TOLO-TANANA HO AN’NY ANY ATSIMO : NITONDRA NY ANJARA BIRIKINY NY ANKOLAFY RAVALOMANANA

IMG_6986

IMG_6983Tontosa tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha androany tontolo andro ny hetsika tolo-tanana ho an’ireo traboina any Atsimo izay notanterahin’ny Ankolafy Ravalomanana. Nanomboka ny maraina dia efa nisokatra ny hetsika, ka nahitana vata mangarahara handrotsahan’ireo olona izay zavatra na vola hanampiany ireo havana any Atsimo. Nanao tohivakana ireo olom-pirenena tsotra, fikambanana nitondra izay voarambin’ny tanany izay.Anisan’ny nanatitra fanampiana ny fikambanana RCM, Fimapro, Vot, Kmfb,Mfm Analamanga, ny FokTim Betafo,DisTim Ambohindratrimo,DisTim Arivonimamo,Tim Antananarivo Renivohitra sns… Tokony ho tamin’ny 1ora mahery tany ho any dia nanao rodobe ireo mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana nanatanteraka ny anjara birikiny. Ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy no nitarika izany niaraka tamin’ireo Ct sasantsasany . Ny filoha lefitry ny Cst Razafimanatsoa Hanitra no nitarika ireo mpikambana ao amin’ny Cst sasantsasany, ary ny Praiministra lefitra misahana ny indostria sy ny varotra Botozaza Pierrot no nitarika ireo ministra Ankolafy Ravalomanana. Araka ny fanazavana nataon’ny filohan’ny Ct Mamy Rakotoarivelo dia tsy afaka hijery fotsiny ny fahavoazan’ireo olona any Atsimo ny Ankolafy Ravalomanana fa mitondra ny anjara birikiny, manao fitia tsy mba hetra. Atolotra ny BNGRC ,izay mitantana ny fanampiana hoy izy ny zavatra rehetra azo mandritra izany. Efa eo am-pandinihana ny fidinana any an-toerana ny Ankolafy Ravalomanana, na dia hankahery ireo namana traboina fotsiny aza dia zavadehibe. Marihina fa tsy nisy ny hetsika teny amin’ny Magro Behoririka androany .

Nahatratra 31.553.750 Fmg ny lela-vola voaangon’ny Ankolafy Ravalomanana androany tamin’ilay « voin-ka mahatratra », ankoatra izay dia  nisy ny vary, menaka, savony sy ny kojakoja samihafa.

 

 

4 pensées sur “TOLO-TANANA HO AN’NY ANY ATSIMO : NITONDRA NY ANJARA BIRIKINY NY ANKOLAFY RAVALOMANANA”

  1. Izao fandraisana andraikitra rodobe miaraka ataon’ny Ankolafy RAVALOMANANA MARC dia fanehoana , ankoatra ireo hetsika any amin’ny Faritra sy ny Disitirika ary ny Fokontany rehetra any, fa tsy resaka sy fanomezana toro marika miatrika ny Tolona ihany , fa hain’izy ireo ny mizara amin’ny sasany traboina izay misy eo an-tanana..
    Izao hetsika izao dia mitory ny fahendrentsika izay ao anatin’ny sary tenymanao
    hoe : » Eo amin’ny fotoan-tsarotra na valala iray ifanam-pahana! ».Izay midika hoe ;
    « Aza miandry hanan-karena na miandrry andro tsara sy be vokatra vao misehoseho mizara ! ».
    Honera be ny lany..ary ny halehiben’ny hetsi-ponareo nanome no zava-dehibe aminay ! Misaotra Tompoko !
    Tearak’I Toliary !

  2. DRY MAHAFINARITRA RY RETO AH NY ATAONY RETO FIANAKAVIANA RETO TENA MIFAKATIATOKOA ISIKA MIANAKAVY MILA MAHALATSA NDRANOMASO NY FAHENDRENY ANTOKO tim

  3. MANIFESTATION DE SOUTIEN AU PEUPLE MALGACHE – SAMEDI 16 MARS A LA BASTILLE

    pour l’honneur,

    POUR la liberté d’expression,

    Pour le retoue de la respectabilité de nation,

    Pour la patrie

    Pour LA Justice ,

    pour le respect des valeurs ancestrales ,

    Pour le respect des valeurs universelles .

    Pour l’indépendance ,

    A BAS RAJOELINA – AMBANY RAJOELINA – A BAS RAJOELINA -RAJOELINA AMBANY.

    IZAY NY RESAKA .

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *