RAKOTOARIVELO MAMY : NY TAJONTSIKA DIA 1ER TOUR DIA VITA

IMG_0058

IMG_0058Tonga maro teny amin’ny Magro Behoririka androany ny vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana. Tonga teny ihany koa ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy, ny filoha lefitry ny Cst Razafimanatsoa Hanitra, ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana Ruffiine Tsiranana, ary ireo Cst sy Ct sasantsasany. Nanao tatitra ny fihaonan’ny delegasiona tamin’ny filoha Ravalomanana Marc tany Afrika Atsimo izy ireo. Ny filohan’ny Ct Rakotoarivelo Mamy dia namaky ilay fanambarana nataon’ireo antoko politika mandrafitra ny Ankolafy Ravalomanana. Ankoatra izay dia nambarany fa ampahatsorana no ilazako anareo hoy izy fa niteny tamiko ny filoha Ravalomanana Marc hoe fantatro ianao fa manana « ambition » mba te hilatsaka ihany koa. Ny valinteniko hoy izy dia hoe Izaho matoky anao fa izay atolotrao no tohanako. Ohatra izay ihany koa hoy Mamy no noresahiny tamin’ny Praiminisitra lefitra Botozaza.Samy niaraka niteny izahay miarahalahy hoy izy hoe raha izay no hahasoa ny firenena no jerena fa tsy izay tombontsoa kelinay hita fa aleo Ramatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy no atolotra kandidà. Betsaka hoy ity olomboantendry ity no nanely tsaho fa nitety faritra Mamy Rakotoarivelo fa efa manao fampielezankevtra mialoha.Tany Mahanjaga, tany Toliary, fianarantsoa, lalangina ny tenako hoy izy, fa efa nolazaiko tamin’ny filoha Ravalomanana Marc fa tsy propangady ho ahy no nataoko tany fa ho an’ny Ankolafy Ravalomanana. Hilazana izany hoy Mamy fa heo rehefa tonga i Dada hanambara ny anarana hoe iza no hilatsaka ho kandidàn’ny Ankolafy Ravalomanana dia efa vonona mialoha ireny faritra notetezina ireny hoe iza no tohanana Lalao Ravalomanana. Ny hafatra hoy Mamy dia vita izay ny kabary fa asa amin’izay. Ny tanjontsika dia  mazava fa ny hametrahana amin’ny toerana tokony ho izy ny firotsahan’ny kandidàntsika Lalao Ravalomanana Rakotonirainy. Nisy hoy izy ny sakantsakana ataon’ny sasany hoe tsy nipetraka enimbolana teto izy, nisy fifanarahana sns… Aleo hiteny izay hiteny hoy izy fa ny antsika izy ihany. Rehefa mipetraka tsara izy ho amin’ny kandidà dia tohanantsika amin’ny fo sy ny saintsika rehetra. Rehefa tohanantsika izy hoy Mamy dia lany izy 1eur tour dia vita. Maro ireo mpanjakavavy nitantana an’i Madagasikara fa ny filohan’ny Repoblika mbola tsy nisy ka ho asiantsika izy amin’ity indray mitoraka ity. Be ny fahavalontsika hoy izy ary mody  mizarazara izy ireo, fitaka daholo anefa ireo rehetra ireo.Mila ny firaisankinantsika hoy Mamy mba ahatongavana amin’ilay tanjontsika hoe 1eur tour dia vita Lalao Ravalomanana  Rakotonirainy no lany ho filoham-pirenena malagasy. Amin’izay hoy izy dia tohizantsika ilay fampandrosoana nataon’i dada. Hotohizantsika ny MAP. NY Làlana, ny fanasoavana ny vahoaka malagasy. Raha ohatra nandroso nahazo 7isanjato mahery ny harinkarena faobe tao anatin’ ny taona 2002 ka hatramin’ny 2009 rehefa tonga ny fanonganam-panjakana. Tsy afaka hanaiky izany isika hoy izy fatsy maintsy averintsika amin’ny toerana maha izy azy i Madagasikara.

23 pensées sur “RAKOTOARIVELO MAMY : NY TAJONTSIKA DIA 1ER TOUR DIA VITA”

  1. Ny anareo anie adino foana ny tokony atao prioritaire ê ! Efa firy taona no nandrenesana fa hoe dongin’i Raharinaivo ny antoko TIM ; lany andro mivanitika miarak’aminy fotsiny ianareo !
    Amin’izay indray ny anaran’ny Filoha Ravalomanana entin’ny sasany misandoka, toa tsy miaro azy akory ianareo !
    Amin’ny alatsinainy ianareo, dia tokony mivory. Ataovy mba manarapenitra ny Fiainan’ny antoko TIM, izay TSY NISY RAHA TSY TEO NY FILOHA RAVALOMANANA !
    Ianao koa tsy ho Filohan’ny kongresy raha tsy ny Filoha Ravalomanana ihany koa !
    Mora dia mora anie ny manova ny mpitarika ao anatin’ny antoko iray ê, fa ianareo toa mitavozavoza sy midawawa ; efa hatry ny ela io no tokony regile fa asa inona loatra no nahatonga anreo rehetra niandry !

  2. Any indray mitady kely e!! misy dikany ireny bizò bizò ireny fa aza gaga .
    Efa tetika vita io!!ny ahiako dia EFA VONONA ANY DAHOLO ny VALIm-PIFIDIANANA.
    Mpitari-bato vilam-bava fotsiny, Ho hitanay eo ny adinao ry Kotovelo a!! be wawawa nefa ny kobay an-kelika ihany.
    Efa any aminao daholo izao ny TODIKA REHETRA fa manaova anie zavatra hafahafa eo e??? Mahmay elah!!!!

  3. Toa ohatran’ny manamarin tena be ianao izany andriamatoa Mamy,ianareo anefa efa tsy misy mino intsony!toa miara mihosina tam fahavalo no tena manavanana anareo hatram zay,izao lasan dRaharinaivo ny tim,dia ahoana no ataonareo raha hanao congrès izy,hanotrona ihany?hay moa ny an’ny Tgv aza notroninareo!tsy maninn anie ianareo raha miseho vatana am zay hoe tsy nihevitra an i dada e!tsy very in’inn mintsy dada na tsy eo aza ianareo!

  4. Ny congrès-n’ny TGV marina aza moa notroinina !
    Tsy olana mihintsy ry soapeta izany congrès izany ! Izany aza no tokony ho ataon-dry zareo faran’izay maika, dia manondro ny birao vaovao ny mpanao congrès rehetra, ary azavaina tsara sy atao mazava ny antony !
    Raha tena olona mendrika sy milaza ho tia tanindrazana io Raharinaivo io, dia tokony ho fantany ny zavatra tokony ho ataony !
    Mamerina ny antoko amin’ireo mbola manohana sy miaraka amin’ny Filoha Ravalomanana !
    Mba manàja tena !

  5. Aza dia manantena zavatra loatra @’olona efa maty heritreritra ireny
    ry zareo a!!ny mampalahelo fotsiny dia ity FITAKA lava mahazo an’i dada,
    tsy matahotra izay hatahorana ireto jodasy. avelao izy hanao izay hataony any fa ho hita eo
    hoe hatraiza no fetrany .MAHONENA!!!ho tsarain’ny tantara eo daolo e!!

  6. Io indray ilay manao,kabary eo @ MAGRO fa rehefa Any ambadik’io Any dia mana troïka ny kongresin’ny TGV, miantsoantso an’io Andry Rajoelina hoe : « filoha hajaina ». Tsy hita mihitsy fa manao tsidi-paitra eny @ MAGRO fotsiny . Tandremo ary ny mpitarika-Bato vilam-bava. Izahay mantsy nandre teo aloha hoe, hiadivana i Raharinaivo, ho toriana i Lylison sy ny jly Ravalomanana sns….
    Tandremo koa sao mahazo micro na seza ireo mpamadika niverina. Mpanohana tsotra ihany ireo …. Ary tandremo fa efa fantatray fa mifandray Any ambadika any @ fahavalo ianareo. Hajanony @ izay ny fanilikiliana. Aleo hiarahana Hiasa ny VAMI……..

  7. Misy karazany roa ilay hoe « ireo nania » !
    Eo ireo tsy dia nieritreritra firy, fa notaritin’ny sasany tany amin’ny maizimaizina !
    Fa eo kosa ireo tena niketrika zavatra hafa mihintsy ! Sarotra dia sarotra ny mbola hiaraka amin’ireo, satria tsy fitiavan-tanindrazana no naseho fa fitiavan-tena !
    Anjaran’ny rehetra no mieritreritra !

  8. Mangidy mapmé fa saingy 1 izao no tanjon’ny mpanohana ny aradalana dia ny mifidy an’i Neny.
    Mpamely mafy an’ny mangidy ny mpikambana aty aminay fa hatramn’ny nivoahan’ny teny fa i Neny no antsika dia aleo avela aloha ny ady madinika izay tsy nifampatokisana hatrizay.
    Rehefa tsy miarak amintsika ireo mpamadika tsy nanakenamaso ireo dia ampy antsika.

  9. Ao dia ao tokoa ny antony matoa ireo mitakosona any ry zareo a!
    vy tsy mikitran-drery, tsy ataotao foana ity bizò bizò lava ity isaky ny mihaona,
    ny tetika iray ihany dia ny HAMOTIKA sy HANAO FITAOVANA an’i Dada fa samy hafa fotsiny ny fomba fiasany.
    Inona no hifanosehana sahady @’ireo mpamadika nefa efa hita teo daholo ny fanenjeana nataony an’i dada
    fony ry zareo ireo natavitavy tany @ foza tany ????mba nisy ezaka ve sa fanazavana na fialan-tsiny t@ vahoaka,
    dia LELAFINA SAHADY NEFA MBOLA TSY MAINA AKORY ITY RAVINA NIHINANANY???i Domelina mbola azoko
    leferina lavitra noho ireo MPAMADIKA IREO , MIALA TSINY FA OLONA TSY MATAHO-TODY RAHA IREO KOA
    ATAOKO FA TSY MISY HILAVANA OLONA TSIVALAHARA tsy MENA MIVADIKA TOA IRENY hanimba io tolona
    efa mitsipozopozo @ ataon’ireo ihany anefa.TSY MATAHOTRA IZAY HATAHORANA!!!!!!!

  10. Tsy resaka ady madinidinika ilay izy na fanenjehana satria halako bika sy tsy tiako tarehy, fa fomba entina eto, mba hahatongavan’ny rehetra saina !
    Potika ny Firenena !

    I Odon aza hoy ranavalona izay, efa niaiky fa nopotehin’i domelina ny Firenena ! Tsy vitan’ny resaka fotsiny ny raharaha indrindra raha mbola « nanamafy » ihany koa ilay niteny fa « izay rehetra nitantana ny Firenena » dia TSY NISY NAHOMBY ARY MITOVY KILASY AMIN’ILAY MPANONGANA !!!

    Zavatra tsy azo ekena izany !!

    Ankaotr’ilay olona notendren’ny Filoha, ireo rehetra izay hirotsaka amiko, dia naman’ny mpanongana daholo ! Eritreritro manokana izany ary tsy ireo no handanian-tsika fotoana aloha ! Ny tena zava-dehibe dia ny hijerevana an’izay fomba rehetra, mba ho lavorary ny tolona ! Tsy ho vitan’ny hoe 1er tour dia vita io raharaha io ! Izany indrindra no tsy handehanan’ny sasany hifidy, ireo manantena fa tsy misy tokony hamakiana loha satria efa eo ny sasany hisolo an-dry zareo ! Asa na iza loatra no tena vendrana ?

    Qui veut aller loin, ménage sa monture ! Le terme « ménage » peut avoir plusieurs significations ; mais présentement comme dirait l’autre, je ne vois pas du tout pourquoi ceux qui ont failli, doivent-ils être ménagés !

    Mpanao pôlitika tsy mahatanty tsikera izany, tsy tokony hanao pôlitika ! Misy faly mahazo vola fotsiny, 47 ary 120 millions isam-bolana mihintsy aza hono !!
    Le peuple a raison de demander des comptes ; aux intéressés de justifier qu’ils méritent de gagner autant d’argent !

    25 % hono sisa no mankatoa ny zavatra ataon’i Hollande amin’izao fotoana ! Tsy hiditra amin’izay mahazo azy isika ; kanefa na dia izany aza, midika ve izany fa tokony hiala izy na tokony HANONGAN’AZY ny 75 % ambiny ?

    Mba firy isan-jaton’ny vahoaka malagasy moa ireo niakatra teny Ambotsirohitra (eo amin’ny 2500), nandika Lalàna ary nitondra ny fahoriana izay zakain’ny vahoaka malagasy miisa 20 millions atramin’izao ?

  11. Saika hi-post tary,
    kay « Comments are closed. » nefa ny compteur alefan-draSOLO ohan

    Olona nangalatra fahefana t@ fomba feno habibiana ny mpitondra eo
    Ampiasao daholo ny traikefa eo am-pelatanana
    handrodanana ireo tsy vanink’olona eo @ fitondrana ireo!

    F’ilay firenena ngeza be tsy mitsahatra manohana ny ARA-DALANA
    http://www.antananarivo.usembassy.gov/embassy_news/press-releases2/04/20/2013–madagascar-report-on-human-rights-practices-for-2012-.-french-version

  12. Ry zareo ve efa manaMORAMORA ny fahorianay vahoaka

    Mitombo mafy be ny fiainanay raha avy any koa nareo,
    mana-moramora @ izany parti politik zanak’i dada zany an!

    Tsy misy atidoha izay olon mitady hihavana t@ ilay tsy vanin-k’olona Raharinaivo iny

  13. ERREUR MONUMENTALE DE LA MOUVANCE RAVALOMANANA

    Candidature de Lalao Ravalomanana : promotion à grande échelle du nom Rakotonirainy
    22/04/2013

    La mouvance Ravalomanana prévoit de lancer prochainement une campagne de promotion du nom Rakotonirainy, nom de jeune fille de Lalao Ravalomanana. Rappelons que la CENI-T inscrira sur le bulletin unique, le nom de chaque candidat tel qu’il est inscrit sur la copie de l’Acte de naissance.

    http://www.tananews.com/asides/candidature-de-lalao-ravalomanana-promotion-a-grande-echelle-du-nom-rakotonirainy/#comment-147385

  14. Tsy azo atao angaha ny manisy parenthèses dia asiana hoe Mme Ravalomanana eo akaikiny ny hoe:Rakotonirainy

  15. Efa nasiako resaka io ! Maninona ilay « solotenan’ny movansa » ao anatin’io CENI-T io tsy niady, nanohatra an’izany ?
    Io lazainao io koa, no anisan’ny nahatonga ahy hilaza fa tokony amin’ny anaran’ny TIM izy no mirotsaka, ary ampiana mihintsy aza hoe MOVANSA RAVALOMANANA !

    NY OLONA ANY ANATY ALA NA ANY AMBANIVOHITRA LAVITRA BE ANY, TSY MAHAFANTATRA AN’IZANY MADAMA LALAO RAKOTONIRAINY IZANY, NA KOA ANTOKO ZANAK’I DADA !!

    Efa miresaka praopagandy ihany, dia mba misy hafatra kely ity !
    Rehefa manao fitsidiham-paritra any ianareo, raha misy olona mba manome fanomezana kely, ohatra karôty na voatabia na izay zavatra kely mba vokatry ny tany, dia mba raiso ampanajàna, rahatoa ka 1 na 2 kilao ! Rahatoa ka 1 na2 gony dia lavo !

    RAHATOA KA MISY MANOME 4X4, DIA LAVO TANTERAKA IHANY KOA, FA MBOLA TSY NISY NAMBOLY AN’IZANY 4X4 IZANY NY TANTSAHA AO MADAGASIKARA !!
    Misy resaka mandeha mantsy fa efa misy FIZARÀNA AN’IO ZAVATRA IO AMIN’IZAO FOTOANA ( FA AO AN-DRENIVOHITRA )!

    Noho izany dia aza manaiky jonoina, na koa mandoto ny haja sy hasin’ny mpitolona ; marihina etoana fa fitakiana ary indrindra famerenana an’izany atao hoe ARA-DALÀNA IZANY NO TENA HITOLOMANA !!!

  16. Ny tena mahalasa ny eritreritro dia ny hoe, tena ho fafana mihitdy ve ny anaran’i RAVALOMANANA mandritra ny fifidianana, nefa na i Lalao aza dia @ maha-RAVALOMANANA azy no tena hanarahan’ny olona azy.
    Napetraka t@ M. Rakotoarivelo sy P. Botozaza ny komitin’ilay fampielezan-kevitra. Teo aho dia efa nihaotra satria tena tsy matoky ireo olona ireo mihitsy.
    Raha resy i Lalao dia efa mandry ny aferan-dry zareo miray tsikombakomba @ FAT, raha maharesy kosa i Lalao dia ry zareo no ahazo tombotsoa..
    mila mitandrina mafy ny mpanohanana an-dRavalomanana. Tsy ahikila akory i MRakotoarivelo sy P Botozaza ary i Me Hanitra fa tsy ry zareo no atao mitantana ny fampielazan-kevitra. Io izao ny fanampahan-kevitra voalohany dia efa tsy miady sahady. Tsy hisy hamono tena @ hevitra diso aroson’ireo mihitsy aloha eto.

  17. FANITSIANA

    …Tsy AHILIKA akory i M.Rakotoarivelo sy P.Botozaza ary i Me Hanitra fa tsy ry zareo no tokony atao mitantana ny fampielazan-kevitra….

  18. Mila tohizana kely angamba ilay resaka momban’ny fazahoan’i Madama Lalao Ravalomanana mivezivezy, ary indrindra mirotsaka ho fidiana !
    Mba conseil omena an’Ingahy Solo Razafy izy ity, satria tapaka ilay fanambaràna ary saiky ny atsasany mihintsy aza no tsy vita tatitra !

    Azo lazaina fa zava-dehibe ihany ilay fanambaràna, na dia misy azo kianina kely ihany na fanitsiana, ny zavatra voalaza ao anatiny ! Ary manahirana ny fandinihana an’ilay izy rahatoa ka ny atao hoe Conclusion (izay mamintina ny votoanton-kevitra) an’ilay TEXTE JURIDIQUE no tsy apetraka !

    Tsy ho resahana intsony ilay Constitution fôpla, na dia tafiditra aza !

    Raha manana fotoana kely aho dia ho entiko eto ny tohiny rehetra, fa raha fintinina izany dia : TSY MISY ANTONY TOKONY HANDAVANA NY FIROTSAHAN’I MADAMA RAVALOMANANA !!

    Fanontaniana mipetraka ho an’ireto Mpahay Lalàna, rahatoa ka fantatrareo fa Fanjakàna tsy ara-dalàna sy tsy manàja ny zon’olombelona no nahatonga an’i Ramatoa niala teto Madagasikara :
    – Maninona no tsy noresahana ihany koa ny ZAVATRA TSY RARINY ARY TSY AZO EKENA, IZAY MAHAZO AN’NY FILOHA RAVALOMANANA ? Ampidirinareo mantsy atramin’ny hoe  » Cas de force majeure », sns…… ?
    – AIZA NY FANAMBARÀNA MBA TOKONY NATAONAREO « MPAHAY LALÀNA REHETRA », IZAY MILAZA FA NIARAN’IZANY HOE « DENI DE JUSTICE » IZANY NY FILOHA, SATRIA HOE HIEZAKA IANAREO HANAO TATITRA MATETIKA ANY AMIN’NY COMITE DES DROITS DE L’HOMME, TATITRA HILAZÀNA AN’IZAY TSY FANAJÀNA NY ZON’OLOMBELONA REHETRA AO MADAGASIKARA ??

    Betsaka ny zavatra tsara ho dinihina, fa tsy azoko koa ity fanaovana commentaires tsy misokatra ity !!

    Conclusion ( tsy izy rehetra ) :
     » En conclusion, Lalao Ravalomanana est une citoyenne libre et doit jouir de tous ses droits. Toute velléité du Gouvernement de l’empêcher de jouir de ses droits se traduira par une violation manifeste de ses droits du citoyen. Jusqu’à maintenant les manifestations au Magro et la présence de Lalao Ravalomanana au pays n’ont entraîné aucun trouble public.
    La violation des droits de l’homme, et en l’occurrence des droits de Lalao Ravalomanana n’échappera pas à la vigilance du Comité des Droits de l’homme auquel Madagascar va adresser son rapport périodique sur le respect des droits civils et politiques à Madagascar ».

  19. Manana zo isika manome hevitra ê ! Aza matahotra ianao, fa manaraka ny zava-miseho rehetra ny Filoha ary indrindra fa i Madama !
    Matoa isika hoy aho ato, dia miaro mafy an’io Tanindrazana io, sy mitsinjo ny hoaviny !
    Tsy tokony hisorona na hijery arin’an-tava !

  20. Inona ity mangovitr’homana ity daholo e???
    efa vonona ny @’izany antsojay rehetra izany matoa hilatsaka.
    Fa mihevitra ve ianareo fa hamela an’i Neny MORA2 ho lany eo ireo liona efa MITANATANA
    vava ireo daholo e????MANONOFY!!!izay any dia any! izay ho avy dia ho avy! fa izao no tadidio
    fa efa nanome toky i Kotovelo fa « 1er tour dė vita » k’inona no mampiasa loha eo daholo????efa
    manao izay ho tratry ny heriny izy sy ny forongony ahatanteraka io » 1er tour io » ho an’i NENY .
    AIZA RE IZANY e????izy anie no lohany e!!!
    Alefa!!!! mitsotsotra daholo miondana tanana dia mandrevirevy fa efa nanome toky i Mamy Rakotoarivelo
    fa tsy maintsy handresy i NENY.SAAAAA sao dia mba tsy i neny kosa ary?????

  21. Matoky anao izahay Andriamatoa Mamy Rakotoarivelo ôôôô, niharitra ny mafy, toy ny fanenjehana sy fanaratsiana ny avy any ivelany ianao na avy ato anatiny toa ireo mpialona eo ambony ireo, izay tsy mitsahatra ny manao mpamosavy malemy ka mandemy ny zanak’ i Dada nefa hono ry zareo milaza ho zanak’ i dada ihany, Mahereza fa mifanohana isika hampahomby ny tolona niaraha- nanao izay tsy hialan-tsika hatramin’izao

  22. Dia mitsambiki-mikipy an’ izany raha olona! sao dia mba any an-kady ity hiafarana
    vao taitra???dia aza manovanova anarana eo foana raha tena manana ny marina
    ianao Ranamana a!!fa inona no tena manosika anao ity e??mba mandinià tena ihany dia ny tanindrazana jerena
    sao hanenenana any aoriana any e??ho tsarain’ny tantara anie e!!mba mananatra ihany bavy, raha diso izy dia
    TANTANO AMPIO IZY HANDEHA @ LALANA MARINA SY MAHITSY FA IZANY NO TENA FITIAVANA FA TSY
    MIFAMPITARIKA ANY ANATY HANTSANA DIA NY FIRENENA KOA NO HALENTIKAREO MIARAKA AMINAREO.
    TSY HO LASA LAVITRA EO RAHA IZAO NO FOMBA FISAINANA.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *