HANDRAY ANJARA AMIN’NY FANOHANANA NY FFKM ISIKA

IMG_0032

IMG_0031Nanao tatitra tamin’ny vahoaka teny amin’ny Magro Behoririka androany ny Cst Leriva Manahirana momba ny dinika isam-paritra nataon’ny FFKM tany Toamasina.Namonjyny dinika tany an-toerana ny tenany hoy izy ka izay no tsy nahateto elaela. Tsara ho antsika hoy izy ny fehinkevitra nivoaka tao satria ny antony dia izay heverina ho mpanohitra aza dia nilaza fa rehefa hifampidinika dia tokony samy eto Madagasikara daholo ny olona rehetra. Mangataka hoy Leriva ny rehetra hoe alohan’ny fifidianana dia ny lalàm-panorenana roa no hisafidianana. Ny zavadehibe amintsika hoy izy dia na 2 na 3 tsy misy dikany izany fa rehefa tonga eto ny filoha Ravalomanana Marc dia izay. Natomboka tao aminay ihany koa hoy izy ny fihavanana, samy nifamela heloka ny rehetra tamin’izany. Miandry ny CES sy ny FFKM isika dia hohita eo ny tohiny. Zavadehibe andrasana amintsika dia ny firaisankina sy ny firaisantsaina. Na izay iray alehany hoy Leriva na ho tsara na hikorontana.   Ny Ct Ravelonanosy Mamy Tiana kosa  dia nanambara fa handray anjara amin’ny fanohanana ny FFKM isika rahampitso ka hisy delegasiona roa ho any. Ilay fehinkevitry ny FFKM hoy izy tamin’ny voalohany dia saika hita tao ny hoe avereno ny sesi-tany politika any ivelany, avoahay ny gadra politika, sokafy ny radio nakatona.Miantso ny FFKM hoy izy hoe  rehefa tena hivoaka ny fehinkevitra dia tsy tokony avoaka alohan’ny sommet.Ny fampihavanana no tokony hifotorana raha tena hamaha ny krizy hoy ny fanazavany.

1 pensée sur “HANDRAY ANJARA AMIN’NY FANOHANANA NY FFKM ISIKA”

  1. aiza daholo miandry vaovao marompototra azafady zay mahalala ny momban’i NENY sy CES ,tsy maharaka izahay o ,mba liana fa valio o!!!azafady

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *