LAHATENIN’Atoa Mamy RAKOTOARIVELO

mamy

mamyLAHATENIN’Atoa Mamy RAKOTOARIVELO

FILOHAN’NY KONGRESIN’NY TETEZAMITA MANDRITRA NY LANONANA FANOKAFANA NY FOTOAM-PIVORIANA

ARA-POTOANA VOALOHANY

Talata faha-07 may 2013

———————————————————————————————

– Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta ;

– Andriamatoa Filohan’ny Filan-kevitra ambonin’ny Tetezamita ;

– Andriamatoa Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, no sady Filohan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana ;

– Ramatoa Filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny Tetezamita “CENIT” ;

– Andriamatoa Filohan’ny filan-kevitra ambony momba ny fiarovam-pirenena ;

– Andriamatoa Filohan’ny Filan-kevitra momba ny fampihavanam-pirenena ;

– Isika Birao maharitra sy ireo mpikambana ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita ;

– Ianareo olo-manan-kaja, sivily sy miaramila manatrika etoana ;

  

Tompokolahy sy tompokovavy,

Hafaliana sy voninahitra ho ahy indray ny mifanatri-tava amintsika rehetra eto androany. « Na malalaka tany odiavina aza anefa, tsy anadino ny fomban-tany » ; « Na mailaka vava hiteny aza, ny resaka sy fihaonana misy fepetrany » ; tsy inona izany fa ny fiarahabana mialohan’ny zava-drehetra.

« Tonga vahiny tsy nantsoina hono maha sadaikatra » ; fa ny nasaina kosa no tonga manotrona sy mamaly ny antso, dia voninahitra eram-po, eran-tsaina ho an’ny tompon-trano izany. Ka amin’ny anaran’ireo mpikambana ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita tsy an-kanavaka no hiarahabana anareo vahiny manana-kaja hita maso eto.

Manarak’izany dia heveriko fa tsy ho tsiny raha toa ka « avahiko toy ny ketsa » isika mpikambana ato amin’ny Kongresin’ny Tetezamita namana iray manontolo satria izao vao tafahaona miaraka indray isika tamin’ity taona vaovao 2013 ity. Koa manararaotra noho izany ny miarahaba tratry ny taona ho antsika rehetra satria aleo hono tara toy izay tsy misy. Andriamanitry ny fiadanana anie hitahy antsika tsirairay avy ary indrindra moa ity firenena malalantsika ity izay mila izany fatratra tokoa izao.

Izay no ela fa raha sitrakareo dia andadina mora avy hatrany aho hiditra amin’ny votoatin-dresaka ; anton’izao fivoriana izao.

Raha ny tokony ho izy sy hirariana dia ity fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity no tokony ho sady farany koa ; satria ho avy ny fifidianana ka amin’ny volana Oktobra izao dia antenaina fa efa Solombavambahoaka vaovao voafidy ara-dalàna no hameno ity Lapa ity.

Koa iezaka isika rehetra izao amin’ny fomba fiasa mba hanao toy ny « tantely ka hamela mamy » satria ho tsarain’ny tantara. Ho porofointsika hatramin’ny farany fa nahavita niatrika sy niaina ny adidy napetraka tamintsika isika, mba ho an’ny firenena na teo aza ny rivo-nifofo sy sedra maro isan-karazana nolalovantsika.

Manainga antsika arak’izany ny tenako mba hampiseho fahavononana hatrany mandritra ity fotoam-pivoriana ity ; indrindra moa fa mifanandrify indrindra izy ity amin’ny fikarakarana sy fiomanana ary fiatrehana ny fifidianana ho lalovan’ny firenena. Izany hoe na eo aza izany rehetra izany dia tsy tokony atao ambanin-javatra ny fivoriantsika satria efa nekena ary andidian’ny Lalàna tsy maintsy atao rahateo.

Koa mahakasika izay indrindra dia tsara ampahatsiahivina ihany fa mbola misy izay tavela ; vary mangatsika miandry antsika tsy maintsy ho dinihina dia ireo Tolo-dalàna vitsivitsy sy volavolan-dalàna iray mikasika ny fiarovana amin’ny tondra-drano. Ankoatr’izay, mbola eo ireo izay mety alefan’ny Governemanta.

Izany no hilazàna hoe : aoka isika havitrika hatrany fa adidy sy andraikitra efa nekena izy ity, ka ho vitaintsika an-tsakany sy an-davany hatramin’ny farany.

Izay no azo ambara mahakasika ny asantsika ; fa raha hiroso ivelatra kely hatrany isika dia  heverina fa misy tiana ambara ihany mahakasika ny fahefana mpanatanteraka dia ny Governemanta izany.

Tsapa sy miharihary toy ny vay an-kandrina fa mivahavaha sy goragora ny asany. Azo vinaniana sy fantarina ihany ny mety ho antony fa noho ny fifidianana ho avy, mazava loatra. Nefa na izany aza tsy tokony atao ambanin-javatra ny asa sy ny firindrany ao amin’ny tontolo mpanatanteraka ao satria avokavoka sy fo mampiaina ny firenena. Antoka iodinan’ny Repoblika. Ao no mamolavola sy ho mpampihatra ny fepetra rehetra ilaminan’ny vahoaka ka hiaro azy sy ny fananany.

Io fahefana io koa no fitaovana hampanjariana ilay hoe fitoniana takiana hiatrehana ny fifidiana izay ho avy tsy ho ela.

Koa fampatsiahivana ihany no ataonay, amin’ny maha fahefana mpanara-maso ny asan ‘ny Governemanta anay fa tokony avitrana izay rovitra ; atohy izay tapaka mba ho tombotsoan’ny vahoaka.

Marina fa mpanao pôlitika hiatrika fifidianana avokoa ny ankamaroan’ny mpikambana ao fa izany akory tsy mamela azy ireo anao ambanin-javatra ny asany ary tsy eken’ny Lalàna rahateo raha ny tokony ho izy.

Eto dia mitodika aminao mananoka Andriamatoa Praiministra, hisy ireo Ministra tsy maintsy mametram-pialana atoato, ary misy ireo miandry ny fivoahan’ny lisitra izay ho Kandida Deputé vao hametram-pialana, mitodika any aminao ny vahoaka Malagasy amin’ny fampan-dehanana ny raharaha-panjakana.

Izay indray ny amin’iny, fa raha hivelatra hatrany isika dia ho tonga eo amin’ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny amin’izay.

Ny voamarika avy hatrany aloha dia mihazakazaka aok’izany ary miova sy mivoatra isan’andro ny toe-draharaha. Hatreto aloha, dia hevitra roa mbola tsy mifanantona no tena mivoitra raha mahakasika ny fivoahana amin’ny krizy.

Voalohany dia ao ireo tapakevitra fa andao irosoana ny fifidianana ka hatao toy ny « voatra tranon-dandy ny raharaha ka ao anatiny manatsara».

Ny faharoa kosa dia ireo mihevitra fa andao hiato kely aloha vao miroso, fa aleo aloha mandamina fa tsy mety ny « mitoetra amin-trano ratsy fototra ». Noho izay hevitra roa izay mbola mifanalavitra tanteraka angamba no nahatonga ireo Ray aman-dReny ao amin’ny FFKM niantso sy nitarika fampifanantonana, tolorana fisaorana eram-po eran-tsaina ireo Ray aman-Reny FFKM tamin’ny fandraisana andraikitra nataony.

Fehiny raha alaina ambony, alaina ambany ny fahitanay azy dia ekena ny fampihavanana fa tsy tokony ahemotra intsony kosa ny fifidianana. Izany dia midika avy hatrany fa tsy voatery horavana izay efa misy fa ny fanatsarana no tokony ho tohizana. Raha mampiahiahy ohatra ny fanomanana ny fifidiana dia tokony hitadiavana hevitra ny hampangarahara azy sy tsy isian’ny fitongilanana.

Eto izahay dia mbola manamafy hatrany, fa tokony tohizana ny fananaterahana ny Tondrozotra efa nosoniavina, izay neken’ny vondrona Iraisam-pirenena, ilaina hapiharina avy hatrany ireo andininy mbola tsy tanteraka, toy ny andininy faha -16, 17 , ary ny faha-20, mba hahafahantsika mizotra mankany amin’ny fitoninana, hahatanteraka ny fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra.

Ary raha ny mbola mahakasika izay fifidianana izay ihany dia toa varivarian’ny lavitra isika mpitondra ka tsy mahita ny ambany maso fa mbola misy anie ireo fepetra efa maika tokony irosoana hisian’ilay fitoniana ihany.

Mbola misy mantsy ary tsy vitsy ireo izay ambara fa gadra pôlitika ary anisan’ny mila « Amnistie ». Aiza ho aiza ny asa mahakasik’azy ireny ? ary mety hisy rahateo ny hanam-paniriana hilatsaka ho fidiana ka mila andraisana fanapahan-kevitra haingana ihany. Aza adino fa efa nanomboka omaly 06 may 2013 ny fametrahana ny antonta-taratasy ho an’ireo rehetra manampanirina ny hirotsaka hofidiana ho Solombavambahoaka amin’ny 25 Semptambra ho avy izao.

Mbola mikasika izay fifidiana izay indrindra anefa, dia efa tafapetraka soa aman-tsara ny CENI-T sy ny CES, saingy milaza miara-mihata isika, fa dia  niteraka resa-be tokoa teo anivon’ny firenena, hatramin’izao isika miteny izao, ny FANAPAHANA navaokan’ny CES, mikasika ny famoahana ny lisitr’ireo Kandida hilatsaka hofidiana ho Filoham-pirenena. Teraka sahady ny ahiahy tsy hihavanana. Koa raha misy sahady izany ahiahy izany, mila manazava sy mametraka ny mangarahara isika mianakavy.

Ary toy izany hatrany no tokony ho fomba fiasantsika amin’ireo lafiny rehetra maha-be resaka. Ialana amin’izay ilay mandrava sy manorina lava fa andao atao fomba fiasa ny manatsara sy miroso hatrany.

Ny tsapa aloha dia areti-mikiky ity firenentsika ity ny tsy fanajana izay nifanarahana. Ny fivadihana amin’ny teny nomena sy nampanantenaina ka miteraka ady hevitra lava.

Ny toy izany matetika no miteraka ahiahy tsy ihavanana ka isakin’ny misy tsirim-panantenana kely hiposahan’ny fitoniana sy hivahan’ny olana nisy dia teraka indray ny olana vaovao. Ary ny tena zava-doza dia tsy mazava intsony ny fampiharana ny Lalàna eto amin’ioty firenena ity fa saron’ny pôlitika ny zava-drehetra.

Etsy andaniny ; ny « Hitsikitsika natao hivavahana indray no toa lasa nipoaka ny zanak’akoho ». Ary tsy vitsy no « zendana sy gaga toy ny gana, fa ny rano nadroiny no nahamasak’azy ». Mora anie ny manonofy ho tonga any tany Kanana f’andrao ho sahirana any amin’ny tany efitra vao hoe : iverina any Egypta aho fa manimanina ny tongolony. Mety hisy farany ihany ary tsy ahomby intsony io mandroso mihemotra lava io ka izay vao anenina toy « ilay banga nisafidy katsaka ka hanao hoe : tahak’izay ihany vary ».

Ho lava ny resaka raha hidirana sy asian-teny avokoa ny olana mila vahana eto amin’ity firenentsika ity.

Araraotina ihany izao fotoana izao, mba ilazana amintsika Mpikambana eto anivon’ny Kongresy ny Tetezamita, fa efa misokatra ho antsika ny “Cyber” amin’ny sarany mirary vokatrin’ny fiaraha-miasa natao tamin’ny Mpikambana iray ato amin’ny Kongresy ny Tetezamita

Koa ety ampamaranana dia manainga antsika rehetra na mpitondra na mpanao pôlitika hijery marina ny tena tombotsoan’ny vahoaka sy ny firenena fa raha izay no mibaiko dia ivaha ihany ny olana rehetra.

Mandritra ny fihodikodinatsika atsy sy aroa mantsy ny vahoaka dia toy ilay « jamba noentin’alina, na ny mpitantana na ny tantanina toa samy tsy mahita izay alehany » ka sesilany ny toreo sy ny taraina hoe : hisava iany ve ny aizina ary rahoviana no hiposaka ilay maraina vaovao.

Fa na izany aza manana adidy koa ny vahoaka ary heveriko fa adidinay ny manentana sy mamporisika mba hihomana sy handray andraikitra manoloana izao vanim-potoana iatrehana ny fifidianana izao.

Aoka tsy hisalasala intsony na dia mbola misy ihany aza ny resaka  etsy sy eroa araka izay notanisaina tery aloha, ny tsy aha raikitra ity fifidiana ity. Tsara ho fantatsika fa efa nivoaka didi-panjakana ny hiatrehantsika izany amin’ny daty efa voalaza. Ary ny mahakasika ny lafiny ara-teknika dia miomana fatratra sy vonona amin’ny izany ny CENI-T na ny vaomieram-pirenena mahaleotena mikarakara ny fifidianana.

Koa manainga antsika tsy hanaiky ho rebirebena fa hiaro ny zontsika vahoaka. Isika rehetra koa efa samy mahatsapa fa mitarazoka sy ela loatra ity krizy ity ka mila faranana amin’izay. Ny fifidianana no lalana hamaranana azy, efa vonona isika izao ka tsy maintsy atao izay ahatanteraka azy.

Izay efa feno taona, valo ambin’ny folo no miakatra dia hamarino tsara raha toa ka efa voasoratra  amin’ny lisi-pifidianana, any amin’ny fokontany misy anao ny anaranao.

Dia mandehana mifidy amin’ireo fotoana voatondro ho amin’izany, fa zo sy adidy eto amin’ny firenena ny mifidy.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

5 pensées sur “LAHATENIN’Atoa Mamy RAKOTOARIVELO”

  1. De aiza indray le teny mahitsy fa
    Rehefa nilatsaka ihany i rajoelina dia

    TSy maintsy ekena farak’izay haingana ny fodian’i RAVALOMANANA Marc

  2. Tsy vitan’ny hoe ekena fara’izay haingana ny fodian’i ravalomanana Marc, tena tanterahana aingana dia aingana!

    Efa tsy nanatanteraka ilay Ni…Ni ilay devoly lahy mpanongam-panjakana dia, tsy tokony misy na hisy hanakana ny fodiany!

  3. Fodian’ny Filoha Ravalomanana ? Toa lasa resaka be fotsiny hoy aho !

    Tsy voatonona mihintsy ny anaran’ny Filoha Ravalomanana, ary raha ny fahitan’azy, dia tsy hanaraka ny FFKM koa izany ny CT, satria ny FFKM dia mitaky mazava ny HANDRAVÀNA NY CT SY CST, ARY NY TRANZISIÔ !!
    Nahoana kosa moa no tonga dia foanana sy tsy ho azo intsony ny miliô be efa nahazatra ?? MDR !!!

    Fifidianana, fa fifidianana karakarain’iza miaraka amin’iza ?? Ary rahoviana marina ?
    Fifidianana manaraka sy mifanentana amin’ny Lalampanorenana tena izy sa ilay fôsika, izay mbola entina handrebirebem-bahoaka atramin’izao ?

    Milahara hoy aho izay rehetra vonona hisotra sy hanandrana an’izany tangena izany ! Efa nampidirina tao am-bava daholo izay tsy tokony nampidirina, fa io sisa !!

    Tsy atao mahagaga intsony izay zavatra miseho rehetra, fa atramin’ny mpitsara aza mi-delira tsy misy miteny, fa dia ekena daholo !
    Ny miaramila efa fantatra izao fa ny menasofina no mibaiko an’izy mianakavy any an-dakazery any, fa tsy misy koa ! Firenena mahaleo tena, manana ny hasiny ary tena miaro mafy ny zoan’ny vahoaka ihany koa hono izato Madagasikara !

    Ny mpanongam-panjakàna tsy vitany nanao heloka be vava, fa mbola iny koa avelan’ireto tompon’andraikitra rehetra, hanao izay tiany !

    Tany sy Firenena tsy misy Lalàna intsony ilay atao hoe Madagasikara ! Mandainga izay sahy manohitra an’io voalazako io !

    Misy Lalàna fa Lalànan’ny be sandry, be baoty, be fitaka ary be fialonana !

    Mahay daholo ê !

  4. Ka efa tsy nilatsaka i dada fa i domelina no NASOLONY AZY KOA TSY
    DODOSANA @’IZAY ILAY FIFIDIANANA HANDANIANY AN’i DOMELINA???
    NY VALIM-PIFIDIANANA KOA EFA VONONA NY HANDANIANY AZY.
    EFA TSY IZY IO KOTOVELO IO eeeeeeee HIALAO LAVITRA FA MAIMBO FOZA

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *