Rakotoarivelo Mamy : ny fiverenan’i Dada no tanjona tokana

DSC00244Isika hoy ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy teny amin’ny Magro Behoririka omaly dia nijoro teto efa taona lasa izay ary hatramin’izao. Misy ireo olona mbola manantevina ny tolona fa efa maty izy ireny. Efa taona izay hoy izy no nanenjehana antsika teny amin’ny carlton tamin’ny tifitra variraraka. Ankehitriny , misy ny fanaratsiana. Matoa hoy izy isika eto dia ny firaisankina na izahay mpitarika na ianareo mpitolona dia tokony hitambatra. Aoka izay ny fanenjehana fa tanjona tokana ny antsika dia nyfiverenan’I Dada. Ny Ankolafy Ravalomanana dia tokana ary mitambatra. Ny hangatahana amintsika dia ny hisian’ny firaisankina. Fanontanina no napetrany hoe iza no kandida Tsy matahotra fifidianana hoy Mamy ny Ankolafy Ravalomanana na filoham-pirenena na depiote, na ben’nytanana. Vonona handresy hoy izy ny Ankolafy Ravalomanana fa aleo hazava ny fitsipi-dalao alohan’ny fifidianana. Anisan’izany ny fisokafan’ny radio nakatona, ny mangaraharaha eo amin’ny TVm sy Rnm, mivoaka ny gadra politika ary aoka hipetraka ny aministia indrindra ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana Marc. Raha fifidianana hoy Mamy ara tekinika no ataon’ny Ceni-T dia mbola misy ny olana. Voalazan-dry zareo hoy izy fa 1800000 ny doublant tamin’ny fifidianana lalam-panorenana ; ary iray tapitrisa ny olona tsynanana karam-panondro, terena ny fifidianana. Ny fepetra teknika hoy Mamy aza tsy voahomanareo fa vao maika ny fepetra politika. Ny vahoaka manerana ny nosy dia miandry an’I Dada. Mbola tsy milamina ny firenena ary mbola voasazy ireo 109. Farany dia nambarany fa hanatrika ny diniky ny FFKM ny Ankolafy Ravalomanana.

9 pensées sur “Rakotoarivelo Mamy : ny fiverenan’i Dada no tanjona tokana”

  1. dIA TSY HO mangarahara io fifidianana io raha tsy ity no tanteraka.

    AMBANY RAJOELINA —A BAS RAJOELINA—HATSONGOLOHY RAJOELINA.

  2. Dada re sisa fa Neny efa tonga faly misaotra Mamy sus mahery nareo manampy andriamanitra
    tohozantsika ny tolona raha tsy tonga Dada

  3. Azafady aloha raha hanitsy kely ny tenanay, f´angaha mbolka mila amnistie indray ny Filoha Ravalomanana ?
    Dia ahoana alohailay daty farany tokony hidiran´ny Filoha ravalomanana. Tsy afaka manery sy manasazy mihitsy ve ny SADEC, UA. CI. EU, ONU sns…. Fa arahina foiana izay tian´ireo jiolahm-boto sy ny frantsay e!
    Mihevitra ve ianareo fa ahomby izany fampihavanana aton´ny FFKM, ilay olona ihavanana mano loham-boto sy be ambom-po ary mano izay maharava ny fifidianana.

    Manaova fetin´ny Paska sambatra daholo ary e!

  4. Aoka isika hijoro hatraminy farany;Ny vahoaka nanao sorona ny ainy ; Famille Ravalomanana ;Ny Tanindrazana hiombonana Efa tena mila tsy ho zaka indraindray;Kanefa na dia izany aza matoky Ilai tSitoha iFa hainy ny zavatra rehetra

  5. Tratry ny fetin’i Paska daholo ry Mpiara-mitolona
    madio FO rehetra, dia hitondra vonjy ho an’ny tanindrazantsika
    tokoa anie izao vaninandro nitsanganan’i Jesoa t@ maty izao ka andresy hiaraka aminy isika.

  6. Je remarque qu’à chaque fois que les dirigeants de la mouvance viennent au MAGRO,ils ne viennent pas toujours, en particulier Mamy Rakotoarivelo, ils prechent toujours la bonne parole, se montrent des vrai Zanak’i Dada, mais une fois dans les institutions : » Monsieur le respectsble PDT Rajoelina, Lalao Ravalomanana doit revenir en Afrique du Sud quand la santé de sa mère s’améliore, .. » je ne parle plus du « fiarahana misaosy », dans le premier sens du terme, car ils ont des repas en commun entre dirigeants….

    Bref, je ne fais pas confiance, la seule personne que j’écoute c’est le président Ravalomanana.

  7. Mpitari-bato vilam-bava e!!
    ambava tsy mila fa ny ao am-po ………..
    Zana-baratra !!!mahonena!!!efa hita daholo izany ry Akama a!!na dia misy minia mikip
    mody mitapy aza eto mbola MIARO NY RAMBONY, izy ihany no nilaza ny tsy hanontaniana
    , vao ny fahatongavan’i Neny dia nivoaka ny NAFENINA REHETRA???tsy izy kotovelo eeeee

  8. Ahoana moaianao no tsy henjehana ry Mamy Rakotoarivelo?tsisy n’in ‘inn vitanao sy ny mpiara dia aminao,ny dadanay tsy tafodinao,ny radio sy tv tsy voasokatrao,ny gadra tsy ara drariny tsy voavoakanao,dia ianao miha matavy ohatran’ny foza namanao,Tonga eto an toerana mantsy Madame dia tsy maintsy misolelaka eny koa ianareo ,fa tsy mande intsonyizany fampiesonana izany e:rehefa tonga Dada mifankahita eto isika,dia inn izao no nanala bara tena tany am congres foza tany?efa tena akaiky ny farany an!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *