Mpaminany fopla

Vintana kely fotsiny sisa no andrasana dia hisonenika anaty fahasambarana tanteraka ianao ry Belohakely fa aza dia mamoifo amin’ity toaka sy rongony ity intsony. Atsaharo ihany koa ny
fimenomenonana tsy misy dikany fa atrakao ny loha. Efa miketrika ny ho avinao amin’ny endriny mahafinaritra ny mpandahatra ny fiainana fa aza marary sy marofirofy intsony. Andramo henoina indray
mandeha indray ilay hiran’i Boussa sy Tôm iny dia hisava ny alahelonao rahavako. Ohatran’ialahy ihany izaho: Tena hiaina anaty trano milay be amin’izay, hanana sipa manjabe, dia tsy harary
intsony ny fahasalaman’ny paosy, dia hisy garde du corps marobe hiaro sy hanindrahindra… Dia hihogahoga amin’izay ny iray tanàna araka ny fikaozin’i Toungue azy hoe: Mahery koa iny bandy iny.
Ireny mpidance mpinantsanantsana ny “lol” ireny dia hikombona ny vavany fa aza matahotra, ary minoa fotsiny ihany fa i Marc no nilaza izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *