NY FIANAKAVIANA RAVALOMANANA : NITOHY NY FITROTROANA AM-BAVAKA

mydago.com-vavaka Ekar Antanimena (14)

mydago.com-vavaka Ekar Antanimena (14)Notanterahina omaly tetsy amin’ny fiangonana Ekar Antanimena ny fanompoam-pivavahana fitrotroana am-bavaka ny fianakaviana Ravalomanana sy Bebe Razay. Tsiahivina fa isaky ny Alarobia no nanantontosana izany, ka teny amin’ny Fjkm tranovato Faravohitra no nanombohana izany. Avy eo teny amin’ny Fjkm Ambohipotsy, ary teny amin’ny Fjkm Alasora. Tamin’ity indray mitoraka ity izany dia ny fiangonana katolika no nandray izany fanompoam-pivavahana izany omaly. Tonga nanatrika izany teny an-toerana ny kandidà Ravalomanana Lalao Rakotonirainy, ny zanany lahy Tojo sy ny vadiny. Nahitana ihany koa ireo mpanao politika vitsivitsy toa an-dry Botozaza Pierrot, Guy Rivo Andrianarisoa, Profesora Ranjeva Raymond. Ny vondron’ny kristianina katolika mijoro amin’ny fahamarinana (V2KM) no nikarakara ny fanompoam-pivavahana tamin’izany.  Nitarika ny fotoana tamin’izany ireo mpitondra fivavahana iraisam-pinoana. Nanakoako nandritra ny fanompoam-pivavahana ny hira “miara mizotra, mamela heloka, Jesosy reherehako” sns. Tamin’ny fivoahan-dRamatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy tao amin’ny fiangonana dia horakoraka sy hafaliana no nandraisan’ny mpino kristiana tonga teny an-toerana azy.

29 pensées sur “NY FIANAKAVIANA RAVALOMANANA : NITOHY NY FITROTROANA AM-BAVAKA”

  1. mino aho tena mino aho ,fa vitanao ireo foza maro rantsana ireo ry NENY a!!!
    tsara tso-drano tsy ahita angano e,hahaleo hahalasana e!!hikapa hahita ny vaniny anie ianao ry NENY fanavotam-pirenena,ry RENIN’ny malemy tsy mba mahay miady,ho RENY tena tia sy miaro ireo kamboty no ho tonga eo @ toerana izay efa miandry anao…

  2. azafady fa ohatrany hadino lay tena votoatindresaka fa dia mirary soa ho an’i BEBE RAZAY e! hahazo hery anie izy hanatrika ty fandresena miezinezina zay efa henoko sahady ny anjomara.Dia mirary soa ho anareo mianakavy e,ANDRIAMANITRA manan-karem-pahasoavana anie homba anareo minakavy.

  3. Misaotra betsaka antsika katolika, fiangonana ekar Antanimena, nandray izany fanompoam-pivavahana fitrotroana am-bavaka ny fianakaviana Ravalomanana sy bebe Razay izany.
    Efa manomboka ny fampihavanana ataon’ny FFKM raha izany no fandehany. Io ihany no làlana hahafahantsika,malagasy samy malagasy, mifamela, mihavana ary mifankatia.
    Mirary koa raha mirary ny tenanay mba hahatontosa soamantsara ny andrikiny sy ny adidiny ny FFKM!

  4. Voan’ny déception ve itony:
    « Andry Rajoelina s’est envolé ce soir pour le Vatican
    Audience papale en vue ce Vendredi »

    sa inona no dikany ô ry Odon Razanak an!

  5. tsy misy hafatsy ny vavaka ihany fa izany no manova zabatra, mba aelezo ny vaovao fa maro nge ny olona no mazoto hiaramivavaka e! tsy omby ireny fiangonana irenèy raha maheno n,y tia tanindrazana rehetra. Homba antsika anie Andriamanitra

  6. Il faut un envoi massif de lettre contre une reception par le pape d’un representant de Fat et surtout du Phat.

  7. Tahaky ny ahoana ny tsiron’izany vavaka izany ry Raozy ? Masira sa mamy sa mangidy aloha ?

  8. Ary nankaiza ny sasany ry zareo, toa tsy hita ?

    Ho anareo katôlika, ilay Mgr Barbarin ao Lyon no tokony androatanareo. Sady akain’ilay Papa Fransoâ no mahafantatra tsara an’i Madagasikara sy ny zava-manjoa azy ankehitriny !

  9. La candidature de Madame Lalao Ravalomanana serait compromise ; des arriérés d’impôts du Groupe TIKO non payés en seraient une des principales raisons.

    http://www.tananews.com/2013/04/candidature-de-lalao-ravalomanana-un-blocage-au-niveau-de-la-delivrance-de-letat-211-bis/

    Fanontaniana mipetraka amin’ilay ramatoa « mpiaro an’Andriamatoa prezidà sy ny fanany » :
    Inona no hevitrao momban’izao fanalikàna ataon’ny governemanta malagasy izao ? Aza adino fa ao anatin’io governemanta io ianareo !
    Rehefa avy nopotehan’ny sasany ilay oron’asa, ary mbola tsy navela HIASA IHANY KOA, dia izao lazaina fa TSY NANDOA HETRA SY TSY ARA-DALÀNA !!

    Nandritr’izay fotoana nihidiranareo tao anatin’io rafitry io (ary andraisanareo mihaotry ny 45 millions isam-bolana ary 120 millions aza ny an’ny sasany), mba tonga tao an-dohanareo daholo ve fa hiafara amin’izao ny raharaha, sa efa fantatrareo fa mody nangiana fotsiny ianareo ?

    RAHA MBOLA HANGIANA AMIN’IZAO HETRAKETRAKA IZAO NY VAHOAKA MALAGASY, DIA MARINA ILAY VOALAZAN’ILAY FATMA SAMOURA !

    Aza misy manantena fitoniana sy fiainana hilamina izany eo ! Herim-po very maina, na tena fika manara-penitra ny an-dry zareo FFKM, FFM, SEFAFI, ….sns !
    Tsy misy iray izay tena mitsinjo ny hoavin’ny Firenena sy ny mponina fa vola, voninahitra ary v..y ihany !!!

    Mpanongam-panjakàna sy mpamono olona aza avela hirotsaka, dia olona niaran’ny sotasota indray no toa raisina ho dahalo !
    Aiza ny valin’ny fitoriana nataon’ny TIKO ? Nisy ankety natao ve momban’ny fanapotehana an’io orinasa io tamin’ireny 26 sy 27 janvie 2009 ireny ?

    Tompon’andraikitra goavana amin’izao ianao r’Ingahy filohan’ny CES sady HCC ; ary tsy izay resaka « sary naderaderan’ny sasany taminao » no hampiova hevitra ny vahoaka raha ny fahadisoana ataonao no dinihina !!

  10. Eto foana KM!Mba mety ho azo ve ny adiresin’io Mgr Barbarin io, azafady?

    Tokony ho fantatra ihany koa fa TIKO dia Andriamatoa Marc Ravalomanana no tompony fa tsy Ramatoa Lalao Ravalomanana.Tokony hainy i Maitre Hanitra no miaro an’izany?

  11. Tena vitan’i Neny io, eto dia hisaorana manokana ny mpanaogazetin’i mydago manao hoe « ny kandidà Ravalomanana Lalao Rakotonirainy » ary atao tandra vadi-koditra mihitsy io anarana hoe RAVALOMANANA io mandritra ny fampielezan-kevitra.
    Tena mety mihitsy aloha ny fihetsik’i Lalao RAVALOMANANA ary tena misy fifandraisanana tsara mihitsy. Tsy hitako mihitsy @ ireo foza ireo na i Rajoelina aza mety handresy azy raha ilay hoe anarana RAVALOMANANA no entiny. I Rajoelina mantsy toa hoe hiltsaka tampoka hono ka ireo foza namany ireo dia marono hanohana azy. Izy rehetra miraka 5%. Ny an’i Lalao Ravalomanana mbola tsy voaisa akory ny vato rehetra dia efa fsntatra fa handresy izy raha manao fampielzan-kevitra tsara isika, ary tsy misy halatra ny fifidianana.

  12. Ankaotry ny feon’ny vahoaka malagasy, dia mila mihaino ny feon’ny fieritreretana ny mpiasam-panjakàna malagasy ! Tsy tokony hanaiky anjambany fotsiny izay baiko rehetra mandika Lalàna, baiko omen’ny mpanongana !

    Ny vaovao farany dia toa hoe noraisina ihany ilay dosie, fa dia miandry ny valiny isika !
    Ny tao-trano dia tsy vitan’ny irery ê !

    Ratsimilaho,
    Ilay adiresiny dia tsy haiko (mail), fa jereo ao amin’ny site-n’ny lyon.catholique.fr !

  13. KM.
    Maka tahaka ny fitenin’i Dada ianao izany.
    Ny @ ireo lisitra ireo dia mbola lalao Rakotoniariny ihany no nosoran’ny TNN. Fa aizo ahitana ny « RAVALOMANANA Lalaoharivelo RAKOTONIRAINY » ? Araka ny hevitro dia tokony hatao hoe « Lalao RAVALOMANANA Rakotonirainy » Satris ilay hoe lalao Ravalomanana dia mandredona kokoa, ary atao sora-bavety ilay anaran’i Dada.

  14. LAZALAZAO,
    Maka tahaka an’i Dada angaha ? Dingana kely iray fotsiny aloha izay no vita, dia mba mifaly ê ! Santatra ambava-rano fa ny manetsa be, mbola miandry ny asan’ny rehetra !

    Nanao fanambaràna Ingahy Rakotoarivelo fa tsy hirotsaka, « dont acte » hoy ny sasany ! Nanao ny tokony ataony i Madama Ravalomanana ; anjaran’ Ingahy Rakotoarivelo izao no mandravona SY MANADIO ny antoko TIM raha « tanity » ka vonona marina ny tenany hanampy ny kandidà-ntsika !

    Atramin’izao aloha dia na ny resaka haino aman-jery, na ny gadra sns..dia mbola any anati-kibon’ny omby ! Ny fikan’ny foza mantsy dia ataony izay aha-ela ny famoahana an’ireo, indrindra ny haino aman-jery ; amin’izay dia hoe tsy ho tafa-tsangana vetivety ary tsy afaka ampiasaina na MBS na Radio Fahazavàna, sns… ! Izany dia mila takiana maika fa tsy tokony ho faly sy hiraviravy tanana fotsiny ireo ao anatin’ilay sistema !
    Eo no mihiditra ilay resaka com notsindrianao tato !

    Valin’ny fanontanianao koa ! Mbola miandry ny tena info !

    http://www.madagascar-tim.org/forum/read.php?1,781244

  15. Faute b njay fa tsy candidat i Mamy Rakoto ?
    Mapikotana an Maitre Hanitra njay refa ts n-poinsa an ??! @ Facebook naika no mapseo vangi ! ah ah ah !Pams iny rleri a !

  16. Tsy vitan’izay faly aho ray olona fa tena sambatra
    tsy inona no mahasambatra ahy fa ilay firaisan-kina, ilay soa toavina
    ny sisa tsy maninona fa aleo hanara-po tsara izay mbola tsy voky sy tsy mahalala honona ,
    efa fantatra izao fa nahazo hery ny GASY ary tsy misy mihemotra intsony eo.
    Ary maninona no tsy atao @ fiangonana iray fa afindrafindra foana ???MATAWATSA VE????maika fa ..
    ranomasinaaaaa????mbola tsy nanao fampieleza-kevitra in-1 mandeha akory Neny, sao dia be ny ho
    LASA ADALA raha izao no mitohy???ary rahoviana no hanomboka hono fa efa tena tsindrin-daona izahay???

    Aza msy miasa loha @’izay anaran’i Neny any fa ny HANAKONANA FARAn’IZAY TRATRA AN’IO NO HILAIn’I
    FOZA SY NY MPITATY RA-KENA fa tsy ry zareo no narotsak’I dada.
    Rarahian’iza inona ity kotovelo na hirotsaka na tsia hono????TSY MISY HIFIDY IZAY JODASY SY ZANA-BARATRA
    IRENY EO AKORY na akolafy dada aza, MBAY TANY FA MAIMBO FOZA e!!!sady mba inona no vitany teo, ankoatra
    ny famantsiana ny sezan’i domelina?????MIAKAPOKAPOKA!!!tsy aleoko lavitra aza i Ramatoa NAIKA mba misy hazon-damosina

  17. Izany no DABA SAHAZA NY NENINAY FA TSY IRENY TÔNABILA
    halatra ireny , MITOVY NY DABATSIKA RY NENY a! na ny lokony na ny marika hihihiii
    Manjabe !!!!

  18. Toa tsy hitako ilay nosoratako farany omaly ? Enga anie fotsiny, ka mba nanam-potoana namakiana an’ilay izy ilay ngama ! MDR !!

    Faly izany ranavalona fa tsy manjetoka intsony ? Izaho omaly efa tsy nitsahatra nitady an’ilay bibikely « mpanondro » !
    Mbola betsaka ny asa tsy vita ê ! Tsy ho vita izany rahatoa ka tsy misy fitaovana !
    Raha tena governemanta TSY MITANILA IO, efa tokony mba nanao na manao valan-dresaka ao amin’ny TVM na RNM ny kandidà-ntsika !
    Efa tamin’ny faran’ny 2011 no tokony nisokatra ny MBS !

  19. Efa mihetsika tsimoramora ny ekipa eto am tanana raha ny fahitanay azy,fa tena mila koa ny hery rehetra sy ny hevitra rehetra avy any amintsika any am pitan’ny riaka e!ny mombany tim ry zareo dia avelao ho an’draharinaivo any a,tsy maintsy efa misy zavatra hafa tsara kokoa hasolo an’iny fa miandry kely e,ny tena zava dehibe izao dia ny hoe manana candidate isika,vonona isika rehetra hiasa mafy ,hiasa tsara ,hampandany azy ho filoha dia wait and see(izay leaders ny mouvance tsy nahavita azy tsy raharahiantsika intsony!)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *