TSY MAINTSY MIALA EO RAJOELINA

Manoela Ralaimampisainarinony

Manoela RalaimampisainarinonyMisy olona mihantsaravelantsihy hoy ny Ct Ranaivozo Fenomanjato androany teny amin’ny Magro Behoririka eto amintsika ka ahoana ny fomba ahatokisana izany olona izay raha hitondra sy hiaro ny vadin’ny filoha Ravalomanana Marc. Tamin’ny taona 2009 hoy izy dia nisy baiko hoe vonoy ny filoha Ravalomanana Marc fa isaorantsika ilay mpanonjy niaro azy. Matoa isika hoy Feno mitolona eto dia fitakiana ny fampiharana ny andininy faha 16, 17,19,20 ka tsy marina ny tenin’ny ministry ny fitsarana. Aoka isika tsy hanaiky ho ampiadian’ireo.  Ankoatra izay dia nambarany fa maro ny miaramila frantsay tonga eto. Rehefa tsy mahomby ny tetiky ny frantsay amin’ny fampiasana an-dRajoelina dia mampiasa ny miaramilany izy.  Tsy miafin’endrika intsony hoy izy ireo mpamadika tanindrazana satria mahazo aina amin’ny famafazana lainga eto amin’ny firenena. Mino isika hoy Feno fa tsy maintsy mandresy. Matahotra vehivavy ireo ary matahotra ny fampihavanam-pirenena satria rehefa mandeha izany dia mizotra ho azy ny fifidianana. Tsotra ny antsika hoy izy fa miandry an’i Dada isika vao manao fifidianana. Ny Ct Manoela Ralaimampisainarinony kosa dia nilaza fa isika mbola manaiky ihany nefa efa tsy mety intsony ny ataon-dRajoelina. Tokony hieritreritra hoy izy isika Malagasy. N’inon’inona lazain’ny frantsay dia tsy misy zavatra vanona eto. Lazaina hoy Manoela fa ny Ankolafy Ravalomanana no ao ambadiky ny famonoana ilay masera. Ny zanak’i Dada tsy mpamono olona. Misy manahirana eto hoy izy ka tsy maintsy miala eo Rajoelina. Matoa izy namaly antsika hoy Manoela dia henjana isika.

14 pensées sur “TSY MAINTSY MIALA EO RAJOELINA”

  1. 1 – Misy ny milaza fa mbola misy azo arapaka ao matoa ny vahoaka malagasy tsy mihetsika
    2 – Ao koa no manambara hoe: Mila mpitarika matianina ny vahoaka vao mihetsika.
    3 – Ny sasany indray mihevitra fa malai-mihetsika ny malagasy ka sarotra otronona.
    4 – Tsy adino koa ireo efa leo satria efa maty havana sy voafitaky ny mpitondra sasany
    5 – Betsaka anefa ireo miandry ny sioka tokana na ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana vao sahy mitrotra.

    Marina daholo angamba ireo fa izao anefa ny zava-misy:

    1 – Tsy misy mahalala ny andro higadonan’ny filoha eto M/scar hatramin’izao
    2 – Ny CI dia tsy miala amin’ny tondro zotra
    3 – Ny CI dia miandry ny fitrotran’ny Malagasy tsy vaky volo
    4 – Tsy misy azo ianteherana raha ny tafika hatramin’izao aloha
    5- I Fatouma sy Atallah dia tena mifankatia ka tadiavin’i Bitro ho ahodina daholo.

    Ny soso-kevitra arosoko dia izao:
    1 – Akatso mandritra ny andro maro ny « machine administrative »
    2 – I Naika Eliane dia manohy ny asany mampahafantatra ny UE ny fizotran’ny raharaha eo an-toerana.Resahina koa ny biraon’ny SADC ao an-toerana
    3 – Miverina miray hina ny hery rehetra tsy manohana ny FAT
    4 – Asiana « affiche » mampiseho an’i Ravalomanana mitery omby matavy ary mitana vera misy ronono sy i DJ mitery omby mahia mitana vera tsy misy ronono eraky ny zoro trano rehetra.
    5 – Asiana fifanatrehan-tava eo amin’i DJ sy Tojo hifanazava momban’ny ho avin’ny firenena ara-politika, ara-ekonomika etc ary hatrehan’i Solofo Randrianja ao amin’i MATV fa arahin’i TVM ihany koa.

  2. Pour l’honneur,

    POUR la liberté d’expression,

    Pour le retoue de la respectabilité de nation,

    Pour la patrie

    Pour LA Justice ,

    pour le respect des valeurs ancestrales ,

    Pour le respect des valeurs universelles .

    Pour l’indépendance ,

    A BAS RAJOELINA – AMBANY RAJOELINA – A BAS RAJOELINA -RAJOELINA AMBANY.

  3. Un point de vue
    Envoyé par: Menja (Adresse IP journalisée)
    Date: lun. 4 mars 2013 21:11:10

    Mali, la solution: Le MNLA et l’Azawad, par Jacques Simon
    03/03/2013

    PARIS (SIWEL) — Le Sahara, le plus grand désert du monde s’étend sur plus de 9 millions de km2, entre l’Atlantique et la mer Rouge et comprend une dizaine de pays. Désert vivant, le Sahara est trop souvent envisagé dans sa seule expression géographique sans considération pour les civilisations d’autrefois(1), les mythes qu’il porte et son importance géostratégique depuis des siècles…….
    CE FAMEUX MENJA de tim madagascar, ON EN A MARRE DE VOTRE LONGUE HISTOIRE

    A BAS RAJOELINA CE QUI EST URGENT MAINTENANT ET . _

  4. OATRAN’NY GAGA IHANY AHO NY NILAZAN’ATOA PIERROT RAJAONARIVELO HOE : RESAKA POLITIKA NO NANDOTOANA AZY – NANODIKODINA VOLA VE DIA RESAKA POLITIKA – IZY TAMIN’IZANY FOTOANA IZANY MINISITRIN’NY FITANTANANM-BOLA ! IZAY VOAROIROY IZANY SATRIA IANAO MANAO POLITIKA DIA RESAKA POLITIKA REHEFA VOASAZY, TSY MATOTRA MIHITSY IZANY FITENENANA IZANY – MAMPIHOMEHY NO MAMPALAHELO ! MBA MAHAIZA RE MIERITRERITRA – HO HITANTSIKA EO FOANA NY FARANY E !

  5. Nipoaka indray ny basy tany Mandritsara.Iray no maty, valo naratra mafy.Dia ahaoana indray io ry miaramilany Rajoelina an.Afaka mamono olona fotsiny aminizao zany.Tena mampalahelo ity fitondràna ity marina mafy.Izao zany ilay famonoana moramora .

  6. Avelao hanao izay tiany atao daholo amin’izay re ny olona ê !

    Samia fotsiny mivavaka sy miezaka manaraka ny tenin’Andriamanitra, dia ho voavonjy ny fanahinao sy ny Firenenao ! Rehefa manao an’izay mety sy tsara, ka sendran’ny fahafatesana sy ny loza tampoka, inona indray no tadiavina mihaotr’izany ? Tsy tsara kokoa ve mba eo akaikin’Andriamanitra, toa izay miaina amin’izao fanjakan’ny baroa izao, sy miara milalao amin’ny devoly ?

  7. Inona indray ity manjetoka ity ry dà a???ianao indray io an!!
    Aza manao an’io moa e!!mba mibitabitaka toa an’i Jean Robert( vazivazy an)

  8. Vaovao farany izany ho avy rahampitso na afak´ampitso i NENY Mme lalao Ravalomanana.

    TONGAVA SOA RY NENY , Fa miandry anao ny Reninao sy ny zanakao .

  9. Dia ahoana indray???inona no TAKALONY???
    inona no mety ho Cinema hiseho indray???hihihiiiii
    Tongava soa ry neny malala fa miandry Nenibe a!dia tongava maro mitsena an’i Neny.

    Dia io indray ary fa hanao hetsika indray ny Ankolafy dada fa fotoana HITSENANA an’i NENY.
    Mba mandinika ve ry zareo ireo sa tena manaonao foana e????eo @ fotoana hitsenana an’i
    neny no hanao hetsika dia avelao neny ho sambotsamborin’ny alika any indray???????????
    Efa hoviana io FAHAVOAZANA IO DIA TSY MAINTSY IZAO VAO HATAO FA HO AVY I NENY?
    MBA MANDINIA REY OLONA FA SAO DIA MBA MISY MAMAHAN-DALITRA FOTSINY AO @
    ANKOLAFY RAVALOMANANA AO a??sao SANATRIA sa tena izay mihintsy hoe:  » manaova ianareo
    hetsika @’io fotoana io mba hiena ny mpitsena an’i Neny sa ahoana TOMPOKO ISANY Ô????

  10. Zà ry reto otrany miheritreritra oe : aleo aloha Neny ho tonga sans tapage mba hijery an-dreniny a ! Asa izay hevitro izay raha mety na tsia ! Isika kosa anefa tsy mijanona ny mihetsika raha tsy tafaverina eto an-tanindrazana ny FILOHA RAVALOMANANA mivady. Tsy misy zava-banona eto raha tsy tonga eto izy mivady ! Reo foza reo mantsy mieritreritra fa vitsy an’isa isika ka noho izany mila mihetsika @zay fa sao dia hilaozan’ny omby miahaka eto ! JEREO NY HOAVIN’NY TARANAKA FA RAHA IZAO FITONDRANA IZAO NO MITOHY DIA ASA FOTSINY ! HEREZO ARY NY DIA, NDAO HANANGANA FIRENENA VANONA TSY HANJAKAN’NY FOZA !

  11. Mila filaminana marina ny fahatongavan’i Ramatoa Ravalomanana, ary tsy ny fiarahana maka sary miarak’aminy no hahafantarana fa tia azy mivady ny olona !
    Tsy ho omby vahoaka ihany koa ny hefi-trano misy an’i Bebe Razay eny Ankadifotsy !

  12. Afenina ny mpanao gazety ny fahatongavan’i Mme Ravalomanana ary
    NAHAZO BAIKO koa ireo TSY HITSENA .

  13. Io ary fa manomboka ny tetika maizina!!misy raha ao!!
    Misy dikany daholo izao zavatra rehetra izao fa mba MAILO DAHOLO
    ny ankolafy Ravalomanana moa dia IRENY EFA HITA NY FANDROAHANA AZY IRENY
    t@ fahatongavan’i Neny farany teo iny.
    Mino aho fa efa misy fepetra ho raisina ny @’izany rehetra izany .Aleo tsy hiteny betsaka!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *