Ankolafy Ravalomanana tany Ambatondrazaka : fahefana tsy ara-dalana, tsy mahefa no misy eto

MyDago.com-Ankolafy Ravalomanana- Ambatondrazaka (18)

MyDago.com-Ankolafy Ravalomanana- Ambatondrazaka (16)Nampiara-peo tamin’ilay hiran’ny tarika Mahaleo « Fihavanana »  izy telo mianadahy mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana teto, nanakoako ny hoe:

« Raha mila fanampiana ianao
Raha misy tsy mety ny atao
Tsarovy aky e! fa any ho any
Misy namanao tena tia »…

 

Fahombiazana tanteraka ny hetsika tao Ambatondrazaka.Nafonja ny delegasion’ny Ankolafy Ravalomanana nanatrika tamin’izany, notarihan’ny filohan’ny CT Mamy Rakotoarivelo, ny Praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny taozavabaventy Botozaza Pierrot, ny Filoha Lefitry ny CST Me Hanitra Razafimanantsoa, niaraka tamin’ireo CST sy CT ary delegasiona mafonja .Ny sabotsy 06 Aprily no nanatontosana ny hetsika tao amin’ny stade Ambatondrazaka.Niditra mivantana tao ihany koa ny filoha Ravalomanana nanome toromarika hoan’ireto mpomba azy ireto.Ny ZAMI (Zanak’Alaotra Miray) no nikarakara ny hetsika.

Me Hanitra Razafimanantsoa dia nilaza tamin’ny kabariny fa “Ireto izahay movansy Ravalomanana miray”.Fisaorana no natolony ny “Zami” mpikarakara, zavadehibe ny firaisankinanareo hoy izy.Tsy toy izay anefa ny mpitondra ao amin’izao rafitra tetezamita izao hoy izy, giazan’olontokana ny TVM sy RNM :” tsy mahazo misehatra ao amin’ny TVM ny Ankolafy Ravalomanana “ , ary izay antony izay no mahatonga ny Ankolafy mitety faritra toy izao hoy hatrany izy.Tsotra ny angatahan’ny Ankolafy Ravalomanana hoy Me Hanitra dia ny fampiharana ny tondrozotra amin’ny antsipiriany.Avoahay  daholo ny gadra politika,  tanteraho ny amnistia, avelao hiasa malalaka ny orinasa Tiko isan’izany ny eto amin’ny Fanampy Vohidiala eto aminareo, ary indrindra ny andininy faha-20 ny fampodiana ny filoha Ravalomanana.
MyDago.com-Ankolafy Ravalomanana- Ambatondrazaka (35)Ny Praiministra Lefitra Pierrot Botozaza kosa dia nanakiana mafy ny mpitondra Fat. Nosimbaina ny firenena hoy izy, Nanomboka tamin’ny 2009 dia simba ny ho avin’ny taranaka Malagasy, anjaran’ny fitondrana ny mampianatra ny zaza Malagasy ary tsy ekena ny fanapotehina toy izao hoy izy.

Potika ny firenena hoy Botozaza, manjaka ny dahalo, ny dahalo ambony latabatra.Misy maka ankeriny ny harem-pirenena toy ny andramena sy ny volamena, fasimainty, sns…Atambaro ny hery ary aza matahotra hoy hatrany ny tenany.Fanjakana tsy ara-dalàna no misy eto hoy Botozaza.

Nanome omby dimy, bodofotsy hoan’ireo be antitra miisa 200, mailot 9, finday 9, 5 hetsy ariary hoan’ny Zami, 3 hetsy ariary hoan’ny mpilalao rugby, koveta 200 hoan’ireo mpivaro-trondro, vary iray taonina ny VPM Botozaza teto .

Raha nandray fitenenana kosa ny filohan’ny delegasion’ny Ankolafy Ravalomanana dia namantsipantsika :”fanjakana tsy mahefa no misy eto, fanjakana tsy nandalo fifidianam-bahoaka” hoy izy. Ny fahorian’ny vahoaka no manaram-penitra eto Madagasikara hoy Mamy Rakotoarivelo.Aoka isika tsy ho voafitaka, jereo ny lalana mankaty Ambatondrazaka fa ratsy dia ratsy, raha teo I Dada hoy izy efa vita el a ny lalana aty aminareo.Tsy misy intsony ny famatsiana fitaovana ny mpianatra “kit scolaire” tamin’ny andron’I Dada noho ny tsy fahaiza-mitantana.Mbola nohamafisin’ny filohan’ny CT teto fa matoa nosoniavina ny tondrozotra dia tokony hampiharina amin’ny antsipiriany : ”Matahotra ny masony kanefa mifidy ny lohany” ny sasany hoy izy.Ny fikatsahana ny fitoniana no tena zavadehibe amin’io tondrozotra io, koa noho izany dia ampiharo ny andininy faha 16, 17, 18, 19, 20.Mbola nohamafisiny teto ihany koa fan a izy lehib’ny andrim-panjakana aza tsy mahazo miteny sy miresaka amin’ny haino amanjerim-panjakana.Marihina fa nanome 4 tapitsisa ariary ho an’ny zanak’Alaotra ny filohan’ny CT.

 

9 pensées sur “Ankolafy Ravalomanana tany Ambatondrazaka : fahefana tsy ara-dalana, tsy mahefa no misy eto”

  1. Tena adino ny zava-dehibe marina !

    Tsy mba azonao nofintinina fohifohy angaha ny toromarika avy any amin’ny Filoha, r’Ingahy Solo Razafy ?

    Falifaly izany izao Ingahy DCR, nahita ny sarin’ny akama ?

  2. izao famaroan’ny olona tonga nivory tany Ambatondrazaka dia fitaratry halehibean’ny fakantohavana ny filoha RAVALOMANANA MARC , izay tsy mtsy sasatry ny mandrisika ny Malagasy na ao anatin’ny Ankolafy RAVALOMANANA MARC na tsy ao anainy hahay hiray hina..
    Ary ny fitetezam-paritany ataon’ny filoha an-téléphone dia mahomby tokoa ary mahafaly ary indrindra mahabe fanantenana sy finoana an’ireo Malagasyngiany amin’izany..

  3. Porofo izao fa maro eran’ny i Madagasikara ny zanak’i Dada. Eto dia hisaorana ny ZAMI satria izy ireo no nahatonga izao rehetra izao mba tsy hisian’ny fandraisana diso. Hafa ihany ny zanak’i Dada tena zanak’i Dada.
    Hoy Pierrot Botozaza: « Fanjakana tsy ara-dalàna no misy eto ». Ao anatin’ilay fanjakana tsy ara-dalàna ve ny Praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny taozavabaventy ?
    Hoy koa i Me Hanitre hoe :“Ireto izahay movansy Ravalomanana MIRAY”. Fa angaha nisy fisarahana ka izao dia lasa miray ?
    Averiko eto foana anefa fa ady eo @ samy mankolafy izany fa ireo mpifanandrina rehetra dia samy manohana ny filoha Ravalomanana daholo ka izany indridras no tokony sahanina isan’andro toy izao nataon’ny ZAMI ambastondraszaka izao. Ka dia averina ny fisaorana feno.

  4. Azavao tsara ry zareo fa misy mody MITAPY eto a!!!
    « NOHO I DADA NO NAHATONGAVAn’IREO OLONA MARO BE IREO »
    avereno in-100 in-1000 fa mbola misy tsy mahalala sa mody adala?????
    Mapatahotra be ny tavan’i Kotovelo, rehefa avy nilelaka ny foza tary lėdala dė maka PASIPAORO
    aty @ dada indray !!!MAHONENA!!!dia inona ny fanazavana noentiny ,ny antony nandehanany tany
    @ TGV hono???izay no tsy ilaina hamoahana ny Haino aman-jery sao tra-tehaka daholo ny LAINGA
    tsara lahatra ny famahanan-dalitra isankarazany ny FITAKOSENANA @’ireto FAHAVALOM-BAHOAKA.

  5. Mba mila fanazavana tompoko :  » inona no nataon’i MAMY .Rakotovelo
    tany @ congrės-n’i TGV???????nisy dinika mikasika ny FR ny @ fampiarana
    azy ve tany ohatra???
    Nisy resaka ho FAMOAHANA ILAY GADRA????
    ANGAMBA fampodiana an’i dada sa fivoahan’ny haino aman-jery?????
    Aza dia manindraindra ny vahoaka toy izao fa sao tsy mety ry zareo MPISOLELAKA a!
    MBA MAHATSIAROVA tena dia AZA MISABAKA fa na IANAO FOZA NA ZANAK’i DADA?
    ATAO FITAOVANA HANANGONANA OLONA FOTSINY DADA an!!!dia avy eo miray loha
    ratsy @ foza ny @ HANAKANANA AZY TSY HODY @ TANINDRAZANY???tsy henatra tsy
    tahotra, mba mahalala menatra dia MBA MANÀNA AMBO RAHA LEHILAHY ry ZAREO a!!!

  6. Novelombelomina tamin’ny sira, ranomanitra sa amôniaka, no izao vao nitsangana ?
    MDR !!

  7. Iiiizzaaa indray izany e??eo ihany fa kely dia tsy hitan’ny olona koh!!!
    omaly aho tena tsy te haka « l » dia niala moramora vao nahita ilay lohateny.
     » za anie mba zaza hendry ihany indraindray e! » hitanao fa mbola ho ela ny lalao dia aleo aloha maka aina.
    Ohatry ny tsy milamina mihintsy eto mantsy dia voatery ihany ny tena njainjay!!
    rahoviana indray Neny no mivoaka fa tena izay sisa FAHAFINARETAKO eto.
    Mba omeo vaovaoan’i Neny rė izay mba manana fa dia liana tompoko isany ô!!dia misaotra mialoha!!

  8. ITY LE lazalazao ITY DE TSY MISY HAINY RAHA TSY NY MIKRITIKA SY MANENJIKA ASA MBA INONA NO EFA VITANY SY NATAO HATRIZAY MAMIHOMEHY AHY NY OLONA TOA IRENY
    MBA AMABARAO AHY ETO RA LAZALAZAO NY EFA TOLONA SY HETSIKA VITANAO AN MANAOVA ALOHA VAO MANARATSY SY MIKRITIKA E ILAY ILAINA NY FANAKIAANANA FA CRITIQUE CONSTRICTUVE FANAKIANANA FANATSARANA NO ILAINA FA TSY FANEJEHANA SY FANARATSIANA NY TOY NY ATAONAO IO DE MAHEREZA MANAKIANA FA NY TENA ZANAKI DADA MIROSO HATRANY AO ANATY FIRAISAKINANA Y MOUVENCE RAVALOMANANA MIRAY HINA

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *