Hiroso amin’ny fifidianana ny Ankolafy Ravalomanana : Ramatoa Lalao RAVALOMANANA no kandidà

dada
dadaTapaka tamin’ny fivoriana tany Afrika Atsimo fa i Ramatoa Lalao Ravalomanana no harotsaky ny Ankolafy Ravalomanana amin’ny fifidianana ho filohan’ny Repoblika.Mazava araka izany fa hiroso amin’ny fifidianana ny « zanak’i Dada »
 Nisy kandida roa no natolotra ho kandida  tamin’izany dia i Mamy RAKOTOARIVELO  sy Botozaza Pierrot.Lany tamin’ny isan-jato 100% anefa  fa Lalao Ravalomanana no lanin’ny rehetra. Ny anton’izany dia izy no heverin’ny rehetra fao afaka mampita ny tanjona sy ny fampandrosoana hananan’i Filoha Ravalomanana.
Tapaka taorian’io fivoriam-be io fa  fa hatsangana ny komity teknika amin’ny fampielezan-kevitra. Ao anatin’izany i Mamy Rakotoarivelo, Guy Rivo Randrianarisoa, Botozaza Pierrot  ary Me Hanitra Razafimanantsoa.

60 pensées sur “Hiroso amin’ny fifidianana ny Ankolafy Ravalomanana : Ramatoa Lalao RAVALOMANANA no kandidà”

  1. Ary ahoana itony ?
    « Nanapa-kevitra ihany koa ny Filoha Ravalomanana fa nisafidy ny tsy hiverina an-tanindrazana raha tsy VITA io fifidianana io » ????
    Fa nisy inona indray ???? (Source Facebook GTT miaraka amin’ny Filoha Ravalomanana « hono »)

    Angaha tsy hoe « Sans conditions » ilay fiverenana, sa io indray no takalon’ny Firotsahan’i Madama ???
    Mba mila fanazavàna ê !

  2. Raha tiana izany ny hiverenan’ny Filoha aingana, dia TSY TOKONY AHEMOTRA NY FIFIDIANANA, NA DIA HO PETATOKO AZA ???

    Fanontaniana daholo izany ê !

  3. Raha izaho manokana, dia aleo miandry ny fanambarana sy fanazavana izay nampanantenain’ny Filoha Ravalomanana fa omeny ny vahaoka ao Magro en priorité rahampitso alatsinainy.Mety mbola hisy zavatra « tsy ampoizina » ao!!!!

  4. ahoana indray izany hoe natolotra i botozaza sy mamy dia i Mma Lalao Ravalomanana no lany ! mba vérifier-o kely ny info nareo fa mampihomehy be ! raha ny source azonay dia tsy nisy zany fanolorana kandida 2 ireo izany ary tsy nisy komity teknika nitsangana izany koa !

  5. Je vois stupide de désigner Mme Ravalomanana candidat. Je vois dans tout cela qu’on joue le jeu de francafrique .Il faut constater que Mr Ravalomana ne peut pas respecter sa parole.Il faut de demander la capacité de Mme Ravalomana pour diriger le redressement du pays.. … Pour pouvoir s exprimer il faut un candidat donc on peut avancer n’importe qui comme candidat …. On va. Plutôt déballer ce qu on a retenu PDt ces 4 années de dictatures.

  6. .
    Lors de son allocution téléphonique du samedi 13 avril 2013 ,le Président RAVALOMANAA MARC a prôné l’égalité parfaite entre lui et son épouse Madame RAVALOMANANA LALAO ,qui est son alter ego..et qu’ils sont d’égale valeur et partagent les mêmes valeurs politiques..Ils n’en font qu’un…
    Cette assertion du Président de la République sur l’unicité du couple va susciter des hypothèses , des analyses qui vont jusqu’à prendre comme argent comptant la candidature de la Première Dame. aux élections présidentielles..Ce serait une erreur d’interprétation et une façon de montrer que ces  » analystes  » ne croient pas à la parole du Président RAVALOMANANA MARC ,qui a promis à ses compagnons du Magro de leur réserver la primauté de sa déclaration lundi.. Il n’ a pas précisé ..l’objet de cette déclaration !.
    Mon analyse porte sur lapplication de l’article 20 sur la  » moiti » du couple RAVALOMANANA MARC : cet article fait partie d’une loi , d’un traité internationale qui ne souffre pas d’une indivision .
    Cet article 20 « deveny emblématique  » doit être appliquer ad intégraum aux deux moitiés qui forment le couple sans autre forme de discrimination..poir le retour sans condition au Pays
    du Président de la Répiblique RAVALOMANANA MARC..
    L’application de cet article 20 possible pour le retour de Madame RAVALOMANANA LALAO à Madagascar ne peut qu’être possible pour le retour du Président RAVALOMANANA MARC au Pays…!

  7. je ne partage pas la réalité de cette nouvelle , qui à mes yeux ,ne tient pas compte du mécanisme du choix du ou de la candidat(e)aux élections au sein du TIM car c’est le TIM qui présente les candidatures ..et non la mouvance RAVALOMANANA MARC ,qui est composée par le TIM ,le MFM , le TEZA..
    Les personnes qui sont allées en Afrique du Sud ne sont toutes des membres du TIM
    Il faut donc savoir qui a « inventé « ce faux zscoop ?Et dans quel but ?

  8. MAMANGY NY FAHORIANA eeeeeeee
    Tohananay 100% Neny a!!mampisalasala tokoa ilay FEPETRA sy
    ilay fiovana tampoka an?????inona indray no ho tetika maizina mety hikotroka na
    TAKALONY ?Sao dia mba TSY METY e!!!Dia ataon’i Kotovelo ahoana koa no hitondra ny
    firenena nefa ANKOLAFY KELY IO AZY TSY VOATARINY @ ARA-DALANA FA MBOLA
    MIANDRY BAIKO AVY ANY @ FOZA HANERENA AN’i DADA HANAIKY NY HEVI-DRATSY
    REHETRA???Io aza FR tsy vitany ,ny AVY ATY @’ ilany ihany anefa an!nefa dia mitakosona
    tsara mifanao bizo bizo fa tsy afaka ny HANATANTERAKA IZAY MBA ZAVATRA MBA TOKONY.

  9. Efa mazava izany izao fa i DADA mihintsy no tena TSY ZAKAN’NY TSENANY e!!!
    Dia avelantsika hanjakazaka toy izao ve izireo ???efa mazava izany koa fa rehefa
    tsy i Kotovelo no hatolotr’i Dada dia tsy mahazo mody izy fa tsy maintsy miandry ny handraisan’i Neny ny fanjakana.
    Folao koa ry dada rehefa mianakendry a!!Manantena ny fandinianao lalina izahay ry dada ka tsy hanaiky ho lembenana
    @ zavatra toy izao foana.
    MODY IANAO NO FANTATRY, raha sanatria moa ka tsy maintsy izay dia mab mila fanazavana izahay dada fa tena
    fanina tanteraka .

  10. Fa tao koa anie ny teza sy ny mfm ary ny psd !ka tim irery ahoana no tao ? tsy kisendrasendra no nahatongavan’ireo tao !

  11. Dia miandry ny fanambarana ofisialy avy @ filoha Ravalomanana isika rehetra fa raha i Neny aloha dia tsara lavitra noho ireto Mamy Rakotoarivelo sy Pierrot Botozaza ireto, izay tena mampisaratsaraka be loatra ny Zanak’i Dada. Miandry ny fanambaran’i Dada isika dia hanomboka @ izay ny fampielazan-kevitra ary aoka tsy hisy intsony ny ady an-trano fa tanjona tokana ihany ny fandresena « premier tour de vita » raha tena mihesika ny zanak’iDada.

  12. FALY aho tena FALY.
    Somary fanimpanina kely aloha ny tena naheno ity vaovao ity fa eleo aloha handinika kely.
    Tena i dada no tsara indrindra fa nohin’ny hasomparan’ny foza dia tsy misalasala amin’i Neny isika. Motera be anie ny olona manampy an’i Neny, izay dada é.

  13. ALEO IZAY TAPAKA DIA TAPAKA SATRIA TSY MAINTSY MISY FOANA NY CRITIQUE – Izaho aloha dia leo an’ireo milaza hiditra rehetra ireo fa aleo mba ho entiny dia ho hita eo é ! Izy koa anie natao hatsojay be loatra rey olona à ; nefa moa izany mbola tsy fantatra satria ny tondrozotra aza mbola tsy narahana hatramin’ny farany.

    Mpanao politika eto amintsika, lasa mahatsiravine avokoa.

    Izaho koa tsy mino mihitsy hoe : hisy io fifidianan io amin’ny 24 Jolay – Izao mantsy no eritreretiko – sao dia hanao amboletra ireto mpanongampanjakana dia tsara raha toa miditra io ny vadin’ny Filoha Ravalomanana, Oatran’ny hoe : fitsapankevi-bahoaka no atao dia tsara mihitsy – mikatona daholo ny vava etsy sy eroa. Ny Fangalaram-bato ho hita eo koa izay ataon’ny Communauté internationale, momba izany. Tsy maintsy mailo foana é ! Raha vao tsy miditra eo dia eo indray 5 taona ho crise be eo. Ny lahatra kan’Andriamanitra tompoo fa hevitro io é !

  14. je sens que je vais être heureux Aujourd’hui …
    comme le grande majorité du peuple malgache le sera à l’ annonce de cette nouvelle
    alleluia !

  15. Manakory daholo ê ???? Ao ve sa tsy ao ranavalona â ????

    Mba vakio kely ny zavatra ho soratako eto na aiza misy anareo ê, na ny any atsimotsimo any aza !!! Miala tsiny raha somary lava ihany ilay izy !!
    Raha lasa lalina dia lalina ny eritreritra hariva noho ity raharaha ity, dia tafiditra tao anatin’ny nofiko mihintsy ilay izy, ka indro tantaraiko aminareo eto ity nofiko ! Aza misy miomehy na kely aza !

    Nifanena tamiko teny an-tsena hono ny Filoha, tsy fantatro na tsena taiza, fa dia nanontany ahy izy hoe : Ahoana letsy ny fahitàn’ialahy an’ity raharaha ity ?? Manontany an’ialahy aho mantsy fa izaho efa nanome toky tamin’ny Communauté internationale fa tsy hirotsaka !!

    Dia hoy aho taminy :

    Ianao no tompon’ny safidy Mr le Président, ary rahatoa ka i Madama no arosonao, rehefa natao ny fandinihina dia toa mety ihany, ary angamba ny vahoaka dia tsy ho sarotiny na ho tezitra aminao ary hanohan’azy ry zareo ; fa ireto kosa misy zavatra tsy tokony ho adinoina na atao ambanin-javatra ( miala tsiny amin’ny mpamaky fa ho ataoko lisitra ), ary dia niara-nipetraka nisotro zavatra hono izahay ; izy nisotro limonade (sady nisento) ary izaho kosa naka café. Nofy io an !

    Dia izao avy ary ny zavatra mba nolazaiko taminy :
    – Ny vahoaka anie Mr le Président ka efa hatry ny ela no niandry anao ê ! Ianao nilaza vao tsy ela fa tsy mahafoy an-dry zareo, ary tsy tokony hatahotra koa ry zareo fa ho avy tsy ho ela ianao !

    – Ianao koa niteny hoe tongava ianareo aty fa tsy maintsy mahalala ny zava-misy aho, izay vao manapa-kevitra ! Tsy fantatro Mr le Président izay zavatra notantarain-dry zalahy taminao, fa dia izay ve ilay resaka fandresen-dahatra ?

    – Aza adino Mr le Président, fa amiko manokana, ny tsy fiverenanao mialohan’ny fifidianana, na dia tsy hirotsaka aza ianao, dia fatiatoka be iray lavaka ho an’ny vahoaka ; ary dia tena resy lahatra mihintsy ny demôkrasia sy ny fanajàna ny Lalàna, satria midika izany fa nandresy ny teti-dratsy sy ny sain-devoly !
    Ianao ihany koa Mr le Président efa nilaza fa na inona na inona resaka na fandresen-dahatra ho ataon’ny sasany aminao, rehefa tsy mahasoa ny vahoaka dia tsy ho ekenao.

    – Ka eo amin’ilay resaka mahasoa ny vahoaka ihany Mr le président, ilay tondrozotra izay natao sonia, tsy tanteraka antsakany sy andavany arak’ilay nangatahanao tamin’ny fomba entitra dia entitra. Nandritr’izay efa-taona mahery izay, ireo mpanongana dia nandika Lalàna foana, na dia ilay tondrozotra koa aza. Dia ho eken-tsika foana ve izany, kanefa voasoratra ao anatin’ilay izy ny hoe : Izay tsy manantanteraka na manakatsakana dia tokony ho saziana !

    -Isika nihezaka sy manao izay tokony atao, na dia fahadisoana aza ny fanaovan-tsonia ; ny etsy an-kilany manao izay tiany atao foana ! Sao dia mba tsy mety Mr le Président ity mandefitra lava ity ?

    Notohiziko ihany ny resaka, ka nolazaiko taminy koa ny momban’ny fifidianana, na resaka CENI-T, CES, sy ny FFM sns… Hoy aho taminy hoe, tsy misy mandeha amin’izay laoniny ireo, dia azo ekena ve ?

    Maromaro ihany ireo zavatra nolazaiko taminy, fa ireo no tena tadidiko, sy izahay nisaraka !

    Mbola nisotro kely an’ity limonade izy sady mbola nisento koa, ary niteny hoe : Malahelo an’i Madama aho letsy izany, ary malahelo ny limonade-n’ny TIKO koa ! Ity toa tsy mamokatra (sady nodinihiny tsara ilay tavoangy) !

    Dia nifanao veloma teo izahay, ary mbola niteny izy hoe : Aza matahotra letsy ialahy, fa mbola hieritreritra aho, ary efa nilaza aho fa amin’ny alatsinainy na talata hiresaka amin’ny vahoaka !
    Ary dia novaliako hoe : Eny ary Mr le Président, fa dia manantena anao izany, ary dia mamerina ny fahatokisanay anareo mivady, fa aza dia atao diso fanantenàna ny vahoaka ê !

  16. Notantaraiko arak’izay tsaroko ilay nofy, fa na dia tsy tafiditra tao amin’ilay izy aza, dia izao :
    – Tsy azo ekena ny tsy famoahana an’ireo gadra pôlitika, ary anisan’ny zava-dehibe indrindra !
    – Tsy azo ekena koa, ny tsy fanasaokafana ny haino aman-jery rehetra !

    Tsy hisy rahara ho vanona eo, raha tsy tanteraka daholo izany rehetra izany ! Ny fiverenan’ny Filoha moa, dia mino aho, fa ho betsaka ny diso fanantenàna ! Noho izany, amiko dia mila ny hevitry ny vahoaka ny momban’io, na dia izay aza ny fanampahan-kevitry ny Filoha !

  17. http://www.africanaute.com/depeches/16188-presidentielle-a-madagascar-ravalomanana-designe-lalao-ravalomanana-candidat

    Présidentielle à Madagascar , Ravalomanana désigne Lalao Ravalomanana Candidat
    Le 15 Avril 2013

    L’Ancien Président Malgache Marc Ravalomanana , Exilé en Afrique du Sud depuis 2009 , a désigné son épouse , Lalao Ravalomanana , comme Candidat du Parti Politique Tiako I Madagasikara TIM à L’2lection Présidentielle prévue en juillet 2013 .

    Lalao Ravalomanana a regagné Madagascar le 1é Mars dernier pour rendre visite à sa mère hospitalisée .
    Dimanche Matin , Le TIM a tenu en Afrique du Sud une séance de Travail ou sorte de Congrés , avec la participation
    de Ravalomanana , pour discuter des questions relatives à la position du Parti sur les Elections à venir , au Candidat
    du Parti à l’Election Présidentielle et à la situation politique , sociale et économique du Pays .

    Les 40 participants et partisants de Marc Ravalomanana ont proposé Deux noms comme candidats à la Présidentielle ,
    à savoir Mamy Rakotoarivelo , président du Congrés de la Transition Actuel et chef de la délégation de la Mouvance
    Ravalomanana , et Pierro Botozaza , Vice Premier Ministre chargé de l’économie et de l’industrie

    Finalement , les congréssistes ont toutefois porté leur choix sur Lalao Ravalomanana , la considérant comme la Personne
    Idéale pouvant transmettre et continuer les objectifs de développement de Madagascar initiés par Marc Ravalomanana .

    le TIM va mettre en place un comité technique pour gérer la Campagne electorale du Parti , qui va être composé de
    Mamy Rakotoarivelo, Pierro Botozaza , le porte parole de Ravalomanana , Guy Rivo Randrianasoa , et
    Hanitra Razafinmanantsoa, son avocate

    Selon le calendrier électoral publié par la Commission Electorale ( CENIT ) , le 1 er Tour de l’ Election Présidentielle aura
    lieu le 24 Juillet prochain , le 2em Tour , le 25 Septembre , en jumelée avec les législatives , et les municipales le 23 Octobre Prochain .

    Ces Elections sont considérées comme 1 étape cruciale pour sortir Madagascar de la Crise de plus de 4 ans …

  18. Fanapahan’kevitra avy any @ filoha RAVALOMANANA izany….ka tsy maintsy miady isika mpanohana ny ara_dalàna,…na @ fomba aona na aona…ary i Domelina no tsy maintsy miala teo
    Mahereza,mahalasana Atoa filoha RAVALOMANANA

  19. Mr Joachim Chissano fait encore des siennes !! Alors que le principal intéressé et bon nombre d’exilés sont encore interdits d’entrée du territoire malagasy, Mr Chissano loue l’initiative du FFKM, en disant que « La réunion organisée par le FFKM est une bonne initiative » !
    Le malheur des uns fait le bonheur des autres ! Bravo le FFKM !!

    http://www.madagascar-tribune.com/La-reunion-organisee-par-le-FFKM,18667.html

    Certains n’hésitent plus à prendre les enfants du bon Dieu, pour des canards voire pintades sauvages ! Encore une des conséquences des prières et autres incantations !

  20. Tsy ny « commentaires » an’ny Tribune no henoin_tsika fa ny fanapahak’hevitra n’i filoha RAVALOMANANA
    Ary tsy maintsy atao izay fialan’i Domelina @ fomba rehetra

  21. Na GTT na tsy GTT dia ny fanambaran’i Filoha RAVALOMANANA no manank’hery sy mampiray ny tena mpitolona ho fanavotana ny Tanindrazana
    Niteny iny ny filoha RAVALOMANANA !!! …raha tena zanak’i Dada ny tena dia henoy ny tenin’i DADA

  22. Il y a un mystère: un texte de Loi interdit la candidature de Madame Ra8. (residence inferieure à 6 mois). Que fait on de cette loi ? On la gomme ? Monsieur ra8 connait cette Loi. Il en fait quoi ? Il la gomme ?

  23. Miala tsiny aminao fa izaho dia malagasy, miaro ny ara-dalàna sy ny fiandranam-pirenena, ary vonona hatrany hanohana azy mivady, fa tsy mbola nitonona ny tenako ho zanak’i dada izany ! Nuances hoy ny sasany !
    Tsy dia tato foana ianao io ry PSD, fa izaho nandritry ny efa-taona, dia mpanohana ny ara-dalàna ary manohana ny Filoha hatrany, fa tsy dia tiako loatra no antsoina hoe zanak’i dada izany !
    Tanindrazana hiombonana io, ary zon’ny rehetra ny maneho ny heviny ! Tsy hoe rehefa izay no lazainy dia raisina ho toa ny soratra Masina (tsy fantatrao izay resaka any ambadika any) ! Tsy rebik’ondry ny aty !!!

    Tout ce qui est excessif, ne peut engendrer que nuisance !

    Nanaovana enjik’alika ny Filoha taloha, satria lazaina hoe TSY MBA MAHAY MIHAINO ; dia izao manararaotra ny sasany, « mety » mamporisik’azy mihintsy aza hanao ny tsy mety na zavatra tsy ao an-dohany ! Ny mampalahelo aza, dia toa lasa mivadika amin’izay zavatra voalazany izy !!
    Amiko (satria tsy voatery hitovy hevitr’amiko ianareo rehetra), na iza na iza miteny dia TOKONY tsy azo ekena izany hoe Fifidiana tsy atrehan’ny Filoha Ravalomanana izany, na dia i Ramatoa aza no atao candidate ; IZAY MARIHINA FA METY AMIKO KOA !

    TOKONY tanterahina ny FDR, vao miroso any amin’izany fifidianana mangarahara izany !
    Tondrozotra tanteraka, dia mody koa izny ny Filoha no dikan’izany ! Aoka hadio tsara aloha ny terrain vao milalao sy miresaka fair-play, fa tsy terrain feno vaki-tavoangy akory no tokony hilalaovana ! Ankaotr’izany, dia fandanian’andro sy herim-po ary « énergie », no atao hoy ny sasany ! Tsy hilaza akory aza ny tenako hoe fandrebirebena saim-bahoaka !!

    Noho izany, avelao ny olona hilaza izay fomba fahitàny ny fizotran’ny raharaha ê !
    Tolona manarapenitra no tadiavinay, fa tsy kitoatoa !
    Ary raha tena dinihina, ireo izay nankasitraka ny fihidirana tao anatin’ilay rafitra no tena faly amin’io fanampahan-kevitra io ( tsy ny candidature-n’i Madama no resahiko eto) ! Hevitro manokana izany !

    Rahatoa ka izaho irery no manana an’izany eritreritra izany, tsy mampaninona ahy na misy hiteny aza hoe doma noho i domelina !

    J’ai des convictions politiques et des idées pour l’avenir de la terre de mes ancêtres ainsi que de son peuple ; nul ne pourra me les enlever !!!

    HANDROSO IHANY VE ISIKA NA HIDONA ANY AMIN’NY RINDRINA AZA ?? NATAO FIHOMEZANA NY TZV HIVARIN’AN-KADY !!!!!

  24. Miraisa hina atanjaho ny vatana sy ny saina ary ny fanahy, fa ny marina marina hatrany fa aleo ny bainga voavadika no hitsaran’ny vahoaka ny olona tiany hitondra ny tany sy ny Firenena malala inty. HOMBA ANTSIKA ANIE NY TOMPO

  25. Fanazavàna momban’ilay terrain !
    Ny mpanongana manao kiraro ARY GÔDASY daholo ; ary ny mpiaro ny ara-dalàna na kapa « pine » ( tsy izay eritreretin’ny sasany fa ilay zavatra avy amin’ny kodrian’ny fiara) aza, tsy azon-dry zareo anaovana ! MDR !!!

    Ho an’i Be-zavatra ?
    De quel respect de Loi peut-on évoquer, dans un Etat ou plutôt Gouvernement hors-la-loi ?? Qui respecte la Loi en ce moment, et quelle Loi ?

  26. J ‘insiste à signaler le manque de cohérence de la mouvance Ravalomanana,tous les membres de la délégation en afrique du sud savent que la candidature de Mme Ravalomanana peut poser de problémes pour différentes raisons ,une d’elle est l’accord entre ces m^mes personnes et Rajoelina pour les conditions de retour et de séjour de Mme Ravalomanana à Madagascar ,
    en 2 tout le monde sait en arriére pensée que Mme ravalomanana n’a pas residé physiquement à Madagascar pendant 4 ans ,…
    On sait bien La compétence et l’éfficacité des hommes de loi de cette mouvance (avocat et autre ) qui n’ont pas fait leurs preuves ,qui osent avancer la candidature de cette femme.
    J’espére qu ils osent assumer tous leurs responsabilités ,lorsque la France et Rajoelina vont s’opposer à cette candidature de la mouvance Ravalomanana.
    Ce que je ne croît presque plus car eux tous ont crié le retour de Mr Ravalomanana avant les elections où on en est maintenant ????

  27. Volte-face complètement imprévisible de Marc Ravalomanana, ce dimanche lors du choix de son épouse, Lalao Ravalomanana,
    comme candidate de la mouvance Ravalomanana.

    Une manière aussi peut-être de couper l’herbe sous les pieds de ses adversaires, qui demeurent complètement muets sur le sujet
    pour le moment ?

    « J’ai confiance en ma femme. Elle sera élue dès le 1er tour. Dès qu’elle sera élue, elle me ramènera au pays », a déclaré
    solennellement hier l’exilé d’Afrique du Sud. L’ancien président Marc Ravalomanana a prouvé scientifiquement sa décision de participer
    aux futures élections. « Un sondage qu’un expert que j’ai envoyé à Madagascar montre que 77% des Malgaches veulent aller aux élections.
    Devant cela, nous ne pouvons pas faire la politique du siège vide. Mais, quand nous participons, il faut gagner dès le 1er tour »

    « je demande à ce que les normes soient respectées pour qu’il y ait élections libres, transparentes, crédibles et acceptées par tous. »
    L’ancien président a saisi l’occasion pour lancer un appel à ses partisans : « Il est temps de rassembler nos forces. J’appelle tous ceux
    qui ont quitté le navire à revenir au bercail. Ce ne sont pas des traîtres. Ils ont seulement essayé de trouver des moyens pour sortir de la crise. »

    Magro. Lalao Ravalomanana sera officiellement présentée dans les prochains jours au Magro en tant que candidate de la mouvance.
    Elle déposera après ses dossiers de candidature auprès de la Cour Electorale Spéciale (CES) à Ambohidahy. … / l’unité de la mouvance
    de l’ancien président a été sauvegardée avec la candidature de l’ancienne Première Dame / . Cette unité et cette solidarité ont été
    constatées
    lors d’une petite cérémonie qui a été organisée pour l’annonce de la résolution du mini-sommet de Hartbeespoort. A cette occasion,
    Marc Ravalomanana a été assisté à gauche par le président du Congrès Mamy Rakotoarivelo et à droite par le vice-premier ministre
    Botozaza Pierrot. Au sein de l’assistance, il y a eu des représentants des partis membres de la mouvance dont le TIM, le MFM, le PSD,
    le Teza et l’AMF/3FM. Le GTT International a été également représenté.

  28. Miaiky sady midera anao aho km: sao dia hiady indray, …
    de tout mon coeur et sincèrement je pense KM ministrable

  29. Tena be no fanina raha izany no tanterahana satria iarahana mahalala fa ny tondrozotra mbola tsy tanteraka ka ahoana no hanao fifidianana , na izaho aza mba gaga.
    Mila fanazavana misimisy kely angamba izay vao mety hita ny tena hevitra fonosiny , na hoe ny andro lava hono misy hisainana ka aleo mandinika tsara aloha , inona no tena antony nampiova ny hevitra ka nahatonga ny hevitra hiova fa hifidy isika, izaho mino fa raha ny zavatra tsapako dia mino aho fa mahatakatra lavitra noho izaho ny olona manodidina an-dRavalomanana ary mahay mamakafaka tsara ny zavatra misy, dia miandry ary aho , miandry ny tohiny aho dia ho hita taratra eo inona no tena hevitry Ravalomanana, fa raha ny kabary aloha no jerena dia hita taratra ihany fa hanolotr&

  30. Izaho dia mitovy hevitra amin’i lazalazao saingy mametraka fanontaniana ohatran’i KMD.Tokony tsy ho adino n’inona n’inona ny momba ny fodian’i Marc Ravalomanana satria izay ny fepetran’ny FDR.

  31. Que l’ensemble des arguments paraît cohérent ou pas, deux points et non des moindres restent à discuter :
    – Il faut réserver le meilleur accueil, à tous les moutons noirs ou autres brebis égarées. Ce ne sont pas des traîtres, juste des gens qui ont été cherché des solutions là où il n’y en avait pas !! En quelque sorte, des « malvoyants » !
    – Comment ou que doit-on faire, pour que les résultats des élections soient crédibles et acceptés par tous ?

  32. Tena be no fanina raha izany no tanterahana satria iarahana mahalala fa ny tondrozotra mbola tsy tanteraka ka ahoana no hanao fifidianana , na izaho aza mba gaga.
    Mila fanazavana misimisy kely angamba izay vao mety hita ny tena hevitra fonosiny , na hoe ny andro lava hono misy hisainana ka aleo mandinika tsara aloha , inona no tena antony nampiova ny hevitra ka nahatonga ny hevitra hiova fa hifidy isika, izaho mino fa raha ny zavatra tsapako dia mino aho fa mahatakatra lavitra noho izaho ny olona manodidina an-dRavalomanana ary mahay mamakafaka tsara ny zavatra misy, dia miandry ary aho , miandry ny tohiny aho dia ho hita taratra eo inona no tena hevitry Ravalomanana, fa raha ny kabary aloha no jerena dia hita taratra ihany fa hanolotra kandida ny filoha satria izy nilaza fa isika tsy maintsy mandresy hoy izy rehefa fifidianana, mbola milaza koa izy hoe anontanio i lalao fa mitovy ihany izahay, hita taratra kely ihany ilay izy fa saingy izao , ilay solontena nandeha tany dia nanamafy fotsiny hoe raha aroso i Lalao manao ahoana ? asa fa izay no fahitako azy

  33. Fa angaha moa izay teto ela no miteny rariny ? i Bemolotra izay koa dia efa ela iany no teo @ fiainan’ny Tanindrazana fa tsy hoe ela teo dia rariny ny voalazany.
    Tsy manakana ny fitakiana ny fanantanterana ny Tondrozotra izay tapak’ny filoha RAVALOMANANA. Vao maika aza ho hitan’izao rehetra izao ny adalan’i Domelina.
    Raha vao tsy mipoitra eo ny mpitolona dia vao maika mahazo LAKA i Domelina.
    Ary ny hevitra tsy mitovy na dia tanjona iray aza ( ny fanalana an’i Domelina eo) dia tsy tokony hifampihenjena fa TAZOMY ny Hevitrao,dia aoka AHO mba hitazona ny ahy fa tsy ny teo efa ela no miteny ny rariny, otran’i BEMOLOTRA

  34. Teny lehibe roa no nomen’ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC an’ny Malagasy

    –1-Rehefa tonga Antanindrazana aho vao miresaka fifidianana Isika

    –2-tamin’ny asabotsy 13 teo dia hoy ny filoha tamin’ny Malagasy :
    « Amin’ny alatsinainy (anio izany) dia Aminareo no hilazako voalohany ny vaovao lehibe! »

  35. HoAiza ! Fa taiza foana ise ? Ary aza dia mandoka loatra ê ; sady tsy manana traikefa no tsy mitady an’izany toerana izany !!
    Samy mba miara-mitafa eto isika ! Ny hevitry ny maro…maninona moa ???


  36. ► Vonifanja ◄

    nitady anao fika i Domelina mba tsy andray anjara ny Ankolafy RAVALOMANANA …dia ho azy (an’i Domelina io) irery ny LAKA (La voie sera libre )

    ….. kanjo rakatra izany tety dratsy an’i Domelina izany ka voatery manao mita be ny mpitolona andresena ny tety dratsy n’i Domelina tadiaviny atao

  37. Fa taiza moa ry PSD no nisy resaka hoe, « izay teto ela » no manana ny rariny ?? Aza dia ahodina ny resaka, na dia tsy azonao mihintsy ny tiako ho lazaina !!
    Averiko : Efa-taona no niseràko tato na tao amin’ny Topmada, mbola tsy nitonona ny tenako ho ZANAK’I DADA izany aho, NA DIA MPANOHANA NY ARA-DALÀNA AZA !

  38. Tazomy sy teneno ny tianao tenenina dia avelao koa ny sasany hiteny fa tsy ny mifanenjika no maha avotra ny Tanindrazana
    Point barre

  39. Raha ny lahara-pahamehana no dinihina dia toa izao ny filaran’ireo zavatra tsy maintsy hefana aingana :
    –Ny fanatontosana ny tondrozotra manontolo
    –ny fametrahana ny tetezamita ifanarahana sy tsy manavaka
    –ny fanaahana ny gadra paolitika rehetra
    –ny fanokafana ny radio sy tv nidina an-keriny
    –ny fodian ( ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC Antanindrzana
    –ny fanamina sy fampitoniana ny Firenena ka tsy hisy intsony ny halatra , ny famankiana trano ,ny herisetra ,ny fanolanana ..
    — nyfikarakarana ny fifidianana..

    Inona no tadiavina afenina amin’iy fanindrahindrana ity fifidianana tsy tomombana , tsy mari-pototra ,ary ho vonona na ho tanteraka ho amin’ny 24 juillet..
    Mbola maro ny kojakoja tsy mbola tsy vonona..
    Koa nahoana izany fifidianana mbola any an-kibon’ny omby no imatimatesana..?
    Sa hatao am-boletra ity fifidianana ?
    Ny fahendrena dia ny manaraka sy manaja ny calendrier izay miankina amin’itsy lahara-pahahamehana voalaza etsy ambony.., izay arahana sy tanterahan’ny SADC / TROIKA..!
    Aza mihevitra fa ny FFKM dia hahasolo ny asan’ny SADC..amin’ny alan’ny fampihavahana na amin’ny fampiasana vote -tsangan-tanana !

  40. Mba hivereno vakiana ry PSD ny zavatra nosoratanao ery ambony ery tamin’ny 11h12 â !
    Ny fanakianana izay nolazain’i Chissano mba inona aminao ? Sa mety aminao ??? Tsy ianao io ve izao, no manakana ny sasany tsy hiteny ê ???
    Tsy fanenjehana io, fa mampatsiahy fotsiny !

  41. Ity Vonifanja ity tsy mazava loatra???NENY Lalao na Vadin’i FILOHA
    LANIM-bahoaka mbola izy no 1er Dame TOMPOKO ô!!!miseho miseho ihany ny tandroka eto.
    Aty @ Mydago ianao fa sy any @ foza koa mba asio FANAJANA kely azafady Vonifanja.

    Kintana!!miala tsiyn fa taraiky Bavy ! « Miaoky aho izay » hoy ny ankizy @’izao indray, miaky aho !!
    tsy hitako izay lazaina fa ( eto indray bavy no raisina e! ) tena tsapako fa tena mitolona @ Fo madio
    mihintsy ny Havako.
    ataoko fa efa tonga any @ dada ny hafatrao ary efa henony Kintana a!!raha teto akaiko teto elah
    tena nahazo bizo be mihintsy, sambatra Madagasikara manana olona toa anao.TOHIZO FA TSARA!!!
    dia enga anie ka hisy andimby anao ny zanaka amam-paranao Kintana.MANKASITRAKA!!!

  42. « Miaiky » fa tsy « Miaoky » azafady!!!
    Hoy mantsy ny ankizy @’izao fotoana hoe
     » miaiky ahy ‘ zay! »

  43. tsy efa mitady kil » indray izao ny foza sy ny frantsay io mangingina io ?
    tandremo ary ny ainao rtoa Lalao.

  44. Raha ny amiko manokana dia tena nandalina mafy aho ny @’ity fanapahan-kevitra ity fa:
    amiko mbola resaka FAMPANDRIANA ADRISA IHANY IO ! HITADIAVANA lalana TSY HODIAn’i dada,
    aoka isika tsy ho variana @ FANDREBIREBEBA, toy ilay hoe:  » METY AMINTSIKA IO TONDROZOTRA IO FA MODY DADA  »
    dia izao koa mody hoe:  » TSY MAINTSY MANDRESY ISIKA FA AROSOY NY OLONA HO FIDIANA » atao tery vay manta nefa
    efa fantatra fa ny FR no mbola tsy maintsy lalovana vao afaka manao FIFIDIANANA MADIO EO( raha hisy izany ).
    FANDREBIREBENA IO! ARY TSY HANAIKY An’i NENY HO LANY EO IZANY IREO , dia hitombo ihany ny andro hijanonan’i
    DADA any Atsimo, dia hitombo ihany koa ny HARENA SY NY TANY LAFO HO ANY AMPAOSIN’ i FOZA sy ny MPANJANAKA,
    koa aoka isika hijoro @ HEVITRA IRAY IZAY EFA NIADIANA SY NIARETANA TETO IZAY ELA IZAY fa DADA MODY dia MODY
    DADA, Dada MILATSAKA dia Dada MILATSAKA, Dada LANY dia Dada LANY, az musy mety voarebireby fa lalana hitadiavana
    HIRIKA FOANA IO HIJANONAN’I DADA LAVALAVA KOKOA HATRANY HANADINOAN’NY VAHOAKA AZY KOA OHTRA, MBA
    ALEFASO LAVITRA NY FANDINIANTSIKA FA TENA FANDRIKA MBE INDRAY IO.
    HANILIANA AN’i DADA NO DIKAN’IO ARY METY HO TENA HO RATSY NOHO NY FANDINIAKO AZY MIHINTSY SATRIA OLONA
    MPIVADY IREO DIA ETO VAO HO SAROTRA NY RAHARAHA! BE DIA BE NY LALA AZONY HAMANDRIANA ETO AN!!!
    DADA MODY ALOHA DIA NY SISA MANARAKA FA TSY AZO ANTOKA IO HEVITRA TAINGINA IO e!!

  45. Tokony hahay hiadi-hevitra rehefa tonga eto fa tsy manao vali-boribory.
    Tsy hoe ra-hanona na ra-hanona no nanokatra ny sujet dia tsy mijery sy mandinika ny hafa ka noho izany mahaiza miresaka fa masiso ny mivaoka ny vavanareo ry Mireille a!

  46. Hi hi hi ! Izaho eto foana, re ê ! Ny mpams REHETRA no miserana tsindraindray eto rehefa VOADONA TANY HO ANY !!!
    Azonareo entina eto koa i Risara baomba « akamanareo » handamina, satria i Ramatoa Ravalomanana aza lazaina fa manakorontana koa ê ! Malaza mpanakorontana loatra mantsy ny mpiaro ny ara-dalàna. Raha tianareo ho fantatra dia izany no anisan’ny nakàn’ny Filoha Ravalomanana an’io fanampahan-kevitra noraisiny io !
    Lazaina fa mila 7 miliara hanenjehana dahalo, dia izao indray hamafisina izany fangatahana izany, ary havadika ny antony satria hirotsaka ny Première Dame ! Hanakorontana koa hono ny firotsahany !

    Efa kobo efa ela ry ngahy ny kôzy â ! Fa ny aty mijoro amin’ny fahamarinana lalan-dava, tsy hiova na kely aza !

    Misy maha marin’azy ny zavatra voalazanao ranavalona ! Misaotra aloha amin’ny fankaherezana ! Idem pour HoAiza sy GTTb ! Kanefa tolona hiarahana atao io, dia mifampisaotra eto foana izany isika ?
    Rehefa tiana vonoina hono ny alika, dia lazaina fa romotra ! Amiko aloha dia diso mandefitra loatra isika. Eo koa ny vahoaka tsy sahy mihetsika intsony, sady matahotra no tsy navela hivoaka avy ao amin’ny Magro !
    Dia io fifidianana io sisa no fomba entina hanaisorana an’ireo mpanongana. Fa arak’izay efa voalazako teto :
    – Mino ve isika fa hangarahara io, ary ho eken’ny rehetra izay valiny eo ?
    – Raha sanatria tsy lany eo Madama, dia ho tafajanona any mandritry ny firy taona izany ny Filoha ?

    Trondro anie ny loaka, noho izany tsy tokony embenana tsara ve ity izy, ary avela hanao izay tiany atao ve ny saka ?

  47. Aza misy taitra fa olona anankiray ihany ireo mody mitapy ireo.
    Mba matsintsiana fa mandreraka ry …..tononiko eto ny anaranao an!
    ilay anarana (mody)vao2 ireo no tiako ho lazaina.

  48. Miala tsiny raha nanoratra aho hoe : Lalao , fa izany tsy hilazana fa manevateva a ! na foza a! fa amin’ny maha kandida azy no hiantsoko izany.Ny fanontaniako ry ranavalona dia izao i Atoa Mamy Rakotoarivelo sy i Rtoa Hanitra ve afaka manampa-kevitra ka mampody an’i Atoa Filoha Marc RAVALOMANANA ? raha eny ny valiny , dia inona no misakana anao tsy hanantona azy ireo mivantana dia teneno izy fa izay no tadiavin’ny olona rehetra vita ny tolona raha izay no izy satria eo an-tanan’ny Ankolafy Ravalomanana ny fahefana sa ahoana !

  49. raha ny momba anahy aloha tena tsy hitako ny tena marina satria raha mahita anareo mihady hvtr eto aho dia tena hitako fa avo lentabe lay politika resahina eto,ampanetre-tena no hilazako fa fanina aho,nefa na izany aza ,aza dia miady nareo fa vao maika fanina ny olona tsy dia mahatakatra ny poltk avo lenta toa ahy….ny any teniko dia miraisa hina fa tsy izao no fotoana hifamaliana,na Atoa Rakotoarivelo na Me Hanitra na Atoa Botozaza na iza na iza eny fa ny Rtoa voalohan’i M/kara Lalao aza tsisy mahafaka ny hetahetantsika ,ka amiko rehefa ny filoha no miteny dia tapitra hatreo koa ny ahy fa de ny manaraka sisa azoko atao.Tena izay no mba takatro,asa na tampoka loatra le izy na ahoana fa izay aloha ny amiko.
    fehiny mbola manaiky ny tenin’Ato Ravalomanana aloha zaho hatreto,mino aho fa betsaka ny nandra ohatranahy fa saingy tsy afaka maketo izireo,
    farany hakambano ny hery na hiandry ny Filoha na hanoana ny Rtoa voalohan’ny M/kara,aza miady ry havako isany a,aza mifandrangitra fa miadia hevitra fa manjary henatry ny foto-kevitra tohanantsika,izay fa mazotoa daholo dia miraisa hvtra e…ny olona eny magro sy mpitolona erak’i M/kara jerena e!!!!!

  50. KM, I love your citation:
    « J’ai des convictions politiques et des idées pour l’avenir de la terre de mes ancêtres ainsi que de son peuple ; nul ne pourra me les enlever !!! »
    ____

    elas dit :

    tsy efa mitady kil » indray izao ny foza sy ny frantsay io mangingina io ?
    tandremo ary ny ainao rtoa Lalao.

    ==> izaho koa mba manahy indrai2.
    Matoky an’i Tojo, manana atout au poste de garde permanent de Neny8

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *