ANKOLAFY RAVALOMANANA : NANAMBARA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY MAHA KANDIDA AN-DRAMATOA LALAO RAVALOMANANA

IMG_0037

IMG_0022Nigadona teny Ivato ny tolankandro teo ny delegasiona Ankolafy Ravalomanana ampahany faharoa avy tany Afrika Atsimo. Ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy no nitarika izany. Nisy ny fanambarana novakian’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny salon d’honneur. Tonga nanatrika izany teny an-toerana ny filoha lefitry ny Cst Razafimanantsoa Hanitra, Praiministra lefitra misahana ny toe-karena sy indostria Botozaza Pierrot, Ny minisitra isany Ravatomanga Roland, Ramalason Olga, Ruffine Tsiranana, sy ireo Cst sy Ct sasantsasany.  Toy izao izay fanambarana izay:
Nisy ny fihaonana an-tampony tany Pretoria ny 13, 14 Aprily 2013 nataon’ny Ankolafy Ravalomanana teo ambany fihahian’ny filoha  Ravalomanana Marc. Nifantoka tamin’ny fandinihana ny raharaha politika eto Madagasikara ny lahadinika. Noresahina  nandritra io fihaonana an-tampony io ny fanapahankevitra horaisin’ny Ankolafy Ravalomanana manoloana ny fifidianana ho avy amin’ity taona 2013 ity. Nanatrika izao fihaonana an-tampony  izao ireto delegasiona notarihin’ny filohany avy ireto Rakotoarivelo Mamy sady lehiben’ny delegasiona ny Ankolafy Ravalomanana no sekretera jeneralin’ny antoko TIM Madagasikara, Ruffine Tsiranana filoha nasionalin’ny PSD, Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny MFM, Rakotoamboa Jean Louis filoha nasionalin’ny TEZA, Andrianalijhon Andriamanampy filoha nasionalin’ny AMF 3FM. Niombonana  tamin’ny tatitra nataon’Andriamatoa isany Mamy Rakotoarivelo, sy Botozaza Pierrot izay nifantoka tamin’ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara sy ny fifampizarana ny fomba fijery ary adihevitra am-pirahalahina sy ara demokratika. Niara niaiky ny rehetra fa ny ampahany amin’ny tondrozotra ihany no tanteraka fa notsinotsinoavina ny andininy faha 16,17,18,20.Neken’ ny Ankolafy Ravalomanana ny fanapahankevitra tokana sy hentitra sady mazava manoloana ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana amin’ity taona ity na ny ho avy. Noho izany dia mametraka ny tombontsoa ambonin’ny firenena ireo mandrafitra ny Ankolafy Ravalomanana dia nanapan-kevitra fa handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena, solombavam-bahoaka, ben’ny tanana hotanterahina amin’ity taona ity na amin’ny ho avy ho fanomezan-danja indray ny soatoavina izay fotokevitra fitakiana natao hatramin’izay. Mikasika ny fifidianana filoham-pirenena dia asongadina  fa takiana amin’izay maniry hilatsaka ny hananany ireto fepetra ireto. Mahafeno ny fepetra takian’ny lalàm-pifidianana. Afaka manambatra ny vahoaka malagasy sy mampiombona ny ankamaroan’ireo vondrona politika.Afaka hitondra fandresena mba hahafahan’ny Madagasikara hiverina haingana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanaiky tsy nisy nitsipaka fa Ramatoa Ravalomanana Lalao no mahafeno ireo fepetra rehetra ireo ka nofidiana ho kandidà ho an’ny Ankolafy Ravalomanana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena fihodinanana voalohany izay hotanterahana amin’ny 24 jolay 2013. Noho ny faneken-dRamatoa Lalao Ravalomanana izany dia notendren’ny Ankolafy Ravalomanana ho kandida izy. Anisan’ny adihevitra ihany koa ny fametrahana ny fitoniana, fametrahana tontolo afaka hanatanterahana fifidianana madio, mangaraharaha ary eken’ny rehetra sy demokratika mba hahafahan’ny vahoaka malagasy maneho ny safidiny, izay anisan’ny tanjon’ny filoha Ravalomanana izay voasoritra ao anatin’ny fepetran’ny tondrozotra. Namafisin’ny Ankolafy Ravalomanana ny fahatokisany ny ezaka nataon’ny Sadc  ho fametrahana ny fampodiana ny filoha Ravalomanana Marc eto Madagasikara. Ireo fanapahankevitra ireo dia noraisina mifanaraka amin’ny fahendrena sy ny finiavan’ny vahoaka malagasy hivoaka amin’ny krizy sy hamerenana ny firenena amin’ny ara-dalàna sy ho fanajana ny fanjakana tan-dalàna sy mifanaraka amin’ny fenitra Repoblikana sy demokratika. Maneho fankasitrahana manontolo ny vondrona iraisam-pirenena,na vondrona afrikana, vondrona eoropeana, firenena mikambana, ny Oif, Coi. Manao antso avo amin’ny tsirairay mba handray anjara feno amin’ny famaranana ny krizy politika.

IMG_0001

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

IMG_0002

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

38 pensées sur “ANKOLAFY RAVALOMANANA : NANAMBARA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY MAHA KANDIDA AN-DRAMATOA LALAO RAVALOMANANA”

  1. Maintenant ,arr^tez de blablater et de parler pour ne rien dire..Regardons la réalité en face avec responsabilité ;
    « La Première Dame RAVALOMANANA LALAO a été désignée par à lunanimité par les représentats de la Mouvance RAVALOMANANA MARC qui ont fait le déplacement à Prétoria.. »
    Certes il y aura des états d’âme sur tel ou tel aspect..
    Mais les conférences d’explication vont faire taire ces…discussions dépassées par cet évènement vital.

  2. Dr CELESTIN Robin dit :

    16 avril 2013 à 17 h 17 min

    Arrêtez de blablater ..
    Nous devrons regarder la réalité en face: la Première Dames RAVALOMANA LALAO ,EPOUSE DU PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE RAVALOMANANA MARC A ETE DESIGNEE CANDIDATE DE LA MOUVANCE RAVALOMANANA MARC AUX PROCHAINES ELECTIONS PRESDENTIELLES .

    « LE PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE RAVALOMANANA MARC ET LA PREMIRE DAME RAVALOMANANA LALAO’SON EPOUSE N’EN FONT QU’UN DEVANT DIEU ET LES HOMMES ES..!
    La sagesse qui a présidé à la désignation de la Première Dame pour la candidature unique au nom de la Mouvance RAVALOMANANA MARC..
    Nous vons été mis au courant de la non participation du Président de la République à sa réélection aux présidentielles afin qu’il se conforme à la demande de la SADC / la TROIKA qui préjuge que cette abstention permettrait aux élections de se dérouler dans l’apaisement et dans le maintien de l’ordre public..
    Prétendre que la candidature du Président RAVALOMANANA MARc représente un facteur potentiel de désordre dans le Pays constitue une grave faute de prédiction ,qui insulte les libertés et la démocratie et empêche le droit du Peuple à s’exprimer..
    Rien dans le pssé et les actions politiques et économiques et sociales du Président de la République RAVALOMANANA MARC ne le prédispose pas à avoir ou à commetre des actes anti-démocraiques lors des élections.
    La désignation de la Première Dame à la candidature pae le Président constitue un acte politique important , vital pour la mouvance RAVALOMANANA MARC ,unique mais pas noueau dans l’Histoire du Pays et très difficile pour les Malgaches d’écarter le Président RAVALOMANANA MARC de cette compétion présidentielle même s’ils onté prevenus par la résolution de la SADC..
    Le Président RAVALOMANANA MARC et la Première Dame,comme mari et femme , comme militants politiques , comme co-entrepreneurs , se connaissent gien( littéralement , il est impossible de glisser un brin de cheveu entre les deux )Ils ont confiance forte l’un envers l’autre..!
    L’unicité exemplaire du couple et la communaté de leur foi en DIEU , leur application dans le travail et dans la réalisation de leurs projets le long de leur vie active représentent pour les Malgaches des assurances dans leur réussite.
    Faisons entièrement et sincèrement confiance au couple présidentiel comme hier , aujoud’hui et demain..
    Continuons à croire à leur aptitude entreprenariale , à leur sagacité , à leur politique pragmatique , à leur capacité de discernement pour ce qui est meileur ,intéressant , utile ,profitable , valorisant pour les Malgaches..
    La Première Dame connaît les tenants et les aboutissanrs de la Politique Générale que le couple présidentiel a appliquée pour le développement du Pays et pour l’amélioration du bien être physique et mentale des Malgaches ,qui n’ont pas cessé de les soutenir ,surtout lors des épreuves dures pour Nous Tous pendant ces quatre dernières années..
    Alors continuons à les soutenir , à !es aider de toutes nos forces , de toute notre savoir , de notre savoir -faire et savoir dire aux uns et autres autres leur dévouement ,leur probité et leur affection Pour le Pays et leuramour pour leurs concitoyennes et leurs concitoyens.
    Notre obligation indénianle est d’élire etde faire élire la Première Dame lors des élections présidentielles..pour notre bonheur commun !
    Voilà la vraie solution sortie de crise du Pays avec le retour sans obstacle
    du Président de la République RAVALOMANANA MARC au Pays
    LONGUE VIE AU COUPLE RAVALOMANANA MARC ET LALAO !
    QUE DIEU LES PROTEGE ET LES GUIDE DANS CETE MISSION POUR DIRIGER LE PAYS DANS LE FIARAHA-MONNA APAISE ET HARMONIEUX DANS LE DEVELOPPEMENT POUR LE PAYS ET DANS LA REUSSITE POUR TOUS ! »

  3. Mazava ny lalan-kombana sy ny adidy aman’andraikitra miandry ny tia tanindrazana rehetra.Tonga ny fotoana hamerenana ny firenena amin’ny ara-dalàna!

  4. Io no izy izany.Mankasitraka izahay.
    Je suis sûr que SEM Ravalomanana a encore plusieurs cordes à son arc pour mettre le DJ KO.
    Quant à E.Razafindravahy, la moitié de ses proches le déteste déja.Ca sent le roussi dans la maison.

  5. Tsy i Neny no maninona fa ilay TETIKA HANAOVANA FITAOVANA AZY NO TSY METY.
    Izaho aloha hiala  » manasa tanana aho  » hoy Pilaty.Avelako ianareo dia mazotoa daholo
    MIOSIM-POTAKA MIARAKA @ FOZA.
    Tanteraka izany ilay hoe tsy mahazo mody Dada an????dia izay izany fa dia TOHANY NY
    FRANTSAY .
    Mahereza daholo fa za hiala. Ampy ahy izay!! »miaiky ahy ‘zay ! ».
    Tonga dia atolory an’i Frantsay Dago dia vita e!! Dia ho resy sy miady akry ve???
    MANANTENA VE NY REHETRA FA HO LANIN’IREO EO NENY HAMPODIANA An’i DADA ???
    kely ny FINOAKO???eny e!!Ampy izay!!

  6. Farany aloha mba tsy hifanome tsiny dia izao e!
    Io hevitra io TSY avy @ DADA na avy aty amintsika VELIVELY AOKA HAZAVA FA
    i Mamy .R no nitondra an’io avy tany @ FIVORIAN’i TGV NATREHANY TANY dia io
    ROBOKA DAHOLO FA TSY AVELAn’IREO HODY DADA FA MANELINGELINA NY
    FIHINANAN’ NY SASANY miaraka @ foza, dia hanomezana VAHANA NY MPANJANAKA.
    Izay vao tena VELOMA DAHOLO.

  7. Impiry izay i dadanareo no nandainga taminareo???? tsy efa in-jato sa tsy vô-isa tsony?
    Hody aho e!!! tsy maintsy ho tonga aho e!!!! tsy hisy fifidianana izany eto Magadagasikara raha tsy tonga aho e!!!! Tsy hanolotra olona ho fidiana izany ny movansa ravalomanana raha tsy tonga any an-toerana ny tenako e!!!!
    Tsy tonga ihany lery! handeha ihany ny fifidianana!!! nanolotra olona ihany lery na dé tsy tonga teto Madagasikara aza!!! MBA TONGAVA SAINA E!!!! EFA IM-PIRY IZAY????
    Nareo vé olona donto tsy mahay izany atao hoe fitaka e???? Ny alika jamban’ny taolana; ny olona jamban’ny vola, fa nareo mpomba an-dravalomanana kosa jamban’ny lainga tsara lahatra im-pito mandifotr’olona!! loooozzaaaaaaa!!!

  8. Na inona na inona fahasarotana tsy maintsy hatrehina, ary tsy misy tokony hitady tany malemy hanorenam-pangady iska. Ny filoha Marc ravalomanana dia efa nanao izay afany fa voasakan’ilay frantsafrika. Miantehitra amintsdika zanany izy izao ka aiza ny mba vitantsika. Efa ela isika tsy sahy nehetsika, satria nosakanan’ireo mpitarika. izao kosa ireo mpitarika dia efa tsy afaka manao izay tiany intsony fa i neny no mitondra ny raharaha. Raha mikorotana isika samy Zanak’i Dada dia ho resin’ny foza, raha mandefitra isika ka miray hina dia ho tanteraka avokoa ireo tanjona nenjehinba hatr’izay. Kao dia miangavy ny rehetra hanohana an’i Lalao Ravalomanana fa izy aloha ny lalan-tokana hatr’izao. fantatr’i dada ny tokony atao, ary hitany ihany koa ny lafiny diplomatika izay tsy hitantska. Aorinan’ny Lalao Ravalomanana daholo isika rehetra.

  9. peuples malgaches,
    Tsy misy hidiranao izany, , ny anarana entinao efa tsy sahaza anao, ary ny voalzanao dia fahambaniana sy handondronana no betsaka. Ny zava-misy no arahaina fa tsy misy mandainga izany hoe. Raha mamky ny voalzanao rehetra eto @ forum ity dia tsapa fa tsy mahataka-davitra ianao ka mba hakombony io vava io. F’angaha rehfa tsy manao ny sitra-ponao dia hoe mpandainga ? Ianao koa izany mbadainga tsy manao ny sitra-poko. Aza tarihina any @ fahambanitsainao ny olona fa mandehana mandeha irery any @ hadoronana sy faharatsian-toetra araka ny efa ahafantarana anao.
    Zavatra irery monja no hanajako anao eto dia ny maha Malagasy anao.

  10. Ranavalona,
    Tsy i Mamy Rakotoarivelo no nanolotra io hevitra io, izy aza te hilatsaka. Tao @ magro dia efa nisaratsaraka ihany ny olona hoe raha i mamy R na i Botozza dia tsy hanao izahay . Ny fanondroana an’i Lalao Ravalomanana dia tena nisorohana indrindra izany zavatra izany.
    Manarak’izany dia ny frantsay anie ka tsy hoe mora hiadivana e 1 jereo fa miara hapoakany daholo i Cote d’ivoire, Mali, Centre afrique, sy Madagasika. Ary t@ 29 mars teo dia nanao hetsika ny Malagasy sy ny afrikanina tany paris, fa zara raha nampiontsona azy.
    Io frantsafrika io no nampihena ny herin’ny SADC. Jereo tsara fa zara raha mihetsika n y SADC izao, ka izay indrindra no tsapamn’i Dada hoe raha manampy ireo tsara fa hatr@ izao aloha dia tsy misy na inona na inona, fa ny Zanak’i Dada irery ho hany hery hiankinan’ny filoha izao ka aoka isika tsy hiamboho adidy.
    Ny hoe tsy heverina alohan’ny fifidianana dia mbola hevitra politika ihany, mba haneken’ny foza ny filatsahan’i Lalao Ravalomanana, fa raha io kosa no tsy ekeny dia tsy maintsy hisy ny krizy mafimafy kokoa ary na fifianana tsy eken’ny rehetra no atao na tsy misy ny fifidianana. Tokony hijery lavitra isika, aleo mihembotra kely mba ahafahana mitsambikana lavitra.
    Farany, jereo tsara fa ilalao ravalomanana no favori @ ity fifidiana an ity ary ny ankolafy Ravalomanana no mbola handresy @ fifidianana solom-bavambahoaka. Izay no vokatry ny sondage voarain’ny filoha t@ fivoriana tany Afrika atsimo. Io sondage io ihany koa no nilaza fa 77% ny malagasy dia te hiroso @ fifidianana @ 24 juillet 2013 izao. Izany hoe tena nandinika izany ny filoha ary tena nahatsikaritra tsara ny tokony atao. Anajarantsika indray izao no mandray ny tohiny.

  11. Fomba fanakorontana efa hatry ny ela ny fampitahorana isan-karazany. Fomba fanaketrahana tsy vaovao ny fampisavorovoroana sy fampisalasalana. Raha izany no nandaitra tao anatin’izay efa taona izay, efa tsy nisy intsony na ny fahatsiarovana ny fanjakana tan-dalàna notarihin’ny Raiamandreny Ravalomanana aza! Ny fahendrena sy fahalalana mandanjalanja sy mampivoatra ny paikady arahina no misongadina izao ka aoka tsy hisy hanakana antsika hibanjina sy hilofo hahatratra ny tanjona mipetraka eo anoloantsika!
    Fampaherezana ho an-dRamatoa Lalao Ravalomanana sy ny Raiamandreny ary ny ankolafy Ravalomanana: « Izao no lazain’ny Tompo: Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao; dia hiaro anao aho ka hanao anao ho fanekena ho an’ny olona mba hanangana ny tany indray » (Isaia 49.8). Alao hery ary tompoko!

  12. 1)
    Mba fantatrareo ve hoe IZA MOA ITY mitondra anarana hoe « peuples malgaches » ity ???

    Ilay milaza hitarika ny FFKM ! 😉

    2)

    Mba iza marina re no tao @ Ankolafy no saika hilatsaka hotondroina hofidiana e ???!

  13. Malahelo ihany aho raha mahita ny valinteninao ranavalona , fa dia nahoana no dia ho tonga amin’izany ny fanapahankevitrao , aza adino fa na ny mivavaka aza dia mila roa na telo , izay vao misy hery , ka nahoana no amin’ny fotoana ilaina ny hery antambatra vao miala ianao sao dia tsy mety izao, ny hevitra anie samy manana ny azy e! f

  14. Malahelo ihany aho raha mahita ny valinteninao ranavalona , fa dia nahoana no dia ho tonga amin’izany ny fanapahankevitrao , aza adino fa na ny mivavaka aza dia mila roa na telo , izay vao misy hery , ka nahoana no amin’ny fotoana ilaina ny hery antambatra vao miala ianao sao dia tsy mety izao, ny hevitra anie samy manana ny azy e! fa ny iray ihany no ampiharina ka eritrereto ihany fa sao dia hanenenana.
    Marina anie ny voalazanao hoe ny tondrozotra tsy mbola tanteraka e! samy mahita izany ny rehetra e , Ny Filoha mbola tsy tafody e! samy mahalala izany ny rehetra fa izao inona ary ny hevitra hahatanteraka ny fodian’ny Filoha , ny SADC tsy mahavita satria resin’ny Frantsay, I Rajoelina koa tsy hanao na dia nanao sonia aza satria frantsay no ao an-damosiny, ny ankolafy Ravalo indray angaha mahatapaka ahitra eto an-toerana satria tsy manana miaramila, fa inona ary no mba herin-dRavalomanana sisa azo hianteherana : ny vahoaka, amin’ny fomba ahoana no azoany mampiasa io hery eo an-tanany io : fifidianana , ka izay no nahatonga an’I Filoha naka io fanapahakevitra io , misy ny sakana lehibe izay tena tsy mety resy, ny Frantsay, nefa tsy maintsy resena raha tiana ny hampandroso an’ny Madagasikara, ka atambaro ny hery , aza mihevitra fa ho mora ny ady ,tena mafy ny ady eto satria mbola ady amanaina no haneken’ny Frantsay ny hahalany an’ny Rtao Lalao Ravalomanana eo , Lalao mandresy midika fa mandresy sy mandroso indray i Madagasikara ary ny Frantsay resy ka izay no hitenenana indray hoe antambaro ny hery , aza misy mifanakivy

  15. Selon MIDI MADAGASIKARA :
    « Marc Ravalomanana se montre très sensible sur cette question d’unité et de cohésion –

    lorsqu’il a sommé publiquement à Hartbeespoort les membres du GTT (Gasy Tia Tanindrazana) d’enterrer leur haine viscérale contre le chef de délégation de la mouvance Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo. »

    A bon entendeur ………
    http://www.midi-madagasikara.mg/

  16. Nous n’avons pas à prendre pour argent comptant, ce que le sieur R.Eugène pond dans son canard !
    Les « felaka », tout le monde connaît, s’agissant de la presse malgache !

  17. Ho an’i Vonifanja,
    Matoa ny Filoha naka an’io fanapahan-kevitra io, dia satria nataon’ ny sasany izay tsy hietsehan’ny vahoaka eo amin’ny lafiny rehetra !

    Tsy misy an’izany hoe frantsay mahery noho ny vahoaka malagasy izany !

    Rehefa izay no atao ao an-doha sy ekena, dia handao angatahan’amin-dry zareo ny maha-departemanta vaovao an’i Madagasikara, fa tsy teritoara akory !!!

  18. Ranavalona, aza kivy re!Mbola misy ny fanantenana na i première dame aza no eo.Ny TGVistes efa mizarazara satria dondrona.

  19. je ne crois pas que ‘peuple malgaches’ est un vrai malagasy.C’est une « poupée des colons’infiltrée .Quoique vous disiez toi et ce RANAVALONA on en a rien à foutre Nous faisons entièrement confiance au PRESIDENT RAVALOMANANA et soutenons à 100 pour cent sa décision et nous somme confiant en la victoire de MADAMA LALAO RAVALOMANANA .je fais un appel à tous les légalistes de fermer les oreilles à tout ceux qui aboient.Soyons sur la caravane passera

  20. Njara ve nanatrika fa resaho ilay Eugene namanareo fa tsy izay mahafinaritra ny patron ny foana no tanterina . zahay koa dia afaka mitatibolana fa tsy nanao izany fa izahay rehefa mandray andraikitra dia mi assumer na critique na inona fa tsy zazakely. tsy misy manana haine viscerale am mamy, tsy question de personne fa question de strategie politique. tsy ho be resaka izahay ary tsy fotoanan polemique izao fa manontania tena raha nahomby ny politikany. Ho anay dia tsia fa efa tsy any intsony izahay. il fait partie du passE, nous on regarde l’avenir. l’avenir c Lalao Ravalomanana 1er tou de vita !

  21. Mazava Ralay, fa tena milay â !

    Izao no maika amin’izao fotoana izao, rahatoa ka marina ! Mangataka an’ireo rehetra nandeha tany Sud Af, hiaro an’i Ramatoa, ary « ho boka izay miala pà » hoy ny ankizy, rehefa atao toan’ny resak’ankizy ihany, ny raharaham-pirenena !

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,780304

    Ampisehoy amin’ny vahoaka ity firaisan-kina dradradradraina isaky ny mihetsika ity !

  22. Ho an’ny kintanamanandrambo , tsy miteny akory hoe andao indray hiverina zanantany , fa izay mihitsy no ady atao izao miala amin’ny fanjanahana,ny vahoaka no andrasana hietsika , ka ho hita eo , izay ilay efa nandrasa hatrin’ny ela ka mijoro e!

  23. Tsy mbola nandohalika na nitsirara ny aty ! Hay ve mba tohina ihany ny fo-kelinao raha nahita an’izay nosoratako ê !
    Vahoaka andrasana hietsika ? Firy taona izay ? Izaho aloha tsy gaga, fa mba raha fantatr’ireto vahoaka izay be taraine, fa miaramila efa retrety no lasa mandray TAMPOKA 130 na 140 millions isam-bolana, ny sasany 47 millions isam-bolana,…..
    Olona notsipinina teny anelakelan-trano no lasa mahazo vola be noho ny dokotera sy injeniera,… (olona rehetra tena mba nianatra no tiako ho lazaina ) !!!!
    Mihevitra ve ianao fa dia ho tapahan-dry zareo ny lohan’ity akoho manatody volamena ity ?
    Natao izay hahakivy ny vahoaka, any ka lasa vahoaka tsy misaina amin’ny ati-doha intsony, fa na kibo na ….
    Ataovy izay mety any amin’izay misy anao any koa ê ! Samia mandray andraikitra arak’izay vitany !!! Ny vahoaka tsy hietsika intsony raha tsy mahafantatra ny tena zava-misy !!
    Maneho am-pilaminana sy am-pahendrena ny zavatra tokony takiana sy NY ZAVATRA TSY TOKONY HO EKENA !!!!

  24. Aiza ihany ireo olom boatendry ao am mouvance ra8 e?efamanana candidat anie isika ka taomy am zay ny olonae!ilaozan’ny omby mahaka eo!marina fa mafy ny mi digerer an’iny decision tany sud af iny fa mihetseha am izay izay mbola ao anaty mouvance marina e!

  25. Marina ny anao hoe samy mandray andraikitra , tena izay no ilaina amin’izao , fa andraikitra misy vokany, ny mitarika ny vahoaka koa amin’izao dia tena lazaiko anao fa adidy mavesatra , izany tsy milaza fa tsy anao aho , hanao aho fa eo no tena ilaina hevitra tsara sy mafonja, ny vahoaka misy eo anoloana mantsy amin’izao fotoana izao dia vahoaka noana , vahoaka very fanahy ka tsy mahay mihaino intsony fa aiza ny vola izay ihany , ka eo no ilaina fahaizana tsara e!

  26. Ny tiako ho lazaina dia izao , ianao ery mikabary manome hevitra , ny sasany ery mizara hena mitampihavanana , dia hitanao amin’izany fa mafy ny tolona atao e! izay no ilaina ny hery hatambatra

  27. Esy ê ry Vonifanja ê ! Mba ahoana indray ary ny fahitànao an’ireto FFKM ireto ê !

    ranavalona tsy hita, fa angamba handefa hiraka eto ihany izy ! Mbola tsy ampy tsara ilay rano mangatsika nasaiko nosotroiny ! Aza dia mifokofoko intsony re ranavalona fa mbola be ny adidy sy tolona ho atrehana â !

    Izaho sy ianao indray izao aloha ry Vonifanja no eto ! Ny sasany izany mbola variana « mitetika hena » sy manangona jabora ho atao menaka, rehefa tsy hisy intsony ny menaka TIKO ! !

  28. Fanitsiana kely fotsiny : ny « noho » dia ampiasaiana rehefa milaza antony sy fiantraikany. Ny « no » kosa no ampiasaina rehefa fampitahàna.
    Hiverenako amin’izay ity resaka Lalao Ravalomanana ity.
    Ny resaka atao mora vakiana. Ary izay no tsy hiresahana be.
    Vao tonga tao Madagasikara Ratoa Lalao Ravalomanana dia nilaza tamina olona vitsivitsy aho hoe izy no hilatsaka ary izay no araky ny tokony ho izy indrindra, « logique » hoy ny teny baiko.
    Mbola tsy sahy ihany aho hamoaka lahatsoratra eto satria azoko antoka fa ny hafa tonga dia hahazo ny zavatra tiako ho lazaina fa ny olona tokony hiantefan’ny hevitra sy ny hafatra kosa mbola ho be resaka.
    Betsaka ny zavatra azo atao fa isika no kely « HERY »! Ary izay no handresen’ny françafrique antsika isan’andro. Tsy vietnam na Cambodge isika…
    Mbola lava sy ho ela ny ady miandry an’i Madagasikara. Tsy izao fomba fiasantsika izao no hitondra antsika any @ fandresena. Porofo mivaingana ny nampihongana ny Filoha Ravalomanana Marc sy ny tsi-fahafahany mody anio.
    Aleo tonga dia tsorina mazava fa tsy ny filatsahan-dRtoa Ravalomanana no olana fa ny fifandraisana misy eo @ Ankolafy sy ny mpanara-dia azy.
    Azoko atao ny mitarika olona indray hilahatra tahaka ny t@ 2002 raha ny eto @ tanàna misy ahy. Ary hahatarika olona aho. Saingy efa betsaka ny zavtra niova ka mitaky zavatra maro izany. Tsy ireny fomba fisa ireny intsony no ilaina raha hanao zavatra tsra sy mahery vaika.
    Inona ilay tena tiana atao?

  29. Efa manao,ezaka ihany ny mpanohana an-DRavalomanana. Nitsahatra ohatry ny Hambo-po teo,@ ireo mpitarika. I Mamy Rakotoarivelo sy Me Hanitra dia tsy nanenjika an’io Ruffine Tsiranana intsony, ny GTT dia lasa ao anaty ankolafy, ary efa misy koa,mpifaninana nilaza ka nanampy ny fanohanana an’io Lalao Ravalomanana, dia andrianmatoa Harotsilavo Rakotoson lehiben’ny MANJARY VAHOAKA.
    Mbola,tsy ampy anefa izany nomen’nAmabotovy FAT an’i Raharinaivo ny anarana TIM ka mila atao ady mazava , 1) atao
    Hitsy izay handavo an’io Raharinaivo 2) Ny ankolafy Ravalomanana no anarana averimberina dieny izao.

  30. Tonga dia Lalao Ravalomanana no hiantsoana ny any @ Fifidianana sa tsy mety???
    Manohana ny hevitrao ry Alidera, sahiko mihinsy aza ny miteny fa efa vonona ny ho @’
    izany ve isika???mbola lavitra ezaka ihany an!!

    Kintana ilay FFKM efa nolazaiko ny hevitro fa efa MBA nisy azo raisina , ary mba mahaiza mankasitraka lesy a!!
    mihinam-bary aza misy laoka hihiii silaka be teo hono domelina fa notenenin’i Mr Odon R ankitsirano teo fa hoe:
     » nopotehin’i Domelina sy ny forongony ny tanindrazana fa mila fanarenana HAINGANA « efa zava-dehibe izay AMIKO
    aloha an!! FA…..tsy mbola ampy !ekeko fa efa nisy an’izay aloha , sao za mahazo eto indray.
    Efa sitrana aho aloha mbola nipasoka aho io, hitanao fa sady boto no patron bavy.

  31. Aza mihonona sy faly amin’izay voalazan’ilay Odon ianao ! Tout ce qui brille n’est pas or !
    Raha tafaverin-dry zareo amin’ny voalohan’ny erinandro ny Filoha Ravalomanana, dia mety mba hiova fijery ! Mba ity aho eto hoy ny fitenin-dry zalahy ! Ho hitanao ny tohiny !

  32. Adinoko kely : Tsy afaka hiteny mihintsy izy hoe nandroso ny firenena ary sambatra ny vahoaka nandritr’izay efa taona izay !
    Tsy nolazainy akory aza hoe ny 95 % ny vahoaka niha-nahantra daholo, fa ny sefom-poza irery ihany no nitombo arena !

  33. Io indray !!!efa haiko izany fa tsy ampy e!fa efa mba oah!
    Aiza kosa no dia hionona aloha??mbola miandry bainga hivadika .
    Mbola miandry ny fipoahany sao lasa wawawa fotsiny.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *