Aleo isika hanonofy ihany!

Aza tai-baombina raha hisy ny fifanarahana fa horavàna ity governemanta mitondra ankehitriny ity, ary tsy maintsy hisy ny ho very seza be dia be. Hisy ihany koa fanafoanana ny andrim-panjakàna
efa nisy hatrizay nampiharana ny tondrozotra izay (tsy ilay hevitra tany anaty CCI na Astauria akory no tanteraka fa hafa mihitsy). Dia aza be ranomaso ihany koa raha mbola tsy ho afaka hody
(mihitsy) ireo lasa mpitsoa-ponenana tsy fidiny. Aleo hilamina dia hisesy e! Ampirimo avy hatrany ihany koa dieny izao ny “maimbo vava” sy ny “setroka mahajenjina” fa efa lany daty ireny, ary tsy
ho azo ampiasaina intsony (satria tsy mandamina fa mampikorontana fotsiny). Ireo tompo-menankely rehetra miparitaka any amin’ny faritra rehetra any dia aoka hiomana avy hatrany fa hitsahatra ny
fanararaotam- pahefana maro isan-karazany nahazatra hatrizay. Dia aza gaga raha hisy olom-baovao hafa hifehy ireo mpiasam-panjakana isan-tokony mpanao hata-piso. Avereno amin’ny toerana nakàna
azy daholo ireny fitaovana rehetra nalaina sy nanaovana asam-pianakaviana sy nampirevena akama ireny. Alamino ny efitrano rehetra fa hisy mpifehy vaovao, tena vonona hampihatra ny tokony ho izy
sy hampanara-dalàna amin’izay. Farano hatreo ny didy kofehy lehibe fa sao ho vidian-dafo ny fanamparana ny “izaho ity” sy ny “tsirefesi-mandidy”. Tsy ho mora ny fiatrehana izany rehetra izany ho
an’ny tsirairay ary mila ezaka sy fahatoniana ihany koa. Aleo koa mba hanonofy izay te-hanonofy e! Efa latsapaka loatra mantsy nandritra izay efatra taona mahery izay ny fizahozahoana sy ny
fiheveran-tena ho zavatra. Tsy maintsy ho faranana ity kizo mandany fotoana ela ity, ka samy ho tompon’antoka ny tsirairay hialàna amin’izany. Anjaran’ny mpanao politika ny mikaroka ny lalana
ifanarahana fa ny fiatraikany sy ny fampiharana azy no tena hafotaka sy tena ho henjana. Atambaro sy ateveno ny finoana fa manantena ny fitoniana tokoa isika rehetra . Aza mikorapaka fa mbola ho
lavitra ny lalana sy ny fanarenana izao firenena izao. Tsy adala daholo kosa izay manantena, na dia efa fantatra fa tsy fanantena intsony ny fahagagàna eto an-tany. Toa nofy atoandro tokoa raha
ny toy ieo notanisaina ireo no azo iainana eto Madagasikakara. Tsy manana ny fisainana ho amin’ny fanatanterahana izany mihitsy ve isika fa tsy maintsy hisamaritaka amin’ny ady lava? Fa tsara sy
hitondrana ny fanantenana koa ny nofy efa natsidiky ny mpiatrika ny tetezamita ho amin’ny fampandrosoana. Inona tokoa moa no antony hahamaika ity firenena ity hanao fiifdianana raha zavatra
tokony ho vitan’ny mpitantanan hatramin’izay ihany no manenjana amin’ny fampiharana ny didy aman-dalàna sy izay rehetra « hadalana » natao teto ka mba niova fo ho amin’ny tsara kokoa izy rehetra
ireo ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *