Manome 15 andro ny ministera hanokafany ny haino aman-jery nakatony

Ampy izay! Raha mbola miziriziry amin’izao heviny tsy te-halala ny fanokafana ireo haino aman-jery rehetra ireo ny ministry ny serasera, dia handray fepetra henjana ny sendikan’ny mpanao gazety
eto Madagasikara izay tarihin’I Roco Rasoanaivo. Io fepetra io ho raisin’ny sendika io, dia ny hanokafana miaraka ireo haino aman-jery rehetra eto amintsika, satria tsy misy antony mazava tokony
tsy hanokafana ireo radio sy tele ireo. Raha ny fanazavana heno dia ahiliky ny ministry ny serasera any amin’ny fitsarana ny antony nanakatonana ireo radio sy tele ireo, kanefa rehefa anontaniana
any amin’ny fitsarana, dia manambara fa tsy andraikitry izy ireo ny manakatona radio na tele toy izany fa ny minisetra mpiahy no manana andraikitra amin’io. Iza no mandainga raha izany no
fandehany? Manoloana ireo, dia io fe-potoana 15 andro hambaran’ny sendikan’ny mpanao gazety io no fotoana farany omen any ministera, fa raha dila io, dia hisokatra daholo ireo radio sy tele izay
nakatona tamin’ny fomba mamohehitra. Inona tokoa moa no atahorana manokatra ireo radio ireo, sa misy olona tsy mahazaka ny fanehoan-kevitra samy hafa eto, fa ny heviny ihany no tiany hasesika ao
an-dohan’ny mpanara-baovao?

8 pensées sur “Manome 15 andro ny ministera hanokafany ny haino aman-jery nakatony”

  1. dia haninona anefa ono ireto mpanao gazety mety voavidim-bola ireto é? tsy io filou-ny io ve moa no niteny fa izy ireo no anisan’ny vy nahitàna izao fitondrana foza izao?
    ireo no tena fanetry ben’ny firenena, raha nahay nanao ny tena asan’ny mpanao gazety fa tsy manao mercenaire mpanao chantage tsy ohatrizao ny firenena !

    aiza ilay fandrangitana tamy fotoan’andro tao amy Viva tamy fandorana sns?, ilay vavaben’io filou ny soit disant syndicat io fony izy tao amy la gazette e? sa ve refa tsy nahazo ranondranony dia mody hoe sokafy refa nenazy no nakatona ?
    ataovy rentany rendanitra ary hoe mitaky tsisy hatak’andro ny hisokafan’ny radio Mada, MBS ihany koa, fa ankoatri’zay dia mbola ilay image-nareo jiolahimboto sy jiolahimbavy no ato antsain’ny maro é!

  2. Attendre 15 jours c’est trop. Mais la vraie question c’est , après 16 jours, si la HAT est comme d’habitude, c-à-d rien, qu’est ce qui se passera car j’ai déjà vu plusieurs le 1, 2, 3, ….soleil.

  3. Mpanao gazety, voky « felaka » sy tsy manana hazon-damosina !! Faly dia faly mahazo vola amin’ny fahorian’ny vahoaka ! Misy ary tena hita mihintsy fa nia-natavy sy nitombo « firavaka » teo ambonin’ny sezany, nandritr’izay efa-taona izay !
    Misy aza gazety iray, izay tokony hivoy ny fanohanana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana, mahavita mamoaka vaovao sy manao praopagandy an’izato milaza ny tena fa tia tanindrazana, kanefa sahy milaza ihany koa fa sady tsy manohana na atsy na ny eroa !
    Ny zavatra mba tadiaviny dia ny mba hisian’ny solotanan’izy ireo ho voafidy solombavam-bahoaka na ben’ny tanàna ! Toa hoe MATITA na Malagasy Tia Tanindrazana no anaran’ilay antoko !
    Mpitaty rà-kena tsy misy toa izany !

  4. Ianareo Mpanao gazety ihany no nanohana ny FOZA t@ 2009, ka rehefa injay mikatona ny radio-nareo dia MAY AHO DORAN’NY AFO de manome Ultimatum 15 jours ny minisitry ny serasera.Mpanao gazety MAMPME KA AIZA MOA NO HANDROSO ITY M/car ity fa nareo 4è pouvoir indray no manondrana. De tena mitovy mihitsy ianareo sy ny miaramila e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *