Firariants​oa avy amin’i Neny

« Arahaba ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao  » Lioka 1/8

Izany teny nataon’ny anjely tamin’ny renim-pianakaviana iray dia i Maria izany no entiko iarahabana ny reny rehetra manerana ny nosy, amin’izao andro natokana ho an’ny RENY izao.

Mankalaza ny fetin’ny Reny tokoa isika ary miombom-pifaliana miaraka amin’ny Reny rehetra, satria nanao zava-dehibe ny renim-pianakaviana Andriamanitra, nomen’ Andriamanitra anjara toerana lehibe manokana sy mahagaga tokoa ny renim-pianakaviana teo amin’ny sehatra rehetra misy eto amin’izao tontolo izao: na ny fiaraha-monina,na ny fianakaviana, na ny firenena; ary ho antsika Malagasy manokana dia efa hatry ny ela no natao ho fototry ny firenena ny RENY, mahagaga tokoa satria ny fototenin’ny firenena dia hoe : RENY , ary hitantsika amin’izany fa tsy manam-paharoa tokoa ny RENY.

Koa izao fetin’ny RENY izao ary no tokony hanaitra antsika indray hampiasa ny fahatsaran’Andriamanitra amintsika RENY ka hamelomantsika ny voninahitr’Andriamanitra.

Fanamby apetraka ho antsika RENY rehetra ny :

-ho RENY filamatra sy modely ka ho reharehan’ny ankohonana ny fisiantsika.

-ho RENY miavaka azo hametrahana fitokisana eo amin’ny sehatra rehetra ka hazoto hiasa sy hampiasa ny talenta samy hafa eo ampelantanantsika.

-ho RENY mamiratra ka ny ho avin’izao firenena izao dia ho eo ampelantanantsika, mba ho fitaovana mahomby isika, hitondra fahombiazana sy fivelarana ary fandrosoana eto amin’ny firenena.

-ho RENY idealy ka hampiasa ny fahendrena sy ny fahalalana ananantsika amin’ny fomba fiteny sy ny asantsika rehetra.

Koa satria zava-dehibe loatra ny fananana Reny feno hery dia mangataka antsika tsirairay ihany koa hitondra am-bavaka an’ i Bebe Razay sy ireo reny rehetra mandalo tsy fahasalamana amin’izao vanin’andro izao.

Andriamanitra hanampy hery antsika RENY rehetra mba ho Voninahiny irery ihany ny maha RENY antsika tsirairay avy.

 

 

Lalao RAVALOMANANA

7 pensées sur “Firariants​oa avy amin’i Neny”

  1. Totofy voninkazo ary tondray fitiavana manana amby ampy ny RENY REHETRA…, MALANTSIKA Zanaka !

  2. Misaotra betsaka n’i Bebe Razay fa raha tsy izy tsy tonga teo i Neny.
    Miarahaba ireo reny izay tena tompon’ny jaly amin’izao vanin’andro izao,
    Mareheza daholo dia io musy reny azo alaina tahaka tsara ny fahavononany ny HERY LEHIBE izay ho entiny
    miatrika hatrany na dia tsy mora aza no noentiny SY MBOLA HO ENTINY ho an’i FITIAVANY SY FIATREHANY
    NY ADIDINY.
    MAHEREZA DAHOLO RY RENY MALAGASY REHETRA ! NY TOMPO ANIE HOMBA ANAREO REHETRA!!

  3. Mankasitraka @’ilay hira e! mahafinaritra na dia tsy mandeha aza
    ilay fararoa dia tonga dia tonga ato am-bava, soa fa efa hay tsianjery.

  4. Miarahaba ny reny mpitolona rehetra, tratry ny Fetin’ny reny 2013 !

    Fety, fa ny mampalahelo dia mbola ao anatin’ny korontana foana ny firenena ! In-dimy izao isika no mankalaza an’io hoe fetin’ny reny io, any ka tsy dia misy fahafinaretana intsony raha ny marina, ny fankalazàna an’ilay izy !

    Ny valin’itony izao no tena andrasanay ! Hampiseho ny maha olom-banona azy ve ireo mpikambana ao amin’ny CES, sa dia tsy ho olo-mendrika ny toerana misy azy ary koa olona tsy azo hitokisana intsony ?

    http://www.tim-madagascar.org/forum/read.php?1,786269

  5. Tsy maintsy atao amin’ny teny gasy ny post, sa amin’ny teny inona no lasa voan’ny modération tampoka teo indray ny tenako â !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *