RAVALOMANANA SARAH : Tonga soa aman-tsara eto an-tanindrazana

Arrivé Sarah Ravalomanana2

Arrivé Sarah Ravalomanana2Nigadona omaly tolakandro tamin’ny 2ora sy fahefany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato tamin’ny sidina avy any Afrika Atsimo, ny zanakavavin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, dia tsy iza izany fa ramatoa  Ravalomanana Sarah. Tonga soa aman-tsara tsy nisy korontana fa dia nilamina tanteraka. Tampoka dia tampoka tokoa ity fahatongavany ity satria dia natao nangingina izany fa tsy nisy ny fitsenana tamin’ny fomba ofisialy. Ny vady amanjany no tonga nitsena azy teny Ivato.Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny tondrozotra izao fahatongavan’I Sarah Ravalomanana izao. Voalaza ao amin’ny andininy faha 20 ny hoe miverina tsy misy fepetra ireo sesi-tany politika any ivelany, ka anisan’izany ny fianakavian’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Taorian’ny fahatongavan’I Tojo Ravalomanana sy ramatoa Lalao Ravalomanana dia izao tonga eto izao indray I Sarah Ravalomanana. Anisany tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanany ny fitsidihana ny renibeny Bebe Razay izay mbola marary eny amin’ny hopitaly hatramin’izao. Eo ihany koa ny fiverenany hitantana sy hikarakara ny orinasa Tiko miaraka amin’ny Tojo Ravalomanana. Izy rahateo moa efa nitantana ny Mbs tamin’ny fotoan’androny. Rah any fianakavian-dRavalomanana izany dia I Josoa mianakavy, Maika ary ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc sisa mbola any Afrika Atsimo. Antenaina fa ho avy tsy ho ela izy ireo.

 

Arrivé Sarah Ravalomanana 2 Arrivé Sarah Ravalomanana (3) copy

42 pensées sur “RAVALOMANANA SARAH : Tonga soa aman-tsara eto an-tanindrazana”

  1. Il nous reste très peu de temps pour gagner; la victoire est proche, il suffit de bien marquer le but « indiscutablement » (FÉLICITATION D’AVANCE POUR TOUS)!

  2. Ny vaovao tahak’izao dia mahafaly, satria tafaverina an-tanindrazana ramatoa Sarah, ary dia mba ho afaka hijery an-drenibeny !

    Ny indro kely :
    1)Fa nahoana no asiana an’izany resaka « fitsenàna amin’ny fomba ôfisialy » ilay izy ê ?
    2)Miala tsiny fa tsy misy hidiran’ny tondrozotra mihintsy ny momban’ny zanaky ny Filoha ! Fa mpanao pôlitika sa gadra pôlitika, sa nanodikodina volam-panjakàna, sa nanao inona io ramatoa io ?

    Amiko, mba te ho eo akaikin’ny ray aman-dreniny izy, ary indrindra tsy adino ny fanenjehana amin’ny tsy antony, an’izay olona akaiky ny Filoha Ravalomanana !
    Misy didim-pitsaràna ve nihàtra taminy sy ny reniny ?
    Toa tsia no valiny !

    Fehiny : Tsy dia tokony afangaro tahak’izao angamba ny resaka ry zareo â ! Hilaza indray mantsy ny sasany fa efa ho tanteraka 100% ny fampiarana ny tondrozotra, ary efa milamina ny toe-draharaha ao amin’ny firenena !

  3. Tena marina mihintsy izany ry « KintanaMananDrambo » !!!

    Efa misy manomana sahady ny lalana ho an’ireo mitady anao RECUPERATION!!!

    Tsy andaitra anefa izany, satria ISIKA VAHOAKA tsy MANDADY HARONA dia MAILO hatrany, … Nous sommes continuellement sur le « qui-vive » …

  4. Tongasoa eto an-tanindrazanao tompoko! Mahereza, alao hery, aza miova amin’izay efa nitaizana anao, dia ny fitiavan-tanindrazana!

  5. Tongasoa eto an-tanindrazana ianao ranabavy,ho tahian’Andriamanitra anie ianao amin’ny zavatra izay ho kasainao ary ireo olo-masina any an-danitra rehetra hivavaka ho anao sy ny ankohonanao ary ny fianakavianao iray manontolo.

  6. Misaotra an’ANDRIAMANIRA Isika..!
    Izao Fahtonvan’i Sarah izao dia porofo iray fa tsy afaka mandika ny fepetra ao amin’ny andininy faha-20 ny mpiandraikitra ny fampiarana ny tondrozotra..
    Koa raha nety tsara nampodiana azy mianaka io andininy faha-20 io dia tsy manakana ny fampiaerana azy amin’ny Filoha RAVALOMANANA MARC..Tsy ny fat izany no miandrakitra io fiverenana io !
    Izay mahasoa hataon’ANDRIAMANITRA !

  7. Miandry azy 3 mianaka sisa ny firenena sy ny vahoakany.
    Raha mbola nisotro ny ranon’i Manangareza dia tsy maintsy miverina antanindrazana.

  8. Mcar Tribune de ce jour:

    « Selon certaines sources qui disent avoir recueilli leurs informations auprès d’individus connaisseurs du dossier, le stock de billets de banque de la monnaie nationale auprès de la Banque centrale est en train de se tarir et sera épuisé dans trois mois. »
    … « Faut-il alors remettre sur selle l’ancien gouverneur de la Banque centrale dont la signature seule est admise par ces institutions internationales ? »

  9. Infos relayées par TVPlus également, hier ! Faut-il s’étonner de tout ce cirque ???
    Ledit gouverneur de la BC « par intérim », serait un oncle de la Mialy ; BC qui gère l’exportation de l’or depuis quelques temps « afin de limiter (ou mieux gérer) tous traffics » ! « Confiances » manarapenitra ou des placés ???

    Ary mba nankaiza ny akamako iray tato, fa tsy tanteliko iray teto ???
    Aiza ianao ranavalona ô ! Aza midongy re ê !!!

  10. Ianareo ve ry SOlo Razafy hanampy trotraka ny foza ka hilaza fa tafiditra anaty tondrozotra ny fodian’i Saraha Ravalomanana a !!!? dia ahoana : hatao ny fifidianana fa pourcentage kely sisa no tsy vita mahakasika an’ny PRM ?

  11. raha ny fahafantarako azy dia actionnaire 90% tao @Tia SARL,90% tao @ IKO SARL,90% magro SARL,90 % tao @ transmaika SARL,90% tao @ Top SARL,2% tao @ tiko agri, 34% tao @radio MADA SARL ary 10% tao @ ALMA SARL io ramatoa Sarah io ka be ny asa very koa mba miangavy anao zahay mba hijery akaiky ireo orinasa reo na dia fantatra tsy mora ny asa miandry anao misaotra tompoko

  12. Arahabaina tonga soa, tsy maty fo aman’aina nieren-doza.

    Ho an’izay te hanao zavatra fotoany izao!

    Mety azo alaina à i mydago ve ny coordonnées-n’i K.M azfd?
    Misaotra mialoha.

  13. Miala ao amin’ny Magro amizay zany ry movansa ravalomandrana fa tonga ny tompon’ny blue print???? hi!hi!hi!

  14. Ny devise de la repoblika :
    – nalevon’ny Fitiavana ilay Fahafahana
    – indrai2 aza hoy ny mitazan-davitra : misy lasa orange ny loko rouge @ saina sasany
    – Edgard Razafim-bazaha moa dia saina firantay no narantiranty teny ambony biraon’ny mairie back in 2009

    ==> f’itony fiara sécurité nasionaly dia … fotsy mena MANGA,
    milaza @ vahiny na firenena any ivelany « i France no mifehy par la force des armées » eto

  15. F’angah ny fiara sécurité nasionaly tsy fotsy mena manga t@ andron’i dadanareo? sa maintso fotsy manga lokon’ny TIKO? ha!ha!ha!ha!

  16. Tena miaiky 100% ny voalazanao aho ry Ing. Kintanamanan… . Tsy misy mahasamy hafa an’i Tojo, Lalao, Sarah @ olontsotra rehetra ankoatrany fitondrany ny anarana Ravalomanana. Marina fa zanaky ny Filoha Ravalomanana izy ary vaovao ny fahatongavany fa aoka hazava ny resaka fa ny FILOHA RAVALOMANANA no andrasana eto hitondra ny fanarenana ny firenena. Tsy miteraka fihetsem-po ho ahy mihintsy ny fahatongavan’ny Lalao Ravalomanana sy Sarah ary tsy mila atao tantara be fa zon’izy ireo 100% izany. Ary efa tokony efa niaraka t@ Tojo Ravalomanana izy ireo. Izao kosa aloha : « hafa ihany ny fitsikin’izany zanakavavy ny Filoha voafidim-bahoaka sy tian’ny vahoaka izany ». Tongasoa Ramatoa ary ilazao ny rainao fa tsy manana Filoha ankoatra azy ny tena vahoaka Malagasy.

  17. Mahafaly ny mahita, fa mba misy mitovy eritreritr’amiko any ho any !!!
    Sûr ê !
    Ao amin’ilay post iray ry Alidera A.R. misy valin’ny fanontanianao â !

  18. Faly aho a,tena faly!Deraina ny Tompo fa tafody eto ny zanaka malagasy iray indray e!Mahereza daolo!

  19. Ity marina arakilay fiteny manao woe:

    Iray folo manana

    Roa maka bahana

    Tonga Ravalomanana

    Alakamiy masina androany.Ka enga anie ho latsahany ny fanahy masina daholo isika rehetra tsy misy ankanavaka; ary midika izao fa tena hendry mihitsy ny mpomba any i PREZIDA RAVALOMANANA, dia ho tonga soa amantsara anie ny havabtdika

  20. Mby aiza ity fiandrianam-pirenena manarapenitra ?
    Diso vendrana sy tsy mahay ny asany angaha ny mpitandro filaminana malagasy ?
    Tsy azo antoka, malaza ratsy sy voavidy daholo angaha ny MPITSARA MALAGASY ?

    Ary farany, ao anatin’ilay atao hoe « Gestion des affaires courantes » ve Ity manao sonia « Accord de coopération » isaky ny mihetsika ity ?

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,777878

    Crime et synonymes : Assassinat, attentat, brigandage, délit, faute, forfait, forfaiture, infraction,……

    Hijanona maharitra izany ry zareo !

  21. Tsisy miala eto!!
    aza matahotra!!
    Efa mankarary maso ilay » filoha teo aloha » fa vao maika koa nanampy trotraka ilay
    resaka tondrozotra. Mahonena!!!
    Eto no mahatonga ilay fitenenana hoe: tsy hitako izay hidiran’i Manoela @ volon’i Bertà tapaka (MDR)
    Tsy hadino ny hafaliana mitafotafo ary efa manangasanga ilay……..aleo tsy tenena fa sao……….
    Mino sy mahatoky ihany fa tsy misy KIVY ETO e!!!ho tonga anie DAAAAADAAAAAAA!!!!!amin’ny farany kosa e!!,
    TSY MAINTSY, ilay fitsenana be firi2 Km anie hono no tsy ZAKAN’I TSENAN’i FOZA FA RAHA ATAO  » SARIKA
    AM-PADRIANA TOY IZAO VAO METY e!!!@’izay MOAKA FA TSY MISY HERY RAHA ZAZA HO ATAO DIDIAM-
    POITRA.

  22. @ Solo Razafy
    Manamafy ny voalazan’ny namana etsy ambony aho :
    1 – Tsy misy hidiran’ny Tondrozotra ny fodian’ny vady aman-janakin’ny Filoha RAVALOMANANA. Resaka « sécurité » no nialan-dry zareo teto fa tsisy resaka politika mihintsy. koa fodiana tsotra toy ny fodian’olona an-tanindrazana no misy fa tsy resaka fampiharana ny Tondrozotra velively.
    2 – Ny fodian’ny Filoha Ravalomanana irey ihany no fampiharana ny Tondrozotra (art. 16 sy 20) ary efa nivadika ho lalàna mana-kery io ka tokony hampiarina dia vita fa tsy hiadin-kevitra intsony.

  23. Tonga soa Sarah! de amboary haingana ny MAGRO fa efa te hihinana yaourt sy beurre ary « lait » tsara sy @ vidiny mahafa-po zahay eto MAJUNGA. Manohana an’i DADA foana zahay, 1er tour de vita io raha tsy misy hala-bato sady ry zareo matahotra be an’i DADA an, ah! ah! ah

  24. Ao Ampahatrima, dia efa ela ny RONONO, soja, tournesol sns … no miandry ho ahodina ho lasa sakafo mifono otrik’aina MANARAMPENITRA (hi hi hi …)

    Ireo lasa tsy an’asa TSY FIDINY efa tsindria’ndaona ahita ny toerana niasana « fahiny » sy ireo namana niara niasa …

    T I K O V I T A M A L A G A S Y

  25. Misaotra sy Mankasitraka ny fanohanana ahy ny tenako ,
    ataoko mazava fa tsy VOLA na SEZA na VONINAHITRA no
    manosika ahy eto SANATRIA fa  » TIAKO NY TANIKO ARY HAROVAKO KA MAHASAROTINY AHY MAFY »
    dia ampy ahy izay!!!koa miala tsiny raha somary maherihery indraindray fa izany no antony.Dia aoka mba
    ahatsiaro tena daholo tompoko isany rehefa tsy te ho siahana eeeeeeeeeee Azafady ô!!

  26. Ra-8 Ra-8 ihany Ra-8 hatrany,

    Tsy mbola mahazo sokafana fa mbola tsy lany ny « importés », ary ny commandes rehetra mbola tsy tonga daholo ary mety hiampy aza !!!!

  27. Fuck daol nareo eee! mbola tsy maintsy hiverina any afrika atsimo reo tonga retra reo aza mataotra!!!!!

  28. oay, tonga de hitan’i Mydago oe: mandray penina ‘ty foza eto ambony!

    Hoatran’i fivadravatran’i zafin’i Mamba an!

  29. Aiza kosa dia ho roa (2) fontsiny ???

    Ka ireo zanany an’etsiny ireo ahoana ???

  30. may indray ny endim-boanjon’ny foza, dia mivoaka avy any anaty lavaka !!

    Ny ahy indray aloha dia sivy fotsiny ê misy arseveka aza mba manana ihany koa !!!

    Inona no blemanao ry denizy ? Tsy nahazo na topi-maso fotsiny aza ? Ianao io angamba mody manao akanjo, fa milanja basy ao anaty silipy sy be volom-bava koh ! Tsy hanana sansa mihintsy hahazo na topi-maso aza !!
    Izao fotsiny, rehefa nataon’ny olona tsy ho anjara aza dia mitahiry lolom-po !!! Ny vodin-tsobika aza manan-tandrify daholo !!

    Ny beauté koa moa efa lazain’i HoAiza fa relative !

  31. marary fo @’izany eo!!!hahaha!!!!
    ny vody lanin’i moka aloha jerena fa aza ny lanitra tsy hianjera no
    tohanana mafy eo hihihiiiiiary taiza foana nji ???mbola nivaro-pika ??ataovy varo-boba @
    izay fa tsy efa be izay no azo???

  32. Fa le foza ary ve mihinana devoly no mahatonga azy hiteniteny foana sy mahita zavatra mivilana foana eh!!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *