tsy mila dibera mitsoni-drano na any @ supermarket, yaourt zany any an-trano ihany no fanaovana azy, ny sambos amoron-dalana anga miverina sesehina voalavo, …)

    ny sécurité sy ny qualité ny lalana moa tsy tenenina intson fa samy manao izay teknika haha-TAFA ny az ny vovonana
    ___
    Fa ny antsika miandry sioka tokana dia
    NDAO tongotra ankatoka dahol ny OLONA!

  8. BONJOUR! TSY HISY CANDIDAT ATOLOTRY NY FILOHA IZANY ETO RAHA TSY TAFODY TANTERAKA ETO I DADA,TOKONY HIFANKATIA ISIKA REHETRA POMBA AZY

  9. Isika anie mifankatia fa ry zareo ao ambony ao no misy fahavoazana daholo e!!
    TAMPON-KANINA sy SEZA ka dia MINIA MIKIPY FOTSINY IZAO,tsy mijery ny
    ambany mihintsy fa dia faly MIKEPOKA IRERY .Asa hitondra azy ho aiza izao fiainany izao??
    azony hifonosana angamba ireo volabeany ireo raha miala ety izy ireo??dia tsy misy heritreritra
    mihintsy mba hitsinjo ny HO AVIN’I TARANAKA FA NY ANIO IHANY.MAHONENA!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *