Naverina amin’ny taniny ny Jodasy !

Riana Andriamandavy VII

Riana Andriamandavy VII

Riana Andriamandavy VII : naverin’i Mamy Rakotoarivelo an-dapa indray?

Be indray no hilaza fa dia tena « extremiste » mihitsy Ingahy Solo Razafy ! Mpanao gazety mpitolona izy koa tsy maintsy manoratra ny zavatra marina hijoroany!

Hita tamin’ny fitetezam-paritra tany amin’ny faritanin’ny Fianarantsoa ny faneken’ny Ankolafy Ravalomanana notarihin’ny filohan’ny kongresy  Mamy Rakotoarivelo hijoroan’ingahy Riana Andramandavy VII, tsy iza fa ireo izay efa notabatabaina sy hitampoko hitampirenena fa nivily lalana tamin’ny tolona natao.De gaga elah ! hoy ny tanora raha ny Ankolafy Ravalomanana izay efa nanakora azy teny an-kianja no indro indray nanajoro azy toy ny mpitarika « anjely », niverina amin’ny taniny tokoa ny Jiosy (Jodasy manko e).

Ny ady anatiny ao anatin’ny Ankolafy aza tsy voavaha (Guerre de leadership dia vao maika ampiana jiolahy politika toy izao.Ambava homana am-po mieritreritra !

29 pensées sur “Naverina amin’ny taniny ny Jodasy !”

  1. O Solo Razafy o ! Ka misafidy isika e ! Na miverina amin’ny zavatra eken’ny fony izy, na mijanona manohana an’i Domelina.
    Raha miverina moa izy ka mamelona indray afon’ny Ankolafy,
    Mba lazao ahy : INONA NO TSY MAHAMETY IZANY ?
    Io anie ilay ataoko hoe : Tsy mahafantatra loatra ny tena zavatra tadiaviny ny malagasy.

    Fa kosa : Izay miverina ka manome porofo ny fihezahany HIRAY HINA TSY MISY FIATSARAMBELA-TSIHY,….vao azo ekena.
    Izany angamba no politika kooo !
    Rehefa tsy ho ekena izy, dia atoseho hanohana an’i Domelina , na i Odon Razanak’alika e !!!! 🙁

  2. Misaotra indrindra Solo Razafy am sary sy am fijoroana am tolona a!am izao hitam poko hitam pirenena tsara fa efa mivily manaraka an dry Riana sy ry Meme koa ireto mpitarika mouvance » ireto:mahita tsara i neny,hahalala tsara i Dada,ary indrindra indrindra tonga saina i magro fa efa nivadika ireto ka tsy tokony hohenoina eo an kianja intsony fa asaivo manaraka any am dry GMMR any,fa na tsy misy an’ireo mpitarika vilana ireo aza,tsy mivadika am dada ny olony;anjarantsika vahoaka ,izay tena zanak’i dada ny mijanona eo am magro fa ireo mpamadika ireo aza avela hiditra eo intsony,hamitaka sy hanamarin tena any am dada any indray mantsy ireo raha tsy hentitra isika!!!

  3. Tsy « extrémiste » akory i Solo Razafy! Ny filazana ny marina tsy azo lazaina ho fanoseham-bohotànana. Mba tsarovy ihany ny amin’ny fandoto iray tandroka sy ny vitany amin’ny fandio iray siny havako o!

  4. Tsara rehefa tonga saina !!! efa namitak aindray mandeha ireo, iza no milaza fa tsy hamitaka intsony ? raha hoe nandeha nitsikilo tany am domelina ka nahitana zavatsoa dia mba ekeko ihany fa tsy karazan’ny nitsikilo mihitsy ! mitovy amindry mimily vazaha io : milomano fa tsy mahavelotena !

  5. Ny hevitra paolitika, ary ny fomba sy finiavana entin-ireo mpanao paolitika marivo salosana hanohanana an’izany, dia toy ny akanjo !
    Miova arakaraky ny toetr’andro ! Rehefa tsy mahavidy vaovao dia ny eo ihany no anaovana, fa somary avadika kely fotsiny !
    Ny tena mahagaga dia satria lamaody hono ny akanjo na pataloha « jean » somary rotidrotika sy rovitra, dia mba lasa koa mitafy voron-kitsay ireto manana ny ampy !
    Dia iny koa ny fomba fisainana sy fitondran-tena, na atao mitovy amin’izany ! Alaina tahaka ny jiolahy, ary dia arahina mihintsy aza izay mba toro-hevitra avy any aminy sy izay rehetra lazainy !

    Toa sambany Ingahy Solo Razafy namoaka ny heviny ; tsara, ary dia tohizo fa aza dia variana manao tatitra fotsiny ! Ento eto daholo ny tena marina !!

    Izaho mba nanantena ny hitafa sy hidinika tamin’Ingahy LaurencoMarques tamin’ny asabotsy, fa dia tsy hitako tampoka teo ny nandehanany ! Mbola variana nijery ireo mpitolona sy naka sary tery amin’ny tohatra izy, dia tsy tiako noelingelenina !!

  6. Efa eo ihany ianao Mangidy dia avereno daholo ny akamanao any
    Vakitampona, sola sns sao IZAY NO AHARAVA ILAY TOLONA EO @ Magro,
    toa tsy nandaitra mantsy ny TETIKA RATSY REHETRA NOKOTROANAREO SY DOMELINA t@’ilay
    fanomezana DATY LAVA fa mbola vory eo ilay olona.
    TORAY @ VATO aza avela hisy hiditra eo ray olna a!!
    TENA OLONA TSY MATAHOTRA IZAY HATAHORANA RAHA IZAY MANGIDY fa efa manomboka miansy ady
    io fa HIVOAKA @’ IZAY NY TANDRONY SY NY VANGINY, RAHA MBA EFA TAFA INDRAY MOA NY TOLONA
    KOA NISY VOKATRA MBA NIVAINGANA NANINONA?? fa saingy hita fotsiny tsotra izao fa efa VOAVIDY .
    DADA a!! AMPY KOSA IZAO e!!!AOKA IZAY DADA a!!!HANAMAIMBO ANAO RAHA IZAY KOTOVELO sady io no
    HO JODASINAO FARANY EO.

  7. Aza mbola mivadi-po hianareo fa mbola haverin’i Mamy Rakotoarivelo ao @ MAGRO daholo ry Yves -Aimes sy Raharinaivo ary Rasomotra sy ny tariny…. dia avy eo dia ny MAGRO mihitsy no asaina manohana an-dRajoelina, tsy maintsy ny anaran’i Dada no hampiasana fa manjary tsy mety ny olona. Dia avy eo dia izy mihitsy no hisolo an’i Dada, dia ahita Ray kely isika.
    Misy mantsy ireo efa vonto-pinona ka tsy mety mijery ny zava-misy intsony. Nadia hita mivatana izao aza fa miara-misaosy @ mpanogam-panjakana ny mpiterika sasany ao @ MAGRO.

  8. Zao ny izy ry zareo a,vakio ne ny tantaran’ilay zanaka adala e, natosiky ny rainy ve izy sa aon?anjarantsika no mamaly az.Nefa kosa izay akory tsy midika hoe tena niova ve ireo zanaka adala ireo?Mba mailo ihany ry zanak’i dada aaaa,sao mantsy misy ambadika indray ao

  9. Fa misoratra eo @ tampok’andrin’itony olona itony ve hoe « inty aho, efa niova aho ary nanenina ny ratsy vitako ka raiso fa efa madio sy mangarahara ny fisainako. Iza

  10. Sa izao le hoe miova fanano rehefa maty? Farafaharatsiny ry Ingahy ity mba nanetry tena hoe aleo aloha izaho hanatrika toy ny vahoaka tsotra rehetra. Sa nahita ny nangiben-dry Rakotoarivelo dia hoe « sao lany ihany ny paiso ankady fa izay Filoha Ravalomanana izany efa tantara vita? ». tandremo fa vahoaka analin-kisa no mandinika anareo ka sao lahy dia…

  11. De ho avy koa ry Meme efa miova lolovokatra. Dia asakasak’izay handray an’izany kosa aloha fa maimbo anie ireny e.

  12. @Njara : milaza ianao hoe tsy mahalala ny lalan-kalehany ny malagasy dia ambarako anao fa izao ataon’ny mpanao politika izao no porofo. Tokony hoe : tsy mahalala ny lalan-kalehany ny mpanao politika malagasy angamba no tokony ho teneninao fa toa miriorio ohatry ny angidina kely loha eny fotsiny. Mbetika atsy, indraindray aroa… Fa raha ny vahoaka ny ara-dalana kosa aloha dia aleo @ireo no mianatra fa latsaka ambany ny fijoron’ny « democrate » na « republican » na ny « labor » na ny « conservationnist ». Efa vita efa ela anie ny tolona raha tsy toan-dry zefalahy itony e. Ary mino aho fa raha izao fizotra

  13. Ilay Zanak’i Dada anie ka adala foana e na miverina na tsia dia tsy ilaina . I Meme dia tsy ekena intsony. Mila mianantra miteny aloha izy.
    Ilay Jiolahy iny no an’isan’ny manao resaka fivavahana foana ka mambotry ny sain’ny olona. Shi mishi mila an’io gena badalela sy be accent io izahay. Hoy izy mantsy hoe izhahay djia shi mila shezha…..raha tsy Vendrana daholo izahay koa,hui haingo an’izany.

  14. Ary ity mpamonany ity ve ho mba ahoana, satria toa nilaza tamin’ny nov 2009 fa efa afaka izao Madagasikara ?
    Ny basy entin’ireo mpiaro azy aza toa « tsy hitany akory » ?

    Tahak’izao daholo ve sisa ny malagasy ? Tambazana vola dia manaiky atao alika romotra ?
    Izao izany no tena atao hoe « manalika » ?

  15. Tsy mandeha indray ilay vidaka E!
    Aleo ny rehetra ahita fa sady efa tsy takona hafenina intsony koa anie e!
    efa miteny ho azy ny SARY KOTOVELO a!!!TRATRA IANAO e!!!ny olona tsy mifanosona
    fahatany ohatra izao raha sy ao raha. MISY DIKANY SY TETIKA MAIZINA IZAO FA SOA
    dada fa tonga saina.
    AMPIARO NY TONDROZOTRA
    MIVOAKA NY GADRA
    NY HAINO AMAN-JERY
    DADA MODY ! MILATSAKA HO FIDIANA fa mbola tsy teraka ilay hisolo azy AZAFADY Ô……..

  16. Izaho re olona ê!Aoka isika samy ho tony.
    Izay no maha-sarotra ny politika.Hitanareo fa fampiahavam-pirenena izao no tokony atao,ka maninona moa raha ny samy TIM no mihavana voalohany?Ohatra haseho amin’ny rehetra izany.

    I Dada efa impiry miteny hoe miraisa hina.Efa reko koa izy niteny teo @ magro hoe :isika tsy mandroaka izay te-hiverina.Ka amiko dia avelao hiverina izay te-hiverina fa mety hahatsara zavatra izany.
    Efa voailika tany ireo,efa grillé ka tsy afaka manao inona intsony ary izaho mino fa tsy manaonao foana ireo mpitarika ao ireo fa efa au courant i Dada.Mahereza daholo.

  17. Rehefa mamaky ny tsikera ataontsika dia tena vizaka sy valalanina , tsy haiko na tadidintsika fa ny filoha Ravalomanana dia miantso firaisankina , kanefa rehefa misy tonga nanotrona na manampy tonga isika dia mahay mitsara avokoa , tonga dia samy mahay mahita ny ampitso, diso tia tena loatra angamba isika ka lasa tsy mahay mandefitra o! io tolona io anie tsy vitan’ny olona vitsy e! tsy maintsy ny malagasy no indray mientana vao vita io, resaka serasera fotsiny dia efa tsy ampy isika ka noho izany ny olona no harena ka mahaiza re mihavana sy mifandefitra e! ny sezan’ny mpitarika koa tsy misy afa-tsy tokana ka mahaiza mifanaja fa aza dia miady ho lohany eo daholo fa lasa reraka ny vahoaka mijery anareo.

  18. Tsy vitan’ny irery ny tolona ? Tena marina !!!
    Mila vahoaka vonona hanohana ny tolona ? Tena marina !!!
    Mila firaisan-kina ny tolona ? Tena marina !!
    Mila mpitarika ny tolona ? Tena marina !!!

    Mpitarika hitondra ho any an-kady ve ? Tsia !
    Mpitarika miaraka misakafo amin’ny fahavalo ve ? Tsia !

    Matoa mbola ao anatin’ny kizo isika mianakavy na ny vahoaka malagasy, dia satria tsy mbola hitan’ireo izay rehetra nilaza fa manana ny fanilo na « lampidepôsy », ny varavarana hivoahana rahatoa ka hitan-dry zareo ny nihidirana !! Asa na hinihiana atao ??? Misy aza, manao izay azony atao mihintsy mba hijanonan’ny vahoaka ao anatin’ny haizim-pito, dia tsy izy izany fa ireo « nique-ta-lope » rehetra, ireo izay mahitahita ao anatin’ny haizina toy ny alika !

    Ankatoky ny Paska isika mantsy izao, ka misy mba fanontaniana manitikitika ny saiko indrindra fa ireto :
    Ilaina tokoa ve ny handatsahana rà ho an’io firenena io, firenena izay tsy fantatra intsony izay tena tia azy ?
    Maninona moa raha omena an’ireo mpanongana ireo, ny fitondràna ??
    Raha be zizo ny frantsay satria tiana loatra i Madagasikara, maninona koa raha omen’azy any io ?
    Rahatoa ka tsy tia ny frantsay, ny arabo efa raraka daholo izay tsy ho raraka ary efa sasa-miandry koa, maninona rahatoa ka omena an-dry zareo koa na Firenena na ny mponina, indrindra fa ny vehivavy ?

    Maro loatra ireo fanontaniana, ka ho faranako amin’ity angamba :
    Rehefa nantsoina daholo ireo mpamadika ary lazaina fa tsara ny manao an’izany, rahoviana no hiantsoana an’ireo mpanongana nahavita heloka rehetra, ireo izay nilaza tato ato fa tsy dia mankasitraka an’ilay ao Ambohitsirohitra intsony ???

    29 mars rahampitso, mbola mitoetra amin-tsika ve izany fitiavan-tanindrazana izany, sa, amin’ny maha kristiana antsika dia tokony leferina daholo nu tsy mety rehetra ???

    Mangataka aminareo mba tsy ho tonga ao an-tsofin’ireo izay nogadraina rehetra amin’ny tsy antony, izao resako izao !!! Mijaly, raha misy mijaly mantsy izy ireo !!

    Maro ihany koa ireo izay tsy avela manitsaka ny tanindrazany, fa tsy fantatry ny vahoaka malagasy mihintsy ny fisiany ! Mankahery an-dry zareo rehetra ny tenako, ary tsy adino ny Filoha Ravalomanana !

  19. Fanazavàna amin’izay voalazako tato, sao dia misy mandray an-tendrony, na mihevitra fa fanenjehana manokana.

    « Matoa mbola ao anatin’ny krizy….alika » !

    Ao anatin’ny haizina isika, ary nilaza ireo mpanongana fa tsy nisy na TAY AZA (miala tsiny) azo hoanina tamin’ny andron’ny Filoha Ravalomanana ; krizy mbola tsy nisy toa izany hono no iainan’ny vahoaka any ka tsy fahotàna intsony izany fanonganam-panjakàna izany !

    Mahafantatra ny tenany ireo rehetra, nitarika ny vahoaka hiditra any amin’ny lalana tsy izy !

    Alidera ! Angamba mbola tsy fotoanany izao, ary mbola ho azavaiko aminao indray andro any ; mino aho fa mbola hiaona isika any andro sy volana !
    Sarotra ny hanazàva aminao ny antony eto, na koa via admin MyDago (Tsy resaka « tsy fahatokisana » akory, ka ialan-tsiny dieny mialoha)!

  20. Misaotra Anao Kintana ary manohana ny hevitrao 100% bavy.
    Tsy niteny aho teto fa tiako loatra i Vonifanja fa saingy efa nazavainao ny
    antony ka ataoko fa tsy misy hanampiako azy intsony.
    Farany hoe : NY BAINGA MIVADIKA NO ANDRASANA ! RAHOVIANA????koa raha mbola tsy misy tsy hitako izay
    hifampitakosenana @’izay mpamadika aloha amiko an!

  21. Noheveriko fa …indray !!!

    28 mars 2009 – 28 mars 2013 !!! Efa-taona sahady ! Adino ve ireo maty sy naratra ? Adino ve i Razily ? Mby aiza ny tolona, na dia natao sonia aza ilay tondrozotra ?

    Tsy azo adino koa : 28 mars 2009, violente répression contre les légalistes !

  22. Video Youtube-n’i MyDago io, fa dia tsy fantatro hoe maninona no tsy mandeha ê !
    Ilay nisehoan’i Razily voalohany, nilanja saina malagasy ary kitapo no nataony aron-tena !

  23. Jeudi 28 Nov 2013: Hery Vaovao ho an’i Madagasikara: Riana Andriamandavy prend la tête de la section jeunesse
    http://www.lagazette-dgi.com/index.php?option=com_content&task=view&id=35894&Itemid=55.

    Hahaha. Efa nifindran’ny aretin’ny mpanao politika zokiny ko ny tanora, ry Ravazaha aloha de tsy nahagaga fefa hatreny Ankatso reny no mpitarika grevy, tsy de nahovoka firy @ fianarana de mitady hanankarena vetivety @ politika. Tsssssss… Malahelo anao aho ry taniko.

  24. 22 régions mais……. 6 provinces, quand il est difficile de trouver des gogols qui veulent bien accepter d’être des porte-seaux (ou sots) hygiéniques !!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *