RAVELOSON CONSTANT : TIANAY NY DINDON-DRAVALO

raveloson constan. MyDago.com

raveloson constan. MyDago.comManana adidy isika hoy Raveloson Constant teny amin’ny Magro Behoririka androany mampita any amin’ireo namana rehetra ny vaovao. Misy fambara hoy izy ahazoantsika mitraka ka anisan’izay ny zavatra hitranga manomboka amin’ny Alatsinainy io , ny fivorian’ireo mpanaramaso ny tondrozotra, izay tsy azony ialana intsony ny andininy faha 20, eo koa ny  dinika ataon’ny FFKM. Misy zavatra mendrika arahintsika eto hoy izy fa efa akaiky. Tandremo ny manao boka milomano ka tafika vao rendrika. Ny namana rehetra teo hoy Constant efa nilaza fa izay tsy mahandry dia mahazo mandeha fa efa nosorontsoritan’ny vaky tampona ny lalana. Niteny ny filoha Ravalomanana Marc hoy ity mpanao plitika ity omaly dia matotra, hentitra, nilaza fa raha tsy tonga any aho tsy hisy fifidianana.Hoy ilay maika tsy faingana hoe ny dindon-dRavalomanana ve no arahin’ialahy isany. Manamafy aho androany hoy Constant ary amin’ny anaran’ny MFM fa mazava tsy misy adihevitra fa ny filoha Ravalomanana Marc natao sesitany any ivelany.Ny lalàm-panorenena  tamin’ny 2010 dia tsy misy faingo nahitako fa misy olona azo atao sesi-tany, tsy misy azo iarovana ny amin’ny tsikirity dia ny hoe ny andininy faha 45 ka hifampitaritarika eto isika. Alefaso ary hoy Constant ny andininy faha 45 amin’ny 26 janoary, ny 07 febroary. Tonga ny fotoana hoy izy hisafidianany izao izay tiany na hifampitaritarika amin’ny andininy faha 45. Ny zavadehibe hoy izy matoa ny filoha Ravalomanana Marc niteny izany dia misy antony, fa izahay dia mahatsapa fa ny tanintsika rehefa tsy mbola eo izy dia tsy milamina. Tianay izany ny dindon-dRavalomanana izany hoe tsy misy fifidianana raha tsy eto izy. Momba ny fifidianana dia nambarany fa efa neken’izao tontolo izao ve ny lalàm-panorenana natao teo. Tsy misy fehezanteny hoy izy milaza fa ny sehatra  iraisam-pirenena dia mankato io. Fadim-dambo  aman’atambo hoy Constant ny hoe prezidà tetezamita mitanila amin’ny fifdiianana. Ilaikely tany Imerintsiatosika omaly mamafa any Hajo fa ilay maire kosa manao propangady an’Ikotomofo. Noho izany dia Rajoelina tsy mendrika ny hanohy io lalana io intsony.

5 pensées sur “RAVELOSON CONSTANT : TIANAY NY DINDON-DRAVALO”

  1. nous demandons A GOLDBLATT DE SE POSER EN ENTRAVE A L EXPRESSION DES VOLONTES DES MALGACHES ,
    Les Malgaches veulent une vraie élection et des vrais debats ,et que tous les leaders politiques dont et surtout Mr Ravalomanana doivent t etre au pays pour debattre de l’avenir de leur pays .
    et Que Golblatt sache que LES Affaires de 2009 ne sont pas jugés par Une justice validée et ne sont pas jugées en entier ,car de temoins clefs sur le territoire Français n’est m^eme pas écouté par n’importe quelle instance judiciaire et failli même mourrir par agression de l’état transition soutenu jadis par la france ..
    QUE LES COLERES DES mALGACHES NE SE RETOURNENT CONTRE VOUS ,il est temps que vous arretez d’empecher ou de forcer les choix des Malgaches .

  2. monde diplomatique (mars 2012) MEME SIMAO ,
    a bas la colonisation francaise!

    « C’est notre chouchou »

    Au cours des négociations entamées depuis 2009 entre les différentes « mouvances » présidentielles malgaches (MM. Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana, Rajoelina), la France s’est toujours montrée très favorable à M. Rajoelina.C’est par exemple ce qu’expliquait début septembre 2009 M. Leonardo Simao, ancien chef de la diplomatie mozambicain et membre de l’équipe de médiation de la Communauté de développement de l’Afrique australe (SADC) pour Madagascar, dans une discussion rapportée par l’ambassadeur des Etats-Unis. Après avoir rappelé les contentieux opposant la France et M. Ravalomanana, souligné le soutien apporté par la France au régime de M. Rajoelina et mentionné la pression qu’essaient d’exercer certains Français sur les négociateurs malgaches engagés dans le processus de « sortie de crise », M. Simao tira cette conclusion dénuée d’ambiguïté : « L’ingérence française dans les affaires malgaches équivaut à un quasi-colonialisme (12). »

  3. Mankasitraka e!! ho ela velona mandra-pahafaty!!!
    masahia mijoro lalandava miaro ny tanindrazana.
    Faly aho fa mbola misy azo antenaina ihany ny @ tany mamiko fa tsy dia ratsy daholo akory.
    « Mazava fa MIALÂ izay tsy tamana e!! » sady tsy anampiana io no tsy hanasorana ary ilay tenin’i
    dada MANAMAFY, misy mody adala sy be marenina nefa fantany tsara ny TIANY AHATONGAVAN
    MIALÁ REHEFA TSY TAMANA DIA MANAJA TENA , RAHA MANAKAMBO TOMPOKO ô!!!

  4. fanamarihana,
    TINAY NY DIDON’ny Ravalo no tokony ho izy fa tsy hoe TIANAY. Manajary hoe ilay dido no mitia Nefa ilay dido no tiavina.
    Tsetsatsetra tsy aritra ihany iny.

  5. Izaho mitady hoe vorontsiloza inona na « dindon » aiza ? Resaky ny tenda-kanina ê ! Ny krisimasy ity mbola ho ela, fa ny krizy mafy no tsy eran’ny aina !!
    MDR !!!!!!!!!!!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *