TONGASOA NY MAHERIFO AVY ANY AFRIKA ATSIMO !

IMG_0003

IMG_0002 Tafaverina an-tanindrazana ny  delegasion’ny Ankolafy Ravalomanana nandeha any Afrika Atsimo. Nisy  fahatarana ora maromaro ny tokony hiantsonan’ny fiaramanidin’ny zotran’ny kaompania Airlink nitondra azy ireo  avy any Afrika Atsimo.  Nigadona tamin’ny efatra ora sy sasany hariva  ihany ity delegasiona ity. Isan’ny delegasiona tonga tamin’izany   ny VPM Botozaza Pierrot, ny Filoha lefitry ny CST  Me Hanitra Razafimanantsoa, Minisitra Olga Ramalason , ny ministry ny fambolena Roland Ravatomanga, ny ministry ny fitsinjaram-pahefana Rufine Tsiranana tao ihany koa ihany  i Manandafy Rakotonirina (MFM), Naika Eliane, Depiote Zaka , ny CT Razoarimihaja Solofonantenaina . Tsy nisy ny fanambarana politika nataon’izy ireo  teny am-pahatongavana. Avy hatrany dia nihazo an’i Faravohitra toerana ipetrahan’ny kandidà sady  vadin’ny Filoha Ravalomanana izy ireo.  Naharitra teo amin’ny 40 min teo ho eo ny resaka nifanaovana ary tsy nisy nipika ny dinika tao. Andrasana ny fahatongavan’ny delgasiona entin’ny kaompania  Air Madagascar rahampitso hanazava amin’ny antsipirihany ny fizotran’ny dinika  tany Afrika Atsimo.

16 pensées sur “TONGASOA NY MAHERIFO AVY ANY AFRIKA ATSIMO !”

  1. J ‘insiste à signaler le manque de cohérence de la mouvance Ravalomanana,tous les membres de la délégation en afrique du sud savent que la candidature de Mme Ravalomanana peut poser de problémes pour différentes raisons ,une d’elle est l’accord entre ces m^mes personnes et Rajoelina pour les conditions de retour et de séjour de Mme Ravalomanana à Madagascar ,
    en 2 tout le monde sait en arriére pensée que Mme ravalomanana n’a pas residé physiquement à Madagascar pendant 4 ans ,…
    On sait bien La compétence et l’éfficacité des hommes de loi de cette mouvance (avocat et autre ) qui n’ont pas fait leurs preuves ,qui osent avancer la candidature de cette femme.
    J’espére qu ils osent assumer tous leurs responsabilités ,lorsque la France et Rajoelina vont s’opposer à cette candidature de la mouvance Ravalomanana.
    Ce que je ne croît presque plus car eux tous ont crié le retour de Mr Ravalomanana avant les elections où on en est maintenant ????

    HO FAMARANANA DIA lazaiko eto dia mahomby atrany ny fomban ny mouvance mampihemotra ani Atoa Ravalomanana Marc ary ny mampandraoso nytetikadin ny frantsay.

  2. Ravelonarivo,
    Je vois au contraire une vision politique juste car d’un côté, il a fait taire toutes les velleittés de certaines dirigeants de la mouvance, à la fois à prendre la place de Ravalomanana et filrter avec la HAT et de l’autre, le nom de Ravalomanana reste, si le CES et/ou la HCC refuse la candidature de Lalao Ravalomanana, l’éléction sera décrédibilisée. Donc tout bénéf…

    En revanche, je mets un hola sur le titre de cet article: « Ny maheri-fo » ce qui veut dire les HEROS. non, non, et non, ce ne sont pas des heros, ils ont filté avec la HAT et voulaient prendre la place de Ravalo. Si la population les suit jusqu’à maintenant, c’est UNIQUEMENT au nom de MARC RAVALOMANANA, donc pas de hero. maintenant il y a une heroine c’est NENY.

  3. Manohana an’i Ravelonarivo 200% mihintsy aho eto , IO VOALAZANAO IO MIHINTSY no izy.
    Tsy ny Ankolafy Ravalo ihany anie no MAMPIASA ny anaran’ i dada ho atao Pasipaoro e!!
    Nanao rodobe koa ireo satria efa voasikan’i Dada mafy fa « izay mandeha ila dia mandeha @
    anaran’ny tenany irery » fantatro fa misy tena MADIO FO ao fa ny lohany fotsiny dia efa tsy azo antoka ary izany no tena
    hatahorako mafy eto satria tsy sasatra ny mampidi-kizo nny firenena zalahy io dia i Kotovelo izany.

  4. Maro laotra ireo sujets fa tsy maninona, ny resakareo mitsama no tohizako !
    Samy MISY marina daholo ny voalazanareo, na ny an’i ravelonarivo na izay voalazan’i LAZALAZAO !
    Fa mila hatambatra angamba ny zavatra azo lazaina hoe marina, na mila fanazavàna :
    – Nisy ireo izay nihevitra haka ny toeran’ny Filoha, tsy azavaina intsony ny antony sns…
    – Raha ny fantatra dia hoe « mahazo » mirotsaka i madama satria TSY NIOVA TOERAM-PONENANA izy, araky ny taratasy « ôfisialy ». Tsy nanorom-piainana tany ivelany, izany !
    – Nandray an’io fanampahan-kevitra io koa ny Filoha, satria tsy tiany « angamba » ny hilazàna fa izy FOANA, no sakana tsy hivoahan’ny malagasy avy ao amin’ny krizy.

    Fanontaniana :
    Nanao ny asany ve ireo nomena andraikitra, araky ny voalazan’i ravelonarivo ?
    Niady mafy atramin’ny farany ve ny vahoaka, manoloana an’izao fanitsakitsahana ny zo-ny izao ? Mandeha ny resaka fa tsy miraharaha izay zava-miseho intsony ny vahoaka fa any amin’ny fitadiavan-tsakafo sisa ny sainy ! Raha nitolona ry zareo, nandeha ho azy angamba ny sakafo, ary mba any amin’ny fialam-boly sy izay zavatra mahafinaritra indray ny saina !

    Atao hoe arahan-tsika ny fanapahankevitry ny Filoha, fa raha misy fangalaram-bato, sahy hidrikina ve ny vahoaka rahatoa ka toa ny tany Venezuela ohatra ny valim-pifidianana ?
    Ekena koa ve ilay Lalam-panorenana fôpla ?
    Dia ahoana ity tsy fanarahana tondrozotra, satria NANGIANA FOANA IREO MPITARIKA ATRAMIN’IZAY ??

    Mbola betsaka hoy aho ny zavatra tsy mety ! namoaka fanambaràna ny GTT inter koa izao, fa misy zavatra tsy dia azokazoko. Ireto fotsiny mantsy no nosoritany tao anatin’ilay izy :
    -Fanohanana an-dRamatoa Ravalomanana
    -Mitaky fifidianana mangarahara
    -Manohana ny FFKM
    Aiza ny fampiarana ny tondrozotra ? Fifidianana mangarahara izany anefa mifandray amin’ny fampiarana an’io farany io !

    Amin’izao fotoana aloha, dia ny an’ny GTT La Réunion no metimety amiko !

    Tsy hisy fifidianana vanona eo raha tsy misy marina ny fitoniana, kanefa fitoniana izany dia mitaky zavatra maro !
    Anisan’izany :
    -Famoahana ny gadra pôlitika
    -Famoahana ny haino aman-jery rehetra izay nakatona ; fampielezam-baovao malalaka
    -Président mody any an-tanindrazana (na tsy hirotsaka aza)
    -Ary rehefa niteny i Hollande hoe tokony AVELA HISAFIDY an’izay olona tiany hitondra ny Fireneny ny mponina iray, dia tokony mangataka NY TSY HITSABAHAN’NY FRANTSAY INTSONY AMIN’NY RAHARAHAN’NY MALAGASY, ISIKA MIANAKAVY !!!
    Io no tokony anaovana PETITION MAZAVA, ary atao maika !!

    Qu’avez-vous fait de la Feuille de route ???

    http://www.gtt.international.blogpost.fr/2013/04/declaration-du-gtt-la-reunion-quavez.html

  5. Mankasitraka ny Gtt La Reunion 100%.
    Mbola mamofona Frantsay koa ny gtt inter izany an!
    AIZA e????IZA no mba sahy hijoro hatr@ farany e????TSY LASA TOMPOKO ô!!!

    DADA MODY !!!
    Fampiharana ny FR
    IZAY VAO FIFIDIANANA.
    Rehefa sy ireo dia miohaka @ frantsay izany koa inona moa???dia mandady @ frantsay daholo e!!

  6. Tsy mamofona frantsay izy, fa manaraka ny hafatry (consignes) ny Filoha !

    Na izany aza, tsy dia lanin’ny vavoniko loatra aloha ilay resaka FFKM ê ! Ratsiraka toa hoe hanatrika, dia ny Filoha ahoana ???
    Afaka hiteny isika hoe i Madama efa mety atao ho solotenany, kanefa tsy ampy 50% ny heriny !

  7. Neny anie efa VOAFARITRY ny TOMPON-TANY fa hamangy an’i
    bebe Razay e!! nefa rehefa atao fitaovana hanakanana ny fodian’i dada kay METY IHANY???
    Dinio tsara ry dada sy Neny fa efa be izay zavatra nandalo nandritra izay 4 taona mahery izay a!

  8. Salama daholo !
    Mazava tsrara daholo ny voalazanareo ary hitovizako fijery ka tsy hipasoka ny efa malama intsony aho.
    Nisy « pétition » fanangonan-tsonia nanambaràna ny tsy fankasitrahana an’I Golblat izay nahely eraky ny Nosy tany.Aiza ho aiza izy io izay?Mety mba misy afaka manome vaovao ve ?
    Amiko dia tokony manao fidinana andalam-be izao eto izao ny SADEC,mampiseho ny heriny ny ankolafy-Ravalomanana.
    Aderadera tsara amin’ny alàlan’ny pancarte hoe I Lalao Ravalomanana noho aroso amin’ny fifidianana fa tsy hiandry an’I Lalao Ravalomanana andeha hidina eny amin’ny Magro izany vao hihetsika satria hitako eto sahady fa dia ho sakanan’ireo tsy valahara ireo izany.
    Ireo lazain’ny sasany ireo hoe “mahery fo” no iangaviana hanantanteraka izany aingana.Ho hita eo raha tena vonona tokoa amin’ny fanolorana an’I Lalao Ravalomanana ho candidate izy ireo.
    Mandeha be ny fotoana ka tonga dia “asa fa tsy kabary”.Mety ho azo atao ve izany?

  9. Raha ny faniriana dia Ravalomanana Marc no nilatsaka ho fidiana ,izay no tena tsara ary izay no faniriana saingy tsy ampy hery isika mianakavy efa taona mbola tsy ampy nampiova hevitra ny FAT sy ny miaramila ka akory atao fa dia mandefitra e! izay ahalany an’i Lalao indray izao no hevitra aroson-dRavalo , ka io no tokony atao izay ahalany azy , tena ady aman’aina io a ! satria isika tsy manana radio , na tele fa dia olona no ady eo , ka atao tsara ny paika rehetra mba hahatonga ny olona ho hery amin’io , io no fiadiana eo an-tanantsika izao , ny olona , ka asan-tsika indray raha mbola hizara indray isika ka mbola hifandrafy indray.

  10. Ilaintsika daholo ny hery rehetra izao. tsy afaka miverin-dalana intsony isika satria efa nanapa-kevitra ny filoha. mety ho voato-lalana diso izy saingy efa mandroso ny tantara ka aleo miantrika ny ho avy satria mbola betsaka no tokony atao. Ny dianga manaraka izao dia manao izay ahalatsahan’ny Lalao Ravalomanana ho mpifaninana ofisialy. Raha io no tsy tanreka dia tsy maintsy hiova ny tetik’ady.
    Ny missile sy ny rocket rehetra aty amiko aloha dia hatokako hoan’ny FAT daholo. Ireo mpitarika ao @ MAGRO efa tsy afaka manao zavatra hafa intsony fa izay efa voalzan’i Dada iahny sady i neny eo an-toerana ka izy no hibaiko.
    Samia isika manome vaovao @ izay rehetra mety hosakna @ filatsahan’ny mpifanantsika, ary manao izay tandrifiny mba ahatonga azy ho tena mpifaninana. izany hoe raha sakan’ny FAT indray izy dia tsy maintsy hapoaka ny ady @ fomba rehetra.

  11. Ny zavatra mahagaga ahy dia izao : na Ramatoa na Andriamatoa Ravalomanana no hoe dia mitovy ihany ny zavatra tokony ataon’ny mpanara-dia : MIADY SY MANOHANA!
    Atao inona moa PETITIONS RE OLONA E? Tsy efa firy izay PETITIONS nosoniaviko izay kanefa tsy hita izay dikany? Raharahian’ny amanin’ny frantsay inona izay « malagasy » any? raharahiany inona izay « pétitions »-nareo any? Olona firy no efa maty tao @ « Affaire TOTAL-ELF-FINA »? Olona firy no nigadra?
    Ilay miresaka eto fotsiny dia tsy misy dikany e! FA IZA NO MAHASAHY ARY IZA NO MAHAVITA?

  12. Ny @ ilay hoe mahery fo kosa dia aleo angamba hilamindamina ny @ iny satria tsy azo atao loatra hoe misy ny vokatra @ izao.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *