Ihanta Randriamandranto : Sahy ny FFKM

IhantaNiteraka adihevitra teo amin’ny mpanao politika sy ny olom-pirenena tsotra ny fehinkevitra nivoka nandritra ny dinika fampihavanana nokarakarain’ny FFKM teny Ivato farany teo. Ho an’ny minisitry ny fiompiana Randriamandranto Ihanta Ankolafy Ravalomanana dia nambarany raha tafaresaka taminay fa arahabaina hoy izy ny FFKM nahatanteraka iny fihaonana iny ary sahy nandray ny andraikiny izy manoloana ny raharaham-pirenena.Ny fanapahan-kevitra tao hoy izy dia nahafaly ny be sy ny maro. Ny  faniriana fotsiny ary nolazain’izy ireo dia ny ezaka tsy mbola vita, izay no dingana voalohany ka hampirisihana tanteraka izy ireo amin’ny fanatanterahana ny  dingana faharoa mba tsy ho naman’izay mihemotra tokoa fa handray ny andraikiny ary hampiseho ny fihaonana amin’izy efatra miraharalahy. Hampiseho izay hampisy ny fihavanana ihany koa ka hanao ny  atao hoe governemanta tetezamita. Ny zavatra miseho aloha hoy Ihanta, raha ohatra ka hisy ny fampihavanana dia miova izao tetezamita izao. Mety hisy sorin-dàlana vaovao anankiray hipetraka hoy izy  ka mety hiova daholo indray ny rafitra. Ny zavatra iriana hoy ny minisitra, aorian’iny fihaonana iny   dia hoe mitafy hery mba hananantsika « crédiblité », satria amin’izao isika tsy manana izay intsony.Ny hitazonan’ny FFKM izany no natao hoy izy ary ny hametrahana ny hoe izay eken’ny rehetra, tsy mitanila.

2 pensées sur “Ihanta Randriamandranto : Sahy ny FFKM”

  1. Sur u e des photos, on voit Raharinaivo tenir les bras de P.Botozaza et Ravatomanga. Apparemment , la salle n’est pas pleine.. A part ça, si on veut appliquer les résolution de cette conférence , il faut commencer tout de suite. En revanche, une nouvelle transition de 18 mois est inacceptable , tous les restes, sont adaptable: refondation totale de l’etat, suppression de la FdR et la constitution Fozaorana, du CT et de CST etc…. Vite vite…mais avec quelle force exécutoire ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *