Mamy Rakotoarivelo : « tsy mitombina ny antony tsy azo hanoharana nataon’ny CES »

Nihaona tamin’ny iraky ny Sadc Ingahy Simao ny maraina teo  teny amin’ny Hotel Colbert ny delegasiona avy amin’ny movansy Ravalomanana izay notarihan’ny lehiben’ny movansy Ravalomanana Rakotoarivelo Mamy. Nambarany tamin’ny mpanao gazety fa napetraka mazava tsara ny “position” ny movansy Ravalomanana. Nazavaina tamin’ny iraky ny Sadc hoy izy fa mitombina tsara na araky ny lalàna ny fametrahan’ ny Ramatoa  Lalao Ravalomanana ny maha kandidà azy. Tsy misy manakana izany mihitsy ny zava-mitranga ary nangatahinay tamin’ny iraky ny Sadc hoy izy ny tsy hampitoviana ny tranga eo amin-dRajoelina sy Ramatoa Lalao Ravalomanana. Raha mitady fitoniana tsara ianareo Sadc hoy Mamy Rakotoarivelo dia ny fanekena ny maha kandidà an’i Lalao Ravalomanana. Nangataka ihany koa izahay ny tsy hanovana ny datim-pifidianana.Tsy niteny hoy izy nyiraky ny Sadc fa nilaza kosa fa efa voaray ny soso-kevitra. Hisy ny tatitra ataon’ny iraky ny Sadc any amin’ny foibeny amin’ny herinandro hoavy io. Hisy ihany koa ny fivorian’ny CPS sy ny Gic eto Madagasikara izay hanapahana farany mikasika ny zavamisy eto amintsika. Ankoatra izay dia nambarany fa manohitra ny fanapahankevitry ny CES izay milaza fa noho ny antony tsy azo anoharana, anisan’izany ny fampiatoan’ny vondrona eropeana ny famantsiam-bola hanaovana ny fifidianana. Ny marina hoy ny filoahn’ny CT Mamy Rakotoarivelo dia efa nanambara ny solontenan’ny vondrona Eoropeana fa tsy niato ny famantsiam-bola.Ny biletà tokana hoy izy dia tsy ny vondrona eropeana no hanatonta azy fa ry zareo afrikana tatsimo. Noho izany dia tsy mitombina izany ny antony tsy azo hanoharana.Ny olana fotsiny etoamintsika hoy izy dia ny tsy faneken’ny vondrona afrikana ny kandidà Rajoelina, Ratsiraka, Lalao. Izahay hoy Mamy Rakotoarivelo dia mamerina hatrany  fa mitombina ny filatsahan’ny Ramatoa Lalao Ravalomanana  fa izahay  tsy hiresaka ny an’I Ratsiraka, Rajoelina fa io samy mikarakara azy io.Na izany na tsy izany hoy izy dia azo ambara amin’ny saina tsy miangatra fa ny “cas” Rajoelina dia sarotra dia sarotra. Ny volohany indrindra izy dia nametraka ny maha kandidà azy tsy tao anatin’ny fe-potoana arak any tokony ho izy. Ny faharoa dia izy  efa nilaza fa tsy hilatsakateo imason’ny vahoaka manontolo sy ny fikambanana iraisam-pirenena. Ny fahatelo dia ao anatin’ireo voasazin’ny vondrona afrikana. Ny fahefatra dia izy ihany koa dia tafiditra  ao anatin’ny  sata momba ny zon’olombelona sy ny demokrasia izay milaza fa ny olona nanonm-panjakana dia tokony tsy handray anjara amin’ny fifidianana rehetra izay atao. Midika izany hoy Mamy Rakotoarivelo fa sarotra ny azy. Ny zavatra arangarangany dia ny hoe: ny filoha Ravalomanana Marc dia Lalao Ravalomanana ihany. Ohatry ny mampitovy ny lehilahy sy ny vehivavy. Izany  hoy izy dia manimbazimba ny zon’ny vehivavy.

30 pensées sur “Mamy Rakotoarivelo : « tsy mitombina ny antony tsy azo hanoharana nataon’ny CES »”

  1. Lasa resaka be sisa izany rehetra izany, fa ny fifidianana dia tsy hisy rahatoa ka mbola eo ireo mpanongam-panjakàna ireo !

    Fifidianana inona marina no hisy eo koa rahatoa ka tena marina ny resaka mandeha, fa hoe noroahin’ilay domelina i Omer Beriziky androany ?

    Nilaza koa ity domelina fa hoe « tsy misy consensus » intsony ao anatin’ny governemanta (izaho aloha dia tsy nahita atramin’izay nanaovana sonia an’ilay Feuille de route izay), ary « crise institutionnelle » no misy !

    Ataon’ilay domelina izay fomba rehetra tsy hisian’ny fifidianana ! Aiza ianareo ry vahoaka ? Mitsangàna, fa aza be torimaso na dia hanantona anao ao ampandriana aza ny valala atsy ho atsy !

  2. Romotra dia romotra i Rajoelina fa tsy tonga nanatrika fivoriana i OMER BERIZIKY.Noho izany tsy fanatrehana izany dia niangavy ny sekretera jeneraly ny tetezamita mba hanaovana prose verbaly ny aminizany tsy fahatongavana izany.Mbola nilaza koa i Rajoelina fa variana manao politika daholo ny rehetra ka tsy mahalala ny fahatongavany ny valala.Mbola novelesiny ihany koa fa tomponandraikitra aminizao fahatongavany ny valala izao ihany koa i OMER BERIZIKA.

    Avadiko kely ny resaka.Ary izy i Rajoelina io Inona no mba nataony?Ary izy angaha tsy mba manao politika.Ny azy efa sopesialiteny mihitsy io miala bala io.Izy mihitsy zao no tokony alàna ao, fa inona fotsiny izany atao woe:LEHIBENY NY TETEZAMITA.

  3. ary ny convention milaza fa resaka humanitaire no hankanesany eto madagasikara inona? sa mody odiana fanina ohatran’ny art.45 t@ FDR ihany io convention io!!! aza mampmé Rakoto fa tsy misy zazakely eto ah!!!! angah noheverinareo fa dondrona ohatran’i ratsiraka rajoelina ka hanaiky ny ho ambakainareo ôtran’ny t@ convention 2002??? tsssss!

  4. Azo hinanam-bary mihintsy izany kabary izany an!
    arka ny efa mahazatra e!!fa saingy ny kobay an-kelika ihany,Tsy mahatoky aho!!
    Ny bainga mivadika tompoko ô!!aiza e???izaho koa aloha dia anisany tena manakiana tanteraka ity
    Beriziky ity e!tsy momba an’i domelina aho fa …..tena tsy hitako???inona no tena nataony teo dia ireo
    mody manao vazaha mody ,iady ireo , izay hifanosehany any fa sahala samy tsy misy hilana azy ,
    sady tsy hihira no tsy tsianjrpery fa mba nadrasana haniry vao maika mampivandravandra, sady iny koa
    no nampisaraka ny ankolafy 3 teo.Izay hifanosehany any, ireo raha tsy mifanaraka aza tombotsoany no
    hiadivany eo f’angah ho aan’ny tanindrazana akory???avelao hifamaky loha any daholo fa tsy olana izany.

  5. Mety tsara izao fijoroana amin’ny marina ataon’ny Ankolafy Ravalomanana izao, sady manaja ny fihavanana Malagasy no maneho fa tany manan-jo i Madagasikara sy ny vahoakany !

  6. Asa ry zareo, inona no mbola ataon’itony foza mantsina itony ato â ?
    Mbay tany rehefa tsy madio fo ry Peuples malgaches â ! Ry Voninahitsy avy aza no efa sahy milaza fa ilay domelina tena hivavahanareo foza maimbo io no sakana sy mamotika ny Firenena !
    Fandrobàna sy fangalàrana, korontana sy famotehana ny zava-drehetra no any mba talentanareo !!!!
    Tsy vanin-kolona hatrany amin’ny fara aman-dimbiny raha ianareo !

  7. ranavalona,
    Ny zava-hitranga ato ho ato no tokony ho dinihina izao, fa tsy i Beriziky irery no tompon’andraikitra amin’izao fahoriana mahazo ny vahoaka izao.
    Na i Zafy A. aza tsy nahavita na inona na inona koa, satria rehefa lalinina ny fandehan-javatra dia hita fa tsy manana lanjany intsony !

    Loza tsy misy tahak’izany no hiseho rahatoa ka tsy mailo sy mbola variana matory sy mirevirevy ny vahoaka malagasy !
    Ny nenina hoy ahoaraky ny tenin’ny ntaolo, ary efa hatry ny ela no nilazàko an’izany tato, ny nenina tsy ho eo aloha hananatra fa ao aoriana handatsa !

    Miketrika fika i domelina sy ny miaramila, ary ireo farany ireo no handray ny fitondràna !

    Lahan-tsoratra mba tiako androany :

    « Amboasary Sud – Guerre civile imminente dans deux villages » ( Midi M/car )
    « Les fozas et les criquets » ( Madagascar Tribune )?
    « Ils sont tous à la solde de Rajoelina » sy « Y a-t-il encore des militaires » ( La nation )

    « Debout les morts, les vivants n’ont plus de fierté », hoy ny iray tamin’ireo mpanoratra !!!
    Izaho tsy kivy, fa mbola miantso ny vahoaka hitsangana, dia ny mbola tsy tonga ny tena loza !

    Hehy kely ! Hitako tao amin’ny Facebook-n’ny gazety Valosoa vaovao, momban’ny resaka valala.

    « F. Hasina Andry : ande hamonjy fifidianana aty an-drenivohitra kosa angamba ry zareo ».

    Izaho indray milaza fa tonga hisaotra sy hijery an’izany hoe Rajoelina izany ry zareo valala ! Raha tsy nisy an’izany Rajoelina atao hoe domelina izany, tsy ho lasa maro tahak’izao ry zareo, ary tsy nahita an’izany atao hoe Antananarivo izany !

    Je ne ris pas le danger !

  8. Samy mandeha samy mitady ! Samia manao izay tiany !!

    Orange.mg
    08h30 – DEMISSIONS : concernant la démission des autorités politiques candidats à l’élection présidentielle, le ministre de l’intérieur de souligner que le « statut quo » doit prévaloir jusqu’à la constatation par la Cour Electorale spéciale des vacances de poste.
    Date 30/05/13

    09h00 – ANDRY RAJOELINA : Florent Rakotoarisoa, ministre de l’intérieur a souligné que la Cour Electorale Spéciale ne peut en aucun cas statuer la vacance de la présidence de la Transition, tant qu’Andry Rajoelina n’a pas déposé sa démisssion.
    Date //13

    Hita tany ho any koa :

    Report des élections : La CES, SOUMISE À LA MENACE DES MILITAIRES !

    Communauté internationale, ONU, UE, UA et surtout CPS de l’UA, veuillez rappeler à la SADC et à cette bande d’abrutis qui bafouent l’honneur des malgaches et qui compromettent gravement leur avenir, veuillez mettre dans ce qui est censé être leur cerveau que les auteurs de changement non constitutionnel de régime, dits putschistes, n’ont pas le droit d’occuper des postes de responsabilités dans les Institutions de leur Etat !
    En vous taisant, vous vous rendez complices et coupables et responsables à la fois de tout ce qui pourrait arriver !!!

    L’expression « responsable mais pas coupable » n’est pas de mise, ainsi que celle de « cas de force majeur » lancée à tous bouts de champ, en ce moment !!

  9. Marabouts africains !
    Aurait-elle consulté un marabout avant de parier son mois de salaire ?? Je ne pense pas mais si tel avait-été le cas, il est indéniable que les marabouts africains sont de loin plus compétents que les mpamonany malagasy !

    Non résolution de la crise malgache avant le 31 décembre 2013 !!! Qui sont ceux qui ont osé parier ??? Ce qui est clair au vu des évènements, c’est que la Fatma S. aurait pu empocher des milliers d’euros ! Ah Madagascar !! Ce beau pays du moramora et du vola mora…alaina !!!

    À la fin de sa mission et si elle veut se faire du fric, Mme Fatma S. serait bien inspirée, en créant une église pour concurrencer celle de l’autre, qui ne sait plus quoi faire de ses 4×4 !

  10. Rehefa avy eo mireka fa maika kely za , efa voavaky daholo izay voasoratra fa
    mbola haka saina aloha bavy ok!! natory maraina fa andro tsy fiasana aty aminay androany.

  11. Aminay vahoaka malagasy dia tsy nisy izany fifanarahana izany hoe tsy hilatsa ho fidiana aho rehefa tonga any Madagasikara , aseho ho hitan’ny vahoaka raha misy izany fa aza dia zatra madainga e! Ny fifanarahana hitanay sy renay dia FDR, ny Maputo, ny ni ni , ka iza tamin’ireo no tanteraka , tsy misy o !

  12. Ny hevitro manokana dia raha mihemotra ny fifidianana dia tokony hiroso amin’ny toromarika nomen’ny FFKM : Reconcialiation, constitution, P. république et députés. Rehefa tontosa ny réconciliation sy ny constitution ara-dalana dia mino aho fa izay vao hilamina i Mkara.

  13. Misy ny hevitra hanao DIABE ka eny aminy kianjany 13 Mai no atao, ka ity misy eritreritro kely

    Io Diabé io mihitsy no tokony natao hatraminizay ary mety mihitsy eo aminy toerany 13 Mai satria rehefa eo no atao dia midaboka daholo izay tokony hadaboka indrindraindrindra ity Rajoelina ity, jerevo fotsiny taminireny 1972 ireny, manana ny hasiny io toerana io, ary izany no mahatonga any i Rajoelina Andry tsy hamela ny vahoaka hitangorona eo, nefa teo koa izy no namory vahoaka taminy 2009.Ka ndao ka sahia hanala anity Rajoelina nampahantra ny vahoaka Malaghasy.

    Tsara dia tsara ilay diabé
    Ka rahoviana aza no handeha
    Aparitao ilay hevitra
    Aza matahotra , aza milevitra
    raha izaho aloha dia efa vonona
    Tsy misy fisalasalàna mihitsy aminity tolona
    Ela bé izay aza niaritra foana
    Maika misy anity hevitra manoloana
    Ka ndao ré ry vahoaka malagasy
    Handrodana any i Rajoelina tsy misy kilasy

  14. Avant l’heure ce n’est pas l’heure, et après l’heure, ce n’est PLUS l’heure !

    Hevitro manokana ! Tsy fotoanan’izany diabe izany izao angamba amiko ! Avela aloha ny foza hifamono ao ! Efa hitan’ny Communauté internationale ( na ilay firenena iray aza efa mahita fa mody mbola mikoaka sy kofona, izy koa moa voa nahazo teha-maina tany Bruxelles ) izao, fa ilay dondrona no tena fanetriben’ny tany !
    Cf. art. RFI : Madagascar s’enfonce dans la crise ( Vao nivoaka io maraina io )
    Hilaza eo indray izy fa ny legalista no mitondra korontana !

    Tsy tokony omena vahana izy hampiasa ny miaramila, izay efa miandry irika kely fotsiny miaraka amin’ilay domelina, haka fahefàna !
    Izay no andrasan-dry zareo amin’izao fotoana !

    Nisy vava nandeha aza hono omaly, fa tsy hiala eo amin’io fitondràna io ilay mitondra anaram-piadiana vaovao hoe Baoby Des Nandra, na ho tapaka aza ny …. (tsy financements akory ) !! MDR !!! Mbô kôzy!!!

  15. izao no izy ry reto a jereo ny zavatra mitranga eto amintsika nge é.valala manafika ny lalana ratsy daholo izay aleha ankehitriny ny vahoaka mahantra ny asa tsy misy ny vary tanteraka ilay hoe 500ar fa kapoaka fa tsy kg.matahotra ny foza satria na misy aza ny fifidianana dia tsy hita lisitra izy .manao izay fara heriny izy hanakorontanana satria fantany fa raha miala eo ireo dia vita tanteraka ny momba azy .ny ady antrano ny foza efa mandeha miandalana koa anefa .noho izany mahareta ry mpiazakaka fa kely sisa .misikina dia mivimbina de miambena fa tsy haharitra izao .

  16. Bravo !!! Rasamy !!! Aparitao mihitsy ilay hevitra !!!
    Aiza re izany e ! Milaza ny sasany hoe « tsy tonga saina mihitsy ny Gays – Faly mihinana ny pipiny sy ny tainy(Teny ampiasain’ny sasany io) – Ndao e ndao e !
    Ka nony tonga saina ny malagasy manohana ny ara-dalana : aza manao an’izany indray !!!tssssss! Tena fisainana GTT marina ka ! 🙁

  17. Itony ny hevitra masaka eto Madagasikara Rasamy a !

    Hiandry ny CES sy ny SADEC , ny UA sy ny Fransafrika angamga no tsara ????
    Mihezaka mihitsy ny tsy hanoratra eto instony, fa rehefa mahita ny zavatra alefa eto, tsy mety ny sain aman’eritreritra, fa manoina ihany .
    http://www.lanation.mg/article.php?id=4273

  18. Il paraît il est formel : Andry Rajoelina n’a même pas déposé de candidature auprès du CES

    Mba fantatrareo moa : vao omaly ahy nandeha bus, dia indro ity ramatoa toa romotra be mahita gros-titre anaty Gazety tsy fantatro loatra, fa nivazavaza oe « ny vahoaka efa sahirana / ny asa aza votsotra ny teo / tokony mba handefitra ireo 3 voatonina tokony tsy hilatsaka fa maha-ela ny raharaha – naninona tsy i Koto na Ihanta (hoy ihany izy) no natolotr’i dada ho candidat…
    ==> soa fa efa hiala izy ary tany aoriana no ni-wawa teo, fa efa nisy ihany ny saika hitsangana … mety voafelaky ny teha-mainan’ny lehilahy sasany!!

    Manoloana izany, dia tena ilaina:
    *** MILA FOMBA FANELEZANA NY VAOVAO TENA MARINA sy MAZAVA ***

    « le préalable à une véritable sortie de crise passe obligatoirement par le départ de Rajoelina. »

    Zavatra tonga ato an-tsaiko ny oe: HAHELY raha sahy i Domelina atao analyse any @ hopital psychiatrique firenena manara-penitra France na detection degré de produits hallucinants drogue dans le sang fa efa atteint de la démence …

    Tsy ny sakafo ara-batana ihany no maha-ory ny mponina
    fa MAMINDRA FOLIE MANIMBA SAIM-BAHOAKA

  19. Io anie ry Ho Aiza mifangaro guerre des nerfs e ! Ianao indray ve no atoro an’izany moa !!!! Fa ny tena olana anie tsy avy aiza fa avy ao anatin’ireo mpitolona ihany e!

    Ny tsara marihina koa dia izao e !

    Nisy gazety nilaza fa ….MIHENA ny isan’ny olona mihevitra ny hifidy, ary tena misy lanjany lehibe izany amin’ny fihetsika iriana mba hiova. Ny tiako hambara dia hoe : Raha misy olona mba te-hanao zavatra dia……lavina avy hatrany satria tsy hevitr’ireo manadonto ny saim-bahoaka ilay izy. Ny azy, ary ny azy ihany no tena tsara sy mendrika anefa , mazàna dia mazàna hevitra mifono zavatra hafa tsy mifanaraka amin’ny tena tadiavina no mipoitra. Dia very an-javony fotsiny ny hevitra mandroso sy manana ny lanjany.
    Ny mahatonga izany dia TSY MIAINA NY RIVOTRA AO AN-TOERANA NY ANKAMAROAN4NY MPANDROSO HEVITRA , fa fisainana avy any ivelany toy ny mpitazana izay valazan’ny gazety sy siosion-dresaka fotsiny. Izany hoe : ireo izay mandroso hevitra avy any ivelany, dia tsy mahita MARINA ny tena fiainan’ny olona eto Gasikara, fa CONCLUSION no betsaka.

    Noho izany dia lasa fitarainana sy fitomaniana,……, toy ny hita matetika eto no voavaky.

    Asa izay hevitry ny maro fa tsy ny olona efa voadona lava eto Gasikara no amporisihina isan’andro, fa mba mila miova koa ny resaka aseho ny malagasy. Toa io voalzan’i Rasamy io ohatra.

    Efa mila Printemps ny Mpitolona (toy ny « printemps – arabes ») fa tsy resaka fitarainana intsony.

    Amiko dia FIRAISAN-KINA LEHIBE DIA LEHIBE izany hanao « Diabe » izany !
    Ary eo no ahitàna fa vonona tokoa ny olona. Tsy hanao toy ilay roalahy hiady manao hoe :
    Asiako ialahy ! asiako ialahy ! nefa rehefa tena raikitra : Avelao leisy hijanona.
    ihany fa…. »
    Avelao ny vahoaka haneho ny ao am-pony amin’izay e!Olona afaka sy manana teny amabara izy ! Sady efa hita ny asan’ireo mpanelanelana rehetra eo ambanin’ny Fitarihana vozongo.Mamporisika foan hatrizay, ka nony sahy izy ankehitriny, toa tsindriana indray hoe : mangina! mipetraha !

    Izao hitan’ny olona tsara ny herin’i Koto sy Ihanta ka ! Vao tsy eo aza i Koto dia efa manao ny ataony ny CES. Asa indray izay vokatry ny tnein’i Kot mikasika ny CES iny.

  20. MAPMĖ BE KOA izany resaka ato izany aleo aho hiala fa manome litika,
    makanofy ratsy ahy fotsiny .

  21. Ilaina ry Njara ny hevitry ny mpitazan-davitra tsy mivoana amin’ny lalàna (fa ny eto anie taomina hifanjevo amin’ny hevi-diso dia roboka tsy mahita ny lalan-kizorana aza)

    Efa hatrany amboalohany aho no nilaza izany « focaliser sur l’objectif, se bourrer de vitamines, gare au virulent virus fozaorana,  »

    FAHAIZANA MIJERY DAHOLO IZANY sy background

    Mitovitovy amin’ny ilay hoe: misitaka, manao « la retraite », …
    hilatsaka ny Fanahy Masina hanilo

    (Na dia efa mivadika ho SECTE aza ny etsy sy eroa)
    ____

    Etsy andaniny, mampalahelo ahy raha toa TSY MAHAY mifanaraka
    pire s’éliminer ny parties mpomba an’i dada8

    ____

    Mitantara io trangan-javatra MARINA eo ambony io aho, SANATRIA aoka tsy hisy handray atendrony (mauvaise interprétation ==> izay atokantsika sy hekena fa fahaizan’ny HAT)

    Be ny tarehin-javatra iainanay aty,
    olona ataonao oe vita vaksiny contre virus HAT
    nony tonga miresaka afaka volana vitsivitsy
    lasa miroaroa hevitra

    épuisé par « guerre de nerfs » qui sait de ses pairs de mpifanolo-bodi-rindrina??!!
    plus l’on sait que chaque MOOV des putshistes means PRATIQUE D’INFLUENCE leur culture quotidienne

    Amin’izao fotoana, ilay
    « impossible n’est pas français »
    j’assimile = MIRA
    « ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra »

    ____

    Fehiny: tsy takatry ny sain’ny olontsotra ny objectif ny Firantay  » éliminer tout se qui se rattache au président élu Marc Ravalomanana – le VRAI homme digne de nom MALAGASY »

    CQFD:
    – faut bouger dans ce sens
    – diffuser des info, brochure facile aux vahoaka de saisir
    – qu’en FIN DE COMPTE (notre perte totale)

    ==> FRANCE VEUT GOUVERNER notre bienheureuse MADAGASCAR depuis à ce jour

  22. au final,
    in few words,
    that’s it:

    « M A T A H O T R A….N Y….A N A R A N A….RAVALOMANANA….

    ==> NY FRANTSAY SY NY MPANONGAM-PANJAKANA »

    ____

    une action: conscientiser le vahoaka – tracts – flyer (brochure)

  23. Misaotra anao Ho Aiza, fa mba misy olona manan-tsaina toa anao ihany eto. Ny intervention-n,ao mihitsy no nandrasakao sy mi-interesser ahy.
    Tena tsy diso fanantenana aho ! Maromaroa anie ny toa anao !!!

    Isika tsy tara izany. Asa izay film fijerin’ny sasany any, fa maharaka tsara ny film miseho isika e!

    Marina mihitsy ny teninao hoe : ny mampalahelo dia tsy afaka ny hifanaraka, satria rehefa tsy hevitra avy any « amin-dr’izalahy dia lavina fotsiny izao ! Inona no antony ???
    Ambo-po diso toerana, ka ny azy ihany no tiany ho marina sy ho atao.Ny principe-ko, dia MBA MANONTANY ALOHA ny hevitry ny maro vao mibosesika amin’itsy sy eroa.

    Raha mijery Lafy8 dia hita fa maro dia maro no tonga mitsidika : cliquer-na ny Portail dia ery ambany amin’ny an-kavia no ahitàna izany. Voateny tao koa io ambo-po diso toerana io, fa io ihany no mahatonga ny hafa tsy hanoratra.

    Ny HITARAINA LAVA SY HITANTATRA NY ATAON’i Domelina tsy cause mihitsy. Ny milaza ny zava-misy hafa kosa. Ny tao-trano tsy hefan’ny irery. Izay sorena amin’izany, tsy mahazo tsiny, izay tsy taitra fa manao izay heveriny fa mety dia manohy.

    Eto dia mba tiako, ny miala tsiny indrindra amin’i Vonifanja, izay tsy mahavoa loatra ity fifamaliana ity, anefa REHEFA TSY MITENY ny tena dia hitabataba hatrany ireo mihevitra fa tsy mba manana ho tenenina ny hafa.
    Bisou Ranavalona a ! Tsy misy rancunes akory !
    Have a good day Ho Aiza ! Best Regards !;)
    Mahereza e !

  24. Mba alavito ity fesse-bokan’i Lily ity !
    Basy atifi-kavana izao araka ny tenin-drazana ! Rehefa tsy mahavoa, fara-faharatsiny mba mahafanina !


    Adinoko kely : vao manokatra ny Lafy8 ianao Ho Aiza dia mahatspa fa ny sary miseho ao dia JUSTEMENT , mi-conscientiser ny vahoaka mijery ao ! 😉
    Azontsika atao koa ny mamorona Flyer, fa ho jerevana raha misy clé !

  25. Ny post -ko farany r’ingahy Njara dia valin’ity fandrosoan-kevitra ity, HEVITRA TOKANA IZAY MITARIKA NY OLONA HIDINA HO ENY AMIN’NY 13 MAI !!

    Rasamy dit :
    30 mai 2013 à 13 h 14 min
    « Misy ny hevitra hanao DIABE ka eny aminy kianjany 13 Mai no atao, ka ity misy eritreritro kely
    Io Diabé io…….Ka ndao ka sahia hanala anity Rajoelina nampahantra ny vahoaka malaghasy ».

    Betsaka ihany ny zavatra hita teto, ka asa na Rasamy no Njara, na Njara no Rasamy, no N, Tiana sns…, fa dia mitovy ihany ny valin-teniko.

    Rehefa mitolona dia tsy maintsy misy hetsika na actions atao ! Mais il y a actions et actions.
    Izany hetsika izany tsy ataotao fotsiny, ary rehefa atao dia tokony amin’ny « fotoana » sy « toerana » tokony anaovan’azy ! Ampiako fanontaniana : Inona no ho atao eny amin’ny 13 Mai ? Hanao inona ary hitaky inona ?
    Izany rehetra izany aza tsy NAZAVAINA SY NAROSO akory !

    Nilaza ny fomba fijeriko momba an’io « fihidinana ho eny amin’ny 13 Mai io ny tenako, ary mbola mino aho fa manana zo hilàza an’izany ato !

    Mbola zo-n’ny aty ny maneho hevitra, ary hilazàny fa tsy dia mety ilay hevitra indrindra AMIN’IZAO VANOM-POTOANA IZAO.
    Angaha rehefa mandavaka ny lakana hitàn’ny tenany ilay domelina, dia tsy maintsy ny an’i Ramatoa Lalao Ravalomanana koa no ho lavahana mba tsy ha-tafit’azy ?

    Ny hetsika dia betsaka no azo atao, fa raha io dia tsy mety raha NY FIJERIKO ! AHY MANOKANA IZANY HEVITRA IZANY ! NAROSOKO IHANY KOA NY ANTONY ! Rahatoa ka izaho irery no manana an’izany fomba fijery sy fandinihina izany, dia tsy misy koâ ! Demôkraty ny tary manoratra, ary olona tsy tia misolelaka !

    Tsy mety amin’ingahy Njara izany dia zo-ny ihany koa, fa fisaina mirefarefa amin’ny tany, no hilazàna fa boka ny fitombenan’ny CST NAIKA Eliane satria tezitra amin’i KintanaMananDrambo ingahy Njara !

    Izao fotsiny ry akama fa aza be safiry eo â !

    Hay ve ianareo sady etsy akaikin’ny « Omby mainty » no mipetraka no any an-toerana â ?
    Rehefa lazainareo fa any an-toerana ianareo, dia resaho i Ramatoa Hanitra RAZAFIMANANTSOA sy Ingahy Mamy RAKOTOARIVELO hikabary ao amin’ny Magro androany, ary asaivo mitarika ny vahoaka ho eny amin’ny 13 Mai ry zareo rahampitso !

    _____

    Tandremo fotsiny ny filazàna fa BAIKO NA HEVITRA avy any amin’i Dada na i Neny izany !!!!

  26. « ….ny filohan’ny HAT no namotika ny demôkrasia eto, kanefa izy tenany ihany no milaza hoe « La démocratie est confisquée », dixit Organès Rakotomihatarizaka dans :

    http://www.lanation.mg/article.php?id=4271

    Spécialiste amin’ny pinces no namoaka an’io fanambaràna io, ka avelao izy no hanapaka ny pinces-n’i domelina alias Baoby des Nandra !

  27. « dia resaho i Ramatoa Hanitra RAZAFIMANANTSOA sy Ingahy Mamy RAKOTOARIVELO hikabary ao amin’ny Magro androany, ary asaivo mitarika ny vahoaka ho eny amin’ny 13 Mai ry zareo rahampitso ! »
    Mapme be ! Mpanao politika miaka-dronono angaha izato izy ???
    Tsy adala daholo ny mamaky fa mba olona misaina toa anao ndriamatoa o ! Ary inona no idiran’ny Omby mainty ato ?
    Moramora ianao rabary a ! Jao Jean koa anie ka CST e ! Azonao ve ny tiako holazaina? Ianao akaikin’ny CST io indrindra no tokony mampita hafatra, ny ahy : ny hafatra tsy misy fa izaho ihany no manatanteraka. 😉 ary mahazaka olona mizivozivo, fa tsy olona miteniteny foana.
    Izay anarana entiko mbola fahafahako ihany koa izany e ! ary ataoko mazava rehefa miova anarana aho, fa anjaran’ny tsirairay no MISAINA hoe: inona no antony !
    Ataoko fa mba efa nazava taminareo izany !Ary aza afangaro, sao dia lazain’ny olona hoe fanina 🙂
    Dia aza lazaina fa faly mihinana maloto intsony ny malagasy raha sendra tsy sahy mihetsika intsony ! ! Asaivo miandry fotoana foana, araka izay mahamety ny akamanareo any. Asaivo hazavainy an-tsipirihiny aloha, dia avy eo asaivo arosony raha ekenareo na tsia, izay vao mitetaka manao diabe ! Zay e! Mazava izao !

  28. « Le président de la Transition est habilité à prendre toutes les mesures pouvant aller jusqu’au limogeage du premier Ministre, qui fait entrave à la Feuille de route et à la bonne marche du processus électoral », dixit Christine Razanamahasoa !

    http://www.madagascar-tribune.com/Christine-Razanamahasoa-charge-le,18785

    Beriziky indray izany no lazaina fa sakana, matoa tsy tanteraka ny tondrozotra nandritr’izay efataona mahery izay !

    Ampisehoy r’Ingahy Beriziky ny tena maha lehilahy anao (sens figuré), fa ny sasany aza hono, dia vonona ny hapaka ny azy (sens propre) raha voadaka avy eo amin’ny toerany eo izy â !
    ianao manao an’izay azo atao rehetra mba handrosoan’ny raharaha indray ity, no lazaina fa mendrika ny ho apitika ! Aza manaiky lembenana fa manohana anao ny Communauté internationale, i domelina efa tsy filoha izany intsony !

    Tsy resaka noho izy hoe nirotsaka ho fidiana, na tsy nametraka démission ny ahy, fa araky ny tokony ho izy dia tsy nanara-dalàna foana izy atramin’izay na dia nitady an’izany hoe marimaritra iraisana izany aza ny malagasy ; noho izany antony izany dia tena mendrika ho azy ilay voalazan’ny CPS hoe : « les auteurs de changement anti-constitutionnel de régime, ne doivent pas avoir de postes de responsabilités dans les Institutions de leur Etat » !

  29. Avadika fa tsy misy conscensus?!

    Domelina Dégeneré mentaly : l’inexistence du consensus débutait depuis l’élection des membres de cette foutue de TRANSITION

    Et Fransman
    devient
    French Man (un homme à la solde de France)

    qui promettait à mouvance dada8:
    « Signez la feuille de route,
    et le dernier président élu de Madagascar
    Marc Ravalomanana a droit à revenir dans son pays natal »

    lui en compagnie de sa famille
    ce pouvoir au règne actuelle ET PAR LA FORCE DES ARMES
    ont misé « ALIVE-or-DEAD » (les Wanted deviennent monnaie courante partout et lancé par partisans du PUTSCH)
    quoi de plus clair
    devrions-nous verser du sang
    (sacrifices humains – on s’en fout les conseils tout azimuts c’est la démocratie)
    izaho no président i Monja no PM i NyHasina no MAE
    les ont CHASSE du pouvoir, traqué dans tous les recoins
    la tête misée par les putshistes bon Dieu

  30. Nahoana moa Atoa Mamy Rakotoarivelo no manenjika ny CES ???

    Tany amin’ny Prezidan’ny CES i Rajoelina no nanoratra nanazava fa tsy hanao demission izy. Nolazaina fa raison majeur no antony .
    Tsy olana na tsy fantatra mazava aza ny tena nolazainy tao anaty taratasy fa ny tena olana dia ity :

    Iza moa no President’ny CES ???
    Valiny : Ny president ‘ny HCC ihany !

    Izany no korontana entin’i Ratsiana Orana, miaraka amin’ireo Jenraly Mpanongana ireo
    ry Ho Aiza.
    .
    Ary iza no TENA MITONDRA ny HCC ???
    Ratsiana Orana !

    Mazava ankehitriny nahoana no nohekena ny Candidature’ni Rajoelina, ary naninona no nekena hihemotra ny Fifidianana ?
    Satria tsy tara fametrahana candidature intsony i Radomelina, ary afaka mametraka fepetra ahazoany manao propagande tsara toy ny TSY FAHAZOANA MAMPIASA fiaramanidina na elikaoptera HO AN’ireo candidats hafa .

    Mbola afaka manao proposition hitondra ny 2eme Transition koa izy, ary izay no tanjony aroson’ny Troika raha tsy hirotsaka indray HONO (HONO) izy.

    Tsy misy afaka ny hisakana azy tsy hirotska ho President ny transition vaovao RAHA misy transition vaovao.
    Ary ho mora ny hanoanan’ny mpanjanaka azy amin’izay satria, holazainy fa efa teo izy ka manana experiences.

    ANATRA : Tsy i Rajoelina no kendrena ho finganina fa ireo manodidina : RatsianaOrana – ny Jeneraly rehetra mpanongana .
    http://www.tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=9873&idcat=2

    Ka mbola ho ela angamba vao hilamina ity Firenena ity

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *