Ho sokafana daholo ny radio sy tele nakaton’ingahy minisitra

Ampy izay ny fanampenam- bava ny haino amanjery samy hafa eto amintsika! Tonga ny fotoana hisokafan’izy ireo, mba ahafahan’ny vahoaka Malagasy mahazo loharanom-baovao samihafa, fa tsy sanatria ka
lakolosy tokana foana no heno eto. Raha ny akom-baovao heno omaly tetsy Besarety nandritra ny fihaonana nataon’ny sendikan’ny mpanao gazety sy ireto tompona haino aman-jery nakatona teto amin’ny
firenena, dia vanim-potoana ilan’ny vahoaka ireo haino aman-jery ireo izao, ka rariny raha omena alalana hisokatra amin’izay. Tsapa mantsy fa misy haino aman-jery nomena alalana hisokatra vao tsy
ela izay, nefa ny teo aloha aza nakatona. Aoka tsy asiana mizana mitanila eto, ka raha ny feo heno, dia tsy ho ela no hanokafana azy ireo. Isan’ireo tsy zakan’ny fitondrana ankehitriny ny nandre
ny famoaham-baovao toy ny tao amin’ny radio Mada, Fahazavana, Free Fm, ary raha mbola hisokatra eo ihany koa ny MBS sy ny hafa, moa ve tsy hilatsaka izay tsy ho latsak’ireo tomponkevitra
tamin’izany fanakatonana haino aman-jery izany. Na hidrikina mafy aza ingahy minisitra hanakana ny tsy hisokafan’ireo, moa ve tsy efa ampy kosa izay mizana mitanila izay, ary efa hiala
an-daharana ihany koa ny mpanome baiko, ka avelao ny olona hisafidy izay haino aman-jery tiany e.

3 pensées sur “Ho sokafana daholo ny radio sy tele nakaton’ingahy minisitra”

  1. Elena ary tsara ny filazana ny tsy mety toy izao, Nefa aoka,ho fantantsika fa tsy ampy vélively,izany. Mila asa sy hetsika misy vokany vao tanteraka izany ka n’a ahoana na ahoana ny endrika hisehoan’izany dia tsy maintsy atao foana.

  2. « ary efa hiala an-daharana ihany koa ny mpanome baiko »: sao de fôpl espoir ndray io ra-… Ony Rambelo an?

  3. Fa naninona ny mpanao gazety rehetra no nangiana nandritr’izay efataona izay ?
    Ny hoe diso fanantenàna eo ihany, fa raha ny MBS no atao resaka, tokony asiana ankety sy fitsaràna io raharaha io, satria fantatra iza no namotik’azy ?

    Nahoana ilay orin’asa belza tany Mahajanga nahavita nampanao « saisie » ny fananam-panjakàna, sy ni-bloquer ny kaontiny ?

    Amiko dia tokony atao mazava dien’izao ny raharaha fa tsy hoe amboarina aloha, dia avy eo vao takiana amin’ny « fanjakàna » ny fanamboaran’azy ! Hilaza indray mantsy ny sasany, ireo tsy maty voalavo an-kibo fa hoe manodikodina volam-panjakàna Ny Filoha Lalao Ravalomanana !

    Io sady maika no mora atao, tsy toy ny fananan’ny TIKO, izay mbola azo atao hoe mila fanadiadina sy olona manana traikefa amin’ny fanaovana tombatombana ! Tsy rariny rahatoa ka very fananana sy tsy afa-niasa ry zareo !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *