Lalao Ravalomanana : nitsidika sekoly nanabeazana azy

DSCN9696

Nitsidika ny toeram-panabeazana nanovozany fahalalana Ramatoa Ravalomanana Lalao ny Alahady lasa teo. Ao Ambatomanga no misy  ny  Sekoly protestanta lehibe indrindra eto Madagasikara.Ahitana  kilasimandrin-drazavavy sy zazalahy izay isan’ny  nanabe tanora vanona mipariaka eran’ny  firenena . Teto no nanovozan’I Neny fahalalana taloha.Tsy mijanona amin’ny fanomezana fahalalana an-kapobeny ny mpianatra fotsiny ihany no eto fa amin’ny fampianaram-pinoana azy dia manabe ara-panahy, manomana olom-pirenena tompon’andraikitra sy mpianatra  reharehan’ny firenena.Porofon’izany dia samy nivoaka teto avokoa ny filoha Ravalomanana mivady. 28 no isan’ireo mpianatra beazina eto amin’izao fotoana izao.

13 pensées sur “Lalao Ravalomanana : nitsidika sekoly nanabeazana azy”

  1. Mankafy mijery ny sary. Hita mazava ny kilasimandry zazavavy sy ny zazalahy, akany miharisoa, ny classe, ny tranon’ny kilasimody, refectoire, terrain de foot. Niova tsara io toerana mamiko io nohon’ny fahasoavanareo. Mankasitraka erampo erantsaina.

  2. Mino isika fa efa firenena voafidy i Madagasikara, olona mahalala an’Andriamanitra ianao tsy hitovy @ tsy manompo Azy
    Matoa ianao nilatsaka vonona ny isedra ny mafy ka ampio zato heny ny fahavononanao, mila anao ho vonona fotsiny dia tsy maintsy mandresy ny marina

  3. Hita taratra eto amin’izao fihetsik’i Neny iza fa ny fanavotana ity firenena ity no ezaka lehibe indrindra tiany hatao voalohany:
    – Tsidika ireo orin’asa rava
    – Tsidika ireo fiangonana mitaiza ara-panahy (ny fanahy no maha-olona)
    – Tsidika ireo toerana fanabeazana…
    Ireo zavatra voatanisa teo aloha ireo dia mifanohitra amin’ny programa fandihizana sy lalao tsy ara-dalàna rehetra karakarain’ny firantay sy ilay dj ataony soavaly.
    Tokony ho maila isika, tsy mitsahatra ny mametraka izao raharaham-pirenena izao eo an-tanan’Andriamanitra satria efa mndrovitsihy ny ratsy amin’izao fotoana izao.
    Tsy tiany mihitsy izao endrika feno fanantenana eny amin’ny tarehin’ny malagasy izao.
    Mitohy ny tolona ary voizina handresy.
    Masina ny tanindrazana
    http://www.gttsra.org

  4. Vakio ary aelezo itony f’angamba tsy nanao instruction civique tany am-pianarana

    ireo mpanao Trafic Chèques Carburant
    Envoyé par: Rãmänah (Adresse IP journalisée)
    Date: ven. 17 mai 2013 08:27:44

    Alina t@ 6ora hariva (16/05/2013). Dia nisy olona nifanao fotoana tao @ trano fisakafoanana iray tetsy Ambatonakanga. Chèques Carburant no resaka teto.

    Raikitra ny varotra ary samy niparitaka avy eo. Ny fiaran’izy ireo moa dia niantsona teo amin’ny Parking tsy lavitra teo…..

    Ireto ny laharan’ny fiaran’ireo mpanao varo-maizina ireo ka izay mahalala azy ireo dia tonga dia ambarao ho fata-poko fata-pirenena :

    – Peugeot 406 bleue métallisée n° 6535 TAK
    – Golf noire n° 5273 TAV

    Ireo no fanetriben’ny firenena….. Mpanodikondim-bolam-panjakana !!!!

  5. Aiza ny fampielezana vaovao ry MyDago â ? Mafàna ny raharaha ao an-tanàna, kanefa tsy dia maoaka vaovao firy intsony ianareo !
    Tsy mahagaga rahatoa ka matory maraina i ranavalona ; ary rehefa tsy matory maraina izy dia ilaozany mamboly anana !

    Na izany na tsy izany, dia entiko eto ihany aloha ho dinihin’izay mitsidika ny zava-mitranga !

    Fanontaniana mba apetrako :

    Nisy zavatra tsy arako angaha ry zareo, fa mba gaga ihany ny tenako. Lasa nanaraka an’i Ndremanjato any amin’ny mivari-tsy-mifody angaha ity labaomba no tsy re tato ho ato ? Lany angaha ny klimaozena ?? Toa lasa malalaka ny fanompàna ampahibe-maso an-dRamatoa Fatma, ary tsy vitan’izany fa mbola amin’ny alalan’ny sora-baventy ? Toa miverina manao ny asa-ratsiny indray hono ity hoe Radio Viva, anefa dia tsy misy miteny na Ilay Filohan’ny Tetezamita na ireo lehibe-n’ny miaramila indrindra fa ny lehiben’ny zandary ?

    Eny, rehefa voakitikitika angamba ny tombotsoan’ny faty dia mody manao sary mihetsika, fa aoka ho fantatry ry zareo fa na dia somary petaka aza ny oron’ny malagasy, dia tsy mety kosa ny andraisan’azy ho paiso miveraka sy vendrana !

    Tsy maintsy miala afaka andro vitsivitsy ilay domelina dia volena indray ny korontana, mba hisian’ny Loi martiale mihintsy !

    FFM, CSC sy « miaramila mpanongana », même combat ary tsy maintsy miaro ny tombotsoan’ny voangory fotsy !

  6. hum
    manakorontana any @ FIM foire internationale de Mada
    hono ry TGV & acolytes
    (inona no vao2 henoko izao)

  7. Mamorona sakoroka indray ny foza ! Izay izany no tapaka raha nivory ry zareo tamin’ny faran’ny erinandro teo !
    Ny andro fety masina ; ny vahoaka mivavaka fa ny foza mivory sy mieritreritra an’izay mety hampahory ny vahoaka !
    Tena foza, tsy misy loha sy voaozona iray trano ! Tssss !!!

  8. Mba vakio itony raha mba misy ny fotoana fa raha ny fahazahoako azy dia ny vozongo mihintsy no nitady antsika ary isika koa miandany be an-dry zareo ka tiany ho alaina ny solintanintsika satri arak’io fanambarana io dia te hampandroso ny firenena ao aminy ny SADC ary mahafantatra tsara fa misy tandrefana hafa azo hiarahana miasa tsara ka izay no mbola tsy hanaovako safo be mantsina ny tandrefana rehetra.

    http://www.sadc.int/files/3013/6880/2916/Press_Release_33rd_EOEM_Maseru_16052013_v6_2200_hrs.pdf

  9. Marina mafy tsy efa 20 taona lasa izay tany Ambatomanga farany izay?
    Toa mbola tery an-tampon-tanàna ny Fiangonana tamin’izany!
    Tsara ny tsy manadino ny fototra niaingana.
    Enga anie ka ho tanteraka izay kasaina araka ny haben’ny Fahasoavan’Andriamanitra sy ny famindram-pony ary ny Fitiavany.

  10. Samia mahery sy mazoto ,minoa sy manantena an Atra,fa io Jesoa kristy lazain i neny foana io dia efa naharesy ny devoly io!koa andao hiara hiasa am zay tandrify azy avy!

  11. Iza no hanam-po fa hanan-tantara ity toerana ity. Toerana nahabe tokoa io ka iraisana@ filoha Ravalomanana mivady. Marihina fotsiny hoan’izay tsy mahalala fa 1974-75 ry zareo no tao.. izahay no zandry nanaraka azy. Misy @ ireo internaute mametraka fanamarihana eto koa tao, ka dia miarahaba azy koa.. io ny antsika e.

  12. Mahafinaritra! tsara ny fahafantarana ny zavatra tsara toy itony
    indrindra @’izao fotoanan’ny foza tsy misy afa tsy lafiny ratsy no hita sy
    mba hiainana ao @ tanana ao.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *