TRATRANTSIKA NY TETI-DRATSIN-DRAJOELINA TAO ATSIMO

Raveloson-Constant1

Raveloson-Constant1Manao fampisehoana any Toliary Rajoelina hoy ny Ct Raveloson Constant androany teny amin’ny Magro Behoririka, fa isika kosa mipetraka am-pahendrena. Vita ny herinandro hoy izy vao namoaka ny tiany tany Toliary tamin’ny Tvm izay nifantenana olona manokana hiteny. Ny tsy sahiny navoaka dia ilay hoe mirotsaha ianao prezidà.Aoka izy hirotsaka hoy Constant fa tsy misy mahavita ny vitany raha filoham-pirenena no mitondra atambo ho an’ny firenena tany Atsimo. Raha olom-panjakana hoy izy dia izao no izy, firy ha no fefiloha vaky kanefa tsy nahasakana izany, firy ny trano simba fa indrindra ny maha olombelona. Raha filohan’ny Malagasy hoy Constant dia izao no fanontaniana mipetraka fa maninona ny fefiloha no nitondra loza ho an’ny Malagasy?Hay izy ity hoy izy miandry vavan’olona hoe milatsaha ianao Rajoelina. Tratrantsika ny teti-dratsin-dRajoelina tao Toliary, izy no tratra tsy nanaja ny mahafiloha. Averiko indray hoy Constant fa hiatrika fifidianana isika ka mila tonga ny filoha Ravalomanana Marc. Tsy mifendro amin’ny Rajoelina isika fa mirotsaha raha lehilahy. Tsy manaiky azy handidy amin’ny fifidianana isika hoy ity mpanao politika ity fa ny tondrozotra efa mazava ny voalaza ao fa neutre tanteraka ny mpikarakara fifidianana. Na izy neutre na izy manana soavaly. Manararaom-paty any Atsimo Rajoelina hanaovana fampielezan-kevitra ho an’ny tenany.

9 pensées sur “TRATRANTSIKA NY TETI-DRATSIN-DRAJOELINA TAO ATSIMO”

  1. Efa miresaka tetika ihany, ahoana ny hevitra reo amin’ity.

    1 – Misy ny milaza fa mbola misy azo arapaka ao matoa ny vahoaka malagasy tsy mihetsika
    2 – Ao koa no manambara hoe: Mila mpitarika matianina ny vahoaka vao mihetsika.
    3 – Ny sasany indray mihevitra fa malai-mihetsika ny malagasy ka sarotra otronona.
    4 – Tsy adino koa ireo efa leo satria efa maty havana sy voafitaky ny mpitondra sasany
    5 – Betsaka anefa ireo miandry ny sioka tokana na ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana vao sahy mitrotra.

    Marina daholo angamba ireo fa izao anefa ny zava-misy:

    1 – Tsy misy mahalala ny andro higadonan’ny filoha eto M/scar hatramin’izao
    2 – Ny CI dia tsy miala amin’ny tondro zotra
    3 – Ny CI dia miandry ny fitrotran’ny Malagasy tsy vaky volo
    4 – Tsy misy azo ianteherana raha ny tafika hatramin’izao aloha
    5- I Fatma sy Atallah dia tena mifankatia ka tadiavin’i Bitro ho ahodina daholo.

    Ny soso-kevitra arosoko dia izao:
    1 – Akatso mandritra ny andro maro ny « machine administrative »
    2 – I Naika Eliane dia manohy ny asany mampahafantatra ny UE ny fizotran’ny raharaha eo an-toerana.Resahina koa ny biraon’ny SADC ao an-toerana
    3 – Miverina miray hina ny hery rehetra tsy manohana ny FAT
    4 – Asiana « affiche » mampiseho an’i Ravalomanana mitery omby matavy ary mitana vera misy ronono sy i DJ mitery omby mahia mitana vera tsy misy ronono eraky ny zoro trano rehetra.
    5 – Asiana fifanatrehan-tava eo amin’i DJ sy Tojo hifanazava momban’ny ho avin’ny firenena ara-politika, ara-ekonomika etc ary hatrehan’i Solofo Randrianja ao amin’i MATV fa arahin’i TVM ihany koa.

  2. Dia efa maty tapaka angamba ny vahoaka any atsimo raha mbola manantena
    olona toy itony domelina itony @’izao fahavoazana mioha-pampana mahazo azy izao.

    Aza ampidirina @’izany i Tojo fa hanaovany antsojay eo indray ??efa rangitina mihintsy aza izy terena
    hiteny fa hisolo ny dadany fa saingy olona manana ny mahaizy azy ireny ka tsy laitran’ny devoly .

    Dia efa aiza izay Neny ray olona??mba hilazao vao2 izay mahalala azafady.

  3. Tsy ny fanaratsiana olona no hahatafita ny firenena.
    Tsy hiandry izay tsy hita, aleo izy ho any.
    Raha tsy mahavita azy ny mpitondra ankehitriny, aongany!!!!
    An’ny vahoaka ny fahefana!!!! tsy olom-bitsy akory no hanakorontana eto!!
    Aoka tsy hanompo olona, fa maro ny afaka mitondra fivoarana ho amin’ny fampandrosoana!!!
    Mirotsaha fa zay vonona ny hifidy!!!!!

  4. …..aleo izy ho any sao lasany eo daholo ny vato annnnn!
    tsy haiko inona no tena antony ??tsy faharetana sa FITADIAVANA SEZA????
    Tsy mifanome tsiny e!!ganagana misasa loha io ka samy may @’izay mahamay azy.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *