Resy ny mpifidy

Tsy fidiny ny manjo ny mpifidy fa tsy maintsy miatrika ny zava-misy mandritra ny fifidianana ho avy. Na iza na iza manana saina tony sy matanjaka dia tsy maintsy ho resy eo anatrehan’ny safidy
tsy maintsy ataony. Resy satria “safidy manandal no eo antrehany. Tsy misy hirika ahafahana mamaha ny olan’ny firenena rah any “fahefana” ahafahan’ny olompirenena miatrika ny fiainana. Tsy
te-hanaiky ho resy sy hanompo ary tsy afaka hanohitra intsony na dia voasokajy ho akoholahy fatàka aza. Amboalohany dia mahery vaika ireny karazan’akoho ireny, tsy azo tohaina, mirehareha, ary
feno azy ny sehatra fiadiana, eny hatrany anaty fisoko rehetra any. Fa tadidio kosa nefa fa raha sanatria resy indray mandeha monja ireny karazan’akoho ireny dia tena tsy afaka manohitra intsony
. Mandohalika ara-baki-teny. Mandefitra ary tsy sahy miseho masoandro.Dia ho sanatria ve dia toy izany ity vahoaka Malagasy ity? Terena hifidy, kanefa tsy manana hoza-doha hifidy….Olona 50 isa
latsaka kely ve no isafidianana? Izany tsy fanaovana ho tsinotsinona? “Malagasy vahoaka mandresy, mafy be”, hoy ny hira nalaza fahiny. Raha misy vahoaka mahay milamina sy mora entina eto amin’ity
izao tontolo izao ity dia mety ho faharoa isika Malagasy. Tsy manam-pidiny tokoa anie ny ankamaroantsika ity e! Ireo be vava sy afaka miteny ihany no heno sy re etsy sy eroa .Satria ialahy (ilay
vahoaka toa fatàka) dia valalabemandry ary mbola any ankibon’ny omby vao ho vavalabemifoha. Inona moa ny famoretana sy fihafiana tsy maintsy nosedraina teto? Miforitra anaty : Tsy afaka maneho ny
hetaheta sy ny faniriana satria kely endaka, kely fisainana, farofy sy marary lava, sanatria toa faty entin’alina. Raha halalinina ve tsy tokony ho nanontaniana ny hevitry ny Malagasy iray
manontolo –referendum-, izay fanamapahan-kevitra heverina fa mety hitondra azy (vahoaka) mba hahazo tombotsoa, na hahadona azy mafy any aoriana any.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *