VPM Botozaza Pierrot : nitsidika tany Betsizaraina, distrikta Mahanoro

VPM (9)

VPM (9)« Tsy milamina akory ny tany dia ianao mahasahy mandeha irery » hoy ny tononkiran’ny tarika Mahaleo.

Raha nanao rodobe tany amin’ny faritra atsimo ny mpomba ny filoha Ravalomanana notarihan’ny filohan’ny CT Mamy Rakotoarivelo, tsy diso anjara tamin’izany koa ny faritra antsinana notarihan’i Botozaza Pierrot , Praiministra Lefitra misahana ny toekarena sy ny taozava-baventy, ary dia nandeha samirery tokoa ny tenanany niatrika ireo vahoakan’ambanivolo.

Nitsidika tany Mahanoro, kaomina Ambanivohitry Betsizaraina  ny Praiministra Lefitra avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana   ny sabotsy lasa teo, noho ny fifampiharabana nahatrarana  ny taona sy ny fanasan’ny fikambanana   « Zanak’Ambanivolo » izay izy no filoham-boninahitra no anton’izany araka ny fanazavana azo.

Fahombiazana tanteraka ny fahitana ny hetsika nokarakaran’ireto zanaka ambanivolo ireto.Nanolotra  omby 6, fotsim-bary 15 gony , fitafiana fanaovana fanatanjahan-tena samihafa  ny Praiministra lefitra tao Mahanoro ho setrin’izany.

Tamin’io fotoana io no nanolorany   depioté TIM  teo aloha, izay efa nanaradia ny Tim Raharinaivo, Hubert Rakotoson dit Salo, izay mieritreritra hilatsaka amin’ny fifidianana solombavambahoaka  ao Mahanoro, nanolotra  fanalahidy  lehibe iray tamin’i Botozaza izy  hanokafan’ity farany ny fampandrosoana an’i Madagasikara .

Tamin’ny lahatenin’ny  Praiministra Lefitra dia nilaza  izy fa   zanak’i Betsimisaraka, zanak’i Betsizaraina ary zanak’Ambanivolo ihany koa. « Raisiko ny adidiko aminy fanoloranareo ahy an’ity clé ity. Nefa tsy vitako izaho samy irery izany fa tsy maintsy iarahako aminareo ny famoahana ny vavahadin’ny  fampandrosoana an’i  Madagasikara “ . Adino hatrany ny  zanak’ambanivolo aminy lafiny fampandrosoana hoy i  Botozaza fa tsaroana anefa izy refa tonga ny fampielezan-kevitra. Ny tena tia tanindrazana dia izay mitsinjo ny zanak’ambanivolo hoy izy.Ny antony nidiranay tao aminy tetezamita dia mba ahafahanay milaza ny zavatra tsy mety  hoy i Pierrot Botozaza. Aza manome toky ny zavatra tsy vita aminy vahoaka malagasy. Tsy manana fahendrena izay manao toa izany hoy hatrany ny tenany.Rehefa tafaverina aminy « ordre constitutionnel »  isika, ka mbola eo aminy fahefana  izahay dia asaiko tonga aty aminareo ny Banque Mondiale hijery ny vahaolana ho fampandrosoana an’i Betsizaraina sy Mahanoro, hoy hatrany Botozaza. Marihina fa ny Fokontany  Niarovana izay nanaovana ny hetsika dia fokontany  misy ny  fasan’ny filoha Didier Ratsiraka.

8 pensées sur “VPM Botozaza Pierrot : nitsidika tany Betsizaraina, distrikta Mahanoro”

  1. Amiko dia mety dia mety ny ataon’i VPM Botozaza sy PCT Rakotoarivelo.
    Raha hiatrika fifidianana isika dia mila rakofana tanteraka i Madagasikara manontolo fa tsy hoe hiandry lava sy hikabary lava eo amin’ny kianjan’i Magro foana.
    Ireo izay Ondry nania kosa dia avelao hiverina raha maninry an’izany izy, somary diso làlana ireo kanefa rehefa miaiky fa diso ny natao dia isika no hamela azy ka averina ao anaty vala indray izy. Aoka hifamela hoy ny Filoha Ravalomanana ary aza misaratsarka.
    Raha nanao fitsidiam-paritra samirery i VPM Botozaza sy PCT Rakotoarivelo dia mbola ara-dalàna koa izany satria efa samy nanambara ny faniriany hilatsaka izy roalahy ary tsy misy fahadisoany raha miezaka haka ny fon’ny Malagasy izy sy indrindra indrindra mba hampiseho eo imason’ny Filoha fa mendrika ny ho solontena ny Mouvansa ‘ry ‘zareo. Tsy hisy mantsy eto amintsika ny « élection préliminaire » ka aleo eny an-kianja no hitsaràna izay mendrika fa ny Filoha irery ihany no tompon’ny fanendrena farany !
    Mahereza ‘ry Ingahy Botozaza sy Rakotoarivelo isany !

  2. Samy manao izay mahafalifaly ny fooony ô!!
    MAHONENA!!!!
    MATESÁ ANY DAHOLO RY GADRA POLITIKA FA HIKOPAKA HITADY SEZA IZAO
    NO MAHAFATY an??????
    DIA AVELAO NY HAINO AMAN-JERY HIATO IHANY FA TSY MISY HANAOVANA
    FITAOVANA AN’i DADA INDRINDRA ANY @ SISINY ANY an?????
    EFA NIFIRANA ILAY TONDROZOTRA FA EFA VITA NY NILANA AZY.
    EFA TAPITRA MATY NY VAHOAKA ARAKA NY FAHEFANA IZAY NOMENA AN’I
    DOMELINA ! IZAY SISA VELONA ONDRAKONDRAFANA MBA HANDROBANA. NY
    HAREM-PIRENENA REHATRA an??????
    DODOSANA HAINGANA NY FIFIDIANANA DIA NY MBOLA TSY TONGA DADA MBA
    HANGALARANA NY TOERANY an?????????
    MAHONENA eeeeeeeeeeeeee

  3. Dia mitovy hevitra 200% aminao aho ry Mbly !

    Mankahery ary mitso-drano tanteraka ! Tsy manary an’i Naika kosa aloha, fa manasa azy HIRAY HINA E !

  4. MAHONENA !!!!!!!
    mbola tolona ihany ve no filaza an’izao e???
    tsy efa FITADIAVAN-TSEZA SISA a?????aza dia minia mikipy re tompoko isany fa mba
    jereo @ fo tsy miangatra fa efa POTIKA SY FONGANA ANIE NY HARENA SY NY MPONINA
    AO e!!!!aza dia ny fitiavan-tena no hampanjakana fa mba jereo ihany ny TARANAKA sao lahy
    HANENENANA any aoriana any eeeeeeeeeeee

  5. Zay akaiky vilany feno arina..Maro ireo miseho be saina sy mahay raha ary manome lesona nefa tsy anontaniana…Mitey irery…
    Ireo olona niala tamin’ny Tim dia olona niditra tao amin’ny Tim satria nanantena tambiny : seza na candidature ho tonga députéHevitra sy tetika tonga ao an-dohan’ny olona milatsaka ho pikambana..Tsy nihevitra izy ireny fa ho mpikambana lambda mpametaka afisy fotsiny…
    Tsy nahazo  » promotion izy ireo  » ka niala ary niditra niaraka amin’i rajoelina ,satria nihevitra izy ireo fa ny  » lazany  » tao amin’ny Tim sy ny fisitahany ny Ankolafy RAVALOMANANA MARC dia hahazoan’izy ireo toerana ao amin’ireto mpanongam-panjakana..
    Tsy ahoany ny henatra sy ny vavan’ireo namana teo aloha..Ny toerana mitera-bola no tanjony..
    Izany no atsoaina hoe mpanararaotra -opportunistes..
    Mihena ny herin-drajoelina .Ary « norahina  » tao amin’ny saha-drajoelina ireto mpanaraotra.
    Ary misondrotra sy mitombo ary velom-bolo ny Ankolafy RAVALOMANANA MARC eo amin’ny fanentanana ny mpikambana , eo amin’ny fandraisana andraikitra..
    ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC dia mitsahatra mivoy ny firaisan-kina ny malagasy..
    Tsy antsoantso fotsiny izany fa antso mampiomana ny Malagasy fa tsy misy fifidianana mandeha tsara raha tsy miray ny Maagasy..
    Koa ireto niala tamin’ny Tim dia « manararaotra « izany antson’ny Filoha izany hiverina ao amin’ny fikambanana izay nataon’izy ireo tohatra fiankarana…Tsy dia lasa lavitra izy ireo fa nanao toa ilay …zanak’adala ao amin’ny baiboly..izay lany vatsy ka voatery niverina an-trano-drainy…! fa ho aiza tokoa moa ireto mpanararaotra ?
    Nitelina ny henatra ary niforon-drambo dia ireny nody ao amin’ny Tim..ihany !
    Tsy maninona izany ..fa soa lavo hahay miharina !Ary amin’itony hadisoana ity dia hoy ny fahendrena hoe : » ny heloka ibaboana mody rariny ! »

  6. Ny antsika dada ihany ry VAHOAKA VOAGEJA fa avelao
    HIAKAPOKAPOKA daholo izay mpitati-rakena rehetra fa ho tsarain’i tantara eto eeeeeeee

  7. Hibaboka i domelina izany atsy ho atsy dia ho manga ny lanitra ! Izy mbola ho eo amin’ny toerany mandritry ny taona maro, satria ny fifidianana tsy hisy !
    Tena izany no atao hoe fahendrena malagasy !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *