Ravelonanosy Mamitiana :Tonga eto i Dada vao manao fifidianana izahay

IMG_8278Misy tsaho mandeha hoy ny Ct Ravelonanosy Mamitiana teny amin’ny Magro Behoririka omaly manaratsy ny zavatra ataontsika momba ny fanangonan-tsonia. Isika hoy izy tsy tia frantsay fa tsy mandroaka azy. Ny antsika dia tsotra miara miasa amin’ny rehetra fa izay mikitika ny lalàna dia tsy mendrika hijanona eto Madagasikara. Isika hoy izy dia matoky ny Sadc amin’ny famahana ny krizy. Misy ny tsaho mandeha ary miasa mafy ilay ramatoa ao an-dapa ao miresaka amin’ireo solontenan’ny sehatra iraisam-pirenena samihafa mandresy lahatra ny amin’ilay tenin’ny ambasadaoro frantsay milaza fa tsy mahazo mody eto ny filoha Ravalomanana Marc raha tsy vita ny fifidianana. Ataovy ary hoy izy fa eto tsy misy fifidianana raha tsy tonga i Dada ary raha tiana hivaha   ny krizy sy hisy fitoniana eto dia mody izy. Raha tiana hisy hoy izy ny fitoniana dia avereno izy. Mbola misy ireo miaramila migadra any am-ponja, tsy nangalatra izy ireo fa resaka politika no nahatonga azyireo tany. Fanontaniana no napetrak’ity olomboantendry ity hoe mino ve isika fa hilamina eto rehefa vita ny fifidianana nefa ireo mbola anyam-ponja ? Mandeha ny resaka hoy Mamitiana fa hoe aleo hitady kandida metimety amin’ny rehetra dia alefa ny fifidianana. Tsotra ny anay fa tonga eto ny filoha Ravalomanana Marc vao manao izahay.  Misy olona tsy te hamaha krizy eto satria mbola misy olona mikarakara bois de rose sy te hilatsaka ho fidiana. Raha izay zavamisy izao hoy izy no jerena dia tsy hisy ny fifidianana amin’ny 24 jolay. Noho izany dia manao antso ho an’ny sadc. Ataovy milamina alohan’ny fifidianana ny zavatra rehetra.

10 pensées sur “Ravelonanosy Mamitiana :Tonga eto i Dada vao manao fifidianana izahay”

  1. Iza ireo manaratsy an’izany fanangonan-tsonia izany ê ? Tsara ho fantatry ny vahoaka !
    Ny ankabeazan’ny frantsay dia tsy mahafantatra an’izay zava-nitranga rehetra atramin’ny 2009 !
    Ary ireo olom-bitsy mahafantatra, dia na voafahin-dalitra na tena mpanohana an’ireo jiolahy !
    Noho izany dia ataovy mazava ny zavatra tiana ambara, ary ny malagasy tsy hanangan’ady amin’ny vahoaka frantsay akory, fa manameloka ny ataon’ireo mpitondra fanjakanan-dry zareo ! Izany no mila atao mazava, ary tsara atao fantatr’izao tontolo izao fa tsy ny frantsay irery ihany !

    Misy olona efa fantatra hatry ny ela fa faly amin’izao toe-javatra izao, ary manao izay hitarozahin’ilay izy ! Miha-mitombo ny harenany, ka noho izany dia mora ho hita ihany izy ireo amin’ny andro farany, ary tsy maintsy atao ny fanadiadiana rehetra mba hamerenan-dry zareo ny volam-bahoaka izay nalaina amin’ny tsy rariny !
    Toa izany koa IREO MPIVIDY HALATRA REHETRA ! Maro ireo olona notafian’ny jiolahy, dia iza daholo ireo « mpividy halatra » ? Mba manao ny asany ve ny mpitandro filaminana, sa very traikefa tampoka ry zareo ?

    Afak’omaly dia nisy soratra napetrako ry MyDago, fa toa nanjavona ilay izy ? Sa tsy tianareo resahina eto intsony izay zavatra hita ao amin’ny Tananews ?
    Resaka mba tsara ho dinihan’ny rehetra ato anie ilay izy ê !
    Nanoratra aho mantsy hoe, toa fandrebirebena saim-bahoaka ity « sondage » ataon’ny Tananews ity !
    Ny fanontaniana mantsy, raha atao amin’ny teny malagasy dia ny hoe :
    Raha tena tsy manan-tsafidy ianareo, dia iza amin’ireto olona ireto no ho fidianareo ??

    Fifidianana inona no azo atao hoe fifidianana, kanefa tsy manana safidy ny vahoaka ?
    Ho terena fotsiny ve, hanome anaran’olona ?? Azon’ny rehetra jerena ny valin’ilay izy, satria nisy « voajono » tamin’izany ireo izay tsy dia nieritreritra !

    Farany : Nankaiza daholo ny mpisera, sa lasa any amin’ny lafy8 daholo ?? MDR !!!

  2. Efa tena mazava ary azo tsara ny dikan’ny teny sy ny antony politique entin’ny resaka mikasika ny fodian’ny Filohan ‘ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC
    – » raha tsy tonga i dada tsy misy fifidianana
    -« Rehefa tonga i Dada vao misy fifidianana
    -« Ny fahatongavan’i Dada no mamela ny fifidianana
    -3Tsy misy fifidiananaraha tsy tongaiDad… »
    Izany sy toa izany ny kiaky ny Malagasy mitaky ny fiverenan’ny Filohan’ny Firenena..
    iza no mihaino izany dridran’Igolo izany ?
    Moa ve mila mamerimberina ity antso ?

    Mila fahatezerana ve ny mikiaka ? Mila fahasiahana ve ny manataka ny fodian’ny Filoha ?..
    -raha olona iray na commission iray no mihaino , no mandre , no mandray izany antso izany ,tsy ho leo ve izy amin’ny farany , ary dia tsy hihaino intsony , tsy handray intsony ,satria ny omaly tsy miova ny ventin’ny antso ?

    IARAHANTSIKA MAHALALA FA NY FODIAN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC ETO ANTANINDRAZANA NO
    HIANKINAN4NY ZAVATRA MARO /
    –Ny fahakahasitrahana ny fiverenanantsika ao amin’ny ordre constitutionnel
    –Ity ordre constitutionnel niverina ity no manokatra ny fanokafana hy fanampiana ara-bola sy ara-technique ampiasaina ho amin’ny fampandrosoana ny Firenena sy ho amin’ny fanatsara aingana ny toe-piainan’ny Malagasy
    — ary mamela Antsika hikarakara ny fifidianana.
    Ny Communauté Internationale ,ny Firenena Mikambana mahalala izany , ny UA , ny SADEC , ny UE sy irei Firenena Maro toa ny USA, Allemagne ,Fra,ce, Norvège , ny Grande-Bretagne , ny Canada , ny suisse dia mahalala izany..
    Mino aho fa misy Malagasy maheno izany fa moa ve hain’izy ireo ny antony tsy maintsy ifandraisan’ireo  » conditons  » ,izay tsy maintsy tanterahana ?
    Koa mila fanazavana lalindalina izy ireo ,toa ny tsy maintsy hahatanterahana ny tondrozotra sy ny famerenana ny fandriampahalemana sy ny fitoniana..
    Koa aoka tsy moramoraina ny fiverenan’ny Filoha !

  3. Tsy misy afa-tsy iray ny filoha dia i Marc Ravalomanana.I Michel dia manainga antsika hanala an’i Domelina.Alefaso ary ny paika ry michel.

  4. KM,
    Mazava ny làlana tian’i tananews aleha…
    Tsy hita tananews raha tsy efa nanjavona i topmada, njnb, réflexiums!!!

  5. Salama.
    Tsara raha maneo ny vaovao mikasika ny raharaham-pirenena ao @’ity blogs.médiapart ity
    isika malagasy voan-tsindry. Ary raha tafiditra ao ny fomba fijerintsika, dia angatahina ny médiapart aneo ny vaovao manoloana ny vahoaka frantsay izay tsy mahafantatra akory ny manjo ny vahoaka malagasy.
    Azo ambara fa toa voangeja ny fanjakana frantsay ny mpanao gazetiny mba tsy hilaza ny tena zava misy sy manjo ny firenentsika.
    Matahotra ny médiapart ny fanjakana frantsay sy ireo mpanao politika fa mahasaky mamely an’ingahy Rasarikaozy.

    http://blogs.mediapart.fr/blog/philippe-divay/200313/il-faut-passer-de-letat-sauvage-letat-de-droit-madagascar

  6. Atoa HILARION Harisson dia isan’ny Mpanohana tanteraka n’iAtoa Mamy RAKOTOARIVELO sy Maitre RAZAFIMANANTSOA. Noho izany ireo zavatra lazainy ireo dia teny fanazvana ny Làlana izoran’Atoa mamy Rakotoarivelo DAHOLO DAHOLO …;)
    Fa mikasika ny hetsika tohizan’Atoa MAMY RAKOTOARIVELO izay deraina manokana dia mazava koa ny tiany lazaina izay mbola ho dinihintsika ao amin’ny Lafy8 :
    http://www.midi-madagasikara.mg/
    Tohizo ny hezaka Atoa RAKOTOARIVELO O ! 🙂 Tsy taitran’ny henjika isika e !

  7. Ny fodian’ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC no tanjona ary io no anton’ny Tolona aao..Ny fifidianana , izay mbola any an-kibo’ny omby dia tsy tokony amakiana loha ary dia naravon’ny Filoha RAVALOMANANA MARC io resaka io amin’ny teniny manao hoe : « REHEFA TONGA AHO ,DIA MIRESAKA FIFIDIANANA ISIKA ! » Ary nampiany hoe :
    « TSY MISY FIFIDIANANA RAHA TSY TONGA AHO ! »
    Koa aza sarotina ny resaka tsotra sy mazava .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *