Tantaran’ny Madagasikara : misy hatrany ny Sonegaly mahazo baiko !

Fatma Samoura

Fatma SamouraTamin’ny fanjanahan-tany indrindra fa tamin’ny raharaha 1947 no nivoahan’ny fomba fitenenanana hoe : « Senegaly mahazo baiko ».
Mahery vaika ny fitiavan-tanindrazana tao am-pon’ireo Malagasy mpitolona. Ireo miaramila teratany Malagasy koa dia tsapan’ny mpanjanan-tany Frantsay fa malaina ny hamono ny mpiray tanindrazana tamin’izy ireo. Ny hany vahaolana ho an’ny mpitondra Frantsay dia nanafatra miaramila tany amin’ireo firenena Afrikana satria tsy Malagasy ireto miaramila nafarana dia tsy manana fitserana na antra tamin’ny vahoaka Malagasy tsy manan-tsiny, fa dia norarafany rehefa nahazo baiko tamin’ny Frantsay izy ireo. Izay no nahatonga ny fitenenana hoe “Senegaly mahazo baiko”. Marihina fa ny Frantsay hatrany no mpibaiko. Taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 dia nisy ny fifampidinihana teo ambany fiahian’ireo fikambanana iraisam-pirenena isankarazany. Ny tsikaritra anefa dia nahitana “Senegaly mahazo baiko” avokoa ireo fikambanana iraisam-pirenena samihafa toa an’Andriamatoa isany Tiébilé Drame, Ablassé Ouedraogo, Eden Khodjo, izay samy olon’ny tany Afrikana zanatany Frantsay teo aloha. Fa nisy koa olon’ny Frantsay hafa tsy zanatany Frantsay teo aloha, saingy dia manao ny fomban’ny “Senegaly mahazo baiko” toy ireo Maorisiana sy ireo masombika, izay manaiky ny baikon’ny Frantsay. Fa ny tena manahirana hatramin’izao dia ny fisian’ny « Senegaly mahazo baiko », izay teratany Malagasy. Tsy iza ireo fa ireo nanongam-panjakana tamin’ny 2009 ary mbola miaro ny fanonganam-panjakana hatramin’izao. Ny ankabeazan’ireo nilatsaka ho fidiana filohampirenana ankehitriny dia : « Senegaly mahazo baiko » teratany Malagasy avokoa, satria vonona ny hanaraka ny baikon’ny renimalalany avokoa izy ireo, dia lafrantsa izany.
Fa nisy ny tena “Sonegaly mahazo baiko” ara-bakiteny, satria teratany sonegaly dia ingahy Abdoulaye Wade Filohan’ny Sonegaly teo aloha, izay niaro mafy ny mpanongam-panjakana, efa iarahantsika mahalala ny fiafarany ; tao ihany koa ingahy Abdou Diouf mbola teratany Sonegaly, tomponandraikitra ao amin’ny frankofonia anisany nivoy fatratra ny NI-NI , ary farany ilay Sonegaly vavy Fatma Samoura tompon’andraikitry ny PNUD eto amintsika, Tsy tahotra tsy henatra fa dia nahavita namotsifotsy ireo Ray amandrenim-piangonana efa-dahy eto amintsika . Izy roalahy voalaza etsy aloha dia efa Filoham-pirenena ary samy manambady teratany Frantsay, inona fa miainga avy any ampandriana mihitsy izany ny baikom-bazaha, ary ity ramatoa lany henatra manao fomba fiteny tsy mifanaraka amin’ny soatoavina diplomaty, ny hafatra ampitaina aminy dia manana ny fandaminana ny isam-piangonana amin’ny fiveloman’ireo mpitondra fiangonana ka tsy mila ny karaman’ireo “Sonegaly mahazo baiko” ity. Fa r aha tena manana fahasahiana ity Ramatoa ity dia tokony hanambara fa r aha mahomby ny dinika eo ambany fitarihan’ny FFKM dia vonona hametra-pialana tsy ho mpiasan’ny firenena mikambana intsony i Ramatoa Fatma Samoura.

26 pensées sur “Tantaran’ny Madagasikara : misy hatrany ny Sonegaly mahazo baiko !”

  1. Vao jerena fotsiny dia ohatra ny mpamosavy ny anareo koa!
    « La chasse aux sorcières » no mety aminy, comme Le fit le Pape Innocent VIII en son temps.

  2. mahavariana fa efa miravaka ny vato safira Malagasy sy volamena malagasy , ary dia hangoron-karena koa io vao miala eto. Izay tonga eto tahaka ny mahita paradisam-bola sy harena.

  3. ..ka mibanaka koh! adala tompo!!!KITAPO LATSAKA e!!!
    vao niainga tany io dia efa hay hoe: Gena indray no mandalo e!!!
    efa voahozona e!!!miala Ankatso dia Ambodempona, miala @ Camille dia miditra @ Vitaly.
    Volan-kakafotra eeeeeeeeee .
    Ka ny tompony moa aza tsy hita hiaro ny fanana koa tsy hanjaka ireo rehetra RERAKA AVY ANY @
    misy azy rehetra any.Izay harena tsy azony any aminy any HAORONA AO DAGO eeeeeeeee
    Ny Gasy ihany no tsy mahazo mba MITAVANDRA NY HARENY FA NY VAHINY NO TOTOFANA SY TOHOFANA
    MAFY HIAROVANA NY SEZAN’i DOMELINA SAO TAPAKA NY TONGONY.
    Izay rehetra tsy VELON-KOMANA REHETRA ANY AMINY ANY MIOSANOSANA DAHOLO AO DAGO AO NA VAHINY
    IZANY NA TOMPON-TANY TSY FERANA.MPITATY RERAKA eeeeee

  4. Hatr@ loko eo @ tarehin-dramatoa aza nampiany ,manoatra noho ny
    mofo nolalorina dobera .
    Fa tena lany olo-manga ve Dago no olona toy itony no tokony HIBAIKO ANTSIKA e????aiza izay mba
    ambom-po ry zareo avara-pi rehetra a???MAHONENA !!!!!

  5. Tena hita fa lahatsoratra feno RACISME io lahatsoratra io. MAMPATAHOTRA ny mahita izao fanavakavahana volon-koditra izao. Tena tsy mendrika ! ! !

  6. Hajao aloha ny tenanao raha te ho hajain’ny olona ianao!!
    ohatry ny fiarovana an’i Kotovelo indray no fiarovanao an’ity vehivavy ity??
    rehefa vandana dia Kary, izany no asan’ny satana , NY RATSY HATSARAINA DIA NY TSARA
    HARATSIANA, i Ramatoa Naika manao ny asany haratsiana dia itony rajakom-bazaha itony LELAFINA???

  7. Mivoaka ho ay ny marina izay niezahana nafenina tamin’ny fitatatana ,tamin’ny fahamaivanan’ny saina sy ny teny entina etoana…
    Asa na lahy na vavy ity ranavalona ity fa tsy manan-kaja no sady tsy menatra mivadika satria tsy resy am-bavany eo amin’ny fisehoana ho mpitolona manohana ny Filoha RAVALOMANANA MARC ! Ka ity fanaratsiana ny sarin’i NENY dia mahagaga..!
    Maro izy ireo no misaina toa ity ranavalona ‘ty..!

  8. Tena efa voadona marina ity dokotera ity ! Manatona confrère fa tsy frère con, dia mba mitsabò vatana sy saina fa tsy lasa intsony ê !

    Izao marina no tena atao hoe, miteniteny foana !

    Mahereza ranavalona fa eto foana ny mpiaro ny ara-dalàna â ! Fantatra fa olon-dehibe ianao ary mahay miaro-tena irery, fa miara-mijoro manohana ny fahamarinana eto foana isika ê !

  9. Efa mihetsika ny FFKM,
    dia inon’indray no vazanana?

    à Solo & km, tous deux représentants:
    récoltez afin de soumettre vos suggestions à l’avance aux membres

    Un moyen pour rayer du moins diminuer les wawa improductifs
    …sur Mydago

  10. « Tsy azoko dahol » ?? Asa na iza no mahazo, fa dia toa ilay ramatoa no ataon’ny olona resaka dia tafiditra ao anatiny ny sarin’ny vadin’ny Filoha Ravalomanana !!

    « Représentant » ?? HoAiza diso be ianao, na izaho no tsy nahazo ny tianao ho lazaina ! Ahoana no nahatonga anao hanana an’izany eritreritra izany hoe, « représentant-n’ny MyDago » ny tenako ato ???

    KM, n’est représentant de MyDago ni…. de commerce !! MDR !!!!

    Tena kôzy, tsy azoko tsara ilay tianao lazaina amin’ilay hoe « tous deux représentants » !!

    Représentant-n’ny mpiaro ny ara-dalàna mitovy aminao, dia OK ! Samy mba manao izay azon-tsika atao eto daholo isika mianakavy !

    Izaho indray aloha ry HoAiza, dia tsy afaka ny hibaiko an’ny MyDago amin’izay zavatra tiany sy tsy tiany ê ! Tsy mpinamana (manantena fa samy mpiaro ny ara-dalàna) na olona mpifandray akaiky na mpifanerasera izahay, kanefa ny azoko tsorina aminao fotsiny dia « efa nihaona ary nifampiresaka tamiko ny tompon’ny MyDago » ! Tsy fantany ary tsy tadidiny akory aza ny tenako !!

    Tahaky ny rehetra ny tenako eto ; fa dia variana aho indraindray, satria mbola eo foana ny mpandoto rivotra, fa io dia raharahan’ny tompon-trano ê ! Tsy afaka mihiditra amin’izany ny tenako !

    FFKM ??
    Io indray dia samy milaza an’izay ao am-pony eto ! Ny fantatro aloha, dia tsy hanana crédibilité ry zareo satria tsy misy izay tsy mahafantatra ny anton’izao krizy izao !
    Ilay tena niaran’ny sotasota tsy nantsoina sy tsy nasiana resaka mihintsy ny fiverenany sy izay nahazo azy ; ny iray kosa efa ao an-toerana sy mody sy manao ranomason-toaka amin’izao fotoana, ary mitaky ny maha zava-dehibe ny fanatrehan’ity tsy norarahiana, amin’ilay ILAY FIVORIAM-BE ! Hevitra avy any aminy io !

    Tsy nanakan’azy koa izany, hametraka ny firotsahany amin’ilay fifidianana ! Tsy mino an’izay lazain’io rangahy io ny tenako !!

    Mitovy amin’izany hoe St-Thomas ê ! Tsy mino raha tsy mahita ! Tokony mandeha any SudAf ireo mpitarika ao amin’ny FFKM raha tena mitsinjo mafy ny hoavin’io Tanindrazan-tsika io, ARY TSY MIVERINA RAHA TSY MIARAKA AMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA !

    Ankaotr’izay dia resaka be ! Na dia izany aza, fomba fijeriko manokana io, ary tena azo dinihina tsara ato ! Izany ny anton’itony forum itony amiko, satria samy manana ny fomba fijeriny, amin’izao fahoriana mahazo ny mpiray tanindrazana izao !!

  11. Ohatra ihany koa: ny amin’ity taona ity ihany no tsy afaka, fa raha mihemotra @ taona hafa, dia afaka milatsaka ve i dada8?

  12. Zay ndrindr’ê, mila mitaky itony ry zareo an: Magro Mydago sns…

    ==> « Tokony mandeha any SudAf ireo mpitarika ao amin’ny FFKM raha tena mitsinjo mafy ny hoavin’io Tanindrazan-tsika io, ARY TSY MIVERINA RAHA TSY MIARAKA AMIN’NY FILOHA RAVALOMANANA! »

  13. Hihihiiiii LATSAKA BE ZA!!!!!!HAY VE SARIn’i NENIn’i RADOKO IO e??????( MDR )
    HAY VE IO NO NIANDRASAn-RADOKO HATRIZAY SY HANAOVANY VAVAN’ ALIKA TSY
    AMPY FIHEVERANA ETO ISANANDRO e??????HIHIHIHIJIHIHIH………
    POV RADOKO!!!!MANENJIKA HALOKA IANAO RAHA IZAHO NO HENJEANAO POV RADOKO a!!!!
    AVELAO HO HITAn’i OLONA EO NA HAGEGENY.
    AVIA DAHOLO MIJERY NY HAGEGENA MIOHA-PAMPAn’ILAY LAZAINA FA DOKOTERA ETO ô!!!!!
    MBOLA HAVERIKO IHANY RADOKO Ô!!!!!!IZAHO TSY DOKOTERA FA TSY KELY FISAINANA NOHO IANAO!!!!

  14. Ny Neninay dia NENY LALAO RAVALOMANANA VADIn’I DADA MARC RAVALOMANANA
    FA TSY IO VORON-DOLOn’i RADOKO RAJAKOm-BAZAHA IO AZAFADY TOMPOKO DOKOTERA.

  15. HoAiza,
    Ity fanambaran’ny FFKM ity aloha dia efa tsy mety amiko ê : »La corruption presque généralisée, et l’INCOMPETENCE des dirigeants et partis politiques au pouvoir, SANS EXCEPTION (1960-2013)
    Tena incompétent marina ve ny Filoha Ravalomanana ?? Tsss…ia !!!!!!!!

    « Impunité zéro… » ? Ary i Odon ??? Inona izany no tokony ho atao aminy ? Iza no hanome ny sazy ?
    Ary ireo mpitsara rehetra TSY NANAO NY ASANY ????

    Bla bla bla sy fanasoketàna fotsiny aloha, no hitako atramin’izao !! Fa dia ho hita eo indray izay ho lazain-dry zareo ato ato !

  16. « ..ato ho ato  » aiza ho aiza a???mbola musy tohiny angah????
    tsy efa vita hatreo indray angah ny @’iny????efa nahazo tehaka be lesy dia vita eo a!
    miesona any aloha ny Gadra sy ny TV sns e!!domelina aza toa lasa nandaza an’i M .Odon any Vatican
    fa tsy nanaraka azy koh.

  17. Ianao koa dia be fanontaniana loatra ranavalona ! Aiza ho aiza ? Efa hoe « ato ato » !! MDR !!
    « Handray anjara amin’ny diniky ny FFKM ny ankolafy Ravalomanana » !!

    Hanamafy an’ilay hoe « incompétent », sa…..hanamafy ny fitakiana ny fodian’Ingahy Ravalomanana ???

    Ry zareo hivory ao amin’io diniky ny FFKM io ve, tena « représentatifs » na mahasolo marina ny vahoaka malagasy sy ny hetahetany ?

  18. Ary nisy bandy nazeran’ny fandriana vao maraina koa tato an!!!( MDR )
    Aza dia manantena be loatra oah !!diso fanantenana eo !!rehefa vita ny TEHAKA MIREFOTRA2
    dia mionona eeeeeeeizay sisa endrasana lesy, mahonena fa dia izay no izy e!!!

  19. Nanofy ratsy, dia tapaka atramin’ilay tongo-mpandriana !!! Mdr !!

    Ary ianao aloha sao dia mba manana ny « kôpian’izany angazemâ, na fifanarahana » nosoniavin-dRamatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy izany ê ?

    Izay manana ianareo, fa tena mila mafy an’io izahay !!!

    Misy maivan-doha mitabataba mantsy any ho any, mitaraina fa tsy nanaraka ny fanekena « nosoniaviny » Ramatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy !!!

    Tena hita marina izao fa paokaty ny lohany, satria tsy misy tadidina daholo izay zavatra nataony rehetra !!

  20. Tsy hainao fa ilay resaka bebe Razay ihany io e!!
    Rehefa ny foza no mitsipaka in- 100 amby 1000 tsy misy sira fa
    rehefa olona manana ny zoany dia izao e!!io fa mangovitr’ homana ny anareo.
    Efa NAMIDY AMBONGADINY @ Vakitampona anie TIM e!
    Efa tsy naran’i Neny TENA AHALALANA AZY INTSONY IO FA INONA NO MBOLA MAMPIFEZAKA RY
    ALIKA TSY VOKY TAOLANA TSY MAHALALA HONONA DAHOLO a?????
    EFA ABORIDANA MIHINTSY NENINAY MBOLA HATAHORANA IHANY???POV FOZA!!!MAHONENA!!!
    NY SASANY MOA DIA EFA MIVARO-TENA MIHINTSY HAMAROTANA NY TOLOM-BAHOAKA MBOLA
    TSY AFA-PO.

  21. BONNE ANNIVERSAIRE NENY O!!! ny Tompo anie homaba anao, hanome hery , fahasalamana, Tanjaka,Fitiavana, hiaro anao anie izy zahay mitondra ambavaka mandrakariva ny Firenena HOMBA ANTSIKA ANIE NY TOMPO

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *