NY TANJONTSIKA VOALOHANY DIA MODY ETO NY FILOHA RAVALOMANANA MARC

IMG_8941

IMG_8941Nitohy teny amin’ny kianjan’ny finoana Behoririka androany ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana. Toy ny mahazatra dia nisy hatrany ny kabary nataon’ireo mpitarika tonga teny an-toerana. Anisan’ny nandray fitenenana tamin’izany ny Ct Ravelonanosy Mamy Tiana. Nisy hoy izy ny maraina teo ny fanentanana nataon’ny Ankolafy Ravalomanana tany Andramasina. Rehefa namory ny tomponandraikitra tany izahay dia ny hetahetan’izy ireo dia ny hoe izahay dia maniry ny kandida avy amin’ny filoha Ravalomanana Marc,. Ary handresy isika. Ankoatra izay dia nambarany fa ao anatin’ny politika tena mafana vay isika na ato anatiny na ivelany. Ny antony hoy ity mpanao politika ity dia te ho fidiana foana ny malagasy. Marina hoy izy ny tenin’ilay namana manao hoe lasa « recto verso » izy ity, izany hoe ilay bileta tokana izany. Ho sahirana isika satria tsy maintsy atao kely dia kely ilay sary, ka eo no mahatonga ny hoe iza no mandeha voalohany ho an’ireo kandida. Ny fitondrana fat hoy Mamy Tiana sy ireo sasany ary ny any ivelany dia niady dia niady tokoa ny amin’ny fampiasana io bileta tokana io nefa ny malagasy tsy mbola zatra azy io. Ny tena marina hoy izy dia olona roa sisa no tokony hampiasana azy io rehefa fihodinana faharoa. Kanefa amin’izay dia mandeha ny kajikajy politika isankarazany. Ny antsika dia tsotra ny tanjona ka ny voalohany amin’izany dia ny famerenana ny filoha Ravalomananana Marc eto, ary ny faharoa dia mba ahafahan’ny malagasy miala amin’izao krizy izao  dia fifidianana demokratika, eken’ny rehetra. Raha izao endriny izao hoy Mamy Tiana dia mbola manjavozavo. Momba ny fampihavanana ataon’ny FFKM dia nambarany fa vao mihetsika ny FFFKM dia misy milaza sahady fa tsy hanatrika izany. Sao ireny olona ireny hoy izy no sakana eto amin’ny firenena. Ny antsika dia mazava fa mody eto ny filoha Ravalomanana Marc vao manao fifidianana. Ny fifidianana dia mifamatotra amin’ny lalàna sy ny tondrozotra. Aiza anefa ireo ankehitriny hoy ity mpanao politika ity, tsy misy mbola tanteraka. Dikan’izany dia mbola misy zavatra tsy milamina eto. Noho izany dia fifidianana mandeha ila no atao eto.

47 pensées sur “NY TANJONTSIKA VOALOHANY DIA MODY ETO NY FILOHA RAVALOMANANA MARC”

  1. Le SALUT DE MADAGASCAR PASSE PAR L ELIMINATION DE RAJOELINA ANDRY.

    Connu par le monde entier ,l’homme « fort «  qui a instauré l’état sans droit ni loi, source de dégradations, dans tous les sens ,morales ,intellectuelles ,économiques, dans le pays .
    L’homme à l’origine d’insécurité toujours croissante à l’origine de souffrance de plusieurs familles ,victimes des voyous produits par l’état Rajoelina ,comme ce dernier qui est fils d’un colonel ,qui n’ a pas entendu des agressions faites par un fils de colonel ici et là et même des délits commis par ses gradés de Rajoelina ou un autre agent de sécurité ?
    Le constat de la déliquescence de la société malgache est flagrante ,cet état de la société Malgache est accompagnée par la pauvreté de la grande masse paralysée psychiquement et denuée de son essence à ne plus pouvoir émmerger pour s’inspirer ,du bien ,de bon sens et de rompre contre le mal qui lui est affligé progressivement ,insidieusement per Rajoelina et son commanditaire .
    Cet état méne à l’extinction même du peuple Malgache ,sans parlé de la dégradation de l’état sanitaire des malgaches ,la diminution de l’espérance de vie .
    Or Force est de constater que Rajoelina et son entourage et sa famille n’a plus d’autres issues que de s’accrocher au pouvoir par la force , qui est entre ses mains ,la force armée bien comblée en échellon et en financement .
    Cet homme qui n’a rien amener au peuple que pacotilles et des gesticulations de façade veut s’imposer comme le plus haut dirigeant du peuple malgache .
    Lui avec sa puissance armée écarte tout concurrent suceptible de lui surpasser ,cet homme trompeur lorsqu’il a remversé le regime légal a enrôlé une foule certe dans la nécéssité dans l’idée de l’instauration de la démocratie .
    En quatre ans ,on sait ce qu’il a fait ,fermeture de stations radio ,arrestation d’ opposants ,torture ,tentatives d’assassinat et assassinat ( cf le révélations du colonel Charles ),..intimidation ,interdicition de reunion publique sans parler des délits économiques ,vente des biens nationaux et autres trafics .
    Il a renversé le régime légal ,il a trompé ses partisans ,il verouille le peuple malgache pourque lui et sa troupe en dirigeant peu reconnu par le monde vit dans l’opulence de l’argent mafieux et sale .

  2. michel vous exagérez! c’est quoi l’extinction du peuple? N’importe quoi!
    Vous parlez comme un français, raisonnez comme un français, inquiet comme un français, bref en VRAI PERDU!
    Madagascar est en crise, mais celle-ci est surmontable car des gens agissent. Pas forcément ceux qui se montrent en avant, comme ravalomanana, mais aussi des Malgaches ordinaires qui essaient de faire abstractions des multiples problèmes que ce problème génère, mais qui continue de travailler à la création de valeurs durables.
    Bref, des gens qui NE VOUS RESSEMBLENT PAS!
    Ce n’est pas parce que l’on pratique une langue, que le contenu, le sens de vos mots soit exempt d’inepties, au pluriel.

  3. « ..dia ny hetahetan’izy ireo dia ny hoe izahay dia maniry ny kandida AVY AMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA MARC » !

    TSSSSSSSSSSSSSSSSSSS !!!!

    Dia faly ianareo satria hoe MANGATAKA OLONA HAFA IZANY NY AVY ANY ANDRAMASINA ???????

    Ny hetahetam-po ry zareo na dia betsaka aza, raha tsy misy ny hetsaka dia tsy ho tonga ho azy eo izay tadiavina â !!

    Tena mankaleo, ka lasa ihany ny saina ry Michel fa dia marina daholo ny voalazanao ! Eo ampelatan’ny olom-bitsy ny hoavy sy ny fiainam-pirenena, fa sendra an’izay vahoaka nifindran’ny domelinaozy daholo !!

    Ry DCR aza itony tena mivaralila mihaotry ny teo aloha !

  4. Io olona io efa VOAKAJIKAJY dia voizina fotsiny moramora ilay FITENY Lesy Kintana a!!
    MAHONENA!!!!!!!raha tsy hisy hilatsaka mantsy eo tsy hisy vola ho azo koa asesika
    VIDINA sns, alentika mafy fa mbola tsy ampy ilay FAHAVOAZANA eeeeeeeeeeeefa inona anefa no MAHAMAY
    rehefa efa fantatra fa TSY MILAMINA ????TSY AZOKO?????ho atao fitaovana indray DADA HANGORONAM-
    BOLA HANAOVANA FIFIDIANANA « FOZA ORANA »  » tsy izy e! »dia atao tery vaimanta, te hifidy ny lohany nefa
    MATAHOTRA NY MASONY.
    ASAKASAKAO DADA RAHA HANAIKY HO HATAO FITAOVANA LAVA EO IANAO NEFA NY FAHATAHORANA
    ANAO EFA HANDIFITRA NY TRANO-BE ANDRY ZAREO TSIRAIRAY AVY, noho ilay RATSY ATaO FOTSINY
    ANEFA, aleo TSY MISY TOY IZAY HANAN-DRATSY.

  5. Efa manao paik’adin’ny FOZA koa e!! VIDINA ILAY OLONA HITENY
    SADY IZY NO MIFIDY IZAY HO TENENINA tssssssssssssdssssssds
    Izany no hisolo an’i DADA ve tompoko ????MANALABARAKA kosa kah!!!REHEFA TSY IANAO DADA DIA
    ALEO IHANY HIJANONA ALOHA a!!!tsy ianao no hatao pasipaoro sy tohatra hanakarana ny FOZA SANATRIA,
    AVELAO IZAHAY HIAFY @’IZAO RY DADA rehefa tsy avelany ianao fa AMPY NY FITAKA SY LAINGA EFA
    NIAINANA NANDRITRA IZAY 4 taona mahery izay .

  6. Ary mba inona moa ireto GTT mitaky ny fanantanterana ny FEUILLE DE ROUTE nefa teo aloha dia be vava hoe tsy tokony hiditra système ? an ? inona ity vava be nataonareo ?
    Jereo ao @ site GTT Inter fa io indray ny GTT fa mitaky ny fanantanterana ny FDR ????
    Ianareo GTT IDF sy INTER dia efa tsy ilain’i Ravalo intsony fa ny manenjika ny ankolafy no NATAONAREO TEO ka mba aoka manakambo tsy hiteny teny foana fa akombony ny vavanareo.
    jereo http://gtt-international.blogspot.fr/
    AKOMBONY ny VAVANAREO GTTIDF sy INTER

  7. Raha mangina ny GTT , iza no hiteny ? indrinda fa ireo zanakam-pielezana any Frantsa. Ny TGV France anefa dia sady manao fanambarana no manohana, ka ny zanak’i Dada indray ve no ho latsaka @ izany.Ny GTT aza no tena mijoro @ foto-kevitra politika , sady tsy mivadibadika no tsy manao resaka fivavahana. Ny fanakianana ny fidirana tao @ fitondrana dia ny hoe efa fantatra fa tsy ahavita na inona na inona ianareo fa vitsy an’isa, dia mbola niditra ihany ary io tokoa fa tsy no tanterahina ilay tondrozotra nifanarahana…

  8. Ny GTT dia nanohitra dieny amboaloany an’ilay FDR ; dia izao indray vao mitaky any io FDR io
    Ny GTT dia mitady hi commande an’i Ra8 ka izao vao mahatsapa fa diso be ny fihetsiny
    Tsy ny GTT IDF sy INTER iany akory no mpanohitra any andafy fa misy betsaka koa ao
    Ary ireo GTT roa ireo no tena manipaka ny hevitra an’i Ra8
    Mbola niteny indray ireo GTT ireo hoe : Contre la NON candidature an’i Ra8
    Ianareo GTT (roa ireo) ve no mandidy ny filoha Ra8 ?

  9. Tsy Gtt dia tena hita fa foza, na GTT Mimila ! GTT mpamadika tanindrazana !!!

    Matoa ny Gtt tsy nanaiky ny tokony hidirana amin’ilay rafitra dia satria :

    1) Araky ny Accord de Cotonou, dia tsy tokony nandray anjara amin’ny famerenana an’izany atao hoe Firenena tan-dalàna izany akory ny mpanongam-panjakàna.
    2) Ny Filoha Ravalomanana dia tsy nanaiky mihintsy ny « Accord de Maputo » noho io Accord de Cotonou io, ary koa fantany fa tsy hitondra ny Firenena ho any amin’izany hoe ara-dalàna izany ny zava-drehetra. Olona telo no nanao an’izay andresen-dahatra ny Filoha, ary mbola ireo telo ireo ihany, no mbola mitady hitondra ny Firenena any amin’ny kizo.
    3) Koa rehefa ihany natao ny sonia rehetra DIA RARINY RAHA MANGATAKA NY FANANTANTERAHAN’AZY IZAHAY MPIARO NY ARA-DALÀNA ! Tsy asiako resaka ilay fihaonana baolina an-kitra hoe Fair-play, satria efa toa izany foana ny fandehan’ny raharaha ; manaiky hifanandrina kanefa fatoran’ny olona ny tongotra roa, dia faly satria hoe eny ambony terrain !

    Raiso amin’izay tianareo andraisan’azy ny raharaha, na mandidy ireo GTT ireo na tsia, fa ny ahy, fandraisan’anjara amin’ny fiarovana an’io Tanindrazanay io no ataoko eto, fa tsy hanampy ny sasany handetik’azy any anaty lavaka, na koa hamita-bahoaka !!

    Gtt contre la NON candidature de Ra8 ??? Rehefa tsy mahay teny frantsay dia ataovy teny gasy ny fanontaniana !! Miverena mianatra rehefa tsy takatrao izany hoe double négation izany !! Inona no maha ratsy an’izany, rahatoa mazoto hilatsaka ny Filoha ? Ary izany firotsahana izany koa no angatahan’ny vahoaka malagasy sy andrasany ! Atramin’izao aloha dia noteren’ny Firenena vahiny izy tsy horotsaka ; ary ny tena mampalahelo dia ireo lazaina fa mpitarika ao amin’ny movanasa tsy mba nanentana ny vahoaka akory, HITSANGANA SY HANDAHA AN’IZANY FITSABAHANA AMIN’NY RAHARAHAM-PIRENENA MALAGASY IZANY !
    Toa ry zareo indray aza no nibitaka voalohany, satria izay no nandrasana sy notadiavina tetsy sy teroa atramin’izay !

    Betsaka ny zavatra fantatra fa tsy navoaka atramin’izay ! Ho hita ny vokatry ny fihaonana rahampitso, fa ny fantatra aloha, dia tsy afaka hamahan-dalitra vahoaka intsony na mody manao be marina eo !

  10. Raha mbola tsy tafiditra ao an-tsain’ny rehetra ihany hoe :
    Ny fodian’i Dada no zavatra voalohany HEZAHINA ho tanterahana, dia efa Tena tsy afaka ny hanana saina handinika INTSONY ny Malagasy.

    Fa mba misy zavatra ROA tiako hambara eto, ary zavatra tsy dia tsara loatra ho an’izay mihevitra ho Zanak’i Dada rehetra :

    1) Manao azafady @ tsiariray, fa raha ny tena marina dia efa HEZAKA ny manohy manoratra eto satria, TOA ny omaly tsy miova hatrany hatrany.
    TOA voatery satria ny zvatra tena mampalahelo dia mihevitra aho ( AZAFADY INDRINDRA ry MyDago ), fa eto no ataon’ireo « Mpanakorontana ny Firaisan-kina » sehatra, mba hivoizany ny hevitr’ireo te-hanakorontana.
    -Tsy dia tsara loatra ny milaza anaran’ireo Mpanakorontana satria EFA FANTATRY NY BE SY NY MARO,fa dia izy ihany no iriana hatsapa tena.
    -Ny vokatr’izany dia tsy misy fandrosoana eo amin’ny resaka sy fifanakalozan-kevitra fa dia efa ho efa-taona izay no mivoy ny TSY FIRAISANY amin’ny rehetra izy ireo.
    2)
    – Raha tena manohana an’i Dada moa isika rehetra ……

    FIRY amintsika no misoratra ho ao anatin’ny TIM na ny……GTT ?

    Ny fanohanana an’i Dada aloha dia tsy misy kianina, fa mba firy no tena manohana ireo Vondrona TIM sy…..GTT ireo ?
    Ny pli-vava aloha dia samy manao daholo. NY fitiavana an’i Dada ao ihany koa, fa raha mba misy hezaka ireo « MPITARIKA ao amin’ny GTT ROA (lazaina fa nitambatra 😉 ), ireo « Mpitarika TIM » izay TSY MISY TAFIDITRA hafa-tsy ireo « Mpitarika AO ».


    Izaho akory tsy milaza hoe tsy mihezaka izy ireo , fa raha mba misy olona te hanampy ny ao aminy, dia « RAOKA ALIKA SISA » hoy PSD izay no atao ireny olona ireny.

    Mbola mamerina ny fialan-tsiny ihany aho, fa raha ny FANENJEHANA sy ny FANARATSIANA aloha ny « Gasy » dia tsy hisy haresy azy e ! Ny fialonanana tsy tenenina intsony….


    Farany moa dia misaotra an’i TsyGTT nanome ahy occasion niteny ireo zavatra roa ireo.
    Saika ho ataoko ventin-dresaka tao @ lafy8 izany anefa moa, efa lasa eto ny resaka ka dia miankina amin’ny FO TSY MIATSRA-IVELATSIHY amin’ny rehetra, raha misy fahamarinany izany voalaza izany.

    MAMERINA ihany koa ny Fialan-tsiny amin’i MyDago amin’izany hevitra izany . Misoatra ihany koa manome malalaka alalana handroso hevitra tsy misy olaka.Mankatelina ry MyDago a !


    Mino aho fa mba hisy akony ity resaka ity !!!
    Misaotra ny rehetra mamaky !

  11. Tsy tolona intsony ry Njara no atao amin’izao fotoana, fa ADY â ! Ady atao amin’ny tsy rariny, ady atao mba handresena ny mpanongam-panjakàna sy ny namany !

    Tsy mbola nisy fivorian’ny atao hoe « Haut commandement militaire », ka avela hanatrika daholo izao bodo sy adala rehetra izao !

    Ny zavatra hita ary tena marina, dia rehefa misy fivoriana sy hetsika atao, dia tsy maintsy misy olona tsy mazava saina sy foza foana, tonga manatrika ao !
    Mba misy ankety koa anie atao momban’izay olona miaraka amin’ireo mpitolona ê ! Tsy izay rehetra milaza ny tenany ho mpitolona, dia raisina daholo !

    Ny tsy fanaovana an’izany dia midika fa tsy ampy ny traikefa, tsy lavorary ny fahaiza-mitolona !
    Ny tena mampalahelo dia MORA MAMADIKA NY GASY REHEFA TSY MAHAZO EO NO EO, IZAY TADIAVINY !! MAHONENA HOY RANAVALONA IZAY !!

  12. Efa tratra izao fa tsy nety ny fiaingan’i Gtt IDF sy Inter satria tsy mankasitraka ny nanaovana sonia ny FDR nefa izao mitaky ny FDR indray
    jereo nareo ity mba fiaingany
    Tsy ianareo GTT ireo akory no andeha mandidy an’i Ra8 , Efa rakatra izao

  13. Raha mbola malagasy tia tanindrazana, dia tokony tsy nankasitraka ny fanaovan-tsonia iny ! Voalohany tamin’izany ny Filoha Ravalomanana, fa dia NOFITAHIN’NY SASANY TSOTRA IZAO ! NATAO DEVANT LES FAITS ACCOMPLIS NY FILOHA !!

    Hoy ny Filoha Ravalomanana :
    Hitanareo ny varavarana nihidirana ( nataonareo ny sonia ), tokony ho hitanareo ny varavarana hivoahana ( mialà rehefa hitanareo fa tsy manaraka an’izay nifanekena ny mpanongana ) !!

    Izahay tsy mandrevy mpanongam-panjakàna ( tsy hifarana anio na rahampitso ny tantaran’ny malagasy ) ; tsy mandrevy ihany koa mpamosavy malemy, mpamita-bahoaka sy mpamadika ary mpivarotra tanindrazana ! Point barre !

  14. La rumeur du vendredi : décès de Didier Ratsiraka ?
    12/04/2013

    Aucune confirmation nulle part.
    Ni infirmation non plus.

    La Fin du Grand Marionnettiste …??
    Si cette annonce est confirmée …
    Rajoelina et son équipe vont se sentir bien seuls au Monde
    vraiment pas de chance pour le poulain de Ratsiraka
    et si c’était lui qui était derriere toute cette Crise …?
    depuis le début
    le grand stratège …

    mes Condoléances à la Famille
    on reste courtois …

    La France perd son fidèle allié
    Fin de la Françafrique à Madagascar …

  15. Raha nanao ny tsy nety teo i Rakotoarivelo dia efa tsy azo tazomina otran’i Yves Aimé sy i Raharinaivo Vakitampona.
    Fa ny GTT dia nanao fisainana TIM BORNé ka tsy natakatra firy tamin’ny voalohany ka izao vao hoe FDR aho e FDR aho e
    Ary tsy nanakana ny FDR i Ra8 satria tsy ho i Ra8 akory ny sakana fa i Rajoelina izao hita ankehitriny izao
    mba misaina kely kintanamanandrambo BOTA KELY a

  16. Hello Sapa !
    Tout va bien ! à condition que le conclave nous amène de l’oxygène !!! 😉
    Suis ravi que tu viennes voir ici de temps en temps !!! Dommage que tu ne puisses comprendre le malgache……totalement ! 😉

    Au fait !
    Je ne t’apprends rien surement, en te disant que l’EMMONAT, (et non l’EMMOREG) réclame 7 milliards d’ariary à qui ?…..à l’Etat ou à …..TGV, je n’en sais rien.
    Mais l’essentiel est de savoir , à quel titre ????
    Est ce en prevision des elections ?
    ou
    est ce pour …..FOMENTER un emprisonnement du President M.Ravalomanana ?
    TGV en est bien capable, car il sait bien, que plus rien ne peut enpecher la venue de Ra8.
    J’opte pour cette deuxieme supposition car : Créer un semblan,t de desordreet……et Hop, ils foutent Ra8 en tole.
    Mais tout cela n’est que supposition . MAIS ON NE SAIT JAMAIS avec les voyous en face !
    Bonne journée Sapa ! au plaisir de te lire ! Tu sais où me joindre 😉

  17. TsyGTT>
    Izaho aloha ry lery dia GTT iringiriny be.
    Hitan’ialahy hatramin’ny voalohany (Mars 2009)ny tolona nataon’ny GTT koa raha tsy nifanaraka amin’ny toetsain’ialahy ,tsy misy quoi akory izany.
    Fa mba ampisehoy kosa izay vitan’ialahy io depuis mars 2009,ho jerena fa aza faly mitsikera fotsiny.
    Soa ihany fa mbola misy ny tena Tia Tanindrazana misera eto amin’ity tranonkala ity far raha tsy izany
    dia tsy hisy atoraka intsony ireo mpitaty rà-…tatatra angamba no filaza azy.
    Asa raha tsikaritrareo fa rehefa mafampàna ny toe-draharaha, dia misy mitady hanodina amina sujets hafa ireo naman’ny foza, na sujet efa lany andro no mody arosony (ohatra I DCR sy ilay namany,nomeny madio be).

  18. @Gttb sy Tsy Gtt !

    Raha TIM sy « Gtt roa » ao Paris aloha dia miala tsiny ny tenako fa tsy dia mba mazoto
    loatra ny hisoratra amin’ireo aho e ! Fa izany hevitro manokana ihany .
    Fa raha Gtt- LAREUNION kosa dia ekeko fa tena mihetsika sy manao izay mety. Ny any Zamerika tsy dia aiko loatra.




    Ny tena olana anie r’izareo dia izao e :

    AOKA MBA SAMY HISORATRA raha …TENA IZY (antsoina ny Gtt sy TIM mba hanao antso avo , hisoratan’izay vonona amin’izany ),

    fa na inona na inona dia mamporisika hatrany ny FITAMBARAN’ireo VONDRONA IREO , mba hanohana an’i Dada !

    Resaka fanakorontanana ny hoe : Fianakavian’i Hanitra no betsaka . Vavan’ny maty eritreritra no betsaka fa efa tsy misy aroso amin’ny hevitra. Vokisan’ny Foza ny lohan’ny marivo salosana dia raikitra ao tokoa !
    Toa tsy mbola mazava ihany ny hoe : MIRAY HINA hatramin’izao. Dia marina tokoa ny nolazain’i Dada, fa sarotra ny hanova ny sain’ny « Gasy ».

  19. Aie aie aie ! le couteau dans la plaie !!!

    Vahao ny olana ary e ?! Sa rehefa sarotra dia samy miala sehatra ???
    Mba tiako hazava tsara :
    Tsy manohitra ny TIM na Gtt aho, fa mitsikera ny zavatra tsy mety, mba hirosoana sy HIRAISANA !

  20. Njara> Inona moa no ataonao hoe “MIRAY HINA”?
    Raha ny fahazoko azy dia manaraka izay nolazain’ny Filoha Ravalomanana!
    Hoy izy hoe:”Rehefa tafaverina eto Madagasikara aho, izay vao hanendry ny candidat-ny mouvance Ravalomanana”.
    Mahagaga fa ny olona tianareo hotahanana anefa dia miziriziry ny andeha andresy lahatra azy any Afika Atsimo!!!!!!Aiza ary ilay “MIRAY HINA” dradradradrainareo eto?
    Ny GTT mahazo ny sitrakao indray, dia tsy olana izany fa izay maha-devolana ny sainao atao.Rehefa misy firaisankina amin’ny tena tanjona dia izay no iriana: MADAGASIKARA AFAKA EO AMBANIN’NY ZIOGAN’NY MPANANJANTANY.

  21. @ Gttb,

    Ireo solotena Nankany ireo tsy olona NANONDRO TENA hoe ho any fa i Dada no nanafatara azy !
    Aoka mba ho tsaroina izany !!!

    Ny firaisan-kina dradradranay (dradradraiko no tena marina) dia efa nolazain’i Vonifanja ka tsy ho averiko intsony, fa anao no mandinika !( Ny manohana an’i Dada anefa MANAKORONTANA, ary ny manohana an’i Dada kanefa enjehina andro aman’alina)

    Fa angaha moa i Dada olona tsy mandinika sy mandalina no heo :Tonga any ireo olona ireoHANDRESY LAHATRA azy ? Ary Tsy olona mora mivadi-dresaka toy ny sasany iny, ka hihinana ny vato mafana atolotra azy.
    – Mba tsarovy re fa, mbola i Dada no MITANTANA e !
    Raha misy olona lazaina fa mitady handresy lahatra azy, dia heveriko fa araka ny maha filoha MANAPAKA AZY, dia izy no mahita izy hotapahiny.
    – Tsy fahatokisana azy matoa miteny hoe : azo resena lahatra izy. 😉

    Resak tsy mitombona mihitsy izany resaka hoe handresy lahatra azy izany, satria na ny ainy aza anie dia izy mahalala bebe kokoa ny vokatr’izay tapahiny e ! Tsy izay hevitr’ireo olona nandeha any ireo akory no hanova azy ! raha araka ny fiheverako, fa ny mety HAMPIOVA azy, dia ny ho fahatsapany fa TSY MAHATOKY AZY NY OLONA …….NOHEVERINA…… fa azo atokisana. Noho izany izy no mahalala fa tsy mila olona handresy lahatra azy izany eo !
    Ary aiza moa ireo porofo fa handresy lahatra ireo olona ireo !
    Ary olona iray sa izy rehetra ???
    Ny tena marina ry GTTb dia izao a : Samy matahotra daholo izay ratsy mety hiseho, ka mandefa fisainana any amin’ny Diso rehetra, ka mora korontan’ny olona, averiko indray , marivo salosana.


    Aoka mba hisy fahatokisana sy fanohanana re e! Ampiaraho amin’izany ny FIRAISAN-KINA !!! 🙂

    Ny olana ihany koa hoy aho, dia io efa nolazaiko io :


    Samy TIM sy GTT tsy fantatra na maty na velona daholo ny mpanohana, fa samy mandeha samy mitady, tsy misy Firaisana, fa ny fanenjehana sy fanaratsiana no betsaka.

    Midera an’i Me RAZAFIMANATSOA SY MAMY RAKOTOARIVELO hatrany . 😉

  22. Indro kely :
    Izao ahay mba resaka handrosoana, na somary mikorontana kely aza !!! 😉

    Misy teny efa nataoko teto hoe :
    Raha ny sary sy wawan’ny gazety etsy sy eroa no entina hanarahana ny fandehan’ny politika……malagasy….dia tsy hisy ala-olona ho hita akory eto !
    – ny an’ny sasany mantsy dia sary no hitondràny hitsikeràna sy hanaratsiana.
    Izany mba manao analyse hoe , fa naninona no nanao izao na izao Mamy Rakotoarivelo, dia ny hanaratsy no tonga voalohany, fa tsy mba ny fandinihana alohan’ny fanaratsiana.
    Miampy ny kobaka am-bava ataon’ny Foza dia roboka ao .

  23. « Tsy manohitra ny TIM na Gtt aho, fa mitsikera ny zavatra tsy mety » !!!!!!
    « Vahao ny olana ary ê » !!! Iza no nanao sonia ??? Moramora ny milaza an’izany rehefa tsy tafa ! Hoy ilay hira izay raha tsy diso ny tenako, manao hoe : »Tsy noterena ianao, tsy novozoinana koa, fa ao antinao ao ny…. » ! Sa….???

    Iza no nanisa andro, ka nilaza hoe tsy ho ela fa fito andro sisa dia ho tonga i Dada ? Iza no nilaza fa tsy miraharaha an’izay VOLA KELY AZO AMIN’NY MAHA CST ?

    – Tsy rehefa milaza ny tenany ho TIM dia mpanara-dalàna, maro ireo namadika satria KELY SAINA !
    – Tsy rehefa milaza ny tenany ho GTT dia TENA tia tanindrazana, ary indrindra mpiaro mafy an’izany hoe Firenena tan-dalàna !
    Tsy ho tanisaina eto ireo mitomany ho vazaha noho ny vazaha !
    – Ny raharaha pôlitika dia betsaka no milaza fa hoe raharaha maloto ! Mety marina izany raha ny zava-miseho no dinihina, fa rahatoa ka mbola tsy mitoetra ao amin’ny fo sy ny sain’ny vahoaka ny fitakiana an’izany hoe fahamarinana izany, iza intsony no azo hianteherana ? Ireo nomena andraikitra aza toa lasa jiolahy lavitra noho ireo nanongam-panjakàna ary lazaina fa tsy olo-mendrika ?

    Mba lanjalanjao ihany hoy aho, ny fihetsikao Raviky â !

    Ny hitsikitsika tsy mandidihy foana hoy ny ntaolo, ary ny adala no tsy hanarina ! Aza dia toy ny tsipolitra ka miantsampitsampy, ka manakifikifika ny olon-tiana, rahatoa ka tena TIANA !

    « Respect mutuel » hoy ianao izay ? Ho re-nao sy ho hitanao tsy ho ela ny vokatry ny adalan’ny rehetra izay MARIVO SALOSANA !!

    Tsy misy izay tsy mahafantatra fa ireo izay lazaina fa mpitarika, dia miara-misakafo matetika (ary au sens propre qu’au figuré hoy ny sasany ) amin’ireo mpamadika ! Ny vahoaka no lasa hoe « dindon de la farce » !
    Misy ireo manana fisainam-poza na tena foza mihintsy aza manodidina ny tena, fa tsy mifendro amin’izany ny aty !
    Sahy ary tsy menatra mijery ny tavany isan’andro, amin’ny fitaratra !

    Constat général, 19 mois après avoir signé ladite Feuille de route :
    – Des foza qui n’ont pas honte de se comporter comme de vrais envahisseurs et prédateurs !
    – Des CT, CST et ministres quasi-complices, qui vivent très bien, plus que très bien ; un peuple affamé et opprimé, et qui vit désormais dans la terreur !
    – Une feuille de route, signée MAIS non appliquée !
    – Et le comble, des soi-disant représentants de la majorité, qui acceptent sans rechigner, tout ce que les putschistes avancent ou proposent !

  24. VONON-KANOHY HATRANY HIARAKA – HIASA AMIN’NY FILOHAN’NY FIRENENA RAVALOMANA MARC ISIKA MBA HAMPANDROSOANA NY FIRENENA SY HAMPANJARIANA NY MALAGASY EO AMIN’NY OLOMBELONA!
    Nahatsikaritra sy naharaka tsara ny fanenjehana ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC ny Vahoaka Malagasy izay niara-niasa sy nitolona tamin’ny ady nataon nanafohanana ny Fahantrana teto amin’ny Firenena..
    Inona moa antony nanenjehana ny Filohan’ny Firenena tamin’izany ?
    Satria nahomby ny ady ; ny asa nisikinana niaraka tamin’ny Vahoaka izay namohana ny frenena tao anatin’ny fahantrana isam-batan’olona sy ny fahataran’ny toekarena izay niteraka asa ho an’ny Malagasy ,toa ny tsy firaharahiana ny fiainan’ny Tantsaha ,izay nahavadika bainga betsaka noho ny finiavan’ny Filohan’ny Firenena izay nino fa mahavokatra ny Tantsaha raha ampiana sy tohanana.ara-bola , ara-technique..
    Niteraka fivoharana sy fandrosoana teo amin’ny fiainan’ny Malagasy ny tetika naroson’ny Filohan’ny Firenena ,izay narahan’ny mponina..
    Nisy fifankazahoana tamin’ny Vahoaka sy ny Filohan’ny Firenena ,ary niteraka toky nampiray tanteraka ny Filoha nofinidin’ny Vahoaka sy nt Vahoaka nifidy ,nahatsiaro fa nantanteraka tokoa izay nambarany ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC ,izay nitana ny teniny…
    Ny fanonganam-panjakana ary nanosika ny Filoha nisitaka tany ivelany dia namafa io firaisana io fa toa vao mainka aza nanamafy ny fatorana aran-tsaina ,ara-po ,ara-panahy nisy tamin’izy roroa..Eken’ny Malagasy fa ny politique nitondrana ny fampandrosoana ny Firenena ara-toe-karena (ny fanamboran-dalàna , ny fizahana sy ny famokarana ireo harena amanin’ny tany , ny fizahan-tany..),ara-tsosialy (ny fampianarana isan’ambaratonga ,ny fanabeazana mikasika ny olon-dehibe ,ny fahasalama-bahoaka ,ny fanatsarana ny fianan’ny Vahoaka tamin’ny alalan’ny famokarana sy fanaparitahana eran’ny Nosy ireo kojakoja-tsakafo(ppn) ilain’ny Malagasy ,ary niem-bidy no sady nisondrotra koa ny fahefan’ny Malagasy mividy (augmentation du pouvoir d’achat)..
    Fantatry sy tsy adinon’ny Malagasy izany dingana lehibe niezahan’ny Filohan’ny Firenena mba
    anjarariana sy hampandroso ny Malagasy eo amin’ny lafin’ny mahaolombelona..
    ary nandritr’izay efa taona izay , mety ho nihena ny heri-batana , mety naka toerana ny hakiviana fa kosa ny finoana sy ny fanantenana ny fihaonana amin’ny Filohan’ny Firenana RAVALOMAMANANA MARC dia tsy voafafa fa toa nitombo aza , raha mijery ny hamaroan’ny olona tonga mihaino ny Filoha miteny an-téléphone any amin’ireo tanàna maro vangiany !
    Manka hery Antsika izany ary koa mampitombo ny hetahetan’ny Filohan’ny Firenena hiverina aingana Antanndrazana mba hahazoany manohy ny asa fapandrosoana sy asa -panarenana ny Firenena miaraka amin’ny Malagasy izay tia sy matoky azy..
    Aoka Isika tsy hiroaroa saina ary tsy hihaino ireo mpanely tsaho hanakorontanana ny firaisana misy ao amin’ny ankolafy..Misy koa mitady hampiady ny Filohan’ny Firenena amin’ireo oloa notendreny mpitondra ny ankolafy ankehitriny: NY FILOHAN’NY FIRENENA RAVALOMANANA MARC NO NIANTSO AZY IREO MIARAKA AMIN’IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY CT ,CST ,SY IREO MINISTRA ARY NY PRAIMINISTRA BOTOZAZA..!
    NY FILOHAN’NY FIRENENA RAVALOMANANA MARC DIA MAHATOKY NY ASA ATAON’NY SADC,
    ISIKA DIA MAHATOKY NY FILOHA RAVALOMANANA MARC !
    Ireo izay milaza fa tsy manao na inona nainona ny SADC dia na mandainga na tsy maharaka ny fizotran’ny fampiraharahana sahanin’ny SADC izy ireo…
    Koa hatanjaho ny saintsika ary tohery mafy ireo izay mitady handrebireby Antsika..Tsy tery lalàna ny ratsy ary ireo mihevitra fa fahavalony Isika dia tsy ho faly mahita ny firaisantsika sy ny fahavonantsika..
    NY TOMPO IZAY MAHALALA NY FAHORIANTSIKA ANIE HOMBA ANTSIKA SY HIARO ANTSIKA AMIN’NY RATSY !

  25. Njara> Ny reko aloha dia ny Filoha Ravalomanana no niteny tamin’ny kabariny far aha tsy tonga ao Madagasikara izy, tsy misy candidat hotendrena eo.Tsy niteny mihitsy izy hoe “avia ianareo ato anaty ankolafy mankaty Afrika Atsimo hanomanana paik’ady sy ets……….”Raha manana ny oronam-peo misy izany tenin’ny Filoha izany ianao dia mba avohay eto azafady ho ren’ny be sy ny maro, dia hangiana izahay.Raha tsia kosa, dia aza omena tsiny izahay raha tsy mitovy ny fandraisantsika izany hoe “FIRAISANKINA” izany
    Tadidio tsara ny teniny hoe:” AMPIARO NY TONDROZOTRA”
    Inona no vitan’I Mamy Rakotoarivelo sy Hanitra Razafimanantsoa tamin’izany?Na dia dia hoe pitiny kely fotsiny aza? Tsy izaho aloha no hidera an’ireo olomanganao ireo e!

  26. Ary iza no nahavita ny vitany hatramin’izao ? Raha tsy teo ireo, mba aiza no nisy ity tolona ity amin’izao fotoana ???Mba diniho kely hoe izay ?

    Ary iza ity lazainao ho Raviky ry Ra-Kitanamanandrambo, fa tsy mazava amiko loatra 🙂 ??? Tafahoatra angaha ny kapoaka ???

    Asakasaka izay tsipolitra, fa mba asakasaka izay manaratsy ihany koa, nefa tsy manana porofo hafa tsy ny sary ny fanaraha-maso hoe nisakafo tatsy sy taroa ny Mpitarika. Fa angaha rehefa miara misakafo aminy koa dia hoe miray tsikombakomba aminy ??? Tssss !
    – « Si ce que tuas a dire n’est pas plus beau que le silence, alors…..TAIS TOI » hoy ny ohabolana sinoa !!!

  27. Ny adinon’ny mpilelaka anie dia izao e:
    -tsy fanttr’izy ireo fa misana sy mandinika ny Filoha RAVALOMANANA MARC ,indrindra tao aorian’ny coup d’état…Tsy minomino foana izy..ary tsy adinony fateto Paris no niseho ny asa-boton’ zoarimihaja , secrétaire général ny tim madagascar , izay tsy nanaiky nanaraka ny statut-n’ny tim Paris ka nanao fifidianana sandoka ,halatra tamin’ny 23 août 2007 tao amin’ny salle Madridn’ny FIAP Paris 13èNisy tatitra lavabe nalefako tany amin’ny Filoha RAVALOMANANA MARC izay Président-Fondateur-n’ny TIM MADAGASIKARA !.
    Fantatry ny Filha RAVALOMANANA MARC io fifidianana sandoka io ary dia nesoriny tsy ho secrétaire général-n’ny Tim madagascar ity zoarimihaja..
    Nikorontana ny Tim Paris ary maro izahay nombola Tim fa tsy niaraka intsony tamin’ity tim nptarihan’i émile vazaha sy hélian , izay nanampy an’i zoariihaja..
    Tamin’izany fotoana izany no niforona ny gtt ary anisany namelomaso azy io i hélian,izay niseho sy nihambo ho tanan-kavanan’ny Filoha RAVALOMANANA MARC.
    dia niarahantsika nahita ny gtt , izay nanao  » mouche du coche  » , ka nihazakazaka tetsy sy teroa namoha ny varavarana midanadana novoain’ny ankolafy RAVALOMANANA MARC ( bruxelles , Prétoria ,addis abeba..).Ita tamin’ireo fivorian’ny SADC ireny izy ireo fa taty ivelany..ary ny tsy mahalala moa dia nofahanan’izy ireo lalitra fa ansan’ny délégation izy ireo..
    Dia nisisika hiditra ho mpikambana tao amin’ny Ankolafy RAVALOMANANA MARC ,ary dia niseho teny Magro nanome fots-bary..

    Izay olona na vondron’olona tsy tian’ny tondrozotra dia andevon’ny frantsay ary miray latabatra amin-drajoelina
    Misy fepetra ny fiainana politique eto Madagasikara nandritry ny efa-taona mahery izao dia :

    NY SADC SY NY FEUILLE DE ROUTE NO ANGADY SY AMPINGA ENTINA MIARO NY FIANDRIANAM-PIRENENA SY NY TOBONTSOAN’NY MALAGASY..
    RAHA TSY NISY IZY ROROA IREO DIA EFA NATELIN’NY MPANJANAKA I MADAGASIKARA..!

    NY FILOHAN’NY FIRENENA RAVALOMANANA MARC NO FANALAHIDIN’IZAO KIRIZY IZAO !

  28. Rediredy, quand tu me tiens !!

    Mazava ny tenin’ny Filoha Ravalomanana, raha nihiditra an-tariby tao Bel Air izy androany maraina !
    Mazava ihany koa ny tenin’ireo mpitolona izay nanatrika ny fivoriana, ary nampitandrina an’ireo rehetra izay « handeha » : Na ianareo miverina miarak’aminy, na « mijanòna aloha any mba tsy ho irery izy » rahatoa ka manana fitiavana sy vonona ny hanohan’azy atramin’ny farany ianareo !

    Tsy hisy fifidianana lavorary izany eo rahatoa ka tsy tafaverina ao an-tanindrazana ny Filoha Ravalomanana ! Fiatsaram-belatsia ny fiazakazahana miakatra eny Faravohitra, manontany ny hevitry ny vadin’ny Filoha Ravalomanana !
    Raha fangatahana « tso-drano » no handehanana any, dia NIET NO HO VALIN-TENY !!!

    Aza be resaka ry DCR, fa izao : Les écrits restent et les paroles s’envolent !
    Olona manana farim-pahaizana dokotera izany mba tokony ho olona misaina, fa ny voasoratrao io ambony io dia na fahambanian-tsaina, na tsy fahaizana an’izany hoe resaka pôlitika izany dia mamorona sy manaratsy olona amin’apa no atao !
    Aza mihiditra resaka pôlitika rehefa zavatra tsy hay ! Tsaboy ny saka, voalavo na bibilava, fa raha olom-belona mety hatahorana ihany !

    Amin’ny taonanao izao, dia miomàna satria dokotera hoe ianao ? Ahiako ho tapaka lalan-drà ianao io, ato ato !

    Kôzy ê ! Efa azon’ny rehetra sary ny voasoratrao ! La postérité jugera !

  29. Io indray i DCR mpampandry adrisa fa mody manafangaro ny resaka.Samy mahafantatra izay nataon’ny Filoha Ravalomanana tamin’ny fampandrosoana an’I Madagasikara isika ka aza misahirana mamerimberina izany ianao fa hafa izao ny anton-dresaka urgent!!!
    Tena Mpilelaka an’iza ary izy io????

  30. Tsy itako izay idiran’ny asako amin’ny resaka ataoko eto.
    izay voasoratra dia mipetyraka ary izany no tsy mba anoratako lainga sy tsaho..
    Ireo nosaratako etsy ambony dia tazoniko ary raha ilaina dia haveriko ho an’izay tsy handre ny zava-nis..
    Efa akaiky ny farany ka toa mivahy ny ireo mpitaty ra-kena..
    Tsy dia ianareo no olana satria dia itako izay lanjanareo eo amin’ny resaka miseho eto.
    noho izany dia omora aminareo ny manaratsy izay mitondra teny mamely anare..
    Inona moa ampandriako adrisa !
    Ny marina,, ny seho-javatra misy no tantaraiko..Ary tsy izaho irery no nanatrika izany
    fikafika .
    Be ny zavatra tsy maintsy hazavaina..
    Ny mahina noho ny ratsy nataony no mieazaka manaratsy..
    Ary tsy ianao ry kitanarambo no mitsara ny olona mahazo miresaka paolitika..Fa iza moa ianao ary inona ianao no mba hitsara ny sasany..?
    Ny anaranao aza tsy sahinao tononina..satria ve mora ny manaratsy ao ambadiky ny tamboho..!Quelle bassesse ?

  31. Mba im-piry moa ny Filoha Ravalomanana no mba niantso sy nanontany ny hevitrao, momban’izao fahavoazana mahazo ny vahoaka malagasy izao ry DCR ?

    Tsy ny fandroatanao amin’ity soratra « ngôza be » hoe, NY FILOHAN’NY FIRENENA RAVALOMANANA MARC NO FANALAHIDIN’IZAO KIRIZY IZAO », no ahitàn’ny olona fa tena mpitolona kinga saina sy mahafatram-po ianao !

    Olona, izay anisan’ireo mbola hitokisan’Ingahy Ravalomanana no toa anaovanao enjik’alika lava izao ! Tsy mahagaga raha hatrany amin’ny Forum TIM, Tananews, sns…no leo anao ny mpisera !

    Ny anarako tsy sahiko tononina ? Fa inona no atao hoe Pseudo ?? Ny olona mizahozaho sy vendrana amiko no manome ny anarany ho hitam-bahoaka ! Efa nolazaiko taminao fa rahatoa ka olona tsy misy saina ny mampiasa pseudo, 2 na 3 milliards izahay eran-tany no vendrana sy mampiasa pseudo !

    Bassesse ? Ianao no tena tsy mahay manaja-tena sy mirefarefa amin’ny tany !

    Ianao irery no manan-tsaina tsy mampiasa pseudo, na ato amin’ny Mydago aza ! Solo Razafy izany aza pseudo koa !!

  32. Mba te-hametraka fanontaniana amin’ny REHETRA aho e !

    Raha ity moa ka i Mamy RAKOTOARIVELO NO ATOLOTR’i DADA?
    Satria i Me razafimanantsoa TSY HILATSAKA MIHISTY raha ny fahirako azy.

    DIA MBA AHOANA NY HO FIHETSIKAREO REHETRA ?

    Hifidy sa tsia ??? Hanaraka ny tenin’i Dada sa tsia ????? 🙂

  33. Ny amin’i Dada aloha dia ekena fa izy ihany no voalohan-daharana e !
    FA RAHA………..eo no mba tiako ho fantatra !

  34. Fa nahoana moa no itantarako etsy sy eroa izay resaka ifanaovako amin’ny Filohan’ny Firenena ,raha misy izany..?
    Na mamaky izay lazainao aza mankado !

    Tsy misy fisainana na kely aza fa midingin-drambo fotsiny..ianao !

  35. Mbola mizirizy amin’ny hevitrareo ihany ve ianareo ry Njara sy DCR?
    Toa lasa mpamahan-dalitra mihitsy ianareo!!Mazava ny tenin’ny Filoha androany maraina io an!
    Manaova ihany be marenina ary amporisio tsara ny soavalinareo hanao tsy fanao.

  36. Ka efa hita anie ilay izy fa TSY IZY FA ATAO MBOLETRA fa efa nandray
    VOLAM-POZA TANY ANGAHA na efa nifamahan-DALITRA tany e!!mbola tsy fay
    ihany ilay VOADAKA HOE:  » Domelina no ho filoha dia avy @ dada ny PM » izany no nodradra2n’i Kotovelo
    dia mbola tsy fay ,fa io MIAKAPOKAPOKA io.
    Vao mamindra ianao dia efa hita anie hoe : hoa aiza e!!!
    latsaka koa aho fa hay ve sy « NAHAZO TEHAKA BE » fa vao maika i Dada nanamafy e????HIHIHI!!!aza terena
    oah ilay zavatra. Ary mahavariana fa ilay MPISOLELAKA NO MANASOLELAKA olona eto a???misy hafa @ foza?
    ny ataony no hanendrikendrehany ny HAFA, MAHONENA!!!!tsy ambony tsy mbany ka MITOBAKA BE!!! tsy ahafeno
    inona fa MIAKAPOKAPOKA eeeeeeeeeeeeeee

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *