ANKOLAFY RAVALOMANANA : Tonga nitsapa alahelo ny fianakavian’i Lalao Randriamampionona

DSCN9275

DSCN9275Tonga namangy ny fianakavian’i Lalao Randriamampionona tenyamin’ny trano fonenany teny Ambodiafotsy Ampitatafika io atoandro io ny Ankolafy Ravalomanana, notarhin’ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy, ny Filoha lefitry ny Cst Razafimanantsoa Hanitra, ny Pariminsitra Lefitra misahana ny toe-karena sy Indostria Botozaza Pierrot, ny minisitry ny fambolena Roland Ravatomanga, ny fiompiana Ihanta Radnriamandranto, ny minisitry ny varotra Olga Ramalason, ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana Ruffine Tsiranana sy ireo Cst sy Ct sasantsasany avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Nitondra ny teny fampiononana sy fankaherezana ho an’ny fianakavian’i Lalao Randriamampionona noho izao fahalasanan’ny olomangan’ny firenena izao, ny lehiben’ny delegasiona Rakotoarivelo Mamy. Ny vadiny Roland Randriamampionona dia nisaotra ny Ankolafy Ravalomanana amin’ny  fitondrana ny teny fampiononana ary nanamafy hatrany fa hitohy hatrany ny tolona izay efa nataony.

 

 

 

 

6 pensées sur “ANKOLAFY RAVALOMANANA : Tonga nitsapa alahelo ny fianakavian’i Lalao Randriamampionona”

  1. Amin’alahelo lehibe sy fahatairana ny nandraisana izao fisarahana tampoka amin’i Tompokovavy LALAO ..
    Ny teny entinay mianakavy aminao r’i RLAND sy ny Fianakaviana Rehetra dia tsy afafa ny ranomaso na hampitony ny fahorianareo fa miara mivavaka Aminareo izahay ka ANDRIAMANITRA izay tiantsika sy JESOSY KRISTY IZAY MPAMONJY SY SAKAIZANTSIKA anie
    hanampy sy homba ary hampahery Anareo mianakavy…
    Courage Roland..
    Robin mianakavy

  2. Dia tsy mifidy toka-trano hidirana tokoa ve ny fahafatesana nefa toa ny tsara foana no mandeha aloha ?
    Dia mahaiza mionona tompoko, ary ho tanteraka anie ny asa nimasoan’i Tpkvavy Lalao Randriamampionona hatr’izay.

  3. Andriamanitra irery ihany no Tompon’ny Aina ka maiza mionona tompoko. Vita ny anjarany ety an-tany ary mbola ho avy isika rehetra mbola velon’aina.

  4. Somary efa tara aho vao nahafantatra an’i tompokovavy izay tena olomanga-pirenena ary tia tanindrazanana tokoa.Raha ny asa vitany tety an-tany no novakiako volana vitsivitsy lasa izay dia medri-piderana ity nodimandry ity.

    Nieritreritra mihintsy aza aho herinandro lasa izay fa raha i Ramatoa Lalao Ravalomanana no filoha dia i Tompokovavy ny praiministra dia aoka fotsiny re.

    MANDRIA AM-PIADANANA TOMPOKO

  5. Mandria ampiadanana fa ny soa nataona t@ Malagasy tsy ho adinoana mihintsy ny Tompo anie hanome fiononana feno ho an’i fianakaviana manontolo

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *