Fitsarana politika

Tsy mahalala izay hitondrana azy, fa manaraka fotsiny izay fa tondroin’ny mpitarika azy ny Gasy. Mizarazara ho sokajy marobe ny olompirenena amin’izao fotoana mampirongatra ny fitakiana etsy sy
eroa izao. Tsy mety ho tojo amin’ny fanamelohana izay fototry ny fikatsoana ireny fitakiana ireny fa misamaritaka sy samy manao izay sendran’ny lohany fotsiny, samy mikatsaka ny tombony ho azy
avy. Nanjary nanome vahana ny fisalasalana indray ny toe-draharaha satria tsy afaka mba nionona tamin’ny fanajana ny lalàna velona izay efa nampanjakainy sy noforoniny teto ny mptondra tetezamita
fa vao mainka nangady ny hantsana manasaraka azy amin’ny fironan-kevitrry ny vahoaka tsy mandady harona.. Moa hahagaga ny mpanaraka ny fivoarana ara-politika eto ve raha midrikina sy manao
fitakiana politika ny andiana mpitsara, ny mpitolona sendikaly, ny mpiasa madinika tsotra, ny mpanao asa soa isan-karazany? Tsy maintsy lamina politika ihany no ahafahana miala amin’ny olan’ny
firenena, ka na iza na iza miantso ny hanatanterahana izany dia hevitra tokony hotohanan’ny te-hilamina izany. Ny mifanohitra amin’ireo dia mbola fanamafisana ny fizorana hatrany hiroso amin’ny
hantsana ihany. Dia hanova inona amin’ny tontolo iainan’ny firenena moa izao ny antony namoahan’ny fitsarana momba ny fifidianana izay “manameloka” sy « manamarina » ny kandida ho
filoham-pirenena. Hifidifidy fahatany indray ny Malagasy raha izao fizotry ny raharaha izao no dinihina akaiky. Tsy hahafantatra akory izay tena fototra fa hihinana ambolony fotsiny. Tsy maintsy
hisy nenina sy zavatra ifandrotehana indray ao aoriana kely. Efa naverimberina teto hatrany fa tsy maintsy mila fahatoniana ny fanatanterahana ny fifidianana satria tsy lisitry ny mpifidy fotsiny
no tokony ho vonona, tsy resaka daty sy fotoam-pahavaratra ihany koa, fa manao ahoana ny fanantanterahana rehetra ny “zava-boalazan’ny lalàna” sy izay mba “metimety” kokoa amin’ny olompirenena
izay entanina hifidy. Mirotoroto amin’ny tsy antony isika mianakavy, ary tsy mahalala izay hahafaty. Fa tsy misy dikany amin’iny olona iny ireo rehetra notanisaina ireo fa ny ao an-dohany ihany
no nataony. Tena fitsarana miendrika vaha-olana politika ve no nataon’iny olona iny sa dia finiavana te-hampisaringotra izay efa nanahirana hatramin’izay?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *