RAVELONANOSY MAMY TIANA : TSY MAHAFEHY FANJAKANA NY OLONA AO AMIN’IO FITONDRANA IO

IMG_7326

RAVELONANOSY MAMITIANAMisaotra ny mpitarika sy mpitolona ato amin’ny Ankolafy hoy ny Ct Ravelonanosy Mamy Tiana androany teny amin’ny Magro Behoririka Ramatoa Ravalomanana Lalao tonga nirahaba azy teny an-tranony. Tsy atao tompon-trano mihono isika ny amin’izany  rehetra izany. Nandeha ny tsaho aninkeo hoy izy fa hoe maty Bebe Razay. Mbola ao anatin’ny fitsaboana ny fianakaviany amin’izao fotoana izao. Noho izany dia mitondra am-bavaka azy isika satria izay no anton-dian-dRamatoa Lalao eto ary hijery ny orinasa Tiko. Araka ny nambarany hoy Mamy Tiana hoe vao niditra teto ny tenako dia tena mahantra ny Malagasy. Izay hoyizy no mahatonga azy hisikim-ponitra hamelona ny Tiko. Teo aloha dia niezaka ny tsy hanondrana entana any ivelany ny orinasa satria raha mbola misy Malagasy tsy mihinana dia tsy hanondrana. Mino isika hoy Mamy Tiana fa ho voatsabo tsara ny reniny. Misy milaza hoy izy fa mpahay toe-karena dia miresaka amin’ny radio. Tamin’iny herinandro iny dia nanao tatitra ny Banky mondiale hoy ity mpanao politika ity fa 87%n’ny Malagasy dia mahantra.. Nikatra io tarehimarika io ka 7% izany taty amin’ny taona 2010. Ny taona 2013 dia 87% izany. Koa iza hoy izy no nampahantra ny vahoaka Malagasy. Ny taona 2009 dia very 25 tapitrisa dolara isaky ny herinandro. Raha izay no kajiana dia very io ny taona 2010. Ny ankamaroany hoy Mmay Tiana dia tsy fahaizana mitantana. Mametraka fanontaniana isika hoe iza no tsy mahay mitantana? Ny filankevitry ny governemanta hoy izy dia nahatsapa ny rehetra fa efa manomboka marefo ny fandriampahalemana. Porofo izany fa tsy mahatoky ny fitsarana, ny mpitondra ny vahoaka. Raha izay toe-karena sy tsy fandriampahalemana izay hoy izy no jerena dia ny olona ao amin’ny fitondrana dia tsy mahafehy ny fahefana.  Tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana Marc dia misy ny fitsinjovana ny vahoaka Malagasy. Ny sosialim-bahoaka amin’izao hoy izy dia tsy mihinam-bary ny vahoaka. Noho izany hoy Mamy Tiana dia tonga ny fotaona hoe tsy misy afa tsy ny fampodiana an’i Dada ihany no vaha olana eto. Deraiko manokana hoy izy ny mpitandro filaminana omaly nilaza fa fampiharana ny andininy faha 20 no ataony. Tsotra ny anay hoy ity olomboantendry ity fa efa manomboka ianareo ka tanteraho hatramin’ny farany izany. Tsy tokony hisy resaka politika izany fa rehefa lalàna dia lalàna.

6 pensées sur “RAVELONANOSY MAMY TIANA : TSY MAHAFEHY FANJAKANA NY OLONA AO AMIN’IO FITONDRANA IO”

  1. Fa iza avy moa ilay olona ao @ FITONDRANA????
    Tereo i mangidy hampody azy fa tsy faly MIOSI-POTAKA MIARAKA @ FOZA,
    dia tsy menatra misolelaka @ domelina , milelaka ny kirarony fa efa mandry angah fa izy no hasolo an’
    i dada???SANATRIA!!!!Io fa efa manomboka MIBARADAKA RAKOTOVELO e!!!kibokiboin’ny marina koa
    milaza ny tsy hanontaniana, MBOLA MIASA A-tra fa efa misehoseho daholo ny JODASY FANETRY BE
    SY NY KAKA tsy mahatafa ilay TOLONA.
    JEREO NY VAO2 OMALY « TVplus » izay TE AHITA NY HAGEGEN’i MAMY RAKOTOVELO MPAMADIKA
    FARANY IO KOSA e!!!ataoko fa tsy hisy intsony ao aorianan’io.Izy sy Guy Maxime izany no nifanarakaraka
    farany teo.Dia tsy henatra tsy tahotra izany ray olona a!!dy vao maika anie izy mandrangitra efa saika hiteny
    mihintsy angamba izy hoe: » na iza faly na iza tsy faly ». hita mihintsy izy fa TSY DIA FALY t@ NAHATONGAVAN’
    i NENY.MAHONENA!!!

  2. Fa iza avy no ao @’ilay fitondrana aloha azafady???
    mamitiana efa tsy izy intsony fa tokony efa HISOTRO RONONO.
    Tereo kotovelo fa mandreraka be ireny FITENINY MISOLELAKA TSY TAHOTRA TSY HENATRA,
    kibokiboin’ny marina koa milaza ny tsy hanontaniana, hita mihintsy fa tsy dia mahafaly azy loatra angah
    ny fahatongavan’i Neny fa efa manantena zavatra hafa mihintsy izy, efa musy KETRIKA MIARAKA @
    domelina matoa izy sahy MITENITENY FOANA toy ireny.
    Jereo ny vao2 omaly ao @  » TV plus » izay te ahita ny HAGEGEn’i Kotovelo Mamy.TSY MAZAVA ILAY IO!

  3. Ct Ravelonanosy ô!! mba mangalaha aloha aina fa tsy izy mihintsy,
    efa matetika loatra ka mandreraka be, aza dia manao kabary tsy valiana,
    na ilay lohateny ery ambony ery fotsiny azy dia efa tsy izy e!!ovay indray ilay kabary fa toa mandeha ho azy
    fotsiny ilay izy, azafady !!! ireny zavatra tandrevaka toa ilay tomabilina mitondra an’i Neny ireny asiana SIRA
    fa sady mahamenatra no MAMPALAHELO raha olona VOAFIDIM-BAHOAKA MENDRIKA HAJAINA TOY IRENY
    no tsy asiana HASINY.TEREO KOTOVELO FA TSY RARINY ! TSY IZY INTSONY ILAY HATAONY!!!

  4. Resaka taomabilina ? Iny no mba hita ! Raoplainina ? Iny ihany koa no mba hita na dia nanampy mpanongana aza ny tompony ! Izahay daholo no nikarakara an’ireny, ary efa mba niezaka ihany izahay ê !

    « Tsy mahita vaha-olana, ary tsy mahafehy fanjakàna IZAHAY ao anatin’io fitondràna io » !!

    Na dia izany aza, mbola milay ny saosy ! Miala tsiny aminareo, fa mba hibizina koa izahay !
    Mibizina daholo izao ny rehetra, ary io zavatra io ihany no tsy maintsy atao laharampahameana, fa izany Tanindrazana na fitiavan-tanindrazana izany efa nilaozan’ny toetr’andro !

    Atao fitadiavam-bola ny raharaha pôlitika ! Fitadiavam-bola manarapenitra !

  5. Kintana! ary taiza foana??aza dia mampivadi-po RY -anina a!!
    Fa taiza ialah??tsy mba musy fiarabana ny Andriambavilanitra t@ 8 Mars,
    tonga neny tsy hita hoe ahoana ??bavy efa niandry !dia mino aho fa hitondra vao2 be nareo izao sa???
    liana ny rehetra , ianao no andrasana.

    ,

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *