Kaonferansa eveka eto Madagasikara

«Tokony hampanaovana dina hanaja etika politika ireo kandidà rehetra » Velom-panahiana momba ny mety hiafaran’ilay dinika ho fampihavanana izay nataon’ny FFKM ny konferasan’ireo eveka. Raha ny
fihevtri’izy ireo dia tokony tsy hirona amin’ny resaka fampihavanana ara-politika ny FFKM izay tarihin’ireo Ray aman-dreny am-panahy 4 mirahalahy. “Tsorinay fa matahotra sy velona ahiahy izahay
sao mivaona ho fampihavanana politika fotsiny no imasoana, satria io dia tsy anjaran’ny fiangonana velively”. Amin’ireto eveka ireto dia tokony mijanona amin’ny tolokevitra napetraka voalohany
dia ny 4F “ Fieken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana ary Fihavanana” no imasoan’ny FFKM. Nanome soso-kevitra ny amin’ny tokony hametrahana etika politika ho an’ireo kandidà ihany koa ireto eveka
ireto. Heverin’ireto eveka ireto fa adidin’ny FFKM avy eo ny mamory ireo kandidà ho filoham-pirenena rehetra hanaovana tan-tsoroka izany etika politika izany.

«Tokony hampanaovana dina hanaja etika politika ireo kandidà rehetra » Velom-panahiana momba ny mety hiafaran’ilay dinika ho fampihavanana izay nataon’ny FFKM ny konferasan’ireo eveka. Raha ny
fihevtri’izy ireo dia tokony tsy hirona amin’ny resaka fampihavanana ara-politika ny FFKM izay tarihin’ireo Ray aman-dreny am-panahy 4 mirahalahy. “Tsorinay fa matahotra sy velona ahiahy izahay
sao mivaona ho fampihavanana politika fotsiny no imasoana, satria io dia tsy anjaran’ny fiangonana velively”. Amin’ireto eveka ireto dia tokony mijanona amin’ny tolokevitra napetraka voalohany
dia ny 4F “ Fieken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana ary Fihavanana” no imasoan’ny FFKM. Nanome soso-kevitra ny amin’ny tokony hametrahana etika politika ho an’ireo kandidà ihany koa ireto eveka
ireto. Heverin’ireto eveka ireto fa adidin’ny FFKM avy eo ny mamory ireo kandidà ho filoham-pirenena rehetra hanaovana tan-tsoroka izany etika politika izany.

18 pensées sur “Kaonferansa eveka eto Madagasikara”

  1. Izao indray izany no atao hoe MyDago vaovao ? MyDago, niova loko sa look ???

    Ny karanty nefo mira 50 !!!!!!!!!
    Ny 4 mira 5, sa niniana tsy noresahina ny F faha-dimy ? Hisy raharaha ho vanona ve rahatoa ka tsy asiana resaka ny momban’io ?

    Ny F faha-dimy dia ny Fitsaràna ; Fitsaràna an’izay nanota fady teo anatrehan’ny vahoaka sy ny Firenena !

    Sa io fihaonambe io no tena OMO, ilay lazaina fa fandiovana manarapenitra ? « OMO (Organisation Malgache de l’Omerta) lave plus blanc que les blancs » !

    Dia miandry indray izany, satria ny fampodiana ny Filoha Ravalomanana toa mody nasiana resaka ; toa tsy misy vonona marina ny handray andraikitra aloha atramin’izao ! Resaka manabe lao-bary fotsiny !
    Aza gaga ianareo rahatoa ka mba lasa ihany ny eritreritray, satria ny Foloalindahy izay lazaina fa tsy manao na tsy tokony hanao pôlitika no mbola tsy maintsy hieràna.

    Any amin’ireo miaramila ny lakilen’ny filaminana, ary any amin’Ingahy Ravalomanana izay nosoloin’ny vadiny ny lakilen’ny Fivoarana sy Fandrosoana !

    Mba lakilen’inona no any amin’ireo mpitsara na azo antenaina any aminy ? Mpitsara izay toa fandrebirebem-bahoaka sy fandaingàna, ary asa mitanila no hita aloha atramin’izao ?

    Dia mba ahoana koa ity hitako tao amin’ny Midi Madagasikara ity ry zareo â ?

    Médiation du FFKM : Dissoudre la Transition
    ….
    Loi fondamentale. La Constitution a été également remise en cause. De ce fait, il a ainsi été proposé la tenue d’une élection qui se rapporte à la loi fondamentale, notamment un Etat unitaire, fédéral, théocratique et monarchique.
    ….

    Iza ianareo no mba afaka manazàva ny momban’io ?

  2. Tena heveriny eveka fa ry zareo sy renin-dozatra foana ihany no hifehy ny firenena.
    Efa tao anatiny paika ratsy ny renindozatra hatr@ 2009 ny hihezaka handrebireby sy hampisaraka ny ao @ faritra protestant.
    Dia tohiny io fandefasana an’i domelina vendrana tany Rome mba ahitany firenena afa(bekintana indrindra),fa renindozatra efa nahazo fampanantenana avy @ firenena jiosy ary eo foan mandrakariva ny vatican manampy @ izay « coups » samihafa raha ilaina.
    Lafrantsa renindozatra, toa mbola tsy voky ny halatra nataony, taonjato efa ho 3 izao, (hatra@ niandohany « colonisation »)no mijirijiry hanohitra ny bekintana, dia « paiso peta-korona fotsiny ny gasy izay very satria mitsofoka koa ny sinoa, arabo,karana.
    Misaotra an’i KM hihezaka hanazava ho any rehetra ny ambadiky ny « kaozy » lazainao fa tena ilaina mihintsy ny manaitra ny gays be torimaso.
    Midika ho « infantilisaton à outrance » ny « Malgache Génétiquement Modifié » anie izao setrasetra ampihariny frantsay izao e!
    Dia mody hoe tsy dia voandry zareo frantsay ny fanekena ny filatsahan’i domelina, anefa ry zareo ihany no mampanao izany, dia avy eo ilay gasy voavidy ary heverin-dry zareo hitantana ny firenena no hilofosany hapetraka @ fangalarambato sy fividianana gasy maro afa koa.
    Mila fandrindrana matotra ny fomba vao2 fiasa isika rehetra manohana an-dRtoa Lalao Ravalomanana rah ts izay dia ho very tanteraka ny firenena.

  3. T

    trés surpris de la position des êveques .ils devrainet demander l ‘avis du Pape si l’église n’a pas le droit à reconcilier ou de re-établir la paix .

  4. Ka tsy efa nandalovan’iialy alakaosy lahy iny tany @ Pape koa inona no
    azo antenaina eo intsony???tsy efa vita pasoka tsara tany koa izay ny daomy??
    Ireto FFKM aloha dia aza manantena fa hadio hangaraara io fa ho hita eo ihany ny tena anton’izao e!!
    Nanao izao ihany koa nahoana no efa vita ity FILATSAHANA vao moooodyyyy…..izay amiko dia efa tsy
    mazava???dia ny alika tsisy fe- vozona rehetra miwowo..avy ato aoriana « AMPODIO DADA » ( hangalana
    pasipaoro fotsiny anefa io an).
    TSY MAINTSY IHANY IANAO MITENY.
    TSY MAINTSY MISY ZAVATRA AMBADIKA IO FA ALEO ALOHA HO HITA NY FANDEHANY.
    Sao dia mba atao izay hialana @ izao ttlo izao mba HANJAKAN’i FIRENENA IRAY AO DIA LA FANTSA ???

  5. Mihombon-kevitra amin’ireto évêques aho ,na dia izy ireo aza noniteraka ny olona toa ny odon izay tena « mi-politiser  » ny fihaonan’ny FFKM sartia io rangahy io no nanomeny caution-n’ny katoloika ny fanonganam-panjakana ary mbola io izy no mibaiko ny FFKM mba hanaiky ho fiasan’ny mpanao politique (instrumentalisation par les politicards )..
    Raha dinihana tsara io fanambaran’ny évêques io dia
    –fanakihana ny fihetsiky ny FFKM nandritry ny fivoriana satria nihataka be amin’ireo hevitra nentiny ho dinihina toa ny faneken-keloka ,ny fifamelan-keloka , ny fibebana sy fifonana..
    Tsy nisy ny fandihina izany fa ny politique ( fanovana ny tetezmita , ny fanemorana ny fifidiananana no nataony! Iza no nanosika azy ireo tsy nitana ny hevitra arosony ,
    –i odon dia avy amin’ny fikambanan’ny évêques : andraikitra ary adidin’izy ireo no manolo io odon io tsy ho membre-n’ny FFKM noho ny fanahy ratsy ao aminy ka nahatonga azy nitaina ny afon’ny fanonganam-panjakana ,izay niteraka fahoriana ho an’ireo Malagasy ROA-POLO TAPITRISA !
    Tsy marina ary azo lazaina ho lainga sy firaisana tsikombakomba amin’ity odon ity raha toa ka tsy mahita évêque iray ianareo manaja ny éthique de la réligion de l’église malagasy ,apostolique et APOLITIQUE !

  6. “ Fieken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana ary Fihavanana”

    Sao dia mba F tahaka ny Fampihomehezana rey olona no tokony ho izy a! F, Fanesoana ny fahatrana vokatry ny nataon’ny katolika! Mba marina mafy…
    Fiekan-keloka? Iza no tokony hiaky heloka?
    Fibebahana? Iza no tokony hibebaka ary inona no dikan’izany mibebaka izany? i omar nihomehy sy nibitaka t@ nahazo ny Pasitera Rasendrahasina ve?
    Fahamarinana? Ny fandefasana an-drajoelina hikôfesy any @ papa ve? sa ny fiadiana mafy sao lasa protestanta ny tanàna? aleo mahita silamo?
    Fihavanana? fihavanana inona? tahaka ny filazana lava any @ sekoly katolika ve fa ny protestanta no tena mpigafy ny tonon-kira? sa hoe lasan’ny protestanta daholo ny tsena nony hoe Ra8 no tonga teo @ fitondrana? dia nopotehina ny t@ izany avokoa ny fiainam-bahoaka rehetra?
    Moa tsy tao @ icm no nivoahan’ny hevitra « tetezamita » voalohany? io ny tetezamita io!!! henjana be tokoa ny ao a@ icm…
    tsy fampihavanana politika tokoa fa tsy anjaran’ny ffkm izany fa anjaran’ny katolika! nonce au poste alika no nandray an-drajoeluina rehefa avy nandrava an’Iarivo izy! tsy nahitana teny na dia kely aza ny katolika! tsy vitan’izany fa mbola nalefa nijery ny papa ny akama… tsisy henatra na dia kely fotsiny aza ny @ fahantrana nentiny tao Madagasikara!
    Arahabaina amin’ny anaran’i mason’i maria e!

  7. Ka eto angamba no mahatonga ny fanompoana an’i Kristy sy mason’i Maria tsy mitovy. Ny kristiana dia i Jesoa no filamatra. Ny fanompoana an’i Maria kosa dia ny katolika no namorona izany. Marina fa i Maria no nitondra vohoka ny Tompo. Fa i Maria dia olom-belona ihany. I Jesoa no Tompo. Ny manompo an’i Jesoa dia manompo an’Andriamanitra. Ny manompo an’i Maria kosa dia ny olombelona no tompoiny. I Omar dia i Maria no tompoiny voalohany satria olombelona izy ka afaka fitafitahiny.
    Tsy misy fanazavana mitombona hita aloha hatreto.

  8. Mal dans leur peau?

    Guêttant sautant à chaque occasion pour déverser sa haine et la … jalousie (icm est en fait devenue Université Catholique de Madagascar Ucm)

    Attention aux jeunes d’approcher d’individus du venin dans le sang, insultant et très agressifs

  9. Angamba adinontsika fa ry zareo mpanao biriky vozongo sy malagasy dia miray hina ary ireo no tena mitondra ny raharaha satria toa tsy voafehin’ny fanjakana vozongo izy io fa mandeha ila ary tsy vitan’ny hoe fikambanana tsotra ny mpanao biriky fa sady sampana miaramila no sampana fivavahana.Tany aloha tany dia noroahina ny katolika izy io satria tsy nanaraka ny fampianarana nomeny fa ireo Huguenots no toa nangataka ny fidiran-dry zareo amin’ny fiangonana katolika dia tafaverina ao am-piangonana ry zareo ireo kanefa any amin’ireny fiangonana hafahafa taty aoriana ireny no tena feno an-dry zareo ireo izao.Ireo mpanao biriky ao M/scar dia miteny vozongo, milelaka an-dry zareo ary tsy tia ny teny anglisy sy ny ny fombafombany.Any anie ry zareo no tena fototry ny ratsy rehetra mipoitra ao M/scar ao.Ry zareo mpanao biriky no be vola dia izy no misahana ny ankamaroan’ny fianan-pirenena ka izay no nahatonga ahy nanoratra an’ireny lahatsoratra sasany ireny.

  10. Raha mbola hiverenana alavitra kokoa ny fanazavana omen’i Alidera dia vao maika hiharihary ny sain-dratsy nentiny « colons frantsay » nampiditra ny kristianisma mba handrava tanteraka ny tena haja maha Manankasina, ny tena fomban-drazany ntaolo, ny tena hoe fihavanana.
    Ireo fototra niaingany vahoaka nanorina ny tany malagasy anie ka tsy nofehezin’ny « cosmogonie occidentale » izay mifanaraka kokoa @ fotom-pisainana « individualiste » sy « matérialiste » e!.Ny kristianisma dia anisany fomba iray nentiny « colons » fotsy handripaka izay firenena rehetra eran-tany nalehandry zareo mba hangalarana sy hanaparany fahefany…
    …dia erantany izao ahitana vahoaka very fanahy , tsy masahy mitraka sy mitonona ny maha izy azy fa mihafina ambadiky ny kristianisma .Japon,Korea, Chine, ohatra dia firenena masahy mihazona mafy ny fomban-drazany tys ho potehiny « occidentaux » di anisanyantony maha tafita ireo firenena ireo satria mananan ny Hasina sy hanjany.
    Norebirebena hoe « katsaho aloha ny fanjakany lanitra »…na mivavaha foana ary aleo ny momba ny eto antany, dia ny ambany tany mamokatra volamena, uranium, terres rares..sy ny sisa,ho tantanan’ny « colons » votom-pahalalana…
    Taonjato firy re izao no nandomboiny mompera indrindra ny vahoaka dia mbola ho ekena foana ve e

  11. Mandeha ny resaka fa i Jesôsy hono dia mety ho zafikelin’i Rajosefa ! Satria hono i Maria dia tovovavy kamboty, nipetraka tao amin’i Rajosefa izay efa lahy antitra be ; ary niara nipetraka taminy koa ny zanany lahy efatra !

    Inona no tena marina ????

    Aza omena tsiny aho, rahatoa ka lasa ny saiko hoe : « Anganom-bazaha » ve no entina hanampotehana ny fiainan’ny malagasy ???
    Aza misy tezitra fa fandranitana ny ahy, mba hampieritreritra marina antsika mianakavy !

    Fibebahana, fivavahana, fihavanana, sns…..tsy hampiova ny tetika ratsy efa raiki-tapisaka ao an-dohan’ny jiolahy !
    Fa nahoana tokoa no tsy maintsy « hihavana » amin’ny jiolahy ny olon-kendry ? Inona marina izany hoe « mihavana » izany ?

    Ny fanajàna ny Lalàna sy ny Lalampanorenana ihany hoy aho, ary koa Fanasaziana an’izay meloka no any vahaolana ! Ireo ihany koa no antoky ny fandrosoana sy ny fivoarana !

    Ankaotr’izay dia resaka be !

  12. Nisy resaka mpanao biriky nataon’i Alidera tany ho any ka tsara hohalalinina indray andro any.Fa izao ry zareo mpanao biriky malagasy dia miaraka amin’ny mpanao biriky vozongo ary tsy voafehin’ny fanjakana vozongo akory ry zareo ireo ary izy ireo anefa no mitondra an’i M/scar.
    Faharoa dia be katolika any Korea ary hain-dry zareo tsara ny manavaka ny politika sy ny fivavahana.Raha nahita ilay horonan-tsary » l’opium du peuple » aho dia ohatran’ny hoe ny fivavahana no ratsy kanefa samy mahalala isika fa any amin’ny faritra persika dia betsaka no tany mpamokatra solintany ary manankarena sy mpino ry zareo satria koa nahay nanavaka ny fivavahana sy ny politika ry zareo.
    Farany, any amin’ny farintany betsaka ireo masera sy frera no minia mahantra mba hanasoavana ny mpiara-belona aminy.I Paul Minault koa dia missionera protestanta tena naniry ny hanao izay hampahay ny malagasy.
    Ka raha ny amiko dia tsy ny fivavahana no ratsy fa ny olona sasany no nanam-pikasana ratsy dia voavetaveta ny fivavahana.Ao anatin’izany ve ny mpanao biriky?anjarantsika no mamaly izany.Tsra jerena ihany koa ny hifandraisan’ny « églises », »huguenots », »templiers et  » franc-maçons ».

  13. Religion opium du peuple, satria tsy afaka na avela mieritreritra firy intsony ny vahoaka !

    Fahendrena no vokatra, na andrasana amin’ny Fivavahana !

    Maro karazany ny Fivavavahana, fa ny zavatra hita sy fantatra aloha atramin’izao, dia niteraka na natao fitaovana enti-miady foana ny Fivavahana !
    Any Israely, tsy ireo be volom-bava mpanao akanjo mainty ireo ve, no tena rangoro fototry ny afo ?
    Noho izany tsy dia hoe resaka maha kristiana na katôlika na praopestà, ilay izy !

    Na 20 taona aza, dia mbola tsy ho vita ny resaka raha ny momba ny Fivavahana ! Efa hatry ny ela no nampiasaina io Fivavahana io, entina hanaovana ny tsy mety ! Ankaotry ny arabo fanatika sy ny « jihadiny », any Irlande avaratra mbola tsy milamina ny resaka protestant sy catholique !

    Izay no nahatonga ahy hiteny hoe tsy tokony ampiarahana ny « mystique » sy ny politique !
    Tokony ho azon’ireo izay nanaraka TVPlus -Ratsiraka an-tsaina ny tena tanjon’ny FFKM, izay tarihin’ilay olona iray amin’izao fotoana !

  14. Mifanojo ihany izany ny hevintsika satria sady natao fitaovana ny fivavahana no nampidirina tamin’ny politika.
    Ny mahasadaikatra ahy dia Hanaiky lembenana ve i Lala Rasendrahasina ao amin’ny FFKM.

  15. en tt cas ce qui est sur c’est que ratsiraka utilise aujourd »hui le FFKM pour montrer qu’il maîtrise encore bcp de choses! et il a réussi en passant par l’ecar, toujours l’écar!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *