CES : TSY AZO ITOKIANA INTSONY

ces

cesNavoakan’ny CES  ny lisitr’ireo kandidà nahafeno ny fepetra afaka hirotsaka hofidiana filoham-pirenena amin’ny 24 Jolay izao. Amin’ireo 49 nandrotsaka ny antontan-taratasiny teny amin’ny CES dia 41 ihany no nekena izay  nahafeno ny fepetra. Anisan’ny niteraka resaka be teo amin’ny mpanaram-baovao politika ny  nahatafiditra an-dRajoelina ho isan’ny kandidà mpanao majika. Tamin’ny fotoana farany izay nametrahana ny antontan-taratasy teny amin’ny CES dia tsy hita tao ny anarany fa kandidà 49 no nanatitra teny. Mampanahy be ihany ny mety ho fahadiovan’ny voka-pifidianana raha ity tranga ity satria tsy manara-dalàna ary manao tsindri-bokotra hatrany Rajoelina ka azo asosoka tahaka izany ny anarany.

Tsy mazava ny fomba  fiasan’ny Ces , isan’ireo rafitra mpampihatra lalana fara-tampony izy ity kanefa dia manao asa kitoatoa .Lazain’ny ces fa nahafeno  fepetra rehetra   Andry Rajoelina kanefa dia tsy isan’ireo nanatitra ny atontantaratasy ara-potoana .Ity  Décision n°01-CES/D du 3 mai 2013 mirakitra ireto lisitra ireto aza manamarina izany . Adinon’ny CES ny nanolo ny soratra hoe : « quarante-neuf candidats »  kanefa tanisainy ho 50 ny kandidà : ny dikan’izay dia manao hosoka ny CES tamin’ny fampidirana ny anaran-dRajoelina.

VAKIO TSARA ITYhttp://www.hcc.gov.mg/election/decision-n01-cesd-du-3-mai-2013/#more-27

 

Sur les dossiers de candidature

Considérant que depuis le 6 jusqu’au 28 avril 2013 à dix-sept heures, date et heure d’expiration de dépôt de candidature prescrites par le décret n°2013-154 susvisé, quarante-neuf candidats, dont les noms suivent, ont déposé leurs dossiers par ordre d’arrivée, au greffe de la Cour, à savoir :

1. Hajo Herivelona ANDRIANAINARIVELO
2. LAHINIRIKO Jean
3. RATSIRAKA Iarovana Roland
4. RABEHARISON Roland Dieu Donné dit VAHÖMBEY
5. RAJAONARIVELO Pierrot Jocelyn
6. -JEAN-LOUIS Robinson Richard
7. RABEHARISOA Saraha épouse GEORGET
8. RAKOTO Jean Pierre
9. RABETSAROANA Willy Sylvain
10. RABEMANANANTSOA Brigitte Ihantanirina
11. RAZAFIMANAZATO Julien
12. RAZAFIARISON Laza
13. VITAL Albert Camille
14. MONJA Roindefo Zafitsimivalo
15. RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin
16. -RAFALIMANANA Ny Rado
17. -RAKOTOARIJAONA Avotra Antsiva Avoko
18. -RAVALOMANANA née RAKOTONIRAINY Lalao Harivelo
19. -KOLO Christophe Laurent Roger
20. -RAJEMISON RAKOTOMAHARO
21. JULES ETIENNE Rolland
22. V ONINAHITSY Jean Eugène
23. RAVALISAONA Clément Zafisolo
24. RAMAMONJY Harivola Sabine
25. TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Alain
26. RAJAONARY Patrick Ratsimba
27. LEZAVA Fleury Rabarison
28. RATSIRAKA Didier Ignace
29. RAKOTOMALALA Marcel Fleury
30. DOFO Mickaël Bréchard
31. RANDRIAMANANTSOA Tabera
32. NOELSON WILLIAM
33. RAKOTOMAHANINA Andrianiaina Franklin James
34. RATRIMOARIVONY Guy
35. SAVARON Malala
36. RAKOTOFIRINGA Richard Razafy
37. FAHARO RATSIMBALSON
38. NARISON Stéphan
39. RASOLOVOAHANGY Roseline Emma
40. RAKOTO ANDRIANIRINA Fetison
41. RATREMA William
42. RASOLOSOA Dolin Rina Josephson
43. MBOHOAZY ZEFANIA Tsimagneky
44. RAHARIMANANA Venance Patrick
45. RAKOTOARITSIFA Haina Hasimbola
46. TINASOA Freddy
47. RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin
48. ANTONY Ndakana
49. RAZAFINDRAVAHY Edgard Marie Noë
50. Andry Nirina RAJOELINA ;

 

Izao fomba fiasa izao dia  asa tandrametaka  hataon’ilayCES.Tsy azo itokisana amin’ny fitantanana ny fifidianana, hisahana ny fitarainana momba ny fifidianana sy hamoka amin’ny fomba ofisialy ny valim-pifidianana izy ireo.

Indro atolotray anareo ny lisitr’ireo kandidà 41 mianadahy neken’ny CES hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 24 Jolay 2013 izao.

1. Hajo Herivelona ANDRIANAINARIVELO
2. LAHINIRIKO Jean
3. RATSIRAKA Iarovana Roland
4. RABEHARISON Roland Dieu Donné dit VAHÖMBEY
5. RAJAONARIVELO Pierrot Jocelyn
6. JEAN-LOUIS Robinson Richard
7. RABEHARISOA Saraha épouse GEORGET
8. RAKOTO Jean Pierre
9. RABETSAROANA Willy Sylvain
10. RABEMANANANTSOA Brigitte Ihantanirina
11. RAZAFIMANAZATO Julien
12. RAZAFIARISON Laza
13. VITAL Albert Camille
14. MONJA Roindefo Zafitsimivalo
15. RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin
16. -RAFALIMANANA Ny Rado
17. -RAVALOMANANA née RAKOTONIRAINY Lalao Harivelo
18. -KOLO Christophe Laurent Roger
19. -RAJEMISON RAKOTOMAHARO
20. JULES ETIENNE Rolland
21. V ONINAHITSY Jean Eugène
22. RAVALISAONA Clément Zafisolo
23. TEHINDRAZANARIVELO Djacoba Alain
24. RAJAONARY Patrick Ratsimba
25. LEZAVA Fleury Rabarison
26. RATSIRAKA Didier Ignace
27. RAKOTOMALALA Marcel Fleury
28. DOFO Mickaël Bréchard
29. RANDRIAMANANTSOA Tabera
30. NOELSON WILLIAM
31. RATRIMOARIVONY Guy
32. FAHARO RATSIMBALSON
33. RASOLOVOAHANGY Roseline Emma
34. RAKOTO ANDRIANIRINA Fetison
35. RATREMA William
36. RASOLOSOA Dolin Rina Josephson
37. RAHARIMANANA Venance Patrick
38. TINASOA Freddy
39. RADAVIDSON ANDRIAMPARANY Benjamin
40. RAZAFINDRAVAHY Edgard Marie Noé.
41. Andry Nirina RAJOELINA.

 

Ireto ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny CES na Cour Electorale Spéciale  nanao sonia ny didy :

Monsieur RAJAONARIVONY Jean-Michel, Président
Monsieur RAVELONTSALAMA Bertholier, Membre
Monsieur RAHOERASON Emile, Membre
Monsieur RAVELOARIJAONA Boanary, Membre
Monsieur RAZAFIMANDIMBY Soloherinoro John, Membre
Madame RAZAFINDRAKOTO HARIMISA Noro Vololona, Membre
Madame ROBINSON Elisabeth Noro, Membre
Madame ANDRIANAY Noromalala Pierreline, Membre
Monsieur ANDRIANJANAHARY Philippe, Membre

 

35 pensées sur “CES : TSY AZO ITOKIANA INTSONY”

  1. izaho matimihomehy taaka ny tysinaiko fanjakana adala fitsarana adala de inona no andrasanete entin olona adala de adala daholo nyngasy aminy tena mihimohy sisa azoko natao hiiiiiiii hhhahhhahhaahahh hoooooooo adala iray trano hiiiiii

  2. ITONY KOA NY RESAKA MANDANY ANDRO :
    Tsingerin’taona nahateraha’ny Neny ny andro anio nahavoatana ny filatsahany ho fidiana Filohan’ny Repoblika ny Madagasikara …

    ADY FANARENANA NY FIRENENA HATREANA @ IZAY .
    JEREO NO HAFITSOKY NY FITSARANA SPECIALY SY RAJOELINA RAHA TSY MIHEMOTRA @ IZAO TSY MIEMOTRA INTSONY .

  3. LE PANIER DE CRABES SANS PINCE
    La candidature de rajoelina est une sorte d’oxymore (candidature validée malgré l’inrdit des Accords de COTONOU)
    Le CES ignore que ne vivons pas en uis clos mais nous participons à la vie collective internationale à laquelle nous avons des obligations et des devoirs surtout si nous avons signé les accords de cette communauté internationale : la validation par le CES constitue une transgression de lesprit et de la lettre de ces accords ,qui s’mpodsent à tout pays qui les a signés..
    Alors n’allons pas mettre fin à une crise -due à une prise de pouvoir anticnstitutionnelle le 17 mars 2009 et ouvrir une seconde crise par la transgression d’un traité international !
    Où irons-nous donc ? Nous laisserons-nous menés par le bout du nez par des hommes de loi (tsirahonana , le président de la HCC d’abord ,qui a changé de de nom et devenu CES ,mais sans changer de président ,avec la marionnette zanakisoa ) trop zélés pour la cause de rajoelina et de ses commanditaires…
    Cette clique croit-elle que les Malgaches accepterons l’échaffaudage et la mise en placed’un nouveau pouvoir illégal sous couvert d’une constitution à la manque ?
    n’oubliez pas que les Malgaches disposent par le suffrage universel
    –le pouvoir de choisir la personne digne , méritante , apte à développer le Pays et à édifier chaque Malgache à qui ils confieront la le pouvoir de gerer ,de diriger le Pays et de respecter les Malgaches la loi , la Constitution et la Souveraineté et les intérêts de la Nation !,
    –le droit ,par le verdict du suffrage universel , d’infliger des corrections ,des sanctions ,des condamnations à ceux qui ont organisé la gestion mafieuse du pays avec une association de malfaiteurs..
    vous ne savez que trop cette volonté des électeurs Malgaches ,ce qui explique vos démarches sans foi ni loi pour acheter les électeurs par des sous sales..et par votre nombre exagéré pour représenter votre association aux présidentielles !
    vous portez bien votre sobriquei de foza : un plein panier de crabes sans pinces.., donc des crabes inutiles et nuisibles car ne savent que remplir leurs poches

  4. Hoatrinona indray izany vola azo vao maraina izany, dia nozaraina tamin’iza avy ???
    Androany maraina hono vao napetraka ilay « dosie-n’ilay vendrana » !

    Olona tsy mendrika ianareo ireo mpitsara ireo raha tena marina ny vaovao ! Hanody anareo sy ny havanareo foza ireo ny fahorian’ny vahoaka ; ary ho entinareo hatrany am-pasana ny alahelon’ny vahoaka !

    http://www.tim-madagascar.org/forum/fead.php?1,782562

  5. Mba manajà tena re fa olona efa RABÔFY SY BAINY ANTI-MÔLA EFA FONTSY
    hatr@ folo rehetra dia tena maty heritreritra ary tsy hitondra RAVINY IRAY EO ANIE e!!
    TSY MATAHOTRA AN’ ANDRIAMANITRA NEFA DIA OLONA TOKONY HO MBA FITARATRA @ FIARAHAMONINA
    IRETO IZY RAHA NY FAHANTERANY NO JERENA AN!!!!
    NAHAZO VOLA MBOLA TSY HITANY HATR@ IZAY NIAINANY KOSA ANGAMBA IZY??NEFA NA IZANY AZA!!!
    MBOLA MISY NY TENA FITSARANA AN!!!ARY IZAY MITSARA VILANA DIA HO AVILANA KOA NY LALANY SAO MANAN-
    TENA NY AHAVOA 2.
    ANAREO NY FANJAKANA ETY FA NY LANITRA KOSA……..??MBA DINIO IHANY!!!MBA MIERITRERETA IHANY FA MANDALO
    IHANY NO ETY FA AZA DIA TOY NY AKOHO MAHITA REOKA TOY IZAO HOY ILAY TAPI-PAHAIZANA ETO IZAY ka TROANA
    DAHOLO REHEFA VOLA NA DIA EFA FANTATRA AZA FA @ TSY RARINY, AZA DIA MIVARO-TENA TOY IZAO FA SAO DIA
    HANENENANA e!!!TANY MASINA IO RY TSY MATAHO-TODY ISANY A!!!!MANAJA TENA FA OLON-DEHIBE TOMPOKO Ô!!!
    MALALÁ HONONA DIA MAHALALA MENATRA!!!MBOLA MAHAJERY FITARATRA VE IANAREO IREO @’IZAO FAHAVOAZANA
    EFA MIANJADY NY FIRENENA IZAO e??????????MAHONENA!!!!!!

  6. Izao sahady koa maika fa ny valim-pifidianana tsy izay mahay manipy ihany no ho lany,
    izany hoe: ireo tena nangalatra sy nandroba teo @ tanana nandritra izay kirizy izay????
    AVELAO IO HIDABOKA FA TSY MAMELY e!!!ADABOY DIA RAVAO NY TETEZAMITA FÔPLA IO FA OVAO VAO2.
    ITY ILAY DOMELINA DIA EFA TENA FAKO !! dia ireo olona MBA NIANATRA SY MANAM-PAHAIZANA IREO NO MIARAka
    FAKO AMINY, MALAHELO ANAO AHO RY FIRENEKO!!FA DIA INONA LOATRA rė e????

  7. Savez-vous qu’à Madagascar?
    Un DJ putschiste et lascar
    Devient président de la HAT
    La plus haute des autorités

    Savez-vous que ce petit voyou?
    Ne sait rien et ignore tout
    Agit comme un vrai perroquet
    On lui dit d’être au taquet

    Savez-vous que cet être cynique ?
    Fait partie des loges maçonniques
    Devrait se contenir tel un puritain
    renie ses promesses comme un crétin

    Savez-vous qu’il est notre honte?
    Ce petit prétentieux qui se vante
    A conversé à son saint François
    Lui, le dictateur et hors-la-loi.

    Sait-tu, le plus jeune despote?
    Sans HAT, tu n’aurais aucun pote
    Seulement, tu sens que ça approche
    Le moment où on videra tes poches

    N’oublie pas que tout se paye à la fin?
    T’inquiète pas tu seras mis au parfum
    Le peuple finit toujours par avoir raison
    La loi t’expliquera un jour sans rançon

  8. mavesadanja be io matohateny io, fa tsy arakin’ny fiheveran’i ravelonarivo azy !!!
    mamakafaka tsara dia ho azonao ny tiana ho lazaina amin’io ary mahery vaika noho ny ady sy tolona rehetra …

    aza dia manao conclusion « hative » loatra …

  9. j’ai émis le souhait que ces juges , à qui tout le monde a fait un ou des procès d’tention ,jugent en leur âme et conscience et surtout de façon indépendante et libre et selon leur intimme conviction.
    Personne ne savoir ce que chacun et chacune de ces magistrats pense..
    Ils ont fait leur travail avec la grosse pression sur les épales..
    Pour ma part ,ils s’en sont bien sortis..et après..advienne que pourra !

    Je peux avec ceux qui ont voulu ardemment la validation de la candidature de NENY..
    Les juges ont bien expliqué pourquoi ils n’ont tenu compte du problème de séjour..
    Après tout , politiuement ,ils constatent que rajoelina n’est plus rien…alors ,on ne sait jamais , pourquoi ne pas juger de façon iindépendante et libre ?

  10. RY MPIRAY TANINDRAZANA ,
    ARAHABA SOA ! ARAHABA TSARA !
    Ary ho lasan ‘izay efa-taona izay anie ny ratsy rehetra !
    Eny ,aoka Isika hisaotra sy hanome voninahitra sy fankasitrahana an’ ANDRIAMANITRA RAY SY ZANAKA ARY NY FANAHY MASINA noho izao fanomezam-pahasoavana Antsika ankehitriny..
    Izao fanekena ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Firenena an ‘i NENY izao dia mahafaoka zava-dehibe maro..noho ny herin’ANDRIAMANITRA d ia :
    –valin’ny rano-bavaka nataontsika nandritry izay efa-taona izay mba hiverenan’ny hitsiny sy ny rariny eto amin’ny Firenena ,
    –fampandrisiana Antsika mba hiezaka ho amin’ny fifankatiavana ,ny fifanampiana , ny fifanajana ,ny fandàlana ny fahamarinana mba ho fiaraha-monina vanona ,tony ,mandroso ary matahotra an ‘ANDRIAMANITRA eny amin’izay honenantsika : tanàna ,fokontany , kartié …
    –FA INDRINDRINDRA MBA HO MAFY LOHA ISIKA KA SY HANAIKY LEMBENANA NA HO MORA REBIREBENA FA AOKA  » HITANA MAFY IZAY NOMENA’ANDRIAMMANITRA ANTSIKA MBA TSY HAKA NY SATROBONINAHINTSIKA  » DIA IZAO VOKATRY NY TOLONA IZAO :
    NY FANEKENA NY CANDIDATURE-N’I
    NENY RAVALOMANANA RAKOTONIRAINY LALAOHARIVELO !
    Nitady izay fomba sy meloka kely hafahana manda io candidature io rajoelina sy ny jiolahiny , ary angamba aza nanao amboletra tamin4ireto mpitsara izy ,kanjo ny ratsy tsy mahaleo ny fanahy..Ary mba misaina koa anie ireto mpitsara na efa be aza ny « ratsy nampanaovina azy ireo « ,fa tsapany fa tsy manan6kery intsony rajoelina ,koa aleon’izy ireo manaraka ny eritreriny teo am-pandrasana..!
    Tsy kely lalàna ny ratsy fa ny lalàan’andriamanitra tsy fantatsika !
    Ary ny soa moa tsy mandeha irery fa dia faly Isika miarahaba an’i NENY
    amin’izao fitsindran’ny taona nahaterahan ‘zao..
    Ary ny fodian’ny Filohan’ny Firenena RAVALOMANANA MARC Nno tena mofo mamy hifampizaraintsika tsy ho ela..
    Ity misy tonon-kalo efa natolotra im-betsaka fa tsy nety lasa ventiny ny rano tamin’izany fotoana izany..
    Ankehitriny nivaly ny vavaka nataontsika ,koa atolotro
    —an ‘i Filohan’ny Firenenana RAVALOMANANA MARC izay tsy sasatra natsaka sy Rayamandren’ny Tolom-pandrosoana nilofosantsika ary ho tohizantsika
    —miaraka amin’i NENY RAVALOMANANA RAKOTONIRAINY LALAO ,
    izay hisaorantsika indroa noho ny tsingerin-taonan’ny nahaterahany sy indrindra no ny andraikitra nomenan’ ANDRIAMANITRA azy ho sahaniny eo amin’ny Firenena miaraka Filoha RAVALOMANANA MARC sy ny MALAGASY TSIVAKILVOLO !
    — an’ny MALAGASY mpitolona nahari-pery tsy mitarain-tanam-miepaka !

    « NODY VENTINY RANO NATSANKAINA !

    Soàvaa tsaraa isika Malagasy tsivakivolo…
    Ka ho sahy isika hirehareha eo anivon’izao tontolo ,
    Fa olona manam-panahy sy feno fitiavana ary vory saina!
    Ka ho sahy Isika hirehareha tsy hatahootra ireo mamono lolo ,
    Fa olona manam-panahy sy feno fitiavana ary vory saina !
    Koa na iza na iza hanatsatso sy hanaratsy ny Filoha hajaina,
    Dia ho gina sy hihaiky izy ireny,
    Fa ny asa vitan’ny Filoha , niaraka am-po sy an-tsaina tamin’i NENY
    No miteny sy manambara fa ny bainga voavadika no mitsara,
    Na inona na inona eboebo sy hetraketrak ‘ ireo tsy valahara
    Ampiasaina handresy lahatra ny Mponin’ny Gasikara…
    Izay tsy azo intsony hahodikodina, satria hainy tsara ny Tantara !
    Koa Mitsikià, Mifalià, Mandihizà,
    Ary aza matahotra Ianao n’iza n’iza
    Mitady haka sy hanodikodina
    Ny làlana ,ny ezaka nilofosana sy niadiana.!
    Ny Vahoaka dia manam-pahendrena,
    Sy misaina ary koa manantena
    Fa tsy ho raraka na ho adino eny an-dàlana
    Ny teny nifanomezana sy teny nierana !
    Ny Vahoaka no hiezaka hampandroso
    Ny Firenena izay ela nikoroso,
    Ary ny Filoha miaraka amin’i NENY no hanamora ny anjara
    Andraiki-piezahan ‘ny Mponin’ny Gasikara…
    Mba ho Tany soa sy hiroborobo,
    Ary Isika ho empoka sy hidorobo-
    ka sy hiahy foana ny fiaraha-monina
    Izay hitondra ho Antsika Fifankatiavana tsy azo kianina…
    Mitsikià ry Malagasy havako…
    Ampy izay ratra be nianjady tamintsika
    Koa herezo ny diantsika handroso hatrany
    I Neny no hitarika sy hanohy ny dia sy handray ny andraikitra sy hitondra ny Tany
    sy ny Fanjakana ,ka hanamaivana ny kitra
    Sy hampitombo ny harenan’ny Malagasy ,mba hafahany miasa
    Sy hivaotra sy hampanjary ny mahaolombelona ary koa hikasa
    izay haatsara sy hahasoa ny ho avin’ ny zanaka amam-para !
    Ny tanjona kendrena dia ny hampitombo lanjan’ny Madagasikara !
    Dr Robin
    Paris

  11. Je suggère tout le monde d’aller sur le site de Tribune
    http://www.madagascar-tribune.com/Andry-Rajoelina-en-invite-surprise,18679.html
    car les foza sont en train de gagner du terrain. Montrons à vive voix que Rajoelina ne mérite pas de se porter candidat car il a fait un putsch et point barre. Une petite remarque quand même par rapport à notre cher amis Basile Ramahefarisoa qui est d’un coup pro fat, puis ravalo et puis maintenant soutient la candidature du lapinoux! qu’il est chooouuuuu ce basile!!!!

  12. any ny Mpitsara Malagasy;Azo antoka fa ha ndresy @ halabato içRajoelina;Jesosy anefa no tompon’ ny teny farany.Ka aoka hivavaka ntsy hihanahana ary hino;Ny fivavavahana dia arahina finoana ary asa koa

  13. Ny ahy aloha dia resaka vavaka foanae;;Ammiko dia ambony ny zavatra rehetra Andriamanitra;Izy no hampametra ireoCes ireo ary hananatra azy;Izy no hiady fa isika hangina

  14. Tsy reraky ny mamerina aho hoe tsy manana stature na homme d’etat i DJ.Manao fanambarana ofisialy ho ren’izao tontonlo izao fa noho ny fitiavako ny tanindrazako dia nanapa-kevitra aho fa tsy hilatsaka .Olona tsy mitana ny teniny izany ve no antenaina hitondra firenena ? Tsy nisy na dia iray aza zavatra tsara mba nataony hatramin’ ny nahalalana ny anarany fa fanapotehan-javatra no fiandohana (tadiditsika tsara angamba ilay hoe tsofiko rano ianareo ho eny amin MBS dia haitsika ny tohiny )may ny tanana; manaraka fitondrana vahoaka ho faty tamin’ny teti-dratsy efa voaomana ;fanagadrana ,fampihorohorona mpanao gazety ,fandrbana ny harem-pirenene (volamena bois de rose sns) Dia izao fampisehoana ny tsy fitanana ny teny nomena, mahamenatra lasa toy ny kilalaon-jaza ny firenena .Tsy misy olon-dehibe sahy mijoro fa dia avela lalaovin’ny ankizy kely toy izao ty firenena ity e ? Sa matahotra vcodi basy ? Dia ho potika eto ny ho avin ‘ny taranaka fara amandimby ;aoka samy ho toga saina daolo

  15. LA LOGIQUE DU COUP D’ETAT…. SELON RAJOELINA !

    Est-ce que Nous Nous rendons compte que ce dysfontionnement au niveau de ce tribunal représente une attaque directe d ‘un fondement existentiel de notre Nation..!
    rajoelina n’ a aucune notion de ce qu’est la Loi et donc du respect de la Loi..
    Il a le comportement d’un chien dressé pour déchiqueter toute loi ,toute réglémentatin ,tout code , toute convention ,tout accord national ou international !
    rajoelina jusqu’au boutiste a obligé le CES d’enregistrer sa candidature déposée e dehors de la date limite impos ée à tous les candidats..
    rajoelina a pu déposer sa candidature parce que le CES et notamment le Président de ce centre vraiement spécial pour les élections a bien voulu servilement accepter de valider
    Ce président a été le président de la HCC ,nommé par
    le Prrésident de la République:RAVALOMANANA MARC et qui a cautionné l’investiture de rajoelina ,auteur du coup d’état et c’est pour cette raison que cet homme fait partie des 109 personnalités sanctionnées par la Communauté internationale !
    Mon DIEU ! Sauvez vite notre Pays qui n’a plus ni queue ni tête , de cette bête immonde qui
    se fout sciemment des Malgaches ,qui subissent les agissements ignobles de cette bête à quie des hauts fonctionnaires , des magistrats assermentés obéissent au doigt et à l’oeil ,qui se sont rabaissés en se rendant complices de ce scélérat à trangresser en catimini la Loi..qui régit la première opération électorale : le dépôt de candidature !
    Cet acte illicite ,illégal , dégradant ,indigne constitue une bombe qui peut exploser d’un moment à l’autre entre les mains de rajoelina..mais finit par décrédibiliser les magistrats qui ont obéi , qui ont exécuter les ordres de rajoelina transmis par laa ministre de la justice.., une magistrat avec un lourd passé sanctionné sous le gouvernement du Président RAVALOMANANA MARC..
    Comment ferions – Nous pour faire la toilette pour assainie cette magistrature pourrie profondément..non seulement sur le plan de la probité , de l’honnêteté , de la simple correction élémentaire relevant de l’éducation ..mais aussi et surtout sur le rspect de la déontologie..
    Quelle atttude ,quelle position , quelle sanction prendra le conseil de la magistrature devant ce manquement flagrant d’irrespect des règles de la justice , qui constitue un dysfontionnement de jugement dans un tribunal..
    Quelle sera l’attitude ,quelle sera la position du Syndicat des magistrats malgaches ?

  16. a l’ attention des magistrats !

    La bestialisation des magist- rats et de la gent animale qui se servent de la justice pour assouvir leur souci de pouvoir garder leurs emplois car une fois que ces gens veulent manifester le peu d’humanité qu’ils éprouvent , leur petit dieu voyou rajoelina qu’ils n’osent ni critiquer ni dénigrer leur coupe tout : les salaires car ils les révoquent et les poursuivent en justice pour insubordination ,pour insolence , insulte u chef de tout…!
    A quand la révolte ,la dénonciation d’un état de non-droit , la grêve générale de ce corps d’état qui doit être le reflet , le porte-parole de tous les Malgaches qui en ont marre  » des jugements , des condamnations des prévenus arrêtés pour des motifs non fondés ..
    Oui l’habit ne fait pas le moine et la robe ne fait pas le magistrat ,car ces habits ne doivent pas écacher , étouffer , taire la voix ,l’intime convction de ces hommes et femmes qui sont convaincus que leurs services rendus au nom de cette justice vidée de sa justeese , de sa sincérité , de son indépendance ressemblent aux animaux de la Cour du lion de la Fontaine !
    Ces animaux n’osent dire la vérité au Roi lion et trouvent des alibi , échaffaudent des mensonges et la plupart flattent le lion en acceptant , en admettant les décisions intolérables , contre nature et contre les intérêts de ceux qui ne portent le lion en leur estime !
    Ils parviennent à féliciter r , à l’ applaudir , à défendre les prises de position anti-nationales , contre les intérêts vitaux des MalgachesCes hommes et ces femmes de la Justice , couverts de leurs robes croient et font croire qu’ils portent sous leurs robes -alibis les vraies raisons de la vraie Justice qu’ils n’osent ni défendre , ni protéger ni montrer au grand jour et en publice..
    Ils jouent le jeu tordu de rajoelina et peuvent encore regarder dans leurs yeux leurs enfants…
    Oui ces magistrats , ces gens au service de la Justice , acceptant de faire taire la raison de la justice è rendre humainement aux hommes et femmes qui sont présentés devant le Tribunal ,ont pris le visage des animaux de la fable .
    Mesdames et Messieurs fonctionnaires de la Justice ,vous vous êtes programmés à servir , à rendre la Justice anom du Peuple Malgache Souverain..Ne l’oubliez pas la grandeur et la servitude de votre mission sacro-sainte..
    Alors voulez-vous bien DIRE ET APPLIQUER LA LOI AVEC VIGUEUR ET FERMETE
    eT PUISSEZ6VOUS AVOIR LA FORCE ? LA VOLONT2 DE DIRE non QUAND RAJOELINA ET / OU SA MINISTRE VOUS OBLIGENT A AGIR CONTRE VOTRE CONSCIENCE….
    CE SONT LES HOMMES ET FEMMES QUI AGISSENT CONTRE LEUR CONSCIENCE FONT PARTIE DES BESTIAUX QUI SE LAISSENT COMMANDER A HU ET A DIA §

  17. FA LOZA INONA RE NO NAHAZO ANAO RY TANIKO E?matimaty foana ireo maritiora rehetra teto M/kara .Aiza no halehan’ny taranaka fara amandimby raha mbola ny frantsay no anjaka eto,toe-tsaina lomorona nolovaina sy nampianarin’ny frantsay ihany no mbola misy eto.Aiza isika ry Malagasy o,tonga ny fotoana mila olona sahy sy vonona ty firenena ity.
    Eto aho dia miantso manokana anao ry MICHEL aza mangina aza kivy fa izao indrindra no hilana ny hevitrao io,koa alao hery ry RAHALAHY aza miraviravy tanana.
    Ndao isika hanampy sy hiangavy ireo mpitarika ao @ ara-dalana mba hihetsika fa tonga ny fotoana satria FIFIDIANANA = MAHARESY NY FOZA (HCC + CES).Tsy mila fifidianana satria sao miverina indray ny 2002 ka isika no lazaina fa tsy mahazo toerana rah tsy @ sandry manimba ny sarintsika izany.
    FEHINY: MANAO FIFIDIANANA ISIKA RAHA MIOVA NY HCC KA MISY MPITSARA AVY @ ARADALANA AO ANATINY,NA RAHA TSY MIOVA NY HCC DIA TSY MISY FIFIDIANANA EO,izay ihany no hiverenantsika ao @ ARA-DALANA
    MICHEL fotoana ilana ny hevitrao zao,ndao ry rahalahy ALAO HERY

  18. Tsy haneso an’iza na iza, fa dia samia miandry ny rariny daholo ê ! Izay ny fanafodiny ê ! Andriamanitra hitondra an’izany !
    Fitsapàn’Andriamanitra izao hoy ny sasany, noho izany dia ny mivavaka ihany, tsy kivy fa tsy maintsy hiverina ho azy eo ny filaminana sy ny fahamarinana !
    Ho tonga ho azy ao an-dohan’ireo mpitsara ny tena fitiava-tanindrazana sy fanarahan-dalàna ; ary hilatsaka ao amin’ireo miaramila tsy ho ela ny Fanahy Masina !
    Ny fôksiônera moa dia variana miandry fisondrotan-karama na dia dia efa gotry aza ny Fanjakàna ; miandry pitika kely amin’ny vidin’ireo BDR angamba.
    Izay mpijery avy lavitra dia hanoy ny fanaony, hitazana ; ny mpivavaka dia hivavaka ho an’ny rehetra ; ny mpankafy lanonana sy RNS dia torak’izany, tsy blema izay Madagasikara,…. !!!

    Hitohy ny fandraisana 120 millions isam-bolana koa inona ny olana ? Tsy mbola mitohy ihany koa ve ilay fitenena hoe : METY AMIN-TSIKA IO ( NA IZAO) Ê ! Tsy izany va r’Ingahy Ravatomanga (oncle, mais pourquoi pas le neveu) ?

    Tsy ny famonoana an-drahanona ra rahanona no hitondra ny vahaolana !
    Fanehoana am-pilaminana ny tsy fankasitrahana an’izao toe-javatra izao no azp atao.
    Ny mitory an’ireo rehetra izay nandika Lalàna ihany koa no tokony ataon’ny vahoaka !
    Toriana atramin’ireo MPITSARA IREO !!

  19. Anampiako kely izay voalazan’ny Beloha izay raha miova io CES io, dia mila mody aingana koa i Dada ary milatsaka ho fidiana satria tsy misy filatsahana tara izany eto!
    Ankoatra izay dia tsy misy ilàna azy intsony fa efa eny antanan-dRajoelina ny 50,1% 1er tour ny vokatra raha izao no mitohy, ary miandry famakiana fotsiny fa efa vita koa ny PV

  20. Tena maha valalànina ny fandehan’ny toe-draharaha!
    Mampanontany tena hoe:Tena hitondra filaminan-javatra marina ve ity fifidiananatena ratsy fototra sisihina sy atao amboletra, toy ny hoe: tian-kano tsy tian-kano ity!!!???

    Miala tsiny amin’ny namana mpiara mitolona aho fa tena sina sy gina hoy ny fitenenana, ary tena be ny fanahiako….!

    Tsy ho hafa-miala fa tompon’antoka amin’izay rehetra mety ho vokany isika « malagasy M A N O N T O L O » (Isika ihany moa no hiharan’ny vokany…!)

    Anisany tompon’andraikitra indrindra ihany koa ireo vondrona iraisam-pirenena rehetra!!!

    Manao ronono an-tavy, tsy misy tena sahy mijoro hanatanteraka ny marina!

    Eny fa dia izay nambaran’izy ireo momba ireo 109 lahy sy vavy voasazy noho ny fanonganam-panjakana aza!
    Mibaribary an-tsoratra saingy…I

    Tena nalain-kanirina vao mampivandravandra!

    J’ACCUSE!!!!

  21. Moramora daholo aloha ray olona fa tena nandinika aho a!!
    andao indray ho jerena ny lafitsarany a!!
    izao no izy, « eny hoe »: ny mahamety io tetika iray io dia izao:
    RAHA TSY IO TSY HIALA EO ITY DOMELINA, ka mety tetika hialany io, fa efa miaiky ny rehetra fa TSY HISY
    IO FIFIDIANANA IO, dia afaka manangana tetezamita vao2 MADIO indray.

    …fa raha ny lafi-ratsiny kosa dia iry voalaza ambony iry hoe: @ farany koa ho laniany i domelina @ fomba rehetra
    mahadiavolana ny fony, satria any aminy daholo ny fahefana ho @’izany.

    KA ANJARANTSIKA NY MANAIKY NA MANDÀ IO FIFIDIANANA SADASADA IO.

  22. Fa misy inona ato @ Mydago Tompoko isany???
    Mankahery ny rehetra ato ary indrindra fa i Solo Razafy raha SANATRIA ka
    azon’ny ANTSOJAY satria namoaka ity ZAVA-DOZA ataon’i MATY HARITRERITRA ITY VE????
    MAHAREZA DAHOLO TOMPOKO ISANY FA MBOA HO AVY ILAY MARAINA.
    RAHA SANATRIA KOTAPO LATSAKA DIA RAISO FA REHEFA MATSINTSIANA DIA MIVERIKA ETO IHANY.
    HOMBA ANAREO INDRINDRA IANAO SOLO RAZAFY ILAY AO AMBONY.IZY TSY MBA MANARY.

  23. Fa angaha rey olona dia nisy nahatoky izany CES izany?
    Asio cour spéciale hafa indray hijery ny ataon’ity CES ity dia ry zareo ihany no ataovy ao hoe jerenea?
    Omeo Ferrari hoe ny mpitondra posy jerena raha mihatsara ny fitondran-tenany eny an-dalana?

  24. Izaho manokana aloha tsy natoky tsy matoky ary tsy hatoky velively ny rafitra rehetra miezaka hampanao izao fifidianana mamonjy tsinain-kena izao e!

    Ny zavatra tokony nijoròna, nozirizirìna sy nitolomana hatrany am-boalohany ka hatramin’ny farany raha vao niresaka fifidianana, dia ny famelàna ny rehetra hirotsaka hofidina.
    Nisy intransigeance be loatra tany aloha teo amin-tsika manohana ny ara-dalàna hany ka manao sangongodim-panina!
    Voatery nanaiky ny Ni;;;,Ni! Kanjo…

    Raha tany amboalohany isika no nanery ny fifidianana ary nitana ny hoe aleo hirotsaka daholo na ilay pété-ndoza aza! Ho mora kokoa ny fandehan-javatra raha oharina amin’izao fotoana izao!

  25. K’ efa hoe: sarin-diky no miteny fa tsy tenin-dehilahy ry Neninoro a!!
    Mbola nalentiky Kotovelo lalina any anaty fara-hantsana indray dada.
    Izy no nanery an’i dada handray anjara @’ ilay fifidianan fa TSY HILATSAKA an!!!
    dia soa moa dada fa nahatsiaro tena tampoka ka NITONGILANA HAINGANA tany @Neny , dia io ireo
    fa miakapokapoka atao adaholo ny hatsojay tsy ahalany an’i Neny io, miaraka @ Foza mazava ho azy.

  26. Fahadisoan’ny vahoaka malagasy io ê ! Atao amin’ny teny frantsay.

    Nous n’avons que :
    – les dirigeants
    – les magistrats
    – l’armée
    – les fonctionnaires
    – les maires
    – les sefom-pokontany
    – ……
    que nous méritons !!!!! Mbola ho avy atsy ho atsy ny fanesoan’ny sasany, izay hilaza fa les malgaches font partie des plus pauvres, mais aussi des plus idiots ou nuls !

    Tsy misy mandeha amin’izay izy ny raharaha rehetra, fa dia lasa foana ê ! Mpanongam-panjakàna atao Monsieur le Président ! Faly ery ny be sokatry sasany mandihy kilalaka miarak’aminy !! Voninahitra tsy misy toa izany !!

  27. Ilay fidirana tao amin’ny mpanao biriky mba hahazahoana vola misimisy no tsy lasa.Tia kely daholo fa tsy mba mifofotra amin’ny herin’ny tena.

  28. Fitondràna mora azo, vola mora azo !! Ny zava-drehetra lazaina fa mora daholo !
    Fitenin-dramalagasy koa anie ilay hoe : Aza manasarotra fa moramorao ihany !

    Tsy efa ela koa ve ny vazaha no nilaza an’izany hoe Madagascar pays des mora mora !!!!

    Même les femmes mora jonoina !!! Tsy hita ê ! Pauvres hommes malgaches !

  29. Hevitra mitombona ny anao ny Beloha satria any ampoton’ny maha ara-dalana no hiaingana…saingy efa voafefin’ny frantsay daholo anie ny lalana e!Vao lany ny filohantsika t@ 2002 dia efa nanomana paika ratsy ny frantsay fa isika tara lava izao foana satria tsy mihetsika fa variana mivavaka.
    Toa efa dingana « échec » izany ny miseho izao…sa?
    Ka raha mbola mitavendraka hifanaretsaka @ serasera fa tsy hikaroka paika afa aingana dia « échec et mat »….loza be fa tsy hisy akory na « petit roc » ary…. « grand roc » dia afohizo tanteraka.
    Na ny kilalao FANORONA aza anie dia misy « Stratégie » e!Na dia ny Fanorona 3 fotsiny aza an! Samy tia handresy ny mpilalao roa mifanandrina ka samy mikaroka paika izay ahitsy arakaraky ny fandrosony lalao
    Izay 4 taona izay dia tsy nazava ny tanjona ary tsy nisy paika nirindra @ fomba fijery sy fiasa ankoatry ny fampiratina karazan-kevitra @ serasera sy vavaka tsy misy farany.
    Angamba raha mazava @ maro ny « religiosité sy « spiritualité » dia hisy hirika fiovana ihany.
    Marina tokoa fa misy kristianina any Korea,Japon sy Chine,fa ny « spiritualité » fototry ny fomban-drzandry zareo dia matanjaka ka miteraka ambo sy fitiavana hiaro ny firenena hijoro sy hihavaka mba tsy ho « société globale de consommation » fotsiny. Any ny tanjaka afahana miatrika izay setrasetra samihafa satria izay ny lalàm-piainana.

    Ka tairo re ry Beloha, Michel sy izay vonona @ izay hanohitra izao « infantilisation démentielle » hanalikana ny gasy izao e!.
    Ndao re mba aseho ny gasy rehetra fa mbola misy lehilahy malagasy manana ny haja sy hasina ka hanohy ny tolona natomboky ny ray@dreny 1947 e!

  30. Marina io lazainao io ry Mijoro fa tokony hanana paika isika.Izay mihintsy aza no tokony hanaovana fifanakalozan-kevitra eto.Nanontany ny namana hoe:inona no tokony hataontsika mba hisorohana ny hala-bato amin’ny fifidianana dia efa mba nanao soso-kevitra izahay.Ny hevitry ny maro hono mahatakan-davitra ka arosoy ary ny hevintsika rehetra.Ny fotoana mandroso ihany.

    Antsipirihany kely fotsiny fa tsy hoe misy katolika any korea fa be katolika any korea fa hain-dry zareo ny nanavaka ny fivavahana sy ny politika.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *