LALAO RAVALOMANANA : Tany Ambatomanga no nankalaza ny Pantekosta

ambatommmmanga

ambatommmmangaNiara niombom-bavaka tamin’ireo kristianina teny amin’ny FJKM Ambatomanga ny Alahadin’ny Pantekosta 19 May 2013 teo Ramatoa Lalao Ravalomanana. Tonga teny an-toerana nanatrika izany ihany koa ny minisitry ny fiompiana Ihanta Randriamandranto.  Nisy ny fanoloran’ny mpino fanomezana ho an-dRamatoa Lalao Ravalomanana sy Ihanta Randriamandranto noho ny fankalazana ny fetin’ny reny, na dia mbola amin’ny Alahady izao aza izany fankalazana izany. Nisy ny fandraisam-pitenena nataon’ny minisitry ny fiompiana Ramatoa Ihanta Randriamandranto izay nisolo tena an-dRamatao Lalao Ravalomanana tamin’izany. Nambarany fa n’inon’inona zavaniseho teo amin’ny fiainan’I Neny dia mbola nitsangana izy. Nanaiky hilatsaka hanarina indray ny firenena. Zavadehibe teo amin’ny fiainany izany hoy izy ka isaorana azy. Enga anie ny herin’ny fanahy masina hitantana ny fiainana izay mbola hodiaviny. Ankoatra izay dia nitsidika ny kolenjy Protestanta izay nianarany fahiny tany an-toerana Ramatoa Lalao Ravalomanana.

2 pensées sur “LALAO RAVALOMANANA : Tany Ambatomanga no nankalaza ny Pantekosta”

  1. Vao nandalovako tsy ela io toerana io,
    ary ny fanindroany dia
    nampahafantarina anay fa tao ianao no kilasimandry fony mpianatra.

    I dada angamba toa natetika nakao @ fromagerie?! hihihi

    Milamina sy misongadina ary manana ny maha-Izy azy tokoa ilay ivotoerana.
    De miaiky aho amin’ilay lazain’ny sasany hoe: Neny = Force Tranquille.

  2. Niova be tokoa ny fiangonana ao izany

    Ambatomangako
    Akany mamiko
    Naniry tao
    Nitombo tao
    Ny elatro

    Jesosy o, tahio Ambatomangako io
    F’izay natao, sy izay hatao, tahionao.

    Ho ela velona anie Ambatomanga sy ny vahoakany.
    Mankasitraka erampo erantsaina Neny a. Teno feno ny fo mahita izao vaovaoizao.
    Toa zanak’i dada koa ila madama maire ao (Rmatoa Malala) raha tsy mbola niova.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *