Goaka ny atiny

Aiza ilay lalampanorenana e? Efa tafapaka any amin’ny isam-batan’olona hifidy ve? Amin’ny tenindrazantsika ve ilay voasoratra tao? Inona no mahasamy hafa azy tamin’ireo marobe teo alohany? Raha
misy olom-pirenenana mpifidy miisa folo ohatra eto Madagasikara, dia azo antoka fa ny roa amin’ireo ihany no efa namerimberina izany fanontaniana marobe izany? Azo heverina ve ny antony mety
ilàna ny vontoantin’izay voalaza sy voasoratra ao anaty lalampanorenenana sa alefa any amin’izay tiany aleha any fotsiny ny fifidianana ho avy? Raha olompirenenana mahalala ny tantaram-pireneny
dia tsy hisalasalana fa ilainy izany, fa raha ny zava-misy ho an’ny fienena malagasy ankehitriny dia fanadanian’andro ny hivaky loha amin’izay voalazan’ny lalàna isan-karazanay. Fa nahoana e?
Satria tsy ny lalàna no zava-dehibe. Tsy ny soratra no inona. Tsy ny fifanarahana nanaovana fifanekena no sakana. Tsy misy ilàna izany rehetra izany, fa ny fifanajàna no tsy ampy, tsy misy
fifimpitokisana miteraka ny fihavanana, tsy misy fanajàna ny tombotsoan’ny mpiara-belona. Goaka ny aty fanahy! Tsy mila soratana sy hifanaovana dina ny fitsipika ara-moralin’ny fanaovana
politika. Atao inona moa lalampanorenana, lazaina fa hifampifehezana, na koa ilay tondrozotra nifanaovana sonia, kanefa efa misy saina (na moralité) mivonona ny tsy hanaraka izany? Hisy dikany sy
lanjany manao ahoana ny fandresen’ny kandida iray ao aorian’ny fifidianana, raha azo antoka aty ambohalohany fa tsy hanaja izay vokatra izay akory ny ankapoben’ny mpanao politika Malagasy (mariho
tsara fa mpanao politika no resahana eto fa tsy ny malagasy akory)? Mpanao politika iza no sahy hilaza fa hanaraka ara-bakiteny sy hanaja io lalampanorenana io, izay arovana mafy ao Ambohidahy
ao? Ireo mpitarika ny olona tsy hifidy (marobe izy ireo) dia efa azo antoka fa tsy mivadik’ati-doha amin’izay voasoratra ao anaty lalàna. Tsy manan-kevitra ny hanakiana sy hitsikera akory. Ny
vataben’ilay didy navoakan’ny CES no ifanotofana izao, tsy heverina ho misy lanjany akory ny amin’ireo fahefana mpikarakara (ho an’ireo tsy handrotsa-bato). Eo indrindra ny ady hevitra: Iza no
afaka hanome antoka fa ireo “mpamporisika” amin’ny fifidianana ankehitriny dia hanaiky sy hampihatra io lalampanorenan’ny Répoblika faha-efatra io? Ohatra voalohany, andininy 94: “Ny Filohan’ny
Répoblika no mifandray amin’ny Antenimiera amin’ny alalan’ny hafatra tsy azo iadian-kevitra”. Iza amin’ny mpanao politika sy olom-boafidy malagasy no hanaiky an’izany? Moa tsy endrik’izany izao
no manjo ny ben’ny tanàna manerana ny Nosy (voahongotra amin’ny toerany)? Moa tsy fifanolanana tamin’ny samy olomboafidy no olana teto? (Ben’ny tanàna voafidy tao amin’ny kaominina iray, no
nitarika ”ny vahoakany” hanongana ny Filohan’ny Répoblika voafidy manerana ny tanin’ny repoblika)?.Ohatra faharoa, andininy 131: “Ny Filohan’ny Répoblika dia tsy tompon’andraikitra noho ny
zava-natao teo amin’ny asany, na teo ampanaovana ny raharahany afa-tsy amin’ny famadihana Tanindrazana, ny fandikana bevava na fandikana miverimberina ny Lalampanorenana. Azo tsaraina eo
anoloan’ny Fitsarana Avo izy. Ny fiampangana dia mety hiafara amin’ny fanonganana amin’ny asa mahavoafidy azy”. Dia iza no olona hisahana io asa io ka hanaiky moramora izany voasoratra izany? Moa
tsy izany no fototry ny olana hatramin’izao?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *