TSY TOKONY HITARINA NY TETEZAMITA FA NY FIFIDIANANA NO HAHEMOTRA

DSC00079

DSC00069Nitohy tetsy amin’ny Magro Behoririka androany ny hetsiky ny vahoaka mpomba ny Ankolafy Ravalomanana. Toy ny mahazatra dia nisy hatrany ny lahateny nifandimbiasan’ireo mpitarika tonga teny.Anisan’ny nadray fitenenana tamin’izany ny solontenan’ny fikambanana very asa. Nambarany tamin’izany fa aoka isika tsy hivadibadika atsy na aroa. Avadika hoy izy ny pejy manomboka izao. Nandritra izay efataoan mahery izay hoy izy dia mijaly tanteraka izahay very asa, betsaka ny tsy an’asa ankehitriny. Noho izany dia nanao antso avo ho an’ny very asa ny tenany mba hisoratra anarana amin’ny lisim-pifidianana mba afahana mifidy an’i Neny ho filoham-pirenena. Izy ihany no afaka mamaha ny olana rehetra.
Ny Ct Ralaimampisainarinony Manoela kosa dia nilaza fa ilaina ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana Marc eto. Isika hoy izy dia vonona foana amin’ny fifidianana ary Ramatoa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy no kandidà tohanantsika.Matoa be ireo kandidà hoy Manoela dia ny frantsay no manao izany. Betsaka amin’ireo no ampiasain’i Losifera. Ny antsika hoy izy dia tsotra ihany ny fitakiana teto hatramin’izay dia ny hoe miverina tsy misy fepetra ny filoha Ravalomanana Marc. Tsy tokony hitarina hoy Manoela ny tetezamita fa noana ny vahoaka fa ny fifidianana no hahemotra. Matoa tsy tanteraka ny tondrozotra dia maika hanao fifidianana dia io no vokany lasa marobe ny kandidà.
Ny Ct Randrianjatovo Henri dia nanambara fa aza manana ahiahy amin’ny taratasin’i Neny ianareo fa efa nisy mpahay lalàna ao. Ny filoha Ratsiraka hoy izy dia efa milaza fa tokony hody ny filoha Ravalomanana Marc. mato aizy milatsaka hoy Henri dia fantany ny làlana alehany.

8 pensées sur “TSY TOKONY HITARINA NY TETEZAMITA FA NY FIFIDIANANA NO HAHEMOTRA”

  1. Raha teo dada ka nilatsaka tsy nisy nahasaky niditra teo
    ireo ALIKA TSISY FE-VOZONA rehetra ireo, i Neny efa atao daholo
    ny atsojay tsy ahalany azy sady vehivavy dia tsy hananan’ireo Hasiny, mbola hisy handà ihany fa tsy TETIKA
    MAIZINA MIKOTROKA RATSY IZAO FANDATSAHANA an’i Neny ho fidiana izao, atao fitaovana mba hanakanana
    an’i Dada HODY FOTSINY? dia rebirebena ny vahoaka nefa efa hay fa tany tsy tan-dalana ny ao, ny frantsay sy FOZA
    no mibaiko ao, asa tsy haiko aloha e???mampalaheloa hy fotsiny Neny raha SANATRIA ka hatao fitaovana fotsiny.

    TOKONY MIADY HATR@ FARANY IZAY TOLONA EFA NIMATIMATESANA TETO FA TSY HITSOAKA AN-DAHARANA
    TOY IZAO. ZA ALOHA DĖ TENA MALAHELO e!!tsy misy zavatra mba miova akory @’izay an??fara-faharatsiny hoe:
    AFAKA NODY DADA SATRIA EFA TSY AVELA HILATSAKA
    NA KOA HOE : EFA MISOKATRA NY TV
    NY GADRA EFA TSY LAZAINA FA TAPENANA @ ilay hoe: mirotsaka i Neny dia : TAPI-MASO DAHOLO, TENA MAHONENA!!!
    Dia variana dia MIESONA DIA OMENA DAHOLO NA ANTOKO DADA ! FANAINIANA TAKONANA MAFY NY ANARANA MBA
    TENA AHALALA AN’I NENY SNS tsy voatanisa dia MANDRIMANDRY MANANA ARETINA eeeeeeee

  2. Rehefa hoe: « mody dada » dia ampo-diana fa tsy atao fangalana PASIPAORO
    fotsiny ny filazana izany, dia arahana asa fa tsy kabary, dia gaga aho fa hatr@ Deba kay
    dia mampiasa io PASIPAOROn’i dada io koa. Ny an’i vakitampina moa dia tonga dia TIM mihintsy no nataon’i
    sasany FANOMEZANA TAKALOn’ILAY BIZÒ.EFA VOAOZONA VE ISIKA HIVARO-TENA SY TANINDRAZANA
    RY ZAREO MATY HERITRERITRA REHETRA a???????
    Toa hitako fa ireo mody mipetsopetsona voalohany fa » TOKONY HODY RAVALOMANANA  » ireo no toa tena
    hangovitr’ homana eo raha tena tokoa ny tokoa.

  3. IManoela aza miteniteny foana . rehefa mihemotra ny fifidianana dia mihitatra ho azy ny tetezamita sy ny présidence Rajoelina .

  4. 1./ Tsara ho fantatra aloha ry zareo fa nisy tsy fifanarahana teo amin’ny UA sy ny SADC ka mahatonga ny vondrona afrikanina tsy miraika amin’ny raharaha M/scar.

    2./ Na ry zareo ao amin’ny SADC aza tsy mitovy hevitra daholo satria i Jacob Zuma dia manana olana any aminy ary ny mpanohitra any Afrika atsimo dia manao izay mampitarazoka ny fandehanan’ny raharaham-pireneny.

    3./ Ny vondrona erôpeana izay miankina amin’ny SADC amin’ny fanantanterahana ny tondro zotra dia efa niteny foana fa io FDR io ihany ny azy.

    4./ Ny manodidina an’i Marc Ravalomanana koa dia niha nihena indrindra ireo olona nahatokisana tamin’ny fahaizany aloha.Tsy afaka milaza hoe:namadika daholo izy ireo satria tsy fantatro loatra ny tena fikasana hananan’ny tsirairay avy.

    5./ Nanaiky ny tsy hirotsaka i SEM Ravalomanana dia nanankina ny andraikitra an’ny vadiny.Hita ihany koa fa HS i DJ na hanao propangandy tahaka n’inona aza izao.

    6./ Raha ohatra tsy avela hanao fanambarana politika i Lalao Ravalomanana dia afaka mampiely ny sariny isika mpanohana ny ara-dalàna manerana ny nosy satria dingana voalohany io dia vita.

    7./ Noho izany dia tokony asiana fifaninana ara-tsary eto amin’ny mydago raha azo atao mba hampielezana izany eran’ny nosy.

    8./ Tokony hanofa fotoana amin’ny radio iray any afrika atsimo i Marc Ravalomanana mba hanaovany fampielezan-kevitra.I Mandela mihintsy no tokony antonony amin’izany.

    9./ Izao koa dia efa asaina miomana izay ho atao « observateurs internationaux ».Ny taxi-borosy koa azo izarana ny sary rehefa miala eo an-tananarivo.

    10./Asa raha mety amintsika eto ny mba hisian’ny fifanankalozan-kevitra maharitra mba handrindrana misimisy kokoa ny fampielezan-kevitra. KA ANGATAHANA ISIKA REHETRA MPANOHANA NY ARA-DALANA HIFANOME-HEVITRA MBA HISY VOKANY MAHAFA-PO NY PROPAGANDY.

  5. « michel dit :
    IManoela aza miteniteny foana . rehefa mihemotra ny fifidianana dia mihitatra ho azy ny tetezamita sy ny présidence Rajoelina . »

    Ny contraposé toa izao no tsy maintsy ho fandehany : mihemotra ny fifidianana, satria transition xxè S A N S Rajoelina (HORS DE NOS VUES Andry Rajoelina)!

    Matoa eto foana isika, dia satria mahazo vahana hatrany ny Firantay,
    noho ity zanany Rajoelina mbola eo @ io seza fihandrianam-pirenena io.

  6. Izahay (ato an-trano sy ny manodidina) dia efa miandry TOP ho @ propagande, Ratsimilaho ô!

    « eto ny mba hisian’ny fifanankalozan-kevitra maharitra mba handrindrana misimisy kokoa ny fampielezan-kevitra. »

    Je milite pour l’avenir DIGNE de la Femme & des Jeunes malagasy
    le bien-être sociétal
    etc…

    Dia mba santaro ny sehatra
    afaka i Mydago manao dispatch any @ e-mail tsiraidray

  7. Ho Aiza!

    Fantatro efa ela ianao fa miasa ho an’ny Vehivavy sy ny Tanora mba hanatsarana ny fiara-monina ary mety fantatro mihintsy aza ianao ( ONG).Mahafinaritra be izany satria ireo no tena ho avin’i Gasikara sady tsy be politika.Efa nihevitra mihintsy ary aho fa Tompokovavy Lalao Randriamampionona no tokony ho praiministra raha lany i Lalao Ravalomanana.Les deux Lalao à la tête du pays.
    Kanefa moa dia izy iny lasa iny.
    Ny zavatra mba iriko fotsiny dia ny mba hananantsika anjara biriky eo amin’ny fampielezan-kevitra.

    Ka hisantatra azy ary aho.

    Raha tsy afaka hanao « déclarations politiques » i Lalao Ravalomanana dia anjarantsika mpanohana ny ara-dalàna angamba ny manao afisy maneho ny sarin’ny Andriambavy misy ny anarany iray manontolo ary izay fehezan-teny kely manaitra ka mora vakiana sy averina.

    Rahoviana ny hanaovana azy? izao angamba isika dia efa mieritreritra ny hanantotosa azy.
    Amparitaka eny amin’ny anjerimanonotolo,manodidina ny toeran-piasana,eny amin’ireny hotely gasy isakafoanan’ny olona amin’ny atoandro, any anatin’ny taxi-borosy rehetra miala eo an-tananarivo ary ny toerana azo hametrahana afisy rehetra.
    Ka noho izany dia mila fitsinjarana asa sy enti-manana hikarakarana azy ka eto aho dia mba mila ny hevitry ny maro izay mahatakan-davitra fa ireto ny mba soson-kevitro:

    – Asiana fanangonam-bola amin’ny alalan’ny fanokafana tahiry iray aty ivelany.
    – Mety misy olona ao amin’ny magro ve afaka misahana ny fanantontana ny afisy ary ny fizarana izany manomboka ao Tana.(Tsy ferana daholo izay olona rehetra na FIKAMBANANA malala tanana hanampy amin’izany zavatra rehetra izany)
    – Mila malina ihany anefa satria ny ratsy tsy kely lalana ka antambaro ary ny hery.
    – Arakin’ny tenin’i Ho Aiza eo ambony io dia afaka manao izany tokoa i mydago.

  8. Entiko eto aloha ity, satria ny anao no post farany Ratsimilaho !

    Aza dia raisina hoe fombam-bazaha ry HoAiza (Mdr !!), satria maro loatra ireo fomban-dry zareo nalain-tsika tahaka, eny fa dia tramin’ny Fivavahana aza !

    Amin’izao andro fetin’ny « Mige », izao dia faly manolotra mba hahitan-tsika rehetra tsy ho ela an’izany Fahasambarana izany ! Fahasambarana amin’ny lafiny rehetra !
    Atolotra indrindra indrindra an-dRamatoa Lalao Ravalomanana, ary koa ho anareo Andriambavilanitra mpitolona rehetra !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *